Andriamanitra no nahary anao, Mpiaro anao, sady Mpitaiza anao. Mahery indrindra Izy, be famindram-po, mamela heloka, ary tsara fanahy. Afaka mahalala Azy isika amin'ny alalan'ny Teniny. Miahy ny fiainanao Izy, tia anao ary efa nanomana drafitra tsara ho anao. Na dia mbola tsy tonga aza ny zavatra rehetra dia efa fantany avokoa. Fitiavana tsy mety ritra Izy.
"Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Izay manao aminao hoe: Aza matahotra; Izaho no hamonjy anao." (Isaia 41:13) Toy izany Andriamanitra, eo foana Izy hiaraka amintsika, ny hany ataontsika dia ny manatona Azy. Andriamanitra no namorona sy mitaiza ny zavatra rehetra, ary Izy no nanavotra izao tontolo izao tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Zanany.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Manonona Anao hoenti-mamitaka izy; eny, ny fahavalonao dia manonona Anao foana. Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, TOMPO ô, ary ho rikoriko amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Tena halako marina tokoa ireny; fahavaloko ireny. Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho. Voadinikao aho, na mandeha, na mandry, ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa indro TOMPO ô, tsy mbola eo amin’ny lelako akory ny teny dia efa fantatrao izy rehetra.
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Amin’ny toerana rehetra ny mason’NY TOMPO, manara-maso ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany! Fa «iza no nahalala ny sain’NY TOMPO? Iza no mpanolotsaina Azy?» (Isa 40.13)
Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.
Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina izay fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana?
Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro ny Andriamanitry ny rainao ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy ny fanahy mazoto; fa NY TOMPO dia mpandinika ny fo manontolo, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao dia hariany mandrakizay.
Moa misy olona afaka miafina any amin’ny toerana fierena va ka tsy ho hitako? Hoy NY TOMPO. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? Hoy NY TOMPO.
Avy eny an-danitra no itsinjovan’NY TOMPO; mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy; avy eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany, dia Izy izay namolavola ny fon’izy rehetra sy mamantatra ny asany rehetra.
Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO ihany no mpandanja ny fo.
Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
Izaho TOMPO no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.
Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Koa aza manahaka azy ianareo; fa alohan’ny hangatahanareo Aminy dia efa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo.
Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ny maizina, ary ny mazava dia mitoetra ao Aminy.
Moa Andriamanitra va no hampianarina fahalalana, nefa Izy aza no mitsara ny any an-danitra?
Nefa Jesosy tsy natoky azy satria fantany avokoa ny olona rehetra; ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany no nahalala izay tao am-pon’ny olona.
Ary izao koa: «NY TOMPO mahalala ny fihevitry ny hendry, fa zava-poana izany» (Sal 94.11).
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.
tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina.
Iza no nanome hevitra ny Fanahin’NY TOMPO ary iza no mpanolotsaina nampianatra Azy? Tamin’iza no nifampidinihany ka nahazoany fahalalana? Iza no nanoro Azy ny lalan’ny fitsarana sy nampianatra fahalalana Azy ary nampahafantatra Azy ny lalan’ny fahendrena?
Fa samy fantatro avokoa na mipetraka ianao, na mivoaka hiady, na miverina avy niady; fantatro koa ny fihetsiketsehanao hanohitra Ahy.
fa Izy no mitsinjo hatrany amin’ny faran’ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ny lanitra rehetra izao
Dia tonga tamiko ny Fanahin’NY TOMPO ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izany no fiteninareo, ry taranak’Israely! Fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay! Moa Izay mandanja ny fo va tsy hihevitra izany? Ary Izay mandinika ny fanahinao va tsy hahalala izany? Eny, hovaliany araka ny asany avy ny olona rehetra.
Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, tsy miafina amin’ny tavako izany, ary tsy takona amin’ny masoko ny helony.
Ny helokay dia nataonao teo anatrehanao ary ny fahotanay miafina dia nataonao teo amin’ny fahazavan’ny tavanao.
Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana. Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.
Aza mahery miteny an’avona ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana, fa NY TOMPO no Andriamanitry ny fahalalana ary Izy no mandanja ny asa.
