Rehefa mijery ny asan'Andriamanitra aho ka mahita ny hatsaran'ny zavatra noforoniny, dia gaga amin'ny halehibeny sy ny filaminany. Efa hatramin'ny ela ny olombelona no niezaka nahatakatra izao rehetra izao sy ny antony namoronana azy, amin'ny alalan'ny filozofia sy ny siansa.
Kanefa, ny Baiboly dia manome antsika fomba fijery hafa izay afaka mampanan-karena ny fisainantsika momba izao rehetra izao. Ao amin'ny andininy voalohany amin'ny Genesisy, dia hitantsika ny fanambarana fa Andriamanitra no namorona ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy. "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany" (Genesisy 1:1). Io fanambarana tsotra nefa lalina io dia milaza fa Andriamanitra no niandohan'ny zavatra rehetra noforonina. Izao rehetra izao dia nokasainy sy nalamina tamin'ny fomba mahagaga.
Ny Baiboly dia miantso antsika mba hijery mihoatra noho izay hitan'ny maso ary handinika ny antony lalina namoronana izao tontolo izao. Ao amin'ny Salamo 19:1 dia voalaza hoe: "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany". Eto isika dia mahita fa izao rehetra izao dia tsy vavolombelona mangina fotsiny amin'ny halehiben'Andriamanitra, fa mampita ny fisiany sy ny heriny amintsika koa.
Izao rehetra izao dia mandrisika antsika handinika ny halehiben'Andriamanitra hita taratra amin'ny zavatra noforoniny. Manampy antsika hahatakatra fa ity tontolo iainantsika ity dia vavolombelona maneho ny fitiavana, ny hery ary ny fahendren'ny Mpamorona antsika.
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao ka tsy izay zavatra hita maso no nanaovana izao zavatra hita izao.
Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy.
Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany.
Dia nitsodrano an’i Abrama izy ka niteny hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie i Abrama, dia Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany!
Dia nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO i Hezekia hoe: Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, izay mipetraka amin’ny kerobima, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Andriamanitry ny Israely, izay mipetraka amin’ny kerobima; Ianao dia Ianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany; Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany;
Mamelatra ny lanitra avaratra eny ambonin’ny habakabaka Izy ary manantona ny tany eo amin’ny tsy misy na inona na inona.
Izao no lazain’NY TOMPO: Raha tsy amin’ny andro sy ny alina ny fanekeko ary raha tsy notendreko ny lalàna mitondra ny lanitra sy ny tany,
Tamin’ny tenin’NY TOMPO no nanaovana ny lanitra ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana izay rehetra ao aminy.
Tamin’izany andro izany koa Jesosy niteny hoe: Midera Anao Aho, Ray ô! Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany nefa nasehonao tamin’ny zaza madinika.
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao na dia iray aza.
Indrisy, Andriamanitra Tompo ô! Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nitsotra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao atao.
Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao.
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
Fa indro Ilay mamolavola ny tendrombohitra sy mahary ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina ary mandia ny havoana amin’ny tany: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
NY TOMPO no nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao. raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala? Iza moa no manome hanina ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? Iza ary no nandidy izay ho refiny raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny kofehy fandrefesana teo aminy? Teo ambonin’ny inona no nanorenana ny andriny ary iza no nandatsaka ny vato fehizorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:
Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza.
Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina. Aoka ho famantarana ny andro firavoravoana samihafa, ny andro ary ny fizaran-taona ireo, dia aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ny tany! Dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro, ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina ary ny kintana. Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Izay nanao ny lanitra tamin’ny fahendrena, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay namelatra ny tany ho ambonin’ny rano, fa mandrakizay ny famindrampony! Izay nanao ireo fanazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindrampony! Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindrampony!
Indro, an’NY TOMPO Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
Hidera ny fahagagana ataonao ny lanitra, TOMPO ô, ary eo amin’ny fivorian’ny masina koa ny fahamarinanao.
Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia Ilay miantso ny rano any an-dranomasina ka mandraraka azy amin’ny tany, NY TOMPO no anarany,
Mitafy ny mazava tahaka ny mitafy lamba Izy ary mamelatra ny lanitra tahaka ny famelatra tranolay.
Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana. Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.
Ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; rehefa antsoiko ireo dia indray miseho avokoa.
Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
Anao ny lanitra, anao koa ny tany; izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, Ianao no nanorina azy.
Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny; rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy dia nipetraka eo ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo
Tany aloha no nanorenanao ny tany ary asan’ny tananao ny lanitra. Ireo dia ho levona fa Ianao no maharitra; ho rovitra toy ny fitafiana izy rehetra; toy ny lamba no hanovanao azy ka hosoloana izy. Fa Ianao no tsy miova ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify ary manenjana azy tahaka ny tranolay hitoerana.
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany.
Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, ary ianareo rano any ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny anaran’NY TOMPO ireo, fa Izy no nandidy dia ary ireo.
An’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy. Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! Fiatoana Fa Izy no manorina azy eo ambonin’ny ranomasina, eo ambonin’ny renirano no ampitoerany azy.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, dia Andriamanitra Ianao, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany, ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
NY TOMPO no Mpanjaka! Mitafy voninahitra Izy; NY TOMPO mitafy, eny, misikina hery Izy; koa izao rehetra izao dia nampitoerina ka tsy hihetsika.
Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
Ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa NY TOMPO no nanao ny lanitra.
Fa indro Aho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao; tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho tonga ao an-tsaina akory aza.
Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany. Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka, any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, dia zavamiaina, na ny kely na ny lehibe.
Iza no nahafatra ny rano teo am-pelatanany sy naharefy ny lanitra tamin’ny zehiny ary nahavory ny vovo-tany ao anatin’ny famarana? Iza no nahalanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana?
Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny haavon’ny kintana, endre ny haavony!
Haleloia. Miderà NY TOMPO avy any an-danitra, miderà Azy, ianareo any ambony. ny bibidia sy ny biby fiompy rehetra, ny biby mandady na mikisaka ary ny voromanidina, ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra, ny mpitondra sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany, na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny antitra na ny tanora, samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny. Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy, dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra; eny, ho an’ny Zanak’Israely, firenena akaiky Azy. Haleloia. Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra. Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mazava rehetra. Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, ary ianareo rano any ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny anaran’NY TOMPO ireo, fa Izy no nandidy dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; nomeny lalàna ireo ka tsy hihoatra izany.
amintsika kosa dia iray ihany Andriamanitra, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
NY TOMPO no nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany. Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy nisy intsony.
Anao ny andro, anao koa ny alina; Ianao no nampitoetra ny volana sy ny masoandro. Ianao no nametraka ny sisiny rehetra amin’ny tany; ny fahavaratra sy ny ririnina dia Ianao no namolavola azy.
Fa henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito. Izany no nitahian’NY TOMPO ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
Nanao ny volana ho famantarana ny fotoana Izy ary mahalala ny filentehany ny masoandro.
Fa izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany ka nahavita sy nampiorina azy, tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy, fa novolavolainy mba honenana: Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.
Hadinonao angaha NY TOMPO, mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany! Matahotra lalandava ianao mandritra ny andro noho ny fahatezeran’ny mpampahory rehefa mikendry hamono izy. Fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory?
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina.
Atongilano ny sofinao ka mihainoa, ry Joba! Mijanòna, koa mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra! Fantatrao va ny ibaikoany azy ireny ka ampamirapiratany ny tselatra eny amin’ny rahony? Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina izay fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana?
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako? Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ary miravoravoa aminy, ianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy, mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ny nonony mahafaly; eny, mba higoka ianareo ka hiravoravo amin’ny haben’ny voninahiny. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena, ho tahaka ny renirano tondraka. Hampinonoana ianareo; ary hosakelehina ianareo sady horotsirotsina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo. Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo, ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo; ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy. Fa indro NY TOMPO ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo. Fa ny afo no hoentin’NY TOMPO mitsara, ary amin’ny sabany no hitsarany ny nofo rehetra; ho maro ny voaringan’NY TOMPO. Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka mifandimby mankeo afovoany ary mihinana henan-kisoa sy zava-betaveta ary totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy NY TOMPO. Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro. Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy. Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
Fa Andriamanitra no anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra. Rehefa mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra Izy dia tandrify Azy ny hitondra ny Tompon’ny famonjena azy ireo ho amin’ny fahatanterahana amin’ny alalan’ny fahoriana.
Ny lanitra dia manambara ny fahamarinany ary ny firenena rehetra dia mahita ny voninahiny.
