Fotoana tsara handinihana lalina ny fitiavana lehibe nasehon’Andriamanitra antsika tamin’ny nanirahany ny zanany Jesosy teto an-tany ity Krismasy ity. Fotoana mahafinaritra ihany koa hizara izany hafatra sy fitiavana izany amin’ireo manodidina antsika.
Tsaroantsika fa anisan’ny fety lehibe indrindra ankalazain’ny kristianina ny Krismasy, miaraka amin’ny Paka sy ny Pentekosta: ny nahaterahan’i Jesosy Kristy tao Betlehema. Amin’izao fotoana izao dia mazàna isika malala-tsaina sy mahatsapa kokoa izay ananantsika sy izay tsapantsika koa, ka aoka isika ho feno fankasitrahana an’Andriamanitra noho izay rehetra nomeny antsika nandritra ny taona. "Fa nateraka ho antsika ny Zazalahy, nomena ho antsika ny Zanaka; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianan'ny Fiadanana." (Isaia 9:6)
Enga anie amin’ity Krismasy ity, ny fampanantenan’Andriamanitra hampahery antsika hiaina amin’ny fomba hafa, hankamamintsika ny hasarobidin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana, handavantsika ny fironana ara-pinoana, ary hitsimoka ao amintsika ny fanahy tsara fanahy sy malala-tanana, feno fitiavana ary manana ny faharetana rehetra azontsika tamin’ny batisa. Tadidio fa raha te-hijoro tsara eo amin'ny fiainana isika dia mila mandohalika eo anatrehan'Andriamanitra.
Rehefa teraka tao Betlehema any Jodia Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, dia indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka niteny hoe:Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; fa ahoana no hataoko manoloana ny oloko zanakavavy?
Tamin’ny fotoana naha tany azy ireo no tonga ny andro hiterahan’i Maria.Dia niteraka ny Lahimatoany izy, ary nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao amin’ny tranom-bahiny.
Ary i Josefa koa dia niakatra avy tany Galilia, avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe: Betlehema, satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny ankohonany izy,mba hosoratana izy sy i Maria fofombadiny, izay efa bevohoka.
Ilay anjely namaly azy hoe: Ho tonga aminao ny Fanahy Masina, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.
Hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fahasoavana tamin’Andriamanitra ianao.Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY.
koa hiteraka zazalahy izy ary ny anarany dia hataonao hoe: JESOSY; satria Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: «Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany dia hataon’ny olona hoe: Imanoela» (Isa 7.14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
fa rehefa tonga kosa ny fotoanandro dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna,hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny maha zanaka.
Dia niteraka ny Lahimatoany izy, ary nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao amin’ny tranom-bahiny.
Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina teto amintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: «Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany dia hataon’ny olona hoe: Imanoela» (Isa 7.14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra;fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.
Ny mpanjaka rehetra dia hiankohoka eo anatrehany ary ny firenena rehetra dia hanompo azy.
Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.Mandefa teny ho an’i Jakoba ny Tompo ka mihatra amin’ny Israely izany.
Ary i Josefa koa dia niakatra avy tany Galilia, avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe: Betlehema, satria avy tamin’ny taranak’i Davida sy ny ankohonany izy,mba hosoratana izy sy i Maria fofombadiny, izay efa bevohoka.Tamin’ny fotoana naha tany azy ireo no tonga ny andro hiterahan’i Maria.Dia niteraka ny Lahimatoany izy, ary nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao amin’ny tranom-bahiny.
Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra hoe:Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahiny.
Koa hatolony ireny ambara-pahatongan’ny fotoana hiterahan’ny iray izay hiteraka; ary izay sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina ho eo amin’ny Zanak’Israely.
Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa.Ary i Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta hanala baraka azy, dia nikasa hisaraka aminy mangingina.
Nisy mpiandry ondry tamin’izany faritra izany nitoetra tany an-tsaha niandry ny ondriny tamin’ny alina.Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilan’izy ireo; namirapiratra manodidina azy ny voninahitry ny Tompo ka raiki-tahotra indrindra izy.Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra;fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.Izao no ho famantarana ho anareo: Ianareo dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona.
Tamin’izany, rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo mpiandry ondry hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika.Dia nandeha haingana izy ireo ka nahita an’i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Velomy ny hoby ka mihirà!Mankalazà NY TOMPO amin’ny lokanga, dia amin’ny lokanga sy ny feon-kira,amin’ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara ka mihobia eo anatrehan’NY TOMPO Mpanjaka.
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, hisy mitrebona avy eo aminy.Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.
Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY.Izy ho lehibe ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra; NY TOMPO Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’i Davida rainy;hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.Koa nony nahita ilay kintana izy ireo dia dibo-kafaliana.Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.
Ary ny mpiandry ondry dia niverina nankalaza sy nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.
Hamaroinao ity firenena ity ary ampitomboinao ny hafaliany. Mifaly eo anatrehanao tahaka ny hafaliana amin’ny fararano izy; eny, tahaka ny fibitahan’ny olona raha mizara babo.
Ary nitsodrano azy ireo i Simeona ka niteny tamin’i Maria, renin’ny Zaza, hoe: Indro ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Israely ary ho famantarana holavina,koa ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra mba haseho ny hevitry ny fo maro.
Nefa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Heroda dia lalana hafa no nandehanany nody ho any amin’ny fonenany.
Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza dia mba nandray izany koa Izy mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly,ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO! Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra!Mihirà ho an’NY TOMPO, misaora ny anarany, ambarao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny!Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony!
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
Dia hoy i Maria: Ny foko mankalaza ny Tompoary ny fanahiko dia ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely; fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika ao amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy,araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin’ny fahagola,
ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’NY TOMPO ny mpaminany hoe: «Nantsoiko avy tany Ejipta ny zanako» (Hos 11.1).
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitry NY TOMPO no efa miposaka aminao.Fa indro, manarona ny tany ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito; fa aminao kosa no iposahan’NY TOMPO, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.Manatona ny fahazavanao ny firenena maro ary mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony i Josefa dia nanatanteraka izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy ka nampakatra an’i Maria vadiny.Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany dia nataony hoe: JESOSY.
Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe Mpaminanin’ny Avo Indrindra; satria hialoha eo anatrehan’ny Tompo ianao, hamboatra ny lalany.Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelàna ny helony,noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika. Izany no hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsikamba hanazava izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana sady hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
Haleloia. Miderà NY TOMPO avy any an-danitra, miderà Azy, ianareo any ambony.Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra.Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, ary ianareo rano any ambonin’ny lanitra.
Hoy koa Isaia: «Ho avy ny Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny Jentilisa; Izy no hantenain’ny Jentilisa» (Isa 11.10).
Ary indro, nisy lehilahy iray antsoina hoe Simeona, tao Jerosalema; marina sady mpivavaka tsara io lehilahy io ka niandry ny fampiononana ny Israely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.Efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo.Ary noentin’ny Fanahy Masina niditra tao amin’ny tempoly izy; koa rehefa nampidirin’ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanatanterahany Aminy izay fomba fanao araka ny lalàna,dia nitrotro Azy izy ka nidera an’Andriamanitra hoe:Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana, araka ny teninao.Fa ny masoko dia efa nahita ny famonjenao
Ny taranaka rehetra hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida dia taranaka efatra amby folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilona dia taranaka efatra amby folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilona ka hatramin’i Kristy dia taranaka efatra amby folo.
Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy, sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy Izy; ary raha nijery Azy isika dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
Ny Teny no tena mazava izay mahazava ny olona rehetra; tonga eto amin’izao tontolo izao Izy.
Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny nosy dia handoa hetra; ny mpanjakan’i Sheba sy Seba dia hanatitra fanomezana.Ny mpanjaka rehetra dia hiankohoka eo anatrehany ary ny firenena rehetra dia hanompo azy.
Nony niditra izy tamin’izany ora izany dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy dia kely indrindra amin’ireo tanàna ao Joda ianao tsy akory; fa avy ao aminao no hiavian’Izay iray ho Mpanapaka, ka Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko» (Mik 5.1).
