Andininy ao amin’ny Baiboly

- dokam-barotra -


ANDININY FAMPANDROSOANA

ANDININY FAMPANDROSOANA

Marina amin'ny fiainana misy fiakarana sy fidinana, misy hafaliana sy alahelo. Kanefa, antsoin'Andriamanitra isika mba ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano, izay tsy mba malazo ny raviny na dia misy aza ny main-tany. Rehefa mahatsiaro ho kivy sy ory isika, dia toa tsy hahavita hiala amin'izany mihitsy. Soa ihany fa Andriamanitra, amin'ny famindram-pony tsy manam-pahataperana, dia manome antsika teny fampaherezana foana. Ny teniny no manampy antsika hitsangana, mila manana fo vonona handray Azy fotsiny isika dia ho afaka handresy ireo fotoan-tsarotra ireo tsy ho ela.

Eo anilananao Andriamanitra, tsy irery ianao. Izy no hanasitrana ny ratra rehetra ao am-ponao ary hameno anao fifaliana. Miandrandra amin'i Kristy aho mba hahatsapanao ny famelombelomana avy amin'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainanao, ary mivavaka aho mba hampahery ny fonao sy hanome anao hery Andriamanitra.




Filipiana 4:6-7

Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:7

ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:34

Ary amin’izany, aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro iray ny ratsy miseho ao aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 94:19

Raha be ny ahiahy ato anatiko dia mampifaly ahy ny fampiononanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 56:3-4

Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 41:10

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:4

Nitady NY TOMPO aho dia namaly ahy Izy ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jaona 14:27

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:28

Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 55:22

Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 12:25

Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:3

Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:23-24

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro;zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 30:5

Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:5-6

Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 118:6

NY TOMPO no miandany amiko ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 1:7

Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:13

Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 46:1-2

Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 11:28-30

Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 43:1-2

Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:50

Izany no mampionona ahy amin’ny fahoriako; ny teninao no mamelona ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:5-6

Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:15

Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 31:24

Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay miandry NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 4:18

Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:19

Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:31

Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 62:5-6

Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko, fa Izy no antenaiko.Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, fiarovana avo ho ahy ka tsy mba hangozohozo aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 40:31

fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:9

Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 112:7

Tsy mba matahotra ny hahare loza izy; tafatoetra ny fony, matoky NY TOMPO izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:25-27

Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena?Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?Ary iza eo aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia hakiho iray akory aza?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 56:9

Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao. Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:13

Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 12:9

Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 16:3

Ankino amin’NY TOMPO ny asanao dia ho tanteraka izay nokasainao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 121:1-2

Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy?Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:8

Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:143

Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy, fa ny didinao no firavoravoako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 10:29-31

Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 55:12

Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; hahavelona hoby eo alohanareo ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny hazo rehetra any an-tsaha dia hitehaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:1-3

Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:12

Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:24

Tsy hatahotra ianao raha mandry; eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 4:16

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 23:4

Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 12:2

Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:16-18

Mifalia mandrakariva.Mivavaha ka aza mitsahatra.Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 73:26

Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:30

Ny fahaveloman’ny vatana dia ny fo nofo tony, fa ny fitezeram-poana dia maha lo ny taolana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 118:5

Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO, dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:4

Matokia NY TOMPO mandrakizay, fa NY TOMPO, NY TOMPO no Vatolampy mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:38-39

Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:1-2

Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko.Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 3:20

Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 145:18

NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 61:3

hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 1:6

Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 1:33

Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy; eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 56:10-11

Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; NY TOMPO no deraiko noho ny teniny.Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny olona amiko?

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 1:3-4

Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 30:11-12

Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao, efa nanaisotra ny akanjo fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana,mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho. TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:26

Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:15

Ratsy avokoa ny andron’ny ory, fa ny faharavoravoana am-po dia sakafom-panasana mandrakariva.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:114

Fiereko sy ampingako Ianao; ny teninao no andrasako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:4

Sambatra ny malahelo, fa izy no hampaherezina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 40:29

Mampahatanjaka ny reraka Izy ary izay kely hery dia ampitomboiny hery.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 5:1

Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:23

aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 42:11

Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 127:2

Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana; izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:7

Aza mihevi-tena ho hendry; matahora NY TOMPO ka mifadia ny ratsy

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:14

Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:165

Be fiadanana izay tia ny lalànanao ary tsy misy mahatafintohina azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:7

Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 41:13

Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:14-15

Ary izao no toky ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika dia mihaino antsika Izy.Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 136:1

Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony!