Indro ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary toy ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro ny nosy dia tahaka ny vovoka madinika entin’ny rivotra manidina.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. RY TOMPO Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao; famirapiratana sy voninahitra no itafianao. Mampandeha loharano ho riaka eny amin’ny lohasaha Izy; eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny ka isotroan’ny bibidia rehetra sy analan’ny borikidia ny hetahetany. Eo akaikiny no itoeran’ny voromanidina ary eo amin’ny rantsan-kazo no anenoany. Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy; ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany. Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona. Voky ny hazon’NY TOMPO, dia ny sederan’i Libanona izay namboleny. Eny no anaovan’ny voronkely ny akaniny ary ny vano dia eny amin’ny hazo kipreso no anaovany ny tranony. Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osidia; ny harambato dia fiarovana ho an’ny hiràka. Nanao ny volana ho famantarana ny fotoana Izy ary mahalala ny filentehany ny masoandro. Mitafy ny mazava tahaka ny mitafy lamba Izy ary mamelatra ny lanitra tahaka ny famelatra tranolay.
Ray ô, tiako mba ho any Amiko amin’izay misy Ahy ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenana izao tontolo izao.
Tamin’ny nampiorenany ny lanitra dia teo aho, tamin’ny namaritany ny habakabaka tambonin’ny lalina, tamin’ny nampitoerany ny rahona eny ambony ka niboiboika fatratra ny loharanon’ny lalina, tamin’ny nanisiany faritra ho an’ny ranomasina mba tsy hahazoan’ny rano mihoatra ny fetrany, rehefa nandidy ny amin’ny fanorenan’ny tany Izy,
Fa minia ho jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady tamin’alalan’ny rano no nampivondrona azy, tamin’ny tenin’Andriamanitra,
Asiany faritra boribory eny ambonin’ny rano, eo amin’izay ihaonan’ny mazava sy ny maizina.
Manangana ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ny tany; miantso ny rano ao amin’ny ranomasina Izy ka mandraraka azy amin’ny tany: NY TOMPO no anarany.
Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy; ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka ny fahamarinana! Aoka ny tany hisokatra mba ho vokatra avy amin’ireo ny famonjena, aoka hitsimoka miaraka amin’izay ny fahamarinana. Izaho TOMPO no efa nahatonga izany.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Ny zavatra rehetra nataon’NY TOMPO dia samy misy antony avokoa; eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ny andro hahitan-doza.
dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay novolavolaiko sy nataoko.
Ary teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohany dia nisy toy ny sezafiandrianana mitovy volo amin’ny vato safira; ary teo ambonin’izany toy ny sezafiandrianana izany dia nisy ohatra ny endrika olona. Ary nahita toy ny volon’ny metaly mamirapiratra aho, ohatra ny afo manodidina azy; hatramin’ny andilany no ho miakatra ka hatramin’ny andilany no ho midina dia hitako tahaka ny afo ka nisy namirapiratra manodidina azy. Toy ny fijery ny avana amin’ny rahona amin’ny andro nisy ranonorana no fijery ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny voninahitry NY TOMPO. Nony nahita izany aho dia niankarapoka tamin’ny tany ka nandre ny feon’ny iray niteny.
Izay nanao ireo fanazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindrampony! Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindrampony! Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindrampony!
niteny tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany; miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano!
Izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.
TOMPO ô, iza no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza no tahaka Anao, izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, ary mpanao fahagagana?
manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona mbamin’ireo kintana maro any atsimo.
Ho mandrakizay anie ny voninahitry NY TOMPO; aoka hifaly amin’ny asany NY TOMPO. Jereny ny tany dia mihorohoro; tendren’ny tanany ny tendrombohitra dia midona-tsetroka.
Hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinanao; efa nampitoetra ny tany Ianao ka indro, mitoetra izy. Mitoetra ny zavatra rehetra ankehitriny, araka ny didinao, satria manompo Anao ny zavatra rehetra.
Fonosiny ao anatin’ireo rahony matevina ny rano nefa ny fanambanin’ny rahona dia tsy mety triatra.
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy.
Lehibe ny asan’NY TOMPO ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy. Madera sady malaza ny asany; maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy.
Izy no manangana ny fadiranovana avy amin’ny vovoka sy manandratra ny mahantra avy eo amin’ny zezika mba hampiara-mitoetra azy amin’ny olo-manankaja sy hampandova azy sezam-boninahitra. Fa an’NY TOMPO ny andrin’ny tany ary eo amboniny no ametrahany izao tontolo izao.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.