eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
Dia aoka hahalala isika; eny, aoka hiezaka hahalala NY TOMPO. Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy ary toy ny faraorana mahavonto ny tany.
Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitoviana amin’ny endriky ny fahafatesany aho,
fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amena!
mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna mba hahalalanareo Azy tsara. Dia mba hampahiratina ny mason’ny sainareo ka ho fantatrareo ny fanantenana izay miaraka amin’ny fiantsoany sy ny harena feno voninahitra ao amin’ny lova omeny anareo miaraka amin’ny olona masina,
Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO. Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora,
Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra ka ho lehilahy lehibe, araka ny refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy;
Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra izay mizara tsara ny tenin’ny fahamarinana.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahendrena ary ny fahalalana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana; izany no hahatafaverina ny fahasambarana aminao.
Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahalalana; fa ny adala dia manamavo ny fahendrena sy ny anatra.
Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa; koa ho fantatrareo ny marina ary ny marina no hanafaka anareo tsy ho andevo.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
mba hampaherezina ny fony amin’ny ampiraisana azy amin’ny fitiavana ka ho feno fahatokiana be avy amin’ny fahazavan-tsaina izy, ary hahalala tsara ny zavamiafina izay an’Andriamanitra, dia Kristy, Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ka mety hodidiana hoe: Aza mandray, aza manandrana, aza manendry. Levona izany rehetra izany rehefa ampiasaina, fa didy sy fampianarana avy amin’olona ihany. Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana noterena sy ny fanetren-tena diso ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery hahasakana ny fampanaranam-po ny nofo akory. izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany!
ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo ka hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra hahafantatra tsara izay sakany, lavany, haavony ary halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany.
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,
Noho izany, izahay koa dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo hatramin’ny andro nandrenesanay, mba hofenoina ny fahalalana ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy,
Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Ary ny aminareo dia ilay hosotra noraisinareo Taminy no mitoetra ao aminareo ka tsy mila hampianarin’olona ianareo; fa satria ny hosotra avy Aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao Aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny fisainan’ny ratsy fanahy sady tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira, fa ny lalànan’NY TOMPO no sitrany; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina.
Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.
Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita maso, Ilay Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany; Izy no talohan’ny zavatra rehetra sady ao Aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena tsy miharo betsaka aza; mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao dia hazavain’ireny ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy ireny. Raha ny fahadisoana tsy nahy, iza re no mahalala izany? Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatro. Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny mpiavonavona; aoka tsy hanapaka ahy ireny! Dia ho marina aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe. Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny andro dia samy miteny amin’ny andro mandimby azy ary ny alina dia samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.
Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.
Tsara ny mahazo fahendrena noho ny mahazo volamena ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny mahazo volafotsy.
Omeo fahiratan-tsaina aho mba hitandrina ny lalànanao; eny, hitandrina azy amin’ny foko manontolo aho.
Koa ny finoana dia avy amin’izay henoina, ary izay henoina kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy.
dia homeko anao ny harena ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO izay miantso anao amin’ny anaranao, dia Andriamanitry ny Israely.
Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.
Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho NY TOMPO izy; dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina Amiko amin’ny fony manontolo izy.
Fa araka ny voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy» (Isa 64.3).
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny
Ary hoy izy hoe: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5); ary, «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Aoka ho fantatrareo fa NY TOMPO no Andriamanitra: Izy no nanao antsika ary Azy isika, dia olony sy ondry andrasany.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.
Koa tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny herinao manontolo.
Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao. Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao anatinao izany, koa aoka samy ho vonona eo amin’ny molotrao izy rehetra. Ianao dia ianao no nampahafantariko izany mba hitokianao amin’NY TOMPO.
Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra.
Farany, ry rahalahy, dia mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka izay nampianarinay anareo no fandehananareo, mba hankasitrahan’Andriamanitra; koa arakaraka ny andehananareo ihany no hitomboanareo bebe kokoa.
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
Fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny avy amin’ny fahefan’ny tenany Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ny asa maty sy finoana an’Andriamanitra,
Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako! Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô!
Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay lazain’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena! Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy. Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; hahavelona hoby eo alohanareo ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny hazo rehetra any an-tsaha dia hitehaka. Haniry ho solon’ny tsilo ny hazo kipreso, ary ho solon’ny sampivato ny mirta; ary ho anarana ho an’NY TOMPO izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
Fa ankehitriny isika dia mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita tsara fa manjavozavo; fa rahatrizay dia hahita mifanatrika; ankehitriny dia sombintsombiny ihany no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao Aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na amin’ny fikasana na amin’ny fanatanterahana mba hahatò ny sitrapony.
Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy.
Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teny vavolombelonao no fisaintsainako.
Fa izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany ka nahavita sy nampiorina azy, tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy, fa novolavolainy mba honenana: Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Fa ianareo kosa dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao Aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy,
Nampahafantariny antsika ny zavamiafina ny amin’ny sitrapony, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany,
Fa «Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy?» (Isa 40.13). Kanefa izahay dia manana ny sain’i Kristy.
Ny mpangalatra dia tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana, fa mivily lalana izay manadino anatra.
Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’NY TOMPO ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.
Mampandeha ny mpandefitra amin’ny fahamarinana Izy ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena izay natao hampiaiky, fa tamin’ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona fa amin’ny herin’Andriamanitra.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.
Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.