Mahery indrindra Andriamanitra ary efa nampanantena Izy fa hiaraka aminao. Mahagaga Izy ary mikarakara anao, matokia Azy fotsiny. Izy no Mpamonjy anao, ka nirahiny ny Zanany Lahitokana ho faty noho ny fahotanao.
Amin’Andriamanitra, ny zavatra rehetra dia hain’ny finoanao. Raha te hahalala an’Andriamanitra ianao dia manatòna Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Teniny. Maniry mafy ny hanatonanao Azy ny Tompo.
Tsy misy tsiny ny lalan’Andriamanitra; voazaha toetra ny tenin’i Jehovah. Ampinga Izy ho an’izay rehetra mialoka Aminy. (2 Samoela 22:31)
Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany.
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina.
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?
Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka, any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, dia zavamiaina, na ny kely na ny lehibe.
Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza.
Tamin’ny tenin’NY TOMPO no nanaovana ny lanitra ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana izay rehetra ao aminy.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
An’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy. Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! Fiatoana Fa Izy no manorina azy eo ambonin’ny ranomasina, eo ambonin’ny renirano no ampitoerany azy.
Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; hahavelona hoby eo alohanareo ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny hazo rehetra any an-tsaha dia hitehaka. Haniry ho solon’ny tsilo ny hazo kipreso, ary ho solon’ny sampivato ny mirta; ary ho anarana ho an’NY TOMPO izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.
NY TOMPO no nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany. Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany.
Aoka hifaly ny lanitra ary hiravoravo ny tany! Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy! Aoka hiravoravo ny saha sy izay rehetra eo aminy; dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala
Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana. Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.
Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. RY TOMPO Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao; famirapiratana sy voninahitra no itafianao. Mampandeha loharano ho riaka eny amin’ny lohasaha Izy; eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny ka isotroan’ny bibidia rehetra sy analan’ny borikidia ny hetahetany. Eo akaikiny no itoeran’ny voromanidina ary eo amin’ny rantsan-kazo no anenoany. Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy; ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany. Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona. Voky ny hazon’NY TOMPO, dia ny sederan’i Libanona izay namboleny. Eny no anaovan’ny voronkely ny akaniny ary ny vano dia eny amin’ny hazo kipreso no anaovany ny tranony. Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osidia; ny harambato dia fiarovana ho an’ny hiràka. Nanao ny volana ho famantarana ny fotoana Izy ary mahalala ny filentehany ny masoandro. Mitafy ny mazava tahaka ny mitafy lamba Izy ary mamelatra ny lanitra tahaka ny famelatra tranolay.
fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany;
dia Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy izay eo aminy rehetra; Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana sady tsy mba tompoin’ny tanan’olona toy ny hoe mila zavatra Izy, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra;
Haleloia. Miderà NY TOMPO avy any an-danitra, miderà Azy, ianareo any ambony. ny bibidia sy ny biby fiompy rehetra, ny biby mandady na mikisaka ary ny voromanidina, ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra, ny mpitondra sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany, na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny antitra na ny tanora, samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy, dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra; eny, ho an’ny Zanak’Israely, firenena akaiky Azy. Haleloia. Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra. Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, ary ianareo rano any ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny anaran’NY TOMPO ireo, fa Izy no nandidy dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; nomeny lalàna ireo ka tsy hihoatra izany.
Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao. raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala? Iza moa no manome hanina ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? Iza ary no nandidy izay ho refiny raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny kofehy fandrefesana teo aminy? Teo ambonin’ny inona no nanorenana ny andriny ary iza no nandatsaka ny vato fehizorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza.
Izay nanao ny lanitra tamin’ny fahendrena, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay namelatra ny tany ho ambonin’ny rano, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nanao ireo fanazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindrampony! Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindrampony!
Lehibe ny asan’NY TOMPO ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy. Madera sady malaza ny asany; maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany.
