Andriamanitra efa nanome antsika fampanantenana ho an'ny toe-javatra rehetra. Eo anilantsika mandrakariva Izy, ary noho izany dia nanome antsika fampanantenana mahatalanjona Izy, mba hatoky fa miasa Izy ary mba hiankinantsika Aminy. Tsy mbola nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenan’Andriamanitra. Tanteraka avokoa izy rehetra. Ny fampanantenana rehetra azontsika angatahina amin'ny anaran'i Kristy dia azo antoka ary hotanterahin'Andriamanitra ho antsika ho voninahiny.
Mizara roa foana ny fampanantenana: misy fepetra sy vokatra, izay miankina amin'ny fanatanterahana ny fepetra. Ny fampanantenan'Andriamanitra dia fanambarana avy aminy izay mitondra ny hery hanatanterahana azy, raha toa ka tanteraka ny fepetra. Rehefa mandany fotoana handalinana ny Soratra Masina isika dia mora mahita fampanantenana maro nataon'Andriamanitra.
Ohatra tsara iray ny fampanantenana famonjena ao amin'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Andriamanitra dia nanambara tamin'ny alalan'i Paoly hoe: "Raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao, ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao" (Romana 10:9). Amin'ity fampanantenana famonjena hitantsika ity dia miankina amin'ny olona ny finoany sy ny fanekeny fa Jesosy no Tompo. Rehefa mino sy miaiky ny fampanantenana isika dia miasa ary tanteraka izany. Miankina amintsika izany. Tian'Andriamanitra hovonjena ny rehetra, saingy tsy ny rehetra no mamoaka ny herin'ny fampanantenana.
Eksodosy 20:12 "Manajà ny rainao sy ny reninao, mba ho maro andro ianao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao." Fampanantenan'Andriamanitra iray izay ho tanteraka raha manaja ny ray aman-dreny ianao. Koa raha te hahita izany fampanantenan'Andriamanitra izany tanteraka amin'ny fiainanao dia tsy maintsy manatanteraka ny fepetra aloha ianao vao ho tonga ny vokatry ny fampanantenana. Hotahin'Andriamanitra anie ianao.
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
Ary izao no fanambaràny: Fiainana mandrakizay no nomen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay ka tsy ho very mandrakizay izy, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako. Ny Raiko izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tanan’ny Ray.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hotsaraina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.
Fa izao no sitrapon’ny Raiko dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.
Indro, zavamiafina no ambarako aminareo: Tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, amin’ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary hatsangana tsy ho lo intsony ny maty dia hovana isika.
Hatramin’izao dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, izay hanova ny tenantsika voaetry hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiasan’ny heriny, izay ahaizany mampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambany fahefany.
Fa ny Tompo, Izy tenany, no hidina avy any an-danitra, miaraka amin’ny baiko sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
Aza mangorohoro ny fonareo; minoa an’Andriamanitra ianareo, ary minoa Ahy koa. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako no ilazako izany; fa ny Ray mitoetra ato Amiko no manao ny asa. Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko; fa raha tsy izany dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy satria Izaho mankany amin’ny Ray. Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako dia hataoko izany mba hankalazana ny Ray ao amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra Amiko amin’ny anarako ianareo dia hataoko izany. Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo. Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. Hoy i Jodasy, tsy Iskariota, Taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao fa tsy amin’izao tontolo izao koa? Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo. Efa renareo fa nilaza taminareo Aho hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo dia ho faly satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. Ary ankehitriny, efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa.
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolay izay itoerantsika etỳ an-tany dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.
Tsy hisy alina intsony ary tsy mba hila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy. Hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
Izany no nosoratako taminareo izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: «Ny fahafatesana dia voatelina ka resy» (Isa 25.8). «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?» (Hos 13.14)
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hanehoan’i Jesosy Kristy eo amiko izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy ka hahazoany ny fiainana mandrakizay.
Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
Izay mandresy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa ary tsy hamono velively ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana Aho fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.
Ary noho izany dia mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany; izany dia mba hahazoan’izay voaantso ny teny fikasana ny amin’ny lova mandrakizay.
Fa ny Zanak’ondry izay eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony (Isa 25.8).
Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase.
Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray avo zato heny ka handova fiainana mandrakizay.
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko dia tsy mba hahita fahafatesana mandrakizay.
Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).
mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa rehefa miseho Izy dia ho tahaka Azy isika ka ho hitantsika Izy amin’izay tena maha Izy Azy.
hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; NY TOMPO Andriamanitra no hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra ny fahafaham-baraka amin’ny olony. NY TOMPO no niteny.
Kanefa aza mifaly ianareo satria manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.
Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty: Afafy amin’ny fahalovana izy, atsangana amin’ny tsy fahalovana; afafy amin’ny fahafaham-boninahitra Izy, atsangana amin’ny voninahitra; afafy amin’ny fahalemena izy, atsangana amin’ny hery; afafy ny tena araka ny fomban’ny mananaina, fa atsangana ny tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ny mananaina dia misy araka ny fombam-panahy koa.
Izy Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.
Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra eto amintsika: Andriamanitra dia naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo izany.
Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe. Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
Naharihary izany ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana, koa ny Filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay.
Ao Aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny Filazantsara izay mamonjy anareo. Eny, ao Aminy koa ianareo, rehefa nino ka nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, mba ho fiderana ny voninahiny.
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Ireo dia tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka Aminy arivo taona.
Izany fanantenana izany no ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba;
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; satria ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao aminy ho fiainana mandrakizay.
fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay,
Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra.
Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
Ny saina omenao no itarihanao ahy ary rehefa afaka izany dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.
Ny Fanahy sy ny ampakarina no miteny hoe: Avia! Aoka izay mandre hiteny hoe: Avia! Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety dia aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
eny, matoky isika ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena fa ny hitoetra ao amin’ny Tompo.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina Aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho amin’ny androko rehetra.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy nisy intsony.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
Ho velona indray ny olonao izay efa maty! Hitsangana ny fatin’ny oloko! Koa mifohaza sy mihobia ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka! Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty.
Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Tsy izany ihany, fa isika koa; eny, fa na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika koa dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganana anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
Fa amin’izany dia ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra. Ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy.
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho niteny hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo, hatramin’izao! Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy.
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny Filazantsara izy ireo, mbamin’i Klementa sy ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy
Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo manontolo ka ho voatahiry avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky izay miantso anareo sady Izy ihany no hanatanteraka izany.
Izaho no vavahady; raha Izaho no idiran’ny olona dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo.
Fa ankehitriny isika dia mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita tsara fa manjavozavo; fa rahatrizay dia hahita mifanatrika; ankehitriny dia sombintsombiny ihany no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
Hoy i Simona Petera Taminy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka kosa dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
Fa NY TOMPO tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina. Harovana mandrakizay ireo; fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa dia hofongorana.
Izay notendreny mialoha no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka Aminy.
Izay mandresy dia hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro ary tsy hiala tao intsony izy. Hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.
Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa.
Fa Andriamanitra kosa no hanafaka ahy avy ao amin’ny fitoeran’ny maty, satria handray ahy Izy. Fiatoana
Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny.
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.
Ray ô, tiako mba ho any Amiko amin’izay misy Ahy ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenana izao tontolo izao.
Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany.
ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ny anjely sady zanak’Andriamanitra satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.
Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika dia aoka isika hanana fahasoavana hoentintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana;
Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario hiala aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay. Ary raha ny masonao no manafintohina anao, ongoty izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany,
Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
Fiainana mandrakizay no ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana;
ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo ka hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra hahafantatra tsara izay sakany, lavany, haavony ary halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
Aza gaga amin’izany; fa avy ny fotoana izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hiala avy ao izy: Izay nanao ny tsara dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fiainana; fa izay nanao ny ratsy kosa dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fitsarana.
Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao amin’ny andro, ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa NY TOMPO no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. Fa indro, manarona ny tany ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito; fa aminao kosa no iposahan’NY TOMPO, ary aminao no isehoan’ny voninahiny. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary tsy hisoka ny volanao; fa NY TOMPO no ho fanazavana anao mandrakizay. Ho tapitra ny andron’ny falahelovanao.
Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolay izay itoerantsika etỳ an-tany dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. Koa amin’izany, satria fantatray ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no resenay lahatra, fa amin’Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ny fieritreretanareo koa. Tsy midera tena aminareo akory izahay fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho etỳ ivelany ihany fa tsy amin’ny ao am-po. Fa raha very saina izahay dia ho an’Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Maty ny olona iray hamonjy ny olona rehetra, dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. Koa tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany. Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana. Ary misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa;
Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.
Dia mba hampahiratina ny mason’ny sainareo ka ho fantatrareo ny fanantenana izay miaraka amin’ny fiantsoany sy ny harena feno voninahitra ao amin’ny lova omeny anareo miaraka amin’ny olona masina,
fa fantatray fa izay nanangana an’i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin’i Jesosy ka hametraka anay eo akaikiny miaraka aminareo.
izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho amin’ny fotoana farany.
Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO. Hankany Ziona amin’ny fihobiana izy ireo, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy dia tsy mba hangetaheta intsony.
Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay hitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy. Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.
Aza matahotra izay hiaretanao. Indro, ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo ho ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.
Niara-natsangany isika ary niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy mba hasehony amin’ny andro ho avy ny harenan’ny fahasoavany tsy hita lany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy.
Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Fa Kristy no antony ahavelomako ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hampahavokatra ny asako dia tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho: Maniry hiala aho ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;
Ankehitriny kosa, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’Andriamanitra ka manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Sambatra izay manasa ny akanjony mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna.
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hiarahanao Amiko any Paradisa.
Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry. Ary satria olona iray no nisehoan’ny fahafatesana dia olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.
Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.
Ary izay efa nanamboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy ary izay mahafoy ny ainy noho ny Amiko dia hahavonjy azy.
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, koa rehefa afaka izany dia hisy fitsarana, dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, fa ho famonjena kosa amin’izay miandry Azy.
mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
dia Ilay velona. Efa maty Aho, nefa indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fitoeran’ny maty.