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Tompoko: Mipetraha eto ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa Izy.
Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Nony niditra tao aminy ilay anjely dia niteny hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Israely fa efa maty ireo izay nitady ny ain’ny Zazakely.Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ny tanin’ny Israely.
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra!Manompoa NY TOMPO amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana!Aoka ho fantatrareo fa NY TOMPO no Andriamanitra: Izy no nanao antsika ary Azy isika, dia olony sy ondry andrasany.Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany!Fa tsara NY TOMPO; mandrakizay ny famindrampony ary mihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinany.
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao ary hampody ny Israely sisa voaaro; fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao mba hitondra ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.
Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
Fa ny Mahery efa nanatanteraka zavatra lehibe tamiko; masina ny anarany.Ny famindrampony dia amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izydia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.
Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany!
Ho feno rameva betsaka ao aminao, dia rameva tanora avy any Midiana sy Efaha; samy avy any Seba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo manitra no hoentiny, ary ny fiderana NY TOMPO no teny mahafaly hambarany.
«Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany dia hataon’ny olona hoe: Imanoela» (Isa 7.14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
Fa ny masoko dia efa nahita ny famonjenaoizay nomaninao teo anatrehan’ny firenena rehetra,dia fahazavana ho fanambaràna amin’ireo firenena sady voninahitry ny Israely olonao.
Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia hoderaina anie ny anaran’NY TOMPO.
Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.
Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany.
Zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.Koa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.
Tamin’izany andro izany dia nisy didy navoakan’i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakany.Izany no fanoratana voalohany natao fony i Kirenio nitondra tany Siria.Dia samy nankany amin’ny tanànany avy ny rehetra mba hosoratana.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
Niahy ny Israely mpanompony Izy sady nahatsiaro ny famindrampony,Araka ny voalazany tamin’ny razantsika, tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
Asianao fifaliana ato am-poko, mihoatra noho ny tamin’ny taona nahabetsahan’ny variny sy ny ranom-boalobony izany.
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,
mba hanazava izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana sady hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony!Miderà an’Andriamanitry ny andriamanitra rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony!Miderà ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindrampony!
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.
Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahiny.
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.
Akory ny hatsaran’ny fandehan’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana, dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena; eny, izay miteny amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: «Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!» (Isa 52.7).
Koa satria zanaka ianareo dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe: Aba! Ray ô!
Nefa raha mbola nisaina izany izy dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka niteny hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
Lazao any amin’ny Jentilisa fa NY TOMPO no Mpanjaka ary izao rehetra izao dia mitoetra tsara ka tsy hihetsika. Hitsara ny firenena amin’ny fahamarinana Izy.
fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
Haleloia. Miderà NY TOMPO avy any an-danitra, miderà Azy, ianareo any ambony.Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra.Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, ary ianareo rano any ambonin’ny lanitra.Aoka hidera ny anaran’NY TOMPO ireo, fa Izy no nandidy dia ary ireo.
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Fa Ianao no mampirehitra ny jiroko; NY TOMPO Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
Misaotra an’Andriamanitra aho isaky ny mahatsiaro anareo.Mandrakariva, rehefa mivavaka ho anareo rehetra aho, dia mangataka amin’ny fifaliana,noho ny fiombonanareo amin’ny Filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitry NY TOMPO no efa miposaka aminao.Fa indro, manarona ny tany ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito; fa aminao kosa no iposahan’NY TOMPO, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika. Izany no hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsikamba hanazava izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana sady hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
Noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanana anaka ny virijiny ka hiteraka zazalahy; ny anarany hataony hoe Imanoela, izany hoe: Amintsika Andriamanitra.
izaho kosa dia mbola hiravoravo amin’NY TOMPO ihany sy hihoby amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.
Dia hoy i Maria: Ny foko mankalaza ny Tompoary ny fanahiko dia ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy;fa efa nijery ny fahambanian’ny toetry ny mpanompovaviny Izy. Fa indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
koa hiteraka zazalahy izy ary ny anarany dia hataonao hoe: JESOSY; satria Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra;
Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.