Eo an-tanany ny fitoerana lalina amin’ny tany. Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina fa Izy no nanao azy ary ny tany maina dia novolavolain’ny tanany.
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
Fa avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amena!
Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy.
Mamelatra ny lanitra avaratra eny ambonin’ny habakabaka Izy ary manantona ny tany eo amin’ny tsy misy na inona na inona. Fonosiny ao anatin’ireo rahony matevina ny rano nefa ny fanambanin’ny rahona dia tsy mety triatra.
Ny avako dia apetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena Amiko sy amin’ny tany.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
Izy no manaron-drahona ny lanitra, Izy no manamboatra ranonorana ho amin’ny tany, Izy no mampaniry ahitra ny tendrombohitra, Izy no manome hanina ho an’ny biby sy ho an’ny zana-goaika izay mitaraina.
Hatrizay niainanao, moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fiposaky ny andro mba handraisany ny sisin’ny tany ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
Fa Ahy ny biby rehetra any an’ala sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra; fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra ary Ahy avokoa ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
Izaho va tsy atahoranareo? Hoy NY TOMPO; tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako izay nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony ihoarana? Koa na dia mitopatopa aza ny onjany dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza dia tsy mahahoatra azy.
Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify ary manenjana azy tahaka ny tranolay hitoerana.
Nahoana koa no manahy ny amin’ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo eny an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia i Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy na dia tahaka ny iray amin’ireny voninkazo ireny.
Ny tany rehetra dia hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. Fiatoana.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Moa efa niditra tany amin’ny trano fitahirizana ny orampanala va ianao? Ary efa hitanao va ny trano fitahirizana ny havandra
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao ka tsy izay zavatra hita maso no nanaovana izao zavatra hita izao.
Tamin’ny nampiorenany ny lanitra dia teo aho, tamin’ny namaritany ny habakabaka tambonin’ny lalina, tamin’ny nampitoerany ny rahona eny ambony ka niboiboika fatratra ny loharanon’ny lalina, tamin’ny nanisiany faritra ho an’ny ranomasina mba tsy hahazoan’ny rano mihoatra ny fetrany, rehefa nandidy ny amin’ny fanorenan’ny tany Izy,
Iza no nahafatra ny rano teo am-pelatanany sy naharefy ny lanitra tamin’ny zehiny ary nahavory ny vovo-tany ao anatin’ny famarana? Iza no nahalanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana?
Nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy, nataonao eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra, dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra ary ny bibidia koa, ny voromanidina sy ny hazandrano any an-dranomasina izay mandeha amin’ny lalan-dranomasina.
Nefa Izy tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona tamin’ny fanaovany soa: Mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo Izy sady manome taon-jina ka mahavoky anareo amin’ny hanina ary mahafeno fifaliana ny fonareo.
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia sy ny amboadia ary ny aotirisy, satria manisy rano any an-tany efitra sy ony any amin’ny tany ngazana Aho mba hampisotroina ny oloko, dia ilay voafidiko. Izao vahoaka noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao. Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo, ny fitsaranao dia toy ny lalina lehibe. Ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, TOMPO ô!
Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery izay nampisondrotra ny onjan-drano; niakatra hatrany amin’ny lanitra ny olona ary nidina hatrany amin’ny lalina; torotoro noho ny fahoriana ny fanahiny. Fanina ireo sady nivembena toy ny mamo ka very ny fahaizany rehetra. Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory ka nanafaka azy tamin’izay nampahatahotra azy Izy. Nampahatony ny rivotra mahery Izy ka nitsahatra ny onjan-drano.
Fa Andriamanitra lehibe NY TOMPO; Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy. Eo an-tanany ny fitoerana lalina amin’ny tany. Azy ny tendrombohitra avo.
Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina. Aoka ho famantarana ny andro firavoravoana samihafa, ny andro ary ny fizaran-taona ireo, dia aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ny tany! Dia nisy izany.
Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany. Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.
samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Aoka hiteha-tanana ny riaka; aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra,
Hampiboiboika renirano eny an-tampon-tanety mangadihady Aho, ary loharano eny afovoan’ny lohasaha; hataoko tonga farihy ny tany efitra ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika; Hampaniry hazo sedera sy akasia, sy rotra ary oliva any an-tany efitra Aho, ary ny kipreso sy hazo kesika ary kirihitra dia hampiarahina eny amin’ny tany ngazana, Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra? Iza no nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ary nampietry mpanjaka? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, sy ny tsipìkany ho tahaka ny mololo paohin’ny rivotra? mba ho hitan’izy ireo sy ho fantany, ary hoheveriny sy ho azony an-tsaina fa ny tanan’NY TOMPO no nanao izany, ary ny Iray Masin’ny Israely no nahary azy.
Fa indro Aho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao; tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho tonga ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa, ary miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
Indrisy, Andriamanitra Tompo ô! Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nitsotra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao atao.
Mampandeha ny didiny ho amin’ny tany Izy; miely haingana be ny teniny. Mandatsaka orampanala tahaka ny volon’ondry Izy; mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. Mandatsaka ny havandrany tahaka ny sombintsombin-javatra Izy; iza no maharitra ny hatsiakany? Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; mampifofofofo ny rivony Izy dia mandriaka ny rano.
dia mpita-marika teo anilany aho sady ravoravo isanandro isanandro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.
Asiany faritra boribory eny ambonin’ny rano, eo amin’izay ihaonan’ny mazava sy ny maizina. Ny andry iorenan’ny lanitra dia mihozongozona sady ankona noho ny teny mafy ataony. Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina ary ny fahendreny no anorotoroany an’i Rahaba; ny fofonainy no mampadio ny lanitra ho mamirapiratra; ny tanany no nitomboka ny menarana mandositra. Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany, ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Ny andro dia samy miteny amin’ny andro mandimby azy ary ny alina dia samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.
Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra iray Izy; mitahiry ny rano lalina ho ao amin’ny trano fitahirizana Izy.
Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy. Hiara-komana ny ombivavy sy ny bera, hiara-mandry ny zanany, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona. Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono. Tsy hisy handratra, ary tsy hisy hanimba manerana ny tendrombohitro masina; fa ho henika ny fahalalana NY TOMPO ny tany, tahaka ny anaronan’ny rano ny ranomasina.
mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa rehefa nandre izany izy ireo dia niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra hoe: Tompo ô! Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny,
Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho Izay nampanaiky azy, amin’ny fanantenana. Izao zavatra ary rehetra izao koa dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana be voninahitra izay an’ireo zanak’Andriamanitra.
Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osidia; ny harambato dia fiarovana ho an’ny hiràka. Nanao ny volana ho famantarana ny fotoana Izy ary mahalala ny filentehany ny masoandro. Mitafy ny mazava tahaka ny mitafy lamba Izy ary mamelatra ny lanitra tahaka ny famelatra tranolay. Mahatonga haizina Ianao dia tonga ny alina ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ala; mierona maniry remby ny liona tanora ka mitady ny haniny avy amin’Andriamanitra. Miposaka ny masoandro dia miverina ireny ary ao an-davany no amitsahany.
Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany.
Atongilano ny sofinao ka mihainoa, ry Joba! Mijanòna, koa mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra! Fantatrao va ny ibaikoany azy ireny ka ampamirapiratany ny tselatra eny amin’ny rahony? Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina izay fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana?
Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
Dia matahotra noho ny famantarana ataonao ny mponina any am-paran’ny tany; fenoinao hoby ny any amin’ny fiposahan’ny maraina sy ny hariva.
ny fofonainy no mampadio ny lanitra ho mamirapiratra; ny tanany no nitomboka ny menarana mandositra.
Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao. Manokatra ny tananao Ianao ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra.
Misy ony iray, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’Andriamanitra, fonena-masin’ny Avo Indrindra; Andriamanitra no eo afovoany ka tsy mba hihetsika akory izy; Andriamanitra no hamonjy azy rehefa madiva ho maraina ny andro.
Ny tendrombohitra dia hahavokatra fiadanana ho an’ny olona; eny, ny havoana koa, amin’ny fahamarinana.
Nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra! Izao rehetra izao dia voaorina ka tsy hihetsika. Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany! Aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: NY TOMPO no Mpanjaka! Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy! Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy! Dia hihoby eo anatrehan’NY TOMPO amin’izay koa ny hazo any an’ala! Fa avy hitsara ny tany Izy. Miderà NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony!
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy nisy intsony. Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra iray sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia i Jerosalema, midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra. Manana ny voninahitr’Andriamanitra izy; ny famirapiratany dia tahaka ny vatosoa tena sarobidy, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato kristaly. Manana manda lehibe sady avo sy vavahady roa amby folo izy, ary eo amin’ny vavahady dia misy anjely roa amby folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ny foko roa amby folo amin’ny Zanak’Israely: Eo atsinanana, vavahady telo; eo avaratra, vavahady telo; eo atsimo, vavahady telo; eo andrefana, vavahady telo. Ny mandan’ny tanàna dia misy fanorenana roa amby folo ary misy anarana roa amby folo koa eo, dia ny an’ny Apostoly roa amby folon’ny Zanak’ondry. Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Ny tanàna dia efamira, koa mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara izy ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. Ary nandrefy ny mandany izy ka efatra amby efapolo amby zato hakiho, araka ny refin’ny olona, dia ny an’ny anjely. Ny mandany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. Ny fanorenan’ny mandan’ny tanàna dia voaravaka vatosoa samihafa rehetra. Ny fanorenana voalohany dia jaspy, ny faharoa dia safira, ny fahatelo dia kalkedoana, ny fahefatra dia emeraoda, Ary hitako ny tanàna masina, dia i Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny.
Mampandeha loharano ho riaka eny amin’ny lohasaha Izy; eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny ka isotroan’ny bibidia rehetra sy analan’ny borikidia ny hetahetany. Eo akaikiny no itoeran’ny voromanidina ary eo amin’ny rantsan-kazo no anenoany.
fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voromanidina ka manorina akany eo amin’ny rantsany.
RY TOMPO Andriamanitray ô, endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Nataonao eny amin’ny lanitra ny famirapiratan’ny voninahitrao. Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena!
Izay manome hanina ny nofo rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony! Miderà an’Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindrampony!
Miposaka ny masoandro ary milentika ny masoandro sady miriotra ho any amin’ny toerana izay niposahany. Mianatsimo ny rivotra dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina mihodidina foana. Ny renirano rehetra dia samy mankany amin’ny ranomasina nefa tsy mety feno ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.
Ny feon’NY TOMPO no eny ambonin’ny rano; Andriamanitry ny voninahitra no mampirefotra ny kotroka; NY TOMPO no eny ambonin’ny ranobe. Ny feon’NY TOMPO dia be hery; ny feon’NY TOMPO dia be voninahitra;
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako? Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ary miravoravoa aminy, ianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy, mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ny nonony mahafaly; eny, mba higoka ianareo ka hiravoravo amin’ny haben’ny voninahiny. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena, ho tahaka ny renirano tondraka. Hampinonoana ianareo; ary hosakelehina ianareo sady horotsirotsina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo. Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo, ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo; ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy. Fa indro NY TOMPO ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo. Fa ny afo no hoentin’NY TOMPO mitsara, ary amin’ny sabany no hitsarany ny nofo rehetra; ho maro ny voaringan’NY TOMPO. Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka mifandimby mankeo afovoany ary mihinana henan-kisoa sy zava-betaveta ary totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy NY TOMPO. Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro. Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy. Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.