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 20:17

Tsy ianareo anefa no hiady any; mijoroa tsara fa ho hitanareo ny hamonjen’NY TOMPO anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa NY TOMPO no momba anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:4

Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; hoy indray aho: Mifalia!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 18:6

Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO; eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary tonga teo an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 6:14

Fa tsy hanan-kery aminareo ny ota; satria tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo fa ambanin’ny fahasoavana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:22-23

Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:76

Ny famindramponao anie no hampiononana ahy araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 16:13

Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 94:18-19

Fony aho niteny hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia ny famindramponao, TOMPO ô, no nanohana ahy.Raha be ny ahiahy ato anatiko dia mampifaly ahy ny fampiononanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:13

Mahamiramirana ny tarehy ny fo ravoravo, fa ny alahelon’ny fo dia mahareraka ny fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:9-10

Na dia maka ny elatry ny maraina mba honina any am-paran’ny ranomasina aza ahodia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:33

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 91:15

Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 3:3

Kanjo Ianao, TOMPO ô, no ampinga ho ahy; voninahitro Ianao ary mampitraka ny lohako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 121:7-8

Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy.Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:37

Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:7

Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 22:19

Fa Ianao TOMPO ô, aza manalavitra; ry heriko ô, faingàna hamonjy ahy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:24-26

Tsy hatahotra ianao raha mandry; eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.Aza manahy ny fampitahorana avy tampoka, na ny loza mandringana afitsoky ny ratsy fanahy raha avy izany;fa NY TOMPO no ho tokinao ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 116:1-2

Izaho dia tia NY TOMPO satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy;satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy; dia hiantso aho raha mbola velona koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:3-4

Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.Matokia NY TOMPO mandrakizay, fa NY TOMPO, NY TOMPO no Vatolampy mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:62

Mamatonalina no hifohazako hidera Anao noho ny fitsaranao marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 62:1-2

Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy.Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 71:1-3

Ianao, TOMPO ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho!Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho ka afaho! Atongilano amiko ny sofinao ka vonjeo aho!Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Ianao izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:28

Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; ampaherezo aho araka ny teninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 1:27

Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 19:21

Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa ny fikasan’NY TOMPO no mitoetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 46:10

Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 42:5

Nahoana ianao ry fanahiko no mitanondrika ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra ianao! Fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 30:2

TOMPO Andriamanitro ô! nitaraina taminao aho dia nanasitrana ahy Ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:1

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 18:2

NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, Andriamanitro, vatolampy ialofako, ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:56

Izao no anjarako, dia ny mitandrina ny didinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 68:19

Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:12

TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:5

Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:4

Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 18:10

Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:6

Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 51:10

Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 2:9

Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:2

Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 11:30

Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 130:5

Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 126:5-6

Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amim-pifaliana.Mandeha mitomany mitondra ny voa hafafiny izy fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:34

Omeo fahiratan-tsaina aho mba hitandrina ny lalànanao; eny, hitandrina azy amin’ny foko manontolo aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:19-21

Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 62:5

Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko, fa Izy no antenaiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:10

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 18:30

Raha ny amin’Andriamanitra dia tsy manan-tsiny ny lalany; voazaha toetra ny tenin’NY TOMPO; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:2

Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:1

Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Andriamanitra ô, Ianao irery no mendrika ny dera sy ny fivavahana avo indrindra. Mitalaho aminao amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompoko aho mba havaozinao ny heriko, reraka sy kivy aho ka tsy manana hery hanohy intsony. Indraindray te hilavo lefona aho ka mialo fatratra aminao aho mba handrotsahanao ny fahasoavanao sy ny fitahianao eo amin'ny fiainako mba hahafahako manohy hatrany amin'ny tanjoko ka tsy hijanona an-dalana. Hoy ny teninao: "Ianao no famindram-poko sy fiarovako mafy; ianao no fiarovako avo sy Mpanafaka ahy; ianao no ampingako, Izay itokian'ny foko." Na dia te ho resin'ny vesatry ny asa sy ny tokantrano aza aho dia mbola hidera Anao ihany aho, Tompo, ary hiandry Anao satria ho avy hamonjy ahy Ianao. Ampio aho, ry Fanahy Masina, mba hihazakazaka hankany amin'i Jesosy tsy misy reraka na fitarainana. Te ho mazoto sy ho be herim-po aho, nefa mila Anao hanohana sy hampatanjaka ahy, Tompo ô. Ambarako anio fa Andriamanitra no ampingako sy Tompoko, Ianao no vatolampiko, Mpiaro ahy, Mpanafaka ahy, Ianao no heriko sy ampingako, famonjena mahery ahy, fiarovako avo, koa tsy ho lavo na hozongozonina amin'ny Vatolampy izay Kristy aho. Diovy sy sasao aho, Tompo ô, raiso ny fifehezana ny fihetsepoko sy ny eritreritro ary ny lafiny rehetra amin'ny fiainako, omeo ahy ny fifaliana sy ny fiadanjana avy aminao. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amena!
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra