Lehibe tokoa ny famindram-pon’Andriamanitra, mihoatra noho ny aina aza no azoko ilazana azy. Raha tsy mahita sy mahatsapa izany fitiavan’Andriamanitra izany isan’andro aho dia ho very maina ny fiainako. Tiany aho na dia be aza ny fahadisoako. Iza moa no hahazo fiadanana raha tsy misy ny famindram-pon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany? Mino aho fa tsy misy. Foana sy latsaka ao anatin’ny fahotana ary ao anaty fahaverezana ilay olona tsy manana an’Andriamanitra.
Kanefa, rehefa tsapanao ny hatsaran’Andriamanitra dia ho hitanao ny asa lehibe ataony ho anao, hatramin’ny fifohazanao ka hatramin’ny fatorianao. Rehefa misaintsaina ny ratsy nataoko sy ny haratsiam-poko aho dia miboiboika ao am-poko ny fankasitrahana tsy mety ritra. Ny fahafahako miaina fotsiny dia efa famindram-po lehibe avy amin’Andriamanitra ho ahy izany. Namela ny heloko Izy, nanadio ny ratsy nataoko ary nizaka ny sazy tokony ho ahy.
Noho izany, misaora Azy! Sokafy ny vavanao ka misaora an’Andriamanitra! Tsara tamiko Izy, nihevitra ahy, nijery ahy tamin’ny mason’ny fitiavana ary tsy nandà ny famindram-pony lehibe izay tsy misy fetra mihitsy. Sarobidio anio sy mandrakizay ny fitiavan’i Jesoa anao, ankasitraho ny rany masina ary milentika ao amin’ny fitiavany.
Fa hoy Izy tamin’i Mosesy: «Hiantra izay hiantrako Aho ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo» (Eks 33.19). Koa tsy avy amin’izay maniry na avy amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra izay miantra.
Mamindra fo sy miantra NY TOMPO, mahari-po sady be famindrampo Izy. Manisy soa ny rehetra NY TOMPO ary ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra.
Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony. Nanodidina ahy ny firenena rehetra, fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy; nanodidina ahy ireny; eny, nitangorona tamiko; ny anaran’NY TOMPO anefa no nandringanako azy. Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; voavono tahaka ny afon-tsilo izy; fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy. Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao nefa NY TOMPO no namonjy ahy. NY TOMPO no heriko ary Izy no deraiko, fa Izy no famonjena ahy. Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia misandratra; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery. Tsy ho faty aho fa ho velona ka hitory ny asan’NY TOMPO. Nofaizin’NY TOMPO mafy aho nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana. Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho; hiditra eo aho ka hidera NY TOMPO. Aoka ny Israely hilaza hoe: Mandrakizay ny famindrampony.
Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, TOMPO ô, fa efa hatrizay hatrizay ireny. Aza ny fahotan’ny fahatanorako na ny ratsy nataoko no tsarovanao, fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao, TOMPO ô!
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.
Nefa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.
Fa nanidy azy rehetra tao amin’ny tsy fankatoavana Andriamanitra mba hamindrany fo amin’izy rehetra.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Dia niainga izy ka nankany amin’ny rainy. Fa raha mbola lavitra izy dia tazan’ny rainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Ary hoy ilay zanany taminy: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony.
Manantenà NY TOMPO, ry Israely, fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo sy ny fanavotana be. Izy no hanavotra ny Israely ho afaka amin’ny helony rehetra.
Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy!
Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.
moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao, vonoy ny fahadisoako! Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao ary tohàny fanahy mazoto aho! Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho, koa ny mpanota dia hiverina aminao. Vonjeo ho afaka amin’ny valin-dra aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, dia hihoby ny fahamarinanao ny lelako. Tompo ô, sokafy ny molotro dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana manontolo dia tsy mahafaly Anao. Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. Manaova soa amin’i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’i Jerosalema! Dia ho sitrakao ny fanatitra amim-pahamarinana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra levonina amin’ny afo ary hanatitra vantotra ombilahy eo amin’ny alitaranao ny olona. Sasao madio aho mba ho afa-keloka ary diovy aho mba ho afa-pahotana!