Mampody ny ony ho tany efitra Izy ary ny loharano ho tany mangentana, ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo.
Fa minia ho jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady tamin’alalan’ny rano no nampivondrona azy, tamin’ny tenin’Andriamanitra,
Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa ka tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.
TOMPO ô, aondreho ny lanitrao ka midìna; tendreo ny tendrombohitra dia hidona-tsetroka ireny. Ampitselatselaro ny tselatra ka ampielezo ireo; alefaso ny zana-tsipìkanao ka ampifanaritaho ireo.
Ny zavatra rehetra nataon’NY TOMPO dia samy misy antony avokoa; eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ny andro hahitan-doza.
Ary nasehony ahy ny ony nisy ranon’aina, manganohano tahaka ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry Hoy indray izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity fa antomotra ny andro. Izay manao ny tsy marina dia aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; izay maloto dia aoka mbola haloto ihany izy, fa izay marina kosa dia aoka mbola hanao ny marina ihany izy ary izay masina dia aoka mbola hihamasina ihany izy! Indro, avy haingana Aho ary entiko miaraka Amiko ny valisoa avy Amiko, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy. Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. Sambatra izay manasa ny akanjony mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna. Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. Izaho Jesosy no naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarikandro. Ny Fanahy sy ny ampakarina no miteny hoe: Avia! Aoka izay mandre hiteny hoe: Avia! Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety dia aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Izaho dia manambara amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy zavatra amin’ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra zavatra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina, araka izay voasoratra ato anatin’ity boky ity. teo afovoan’ny lalambeny. Teny an-daniny roa amin’ny ony dia nisy hazon’aina mamoa voa roa amby folo samihafa sady mamoa isam-bolana. Ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra, ny mpitondra sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany, na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny antitra na ny tanora, samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Misaora NY TOMPO, ianareo asany rehetra manerana ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Manonona Anao hoenti-mamitaka izy; eny, ny fahavalonao dia manonona Anao foana. Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, TOMPO ô, ary ho rikoriko amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Tena halako marina tokoa ireny; fahavaloko ireny. Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho. Voadinikao aho, na mandeha, na mandry, ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory ary tsy mbola mihatra ny taona izay hilazanao hoe: Tsy sitrako izao;
Indro, an’NY TOMPO Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
Hiara-komana ny amboadia sy ny zanak’ondry, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona, ary ny menarana dia vovoka no ho fihinany; tsy handratra na hanimba manerana ny tendrombohitro masina izy, hoy NY TOMPO.
Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy, dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra; eny, ho an’ny Zanak’Israely, firenena akaiky Azy. Haleloia.
ary tsy miteny anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika izay mandatsaka ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana amin’ny fotoanany avy; ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika.
Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany!
Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?
Efa lasa ho any amin’ny tany rehetra ny kofehy fandrefesany ary mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao ny teniny; tany no nanaovany tranolay ho an’ny masoandro. Ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitrano fatoriany, mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy.
Eny, heveriko fa ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao dia tsy mendrika oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.
Ravoravo ny tany efitra sy ny tany karankaina, mibitaka ny tany ngazana sady mamony tahaka ny lisy; Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO. Hankany Ziona amin’ny fihobiana izy ireo, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana. mamony be dia be izy; eny, mibitaka sy mihoby izy, homena azy ny voninahitr’i Libanona mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy i Saròna. Dia hahita ny voninahitry NY TOMPO sy ny famirapiratan’Andriamanitsika izy.
Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka, any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, dia zavamiaina, na ny kely na ny lehibe. Any no alehan’ny sambo sy ny leviatana izay noforoninao mba hilalao any.
