Mahery ny fifonana rehefa atao amin'ny herin'Andriamanitra. Miezaka mahatsapa ny manjo ny hafa ianao rehefa mifona. Mila faharetana, finoana ary vavaka masina eo anatrehan'Andriamanitra ianao. Mifona ho an'izay ilain'ny rahalahinao mba hidiran'ny herin'Andriamanitra.
Tsy tokony hatao tsirambina ny famakiana Baiboly. Mila mailo sy miambina hatrany ianao. Tsy tokony ho mpikomy ianao. Aza atao ambanin-javatra ny fahafolonkarena sy ny fanatitra. Ary tsy tokony hieboebo na hanambony tena mihitsy.
Atao am-pitiavana ny fifonana, miaraka amin'ny fitarainana sy sento eo anatrehan'Andriamanitra, mivavaka ho an'ny ain'ny hafa. Rehefa mifona ianao dia mety hahatsapa mihitsy ny fijaliany sy ny zavatra ilainy. "Mivavaha mandrakariva amin'ny fanahy rehetra amin'ny fivavahana sy ny fangatahana rehetra, ary miambena amin'izany amin'ny faharetana rehetra sy ny fifonana ho an'ny olona masina rehetra" (Efesiana 6:18).
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo,fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana.Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainana
Lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny.Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Dia niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: Indrisy! Efa nahavita fahotana lehibe ity firenena ity fa nanamboatra andriamanitra volamena ho azy.Ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Ianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy tsy ho eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay dia tsy mba miady araka ny nofo,fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay fa manan-kery avy amin’Andriamanitra mba handrava manda. Mandrava ny fisainanasy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy,
Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Nefa Izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao.
Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
satria ianareo koa dia miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo, mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, koa miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana ho an’ny olona masina rehetra,
Izy ireo kosa dia naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nanambaràny Azy ary tsy nankamamy ny ainy izy na dia ho faty aza.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo
Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO.Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Mosesy dia maty ny afo.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahànareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
Ary izao koa: Mba anomany efitrano hitoerako aho; fa manantena aho fa hahazo fahafahana noho ny vavaka ataonareo.
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ny inona na amin’ny inona. Amin’ireo fahavalo dia mariky ny fahaverezana izany, fa aminareo kosa dia mariky ny famonjena sady avy amin’Andriamanitra.
Ary NY TOMPO nampody ny fiadanan’i Joba ho toy ny teo aloha rehefa nivavaka ho an’ny sakaizany izy, koa nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Rehefa nilaza izany izy dia nodimandry.
noreseny ny fiandrianana sy ny fahefana ary nasehony miharihary ny fitondrany ireo amin’ny fandresen’ny hazofijaliana.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny bibilava ary aoka ho tsotra tahaka ny voromailala.
Isaorana anie NY TOMPO Vatolampiko izay mampianatra ny tanako hamely sy ny rantsan-tanako hiady,
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao, tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy.Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ary hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.
Mampisikina ahy hery hoenti-miady Ianao, alefitrao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
Ianareo dia maty noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareoizay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato.Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato.