Mahery ny Tenin'Andriamanitra ka manova antsika. Maro ireo andininy ao amin'ny Baiboly izay matetika henoina sady tena manan-kery manova ny fiainana mihitsy. Afaka manova ny fomba fisainantsika, ny fomba fiainantsika izy ireny. Andininy izay iezahantsika hianarana sy hampiharina isan'andro eo amin'ny fiainana. "Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'i Kristy izay mampahery ahy" (Filipiana 4:13). Io no iray amin'ireo andininy matetika henoina sy ampiasaintsika rehefa mahatsiaro ho reraka na ketraka isika.
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3:16). Io no iray amin'ireo andininy tena manan-danja indrindra, ary matetika no iray amin'ireo voalohany henoinao rehefa ampianarina momba an'i Jesosy Tompo. Maro dia maro ireo andininy hafa tena tsara ho fantarina, ary azonao jerena sy ianarana eto izy ireo.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahalalana; fa ny adala dia manamavo ny fahendrena sy ny anatra.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahendrena ary ny fahalalana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Fa NY TOMPO no manome fahendrena; avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.
Rehefa tonga ny fiavonavonana dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny manetry tena no misy ny fahendrena.
Tsara ny mahazo fahendrena noho ny mahazo volamena ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny mahazo volafotsy.
Henoy ny saina atolotra anao, ary raiso ny fananarana mba ho hendry ianao amin’ny manaraka.
Ny fahatahorana NY TOMPO dia fitaizana mampahahendry ary ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra.
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana, fa ao amin’izay mino anatra no misy ny fahendrena.
Fahendrena no ao amin’izay mahatsindry fo, fa ny malaky tezitra dia mampiharihary ny hadalany.
Izay mihary fahendrena dia tia ny tenany ary izay mitandrina fahalalana no hahita soa.
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
Ny mahira-tsaina dia mahatsinjo ny loza ka miery, fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana! Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena;
Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; tsy azo ampitahaina aminy ny zavatra mampitsiriritra rehetra.
Ho foana ny tetikasa raha tsy misy fiheveran-draharaha, fa raha maro ny mpanolotsaina dia tanteraka izany.
Fahendrena no anaovana trano, ary halalinan-tsaina no mampaharitra azy. Nandalo ny sahan’ny kamo sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho; koa indro, feno songosongo izy sady voasaron’ny tsilo, ary nirodana ny fefy vatony. Dia nojereko ka noheveriko tsara; eny, hitako ka nahazoako anatra. Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tanana kely hatory; dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely ny fahantranao ary ny fahasahirananao ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana. Fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
satria fialokalofana ny fahendrena ary fialokalofana ny vola; fa ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’izay manana azy ny fahendrena.
Toa kilalaon’ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny an’ny manan-tsaina kosa dia ny fahendrena.
Ny fahendren’ny olona dia manindry ny fahatezerany ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Matahotra ny hendry ka mivily tsy ho amin’ny ratsy, fa ny adala dia fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
Trano sy harena no lova avy amin’ny ray, fa ny vady hendry kosa dia avy amin’NY TOMPO.
Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka, fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao.
Anaka, aza manadino ny fampianarako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka. Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO, ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony; fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany. Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana! Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena; sarobidy noho ny voahangy izy, ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana, ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia. Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra. Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana.
Manomeza ho an’ny hendry dia mbola hihahendry ihany izy; ampianaro ny marina dia hitombo saina izy.
Anatra samihafa nataon’i Solomona. Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry, fa izay misakaiza amin’ny adala dia hihadala.
Ny fahendren’ny vehivavy dia manangana ny tranony, fa ny fahadalana kosa mandrava ny tranony amin’ny tanany.
Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ny mahira-tsaina, fa fitaka ny hadalan’ny adala.
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
Ny fon’ny manan-tsaina dia mitady fahendrena, fa ny adala dia mankamamy ny fahadalana.
Eo anoloan’ny manan-tsaina ny fahendrena, fa ny mason’ny adala dia mibirioka any amin’ny faran’ny tany.
Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona ary rano miboiboika ny loharanon’ny fahendrena.
Ny molotry ny adala dia miteraka ny fifandirana ary ny teny ataony dia mihantsy fifamelezana. Ny tenin’ny adala no fandringanana azy ary ny molony ihany no fandriky ny tenany.
Tsy tsara ny tsy mamantatra ny tena, fa izay mirotoroto manao zavatra dia ho diso lalana.
Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka; koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.
Vidio ny marina fa aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
Fa ny fahaizana mandinika tsara no entonao miady; ary raha maro ny mpanolotsaina dia misy famonjena.
Kavina volamena sy ravaka volamena tsara ny mpananatra hendry, raha amin’ny sofina mihaino.
Mikatsaha fahendrena, mikatsaha fahiratan-tsaina; aza hadinoina na ialana ny teny efa nataoko. Aza mahafoy azy fa hiaro anao izy; tiavo izy dia hitandrina anao.
Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany; raketo ny tena fahendrena sy ny fahaiza-mandinika, dia ho aina ho an’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao.
Raha tsy misy fahaiza-mitondra dia rava ny firenena, fa famonjena ny fahamaroan’ny mpanolotsaina.
Ny anatra iray dia mandaitra kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala.
Tsara ny olona mahatsindry fo noho ny mpiady mahery ary izay mahafehy ny fahatezerany noho izay mahafa-bohitra.
Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza; fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Ny hevitra rehetra dia arafeto amin’ny fiaraha-misaina ary ny fahaiza-mandamina tsara no entonao miady.