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena, ho tahaka ny renirano tondraka. Hampinonoana ianareo; ary hosakelehina ianareo sady horotsirotsina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
Mahay mihaza remby ho an’ny liom-bavy va ianao ary mahafaka ny hanoanan’ny liona tanora Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao. raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala? Iza moa no manome hanina ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Hosoratana ho an’ny taranaka mandimby izany ary izay firenena mbola hoforonina no hidera NY TOMPO; fa mitazana avy any amin’ny fitoerany masina any amin’ny avo Izy; avy any an-danitra no nitsinjovan’NY TOMPO ny tany Aza manafina ny tavanao amiko amin’ny andro fahoriako; atongilano amiko ny sofinao amin’ny andro itarainako; faingàna hamaly ahy. mba hihaino ny fisentoan’ny mpifatotra sy hanafaka izay voatendry ho faty, mba hotorina any Ziona ny anaran’NY TOMPO ary any Jerosalema ny fiderana Azy rehefa tafangona ny firenena sy ny fanjakana maro hanompo NY TOMPO.
Zava-mahatahotra no ataonao amin’ny fahamarinana ho valin’ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ny faran’ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny! Mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy. Mampitsahatra ny firohondrohon’ny onjan-dranomasina sy ny fitabataban’ny firenena Izy.
Anao ny lanitra, anao koa ny tany; izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, Ianao no nanorina azy. Ny avaratra sy ny atsimo, Ianao no nahary azy; ny anaranao no ihobian’i Tabara sy i Hermona.
Ary izao koa: «Ianao, TOMPO ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, ary asan’ny tananao ny lanitra;
Mampody ny tany efitra ho farihy Izy ary ny tany maina ho loharano; amponeniny ao izay noana mba hanamboatra tanàna honenana; hamafy eny an-tsaha izy sady hamboly voaloboka ka hahazo vokatra be. Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
Moa efa niditra tany amin’ny trano fitahirizana ny orampanala va ianao? Ary efa hitanao va ny trano fitahirizana ny havandra izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
Mahatonga haizina Ianao dia tonga ny alina ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ala; mierona maniry remby ny liona tanora ka mitady ny haniny avy amin’Andriamanitra. Miposaka ny masoandro dia miverina ireny ary ao an-davany no amitsahany. Fa ny olona kosa dia mivoaka ho any amin’ny raharahany sy ny asany mandra-paharivan’ny andro.
Fonosiny ao anatin’ireo rahony matevina ny rano nefa ny fanambanin’ny rahona dia tsy mety triatra.
Aoka hatahotra NY TOMPO ny tany rehetra! Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao! Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy dia nitoetra mafy izany.
ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,
Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra! Fa efa nizaha toetra anay Ianao, Andriamanitra ô, efa nanadio anay Ianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Nampiditra anay tao amin’ny fandrika harato Ianao, nanisy enta-mavesatra teo an-damosinay Ianao, nampandeha olona hanitsaka ny lohanay Ianao, nandeha namakivaky ny afo sy ny rano izahay, nefa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao. Hiditra ao amin’ny tranonao mitondra fanatitra dorana manontolo aho, hefaiko Aminao ny voadiko izay notononin’ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Hatolotro ho fanatitra dorana manontolo ho Anao ny matavy mbamin’ny setroky ny ondrilahy. Hanatitra omby sy osilahy aho. Fiatoana. Avia, mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa hotantaraiko izay nataony tamiko. Izy no nantsoin’ny vavako ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ny lelako. Raha toa ka nankasitraka ota tao am-poko aho dia tsy mba ho nihaino ny Tompo; kanefa nihaino tokoa Andriamanitra nanongilan-tsofina tamin’ny feon’ny vavaka nataoko Izy. Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy!
Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. i Filipo sy i Bartolomeo; i Tomasy sy i Matio mpamory hetra; i Jakoba, zanak’i Alfeo; Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Mihoatra noho ny rano sady be no mahery; eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe ny voninahitry NY TOMPO any amin’ny avo.
Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ny Jentilisa ireny? Na koa mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Ianao ihany va no Izy, RY TOMPO Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Ianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
Lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra; tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy; ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia misandratra; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery.