Sarotra tokoa rehefa misy havako akaiky nodimandry. Fantatro tsara fa malahelo sy ory mafy ianao amin'izao fotoana izao. Ara-dalàna tsara izany. Aza avela handany anao anefa io alahelo io. Tsarovy fa eo amintsika ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina. Izy no hanafosafo antsika sy hanome antsika hery ary hampahery antsika handresy ny alahelo.
Amin'ny maha-mpino antsika, fantaro fa rehefa miala eto an-tany isika dia mankany amin'ny toerana tsara kokoa miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Marina fa misy ireo havako nodimandry talohantsika. Tadidio anefa fa any amin'ny toerana tsara kokoa izy ireo. Mifalia satria voavonjy ny fanahiny.
Noforonin'Andriamanitra isika. Hoy ny teniny: raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. Koa mitadiava fampiononana amin'Andriamanitra ary miantehera Aminy. Matokia fa momba anao Andriamanitra ary te-hampatanjaka sy hampionona ny fanahinao Izy. Avelao Izy hiasa eo amin'ny fiainanao.
Hoy Jesosy: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray." (Jaona 11:25)
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: Isika, izay velona ka mbola ho eo amin’ny andro hiavian’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory.
Fa Kristy no antony ahavelomako ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hampahavokatra ny asako dia tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho: Maniry hiala aho ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka Aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: Isika, izay velona ka mbola ho eo amin’ny andro hiavian’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory. Fa ny Tompo, Izy tenany, no hidina avy any an-danitra, miaraka amin’ny baiko sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
Aza mangorohoro ny fonareo; minoa an’Andriamanitra ianareo, ary minoa Ahy koa. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako no ilazako izany; fa ny Ray mitoetra ato Amiko no manao ny asa. Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko; fa raha tsy izany dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy satria Izaho mankany amin’ny Ray. Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako dia hataoko izany mba hankalazana ny Ray ao amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra Amiko amin’ny anarako ianareo dia hataoko izany. Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo. Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. Hoy i Jodasy, tsy Iskariota, Taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao fa tsy amin’izao tontolo izao koa? Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo. Efa renareo fa nilaza taminareo Aho hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo dia ho faly satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. Ary ankehitriny, efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa. Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy. Fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay halehako.
Kanefa raha izaho dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy. Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra;
Fa ny Tompo, Izy tenany, no hidina avy any an-danitra, miaraka amin’ny baiko sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
Indro, zavamiafina no ambarako aminareo: Tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, amin’ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary hatsangana tsy ho lo intsony ny maty dia hovana isika. Fa ity mety lo ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana.
Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: «Ny fahafatesana dia voatelina ka resy» (Isa 25.8). «Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?» (Hos 13.14) Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ny ota. Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Ary nandre feo mahery avy teo amin’ny sezafiandrianana aho niteny hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona! Ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra mihitsy no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hotsaraina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.
Aza gaga amin’izany; fa avy ny fotoana izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hiala avy ao izy: Izay nanao ny tsara dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fiainana; fa izay nanao ny ratsy kosa dia ho amin’ny fitsanganana mitondra amin’ny fitsarana.
NY TOMPO no Mpiandry ahy: Tsy misy zava-mahory ahy. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika ary tsy misy maty ho an’ny tenany. Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany. Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy.
Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijiny mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany; hampiononiko izy ary hampifaliako ho afaka alahelo.
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka Aminy.
hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; NY TOMPO Andriamanitra no hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra ny fahafaham-baraka amin’ny olony. NY TOMPO no niteny.
ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
Misy fotoana ho an’ny zavatra tsirairay ary misy fotoana ho an’ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra: Efa hitako ny asa izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisahiranany. Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany. Fantatro fa: Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao ny tsara raha mbola velona koa izy. Fantatro koa fa raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa izay rehetra ataon’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay: Tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany. Ataon’Andriamanitra izany mba hahatonga ny olona hatahotra Azy. Izay atao izao dia efa natao fahiny ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; na dia ny efa lasa aza dia mbola tadiavin’Andriamanitra indray. Izao koa no hitako tetỳ ambanin’ny masoandro: Eo amin’ny toeran’ny fitsarana dia ao ny haratsiam-panahy; ary eo amin’ny toeran’ny fahamarinana dia ao ihany koa ny ratsy fanahy. Hoy aho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny ratsy fanahy; fa samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra sy ny asa rehetra etỳ. Hoy aho anakampo, ny amin’ny zanak’olombelona: Ny mba hizahan’Andriamanitra toetra azy izany ka ho hitany fa raha ny tenany ihany dia biby izy. Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo. Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena;
Fa izany no Andriamanitra, Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika mandra-pahafaty.