Ny vehivavy vanona dia satroboninahitry ny lahy, fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny fahalovana ao anatin’ny taolana.
Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary fo, fa hazon’aina ny faniriana tanteraka.
Izay mikatsaka ny fihavanana dia manarona heloka, fa izay mamohafoha heloka mampisaraka ny tena mpisakaiza.
Ny mahafaty sy ny mahavelona dia samy hain’ny lela, koa izay tia azy dia hihinana ny vokany.
Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy, fa ny olona mahatoky, iza moa no mahita azy?
Rehefa tsy misy kitay intsony dia maty ny afo, ary rehefa tsy misy mpifosafosa intsony dia mangina ny fifandirana.
Ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa dia ampiasainy hanangona sy hamory mba hisy homeny ho an’izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra avokoa.
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao, fa na dia ny havoakan’ny anio aza dia tsy fantatrao.
Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay, fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry.
Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra ary ny rahalahy dia nateraka hamonjy amin’ny fahoriana.
Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny zavatra afenina, fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
Fitaka no ao am-pon’izay mamorona sain-dratsy, fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana.
Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota, fa sambatra izay mamindra fo amin’ny ory!
Toho-tantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no fanasitranana ho an’ny taolana.
Misy sakaiza izay mitondra amin’ny fahoriana, fa misy kosa sakaiza tia, izay mifikitra mafy noho ny rahalahy aza.
Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra ary aza miara-dia amin’ny olona saro-po, fandrao hianatra ny fanaony ianao ka hahazo fandrika ho an’ny ainao.
Anaka, raha hendry ny fonao dia ho faly koa ny foko; eny, ho ravoravo ato anatiko tokoa aho raha milaza izay mahitsy ny molotrao.
Ny vy no andranitana ny vy; toy izany, ny fanatrehan’ny sakaiza no mampahiratra ny endriky ny sakaizany.
Raha dombo ny fitaovana vy ka tsy asaina dia mila ampiasana hery be; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.
Ny fahatahorana NY TOMPO no ahazoana fiainana; izay manana izany dia tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana, fa mivily lalana izay manadino anatra.
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
Mahatazana ny loza ny mahira-tsaina ka miery, fa mandroso kosa ny kely saina ka voa.
Mahamiramirana ny tarehy ny fo ravoravo, fa ny alahelon’ny fo dia mahareraka ny fanahy.
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vato marina no ankasitrahany.
Zavatra enina no halan’NY TOMPO, eny, fito no fahavetavetana eo anatrehany: Ny fijery mianjonanjona, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny vavolombelona mandainga izay milaza lainga ary ny mamafy ady eo amin’ny mpirahalahy.
Izay mitandrina ny fiteniny no miaro ny ainy, fa izay tsy mahay mangina dia ho ringana.
Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia zanaka dia tsy misalasala manitsy azy.
Misy valiny avokoa ny fisasarana rehetra, fa ny molotra mibedibedy foana dia tsy miteraka afa-tsy ny tsy fahampian-kanina.
Ny fiavonavonana dia mialoha ny fahapotehana ary ny fanahy mirehareha dia mialoha ny fahalavoana.
Ny mpanankarena dia mifehy ny mahantra ary izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
Izay olona mahatoky dia hahazo fitahiana be, fa izay maimay ta hanankarena tsy ho afa-tsiny.
Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana NY TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina, fa izay manenjika zava-poana dia tsy ampy saina.
Maniry zavatra ny kamo, nefa tsy mba mahazo na inona na inona, fa ny mazoto kosa dia hanana ny feno.
Mahita olona kinga amin’ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hijoroany, fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olona ambany toerana izy.
Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO ihany no mpandanja ny fo.
Izay miambina ny hazo aviavy dia hihinana ny voany ary izay miambina ny tompony dia homem-boninahitra.
Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.
Tsy mahalala izay rariny ny ratsy fanahy, fa izay mitady NY TOMPO no mahalala ny zavatra rehetra.
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra dia mba hitaraina koa, nefa tsy hohenoina.
Ny fahatahorana NY TOMPO no loharanon’aina hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy raha azon’ny tananao atao ihany. Aza miteny amin’ny namanao hoe: Mandehana ka miverena, fa rahampitso no homeko! Kanefa manana ihany ianao.
Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro. Ny lalan’ny ratsy fanahy dia toy ny haizim-pito; tsy fantany akory izay mahatafintohina azy.
Amin’ny toerana rehetra ny mason’NY TOMPO, manara-maso ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Izay tia fanaranam-po dia ho olona sahirana; eny, tsy mba hanankarena izay tia divay sy diloilo.
Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao, fa matahora NY TOMPO mandritra ny andro; fa mbola misy ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao.
An’NY TOMPO ny fandanjana sy ny mizana marina, andraikiny avokoa ny vatomizana rehetra.
Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana. Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.
Ny vavolombelona mandainga dia tsy ho afa-tsiny ary tsy ho afa-maina izay mamoaka lainga.
Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; aoka iambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka, Aza miady amin’olona tsy amin’antony raha tsy nanisy ratsy anao izy. Aza mialona ny mpanao herisetra na mifidy izay lalany akory. Satria fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny mpivadika, fa ireo marina kosa no ataony sakaiza; ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’NY TOMPO, fa tahiny kosa ny fonenan’ny marina; tsiratsirainy ny mpaniratsira, fa omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra; handova voninahitra ny hendry, fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala, dia hahita fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao.