Tratran'ny tsingerin-taona nahaterahana dia fotoana hitahiana sy hisaorana an'Andriamanitra noho ny fahasoavana nomeny antsika hahavelona antsika indray andro aman'alina. Andriamanitra efa nanome antsika fampanantenana mahagaga, ary tsara raha tsarovana izany amin'izao fotoana fifaliana izao. Zarao amin'ireo olona tianao ny tenin'Andriamanitra, fotoana tsara hifampizarana izany ity. Amin'izao tsingerin-taonanao nahaterahana izao, mirary anao ho salama tsara aho, ary mba ho tarihin'ny fahendren'Andriamanitra ianao isan'andro. Enga anie Andriamanitra haniraka ny anjeliny hiaro anao, ary homeny anao izay irin'ny fonao araka ny sitrapony. "Fa hoho ny aiko no hahamaroanao ny andronao sy hanampiany taona ho amin'ny taonanao." (Ohabolana 9:11)
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
Hitahy anao anie NY TOMPO ka hiaro anao;hampamirapiratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hamindra fo aminao;hanandratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hanome anao fiadanana.
Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.
Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volo anareo dia Izaho ihany no hisahirana hitondra anareo; Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro; eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.
Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao.Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy; hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy; hangina amin’ny fitiavany Izy; hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy.Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.
Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.
Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika satria tsy mitsahatra ny fiantrany.Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
Asianao fifaliana ato am-poko, mihoatra noho ny tamin’ny taona nahabetsahan’ny variny sy ny ranom-boalobony izany.
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ka ho feno ny fifalianareo.
koa tiava ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao rehetra» (Deo 6.4, 5).
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy.Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olonasatria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
NY TOMPO no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko ka ny hirako no hiderako Azy.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Hihira ho an’NY TOMPO aho raha mbola velona koa; hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola miaina.Ho maminy anie ny fisainako Azy; izaho no hifaly amin’NY TOMPO.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo dia mandehana koa ao Aminy araka izany;mifahatra tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo ka feno fisaorana amin’izany.
Mifalia mandrakariva.Mivavaha ka aza mitsahatra.Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; hoy indray aho: Mifalia!Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa akaiky ny Tompo.Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Ratsy avokoa ny andron’ny ory, fa ny faharavoravoana am-po dia sakafom-panasana mandrakariva.