Mila mibebaka amin'ny fahotantsika isika vao mahazo famonjena. Rehefa mibebaka isika dia manaiky an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy, ary miova ny fomba fiainantsika, mandao izay rehetra tsy anin'Andriamanitra. Io famonjena amin'i Jesosy io no manafaka antsika amin'ny fahefan'ny ota sy ny fahafatesana ara-panahy.
Miantso antsika Andriamanitra mba hanana fiainana masina, hitandrina io fanomezana sarobidy, dia ny famonjena io. Izany dia amin'ny alalan'ny vavaka, ny famakiana ny tenin'Andriamanitra ary ny fitondrantena tahaka an'i Kristy eo anatrehan'ny olona.
Fanomezana mafatra io famonjena io. Ny tenin'Andriamanitra aza milaza fa fony mbola mpanota isika dia efa maty ho antsika tsirairay i Kristy. Amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika irery ihany no ahazoantsika famonjena (Asan'ny Apostoly 4:12) "Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena".
Aoka ho sarobidy amintsika io fanomezana mahatalanjona, dia ny famonjena ho amin'ny fiainana mandrakizay io. Misaotra an'Andriamanitra isika noho ny nahafahantsika nandray izany, ary mangataka Aminy mba hanampy antsika hitandrina io fanomezana sarobidy io.
Hoy ny navalin’i Jesosy azy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.
Hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.
Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.
Hoy Jesosy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra.
Hoy i Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina,
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,dia ireo izay tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na ny sitrapon’ny olona fa naterak’Andriamanitra.
Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika,koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina,
Koa amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsy fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Efa navelany avokoa ny fahadisoantsika rehetra;
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
Fa tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny tenin’ny fahamarinana mba ho isika no santatry ny zavatra noforoniny.
Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra, fa fahadalana izany aminy sady tsy azony satria araka ny Fanahy no itsarana izany.
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
Ny fanahy no mahavelona; ny nofo dia tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
Koa tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hotsaraina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.
dia ireo izay tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na ny sitrapon’ny olona fa naterak’Andriamanitra.
ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Tao Aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota satria ny voany dia mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra.
Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.
Fa ianareo kosa dia efa tonga eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina,amin’ny fihaonam-pifaliana sy ny fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ny fanahin’ny olona marina izay efa natao tanteraka,sy amin’i Jesosy, Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary amin’ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’i Abela.
Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
ka niteny hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy.
Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
Koa satria zanaka ianareo dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe: Aba! Ray ô!
Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsy fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Efa navelany avokoa ny fahadisoantsika rehetra;novonoiny ny didy voasora-tanana izay niampanga antsika; nesoriny izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana;
Raha fantatrareo fa marina Izy dia fantaro fa izay rehetra manao ny fahamarinana no zanany naterany.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa.Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ny marina amin’ny finoana no ho velona» (Hab 2.4).
Zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.Koa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.
Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.
Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra izay famonjena ny olona rehetra.Izany dia mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao fa ny mba ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,eo am-piandrasana ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy.Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.
fa fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia niaraka nohomboana Taminy mba tsy hampanan-kery ny tenan’ny ota, koa tsy ho andevozin’ny ota intsony isika.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy.
sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany
Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo sady hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato ka homeko fo nofo ianareo.
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; satria ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao aminy ho fiainana mandrakizay.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
dia izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra;tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo.
Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano.Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
rehefa notendreny rahateo tamin’ny fitiavana mba ho Azy amin’ny fananganana anaka, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony,
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.
ary Izy no nitondra ny fahotantsika (Isa 53.12) tao amin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana anareo» (Isa 53.5).
Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina.
Koa tsy andevo intsony ianao fa zanaka; ary raha zanaka dia mpandova koa, noho ny ataon’Andriamanitra.
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
Fa izao no sitrapon’ny Raiko dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa tonga amin’ny fahateraham-baovao ka hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’Olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny sezafiandrianana roa amby folo ka hitsara ny fokon’Israely roa amby folo.
mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.
Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.
Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.
Ary izay efa nanamboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
mainka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Eny, heveriko fa ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao dia tsy mendrika oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
Izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka kosa dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay nandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ataovy ho efa maty ny amin’ny ota ny tenanareo fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy kosa.
Koa amin’izany, ry rahalahy, dia manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy,amin’izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namakivaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony izany,sady manana mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’Andriamanitra isika.Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,
Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.
ry zanako, dia ianareo izay ananako faharariam-piterahana indray amin’ny fiterahana mandra-pahazoan’i Kristy endrika ao anatinareo.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy, na Grika, na andevo, na olona afaka; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko.Aza manary ahy hiala eo anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.
Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.
koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra NY TOMPO sady mankasitraka ny didiny indrindra.Hahery ambonin’ny tany ny zanany; hotahina ny taranaky ny marina.
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
koa amin’izany dia mahavonjy tanteraka izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy?Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
no isaory ny Ray izay nampahamendrika anareo hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazavasady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalanyizay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).