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina,
Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro.
fa hamindra fo amin’ny tsy fahamarinany Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany» (Jer 31.31-34).
Sambatra ny olona izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany! Be ny fanaintainan’ny ratsy fanahy, fa izay matoky NY TOMPO kosa dia hodidinin’ny famindrampo. Mifalia amin’NY TOMPO ary miravoravoa ianareo olona marina! Mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra. Sambatra ny olona izay tsy isain’NY TOMPO heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny!
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Dia hoy i Davida tamin’i Gada: Indrisy! Tery loatra aho! Aleontsika ho azon’ny tanan’NY TOMPO, satria lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,
Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa mibebaha ianareo mba ho velona!
Nefa Andriamanitra dia be famindrampo ka mamela heloka fa tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.
Mamindrà fo amiko, TOMPO ô, fa reraka aho; sitrano aho, TOMPO ô, fa mangozohozo ny taolako.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao, vonoy ny fahadisoako!
Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy.
Izy no natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampiononam-pahatezerana tamin’ny rany, amin’ny finoana, mba hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namaliany ny fahotana lasa
Raha mitahiry heloka Ianao, TOMPO ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa ao Aminao no misy ny famelan-keloka mba hatahorana Anao.
ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos 2.25).
Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony! Izay namely ny voalohan-terak’i Ejipta, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka nitondra ny Israely nivoaka avy teo aminy, fa mandrakizay ny famindrampony! Tamin’ny tanana mahery sy ny sandry nitsotra, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka nampandeha ny Israely namakivaky teo afovoany, fa mandrakizay ny famindrampony! Fa nanary an’i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nitondra ny olony nitety ny tany efitra, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay namely mpanjaka lehibe maro, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka nahafaty mpanjaka malaza, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, fa mandrakizay ny famindrampony! Miderà an’Andriamanitry ny andriamanitra rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony! Sy i Oga, mpanjakan’i Basana, fa mandrakizay ny famindrampony! Ary nomeny ho lova ny taniny, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia ho lovan’ny Israely mpanompony, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nahatsiaro antsika fony isika nohambaniana, fa mandrakizay ny famindrampony! Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ny fahavalontsika, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay manome hanina ny nofo rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony! Miderà an’Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindrampony! Miderà ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindrampony!
Dia nanatona i Petera ka niteny Taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Hitsangana Ianao ka hamindra fo amin’i Ziona fa efa andro hamindrana fo aminy izao; eny, tonga izao ny fotoana.
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hanehoan’i Jesosy Kristy eo amiko izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy ka hahazoany ny fiainana mandrakizay.
Rariny sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandriananao; famindrampo sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra; TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao. Aza mahafoy ny asan’ny tananao.
mba hankalazan’ny Jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra hoe: «Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentilisa sy hihirako ny anaranao» (Sal 18.49).
Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao! Afaho izahay ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao!
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Fa ilay mpamory hetra kosa dia nijanona teny lavitra eny sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory fa niteha-tratra ka niteny hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota!
Tsy ho noana na hangetaheta izy; tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa izay mamindra fo aminy no hitarika azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina fa Ianao no itokiako. Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako fa Aminao no anandratako ny fanahiko.
Koa tsy avy amin’izay maniry na avy amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra izay miantra.
Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
Fa lehibe mihatra amin’ny lanitra ny famindramponao ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Anao koa, Tompo ô, ny famindrampo, fa Ianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
«Ny Fanahin’NY TOMPO no ato Amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mahantra Izy; naniraka Ahy hitory fanafahana amin’ny gadra Izy sy fampahiratana amin’ny jamba, hamerina izay nampahorina ho amin’ny fahafahana,
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
Koa amin’izany dia mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy dia nahonena Azy ny fijeriny ireo satria trotraka izy ireo fa nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
fa Andriamanitra mamindra fo NY TOMPO Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino ny fanekena tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.
Nomba an’i Josefa anefa NY TOMPO ka namindra fo taminy ary nampahita fitia azy teo imason’ny mpiambina ny tranomaizina.
dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina,
Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika satria tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva.
Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho amin’ny androko rehetra.