Mahery ny fifonana rehefa atao amin'ny herin'Andriamanitra. Miezaka mahatsapa ny manjo ny hafa ianao rehefa mifona. Mila faharetana, finoana ary vavaka masina eo anatrehan'Andriamanitra ianao. Mifona ho an'izay ilain'ny rahalahinao mba hidiran'ny herin'Andriamanitra.
Tsy tokony hatao tsirambina ny famakiana Baiboly. Mila mailo sy miambina hatrany ianao. Tsy tokony ho mpikomy ianao. Aza atao ambanin-javatra ny fahafolonkarena sy ny fanatitra. Ary tsy tokony hieboebo na hanambony tena mihitsy.
Atao am-pitiavana ny fifonana, miaraka amin'ny fitarainana sy sento eo anatrehan'Andriamanitra, mivavaka ho an'ny ain'ny hafa. Rehefa mifona ianao dia mety hahatsapa mihitsy ny fijaliany sy ny zavatra ilainy. "Mivavaha mandrakariva amin'ny fanahy rehetra amin'ny fivavahana sy ny fangatahana rehetra, ary miambena amin'izany amin'ny faharetana rehetra sy ny fifonana ho an'ny olona masina rehetra" (Efesiana 6:18).
Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo, fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Dia niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: Indrisy! Efa nahavita fahotana lehibe ity firenena ity fa nanamboatra andriamanitra volamena ho azy. Ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Ianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy tsy ho eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo, fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy,
Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Nefa Izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao.
Noho izany, raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa izany dia hahafahatra ianareo. Mifahara ary ka misikìna fahamarinana. Mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo. Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
satria ianareo koa dia miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo, mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro.
Izy ireo kosa dia naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nanambaràny Azy ary tsy nankamamy ny ainy izy na dia ho faty aza.
Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, koa miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana ho an’ny olona masina rehetra,
Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO. Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity? Izaho va no torontoronina an’ity firenena iray manontolo ity? Ary izaho va no niteraka azy no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny lehilahy mpitaiza mitondra zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy! Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay! Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena iray manontolo ity, fa mavesatra amiko loatra. Koa raha izao no ataonao amiko, vonoy mihitsy aho, raha mba nahita fitia teo imasonao, mba tsy hahitako ny fahoriana manjo ahy! Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo. Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary haka avy amin’ny Fanahy izay ao aminao Aho ka hametraka izany eo amin’ireo, dia hiara-mivesatra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana. Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roapolo andro aza, Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Mosesy dia maty ny afo.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahànareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.
ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ny inona na amin’ny inona. Amin’ireo fahavalo dia mariky ny fahaverezana izany, fa aminareo kosa dia mariky ny famonjena sady avy amin’Andriamanitra.
Ary izao koa: Mba anomany efitrano hitoerako aho; fa manantena aho fa hahazo fahafahana noho ny vavaka ataonareo.
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
Ary NY TOMPO nampody ny fiadanan’i Joba ho toy ny teo aloha rehefa nivavaka ho an’ny sakaizany izy, koa nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Noho izany, raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa izany dia hahafahatra ianareo. Mifahara ary ka misikìna fahamarinana. Mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo. Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy. Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, koa miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana ho an’ny olona masina rehetra,
noreseny ny fiandrianana sy ny fahefana ary nasehony miharihary ny fitondrany ireo amin’ny fandresen’ny hazofijaliana.
Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Rehefa nilaza izany izy dia nodimandry.
Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny bibilava ary aoka ho tsotra tahaka ny voromailala.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Isaorana anie NY TOMPO Vatolampiko izay mampianatra ny tanako hamely sy ny rantsan-tanako hiady,
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao, tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Mampisikina ahy hery hoenti-miady Ianao, alefitrao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.
Ianareo dia maty noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany. Koa tsarovy fa fahiny ianareo dia Jentilisa araka ny nofo ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora. Eny, tsy nanana an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia tonga akaiky noho ny ran’i Kristy. Izy no fihavanantsika izay nahatonga antsika roa tonta ho iray ka nandrava ny efitry ny fisarahana: Tao amin’ny nofony no nandravany ny fifandrafiana. Nofoanany ny lalàna nisy didy natao hotandremana mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray ka nanaovany fihavanana, sady hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana izay namonoany ny fifandrafiana tao aminy. Tonga Izy nitory teny soa mahafaly nilaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana koa tamin’izay akaiky, satria Izy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny Fanahy iray. Koa tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato. naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany; ary Kristy Jesosy no vato fehizoro. Ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao Aminy koa ianareo no miaraka aorina ho fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy. Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato.
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, koa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. Ny masony dia toy ny lelafo ary tamin’ny lohany nisy diadema maro; ary Izy dia manana anarana voasoratra izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ny tenany ihany ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy. Ny anarany dia atao hoe ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy dia hitondra azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsakakitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.