Fa avy Aminy sy amin’ny alalany ary ho Azy ny zavatra rehetra. Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amena!
fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra ary Ahy avokoa ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany! Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany,
Lozan’izay miafina lalina mba tsy ho hitan’NY TOMPO ka manafina ny fikasany! Ao amin’ny maizina ny asany ka hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka mamelà heloka, ary mihetseha ka omeo araka ny alehany rehetra ny olona; fa fantatrao ny fony, fa Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,
Fa ny mason’NY TOMPO dia mijery eny tontolo eny manerana ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy Aminy. Adala ianao tamin’izany ka hisy ady hahazo anao manomboka izao.
araka ny fahalalana mialoha izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fankatoavana sy ny famafazana ny ran’i Jesosy Kristy: Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
Mitandrina ny didinao sy ny teny vavolombelonao aho, fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.
Hoy Izy fanintelony: Ry Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo i Petera satria Izy niteny intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy Taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
Efa renao ka jereo izany rehetra izany! Moa tsy hanambara izany va ianareo? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
NY TOMPO no mitantana ny dian’ny olona; fa ny olombelona, hataony ahoana ny hahafantatra ny lalany?
Mahalala ny lalana falehako anefa Izy; raha hozahany toetra aho dia hivoaka tahaka ny volamena.
Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
Andriamanitra va honina etỳ an-tany tokoa? E, ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!
Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: Ny Tompo mahalala ny azy, ary koa: Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy.
ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra ary efa notendreny ny fotoanandro sy ny faritry ny fonenany mba hitady an’Andriamanitra izy, raha toa ka mba hahatsapa sy hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
Manangana an’i Jerosalema NY TOMPO; mamory ny Israely voaroaka Izy. Tsy nanao toy izany tamin’izay firenena hafa Izy ary ny fitsipiny dia tsy mba fantatr’ireny. Haleloia. Manasitrana ny torotoro fo Izy ary mamehy ny feriny.
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.
ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry, anie ny voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay! Amena!
Raha toa ka nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay, na nanandra-tanana tamin’ny andriamanitra hafa, moa tsy ho nahita izany va Andriamanitra satria Izy mahalala ny miafina ao am-po?
Ny fitoeran’ny maty sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’NY TOMPO, koa mainka ny fon’ny zanak’olombelona!
Ambarao ka asehoy mazava! Eny, aoka hiara-misaina izy ireo! Iza moa no nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho TOMPO va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
Hoy i Daniela: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay! Azy ny fahendrena sy ny hery. Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana. Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ny hendry sy fahalalana ho an’izay marani-tsaina. Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ny maizina, ary ny mazava dia mitoetra ao Aminy.
izay nataony be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra: Nampahafantariny antsika ny zavamiafina ny amin’ny sitrapony, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany,
Raha ny amin’Andriamanitra dia tsy manan-tsiny ny lalany; voazaha toetra ny tenin’NY TOMPO; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
Raha ny amin’Andriamanitra dia marina ny lalany; ny tenin’NY TOMPO dia voazaha toetra amin’ny memy; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
Taiza ianao fony Aho nanorina ny tany? Ambarao raha hainao. raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala? Iza moa no manome hanina ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? Iza ary no nandidy izay ho refiny raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny kofehy fandrefesana teo aminy?
Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany.
Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza.
Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy» (Sal 34.12-16).
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Haleloia, fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika; eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny olona.
Tamin’iza no nifampidinihany ka nahazoany fahalalana? Iza no nanoro Azy ny lalan’ny fitsarana sy nampianatra fahalalana Azy ary nampahafantatra Azy ny lalan’ny fahendrena?
sy hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany ny fitondran’Andriamanitra ny zavamiafina, dia ilay voafina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra izay nanao ny zavatra rehetra;
Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery. Izy no manana fanoloran-tsaina sy fahalalana.
Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
Avy tao anatin’ny tafio-drivotra NY TOMPO no namaly an’i Joba hoe: ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana ka niteny hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra azy ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? Hatrizay niainanao, moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fiposaky ny andro mba handraisany ny sisin’ny tany ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? Dia miova tahaka ny tanimanga fanaovana fitombo-kase ny endriny ka miseho tahaka ny lamba misoratra. Hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy ka ho tapaka ny sandry naingaina. Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina? Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana? Moa efa voadinikao ny fivelatry ny tany? Ambarao ary raha fantatrao izany rehetra izany. Aiza ary no lalana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza ny fitoeran’ny maizina Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana?
izay manambara hatramin’ny voalohany ny zavatra ho avy any aoriana, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory. Ilay miteny hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.
Ianao no Andriamanitra izay manao fahagagana; nampahafantatra ny herinao teny amin’ny firenena Ianao.
Endre ny halalin’ny harena sy ny fahendren’Andriamanitra ary ny fahalalany! Tsy hita lany ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany!
Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka ka eo an-tananao koa ny mahalehibe sy ny mampatanjaka izao rehetra izao.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahendrena ary ny fahalalana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.
dia ny zavamiafina, ilay voafina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho amin’ny olony masina kosa ankehitriny.
Indro ireny rehetra ireny dia ny ivelambelany amin’ny asany ihany, ako mamelovelo izay andrenesantsika Azy ihany; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Ho hanitra ankasitrahana Aminy ny fahatahorana NY TOMPO ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampanaiky araka ny ren’ny sofiny.
Satria ireo izay fantany mialoha no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra; tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
Ary ho an’ny Mpanjaka mandrakizay, tsy mety maty, tsy hita maso, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
Iza no nahafatra ny rano teo am-pelatanany sy naharefy ny lanitra tamin’ny zehiny ary nahavory ny vovo-tany ao anatin’ny famarana? Iza no nahalanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana?
Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra? Ary hitanao va hatrany amin’ny fahatanterahan’ny Tsitoha? Avo tahaka ny lanitra izany ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fitoeran’ny maty izany ka inona no fantatrao? Mihoatra noho ny tany ny fivelarany ary lehibe noho ny ranomasina.
Fa raha misy mihevitra ny tenany ho mahalala zavatra dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy. Fa raha misy tia an’Andriamanitra dia izy no fantany.
Ny tananao no nanao ahy sy nanamboatra ahy; omeo saina mahiratra aho mba hianarako ny didinao.
Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon’ny ranomasina va ianao ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?
Izaho no TOMPO, izany no anarako, koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra. Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.
Kanefa milaza fahendrena amin’ny efa matotra izahay, tsy ny fahendren’izao tontolo izao na ny an’ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zavamiafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao;
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina. Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
Fa ankehitriny isika dia mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita tsara fa manjavozavo; fa rahatrizay dia hahita mifanatrika; ankehitriny dia sombintsombiny ihany no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako? Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ary miravoravoa aminy, ianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy, mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ny nonony mahafaly; eny, mba higoka ianareo ka hiravoravo amin’ny haben’ny voninahiny. Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena, ho tahaka ny renirano tondraka. Hampinonoana ianareo; ary hosakelehina ianareo sady horotsirotsina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo. Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo, ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo; ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy. Fa indro NY TOMPO ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo. Fa ny afo no hoentin’NY TOMPO mitsara, ary amin’ny sabany no hitsarany ny nofo rehetra; ho maro ny voaringan’NY TOMPO. Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka mifandimby mankeo afovoany ary mihinana henan-kisoa sy zava-betaveta ary totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy NY TOMPO. Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro. Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy. Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
Dia mba hampahiratina ny mason’ny sainareo ka ho fantatrareo ny fanantenana izay miaraka amin’ny fiantsoany sy ny harena feno voninahitra ao amin’ny lova omeny anareo miaraka amin’ny olona masina,
Manisa ny firenireneko Ianao; ataovy an-tavoahanginao ny ranomasoko. Tsy ao amin’ny bokinao va ireny?
Fa hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany fa efa nolaviko izy; satria tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’NY TOMPO; ny olona dia mijery ny miseho eo ivelany, fa NY TOMPO kosa mijery ny fo.
TOMPO ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Ianao, nefa tsy nahatsiaro narary izy; nandripaka azy Ianao, nefa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina Taminao izy.
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao ka tsy izay zavatra hita maso no nanaovana izao zavatra hita izao.
Izany koa dia avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; fa mahagaga amin’ny fikasany Izy, ary mahatalanjona amin’ny fahendreny!
Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ny mazava.
Izany no hiseho amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny Filazantsara toriko amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Ny zavatra rehetra dia natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy, ny fony dia natao tahaka ny an’ny biby, ary tany amin’ny borikidia no fonenany; nampihinanina ahitra toy ny omby izy ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
Tsy asariona roa va no vidin’ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
fa fony tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy, dia nolazaina tamin-dRavehivavy hoe: «Hanompo ny zandriny ny zokiny» (Gen 25.23),
inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?
Nianiana Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy:
Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: Ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro.
Koa amin’izany, aza mitsara na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo; dia samy hahazo izay dera sahaza azy avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.