Aza mangorohoro ny fonareo; minoa an’Andriamanitra ianareo, ary minoa Ahy koa. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako no ilazako izany; fa ny Ray mitoetra ato Amiko no manao ny asa. Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko; fa raha tsy izany dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy satria Izaho mankany amin’ny Ray. Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako dia hataoko izany mba hankalazana ny Ray ao amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra Amiko amin’ny anarako ianareo dia hataoko izany. Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa ianareo. Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. Hoy i Jodasy, tsy Iskariota, Taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao fa tsy amin’izao tontolo izao koa? Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo. Efa renareo fa nilaza taminareo Aho hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo dia ho faly satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. Ary ankehitriny, efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa.
Kanefa raha izaho dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy.
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay efa nodimandry mba tsy halahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka Aminy.
Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho niteny hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo, hatramin’izao! Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy.
Aza matahotra izay hiaretanao. Indro, ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo ho ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.
Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry. Ary satria olona iray no nisehoan’ny fahafatesana dia olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany dia izay an’i Kristy amin’ny fiaviany.
Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; nefa hahita anareo indray Aho dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona afaka manaisotra ny fifalianareo aminareo.
sady niteny hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’Ineny ary mitanjaka no hiverenako any; NY TOMPO no nanome ary NY TOMPO no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’NY TOMPO!
Ny ondriko dia mihaino ny feoko, mahalala azy Aho, ary manaraka Ahy izy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay ka tsy ho very mandrakizay izy, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako. Ny Raiko izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tanan’ny Ray.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy nisy intsony. Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra iray sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia i Jerosalema, midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra. Manana ny voninahitr’Andriamanitra izy; ny famirapiratany dia tahaka ny vatosoa tena sarobidy, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato kristaly. Manana manda lehibe sady avo sy vavahady roa amby folo izy, ary eo amin’ny vavahady dia misy anjely roa amby folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ny foko roa amby folo amin’ny Zanak’Israely: Eo atsinanana, vavahady telo; eo avaratra, vavahady telo; eo atsimo, vavahady telo; eo andrefana, vavahady telo. Ny mandan’ny tanàna dia misy fanorenana roa amby folo ary misy anarana roa amby folo koa eo, dia ny an’ny Apostoly roa amby folon’ny Zanak’ondry. Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Ny tanàna dia efamira, koa mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara izy ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. Ary nandrefy ny mandany izy ka efatra amby efapolo amby zato hakiho, araka ny refin’ny olona, dia ny an’ny anjely. Ny mandany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. Ny fanorenan’ny mandan’ny tanàna dia voaravaka vatosoa samihafa rehetra. Ny fanorenana voalohany dia jaspy, ny faharoa dia safira, ny fahatelo dia kalkedoana, ny fahefatra dia emeraoda, Ary hitako ny tanàna masina, dia i Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. ny fahadimy dia sardoniksa, ny fahenina dia karneola, ny fahafito dia krizolita, ny fahavalo dia berila, ny fahasivy dia topaza, ny fahafolo dia krizopraso, ny fahiraika amby folo dia hiakinta, ny faharoa amby folo dia ametista. Ny vavahady roa amby folo dia perila roa amby folo; perila iray ny vavahady tsirairay; ny lalambe teo an-tanàna dia volamena tsy miharo, toy ny fitaratra manganohano. Tsy nahita tempoly teo aho, fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny. Ary ny tanàna dia tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy. Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ny tany dia samy hitondra ny voninahiny ho ao anatiny. Ary ny vavahadiny dia tsy harindrina akory amin’ny andro, fa tsy mba hisy alina ao. Ary ny voninahitra sy ny hajan’ny firenena maro dia hoentina ao anatiny. Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny Zanak’ondry ihany. Ary nandre feo mahery avy teo amin’ny sezafiandrianana aho niteny hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona! Ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra mihitsy no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty, fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra ary ny andro ahaterahana dia tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho: Maniry hiala aho ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; tsy hisy fahafatesana intsony sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia NY TOMPO mandrakizay, fa NY TOMPO, NY TOMPO no Vatolampy mandrakizay.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho. Hatramin’izao dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Misy fotoana ho an’ny zavatra tsirairay ary misy fotoana ho an’ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra: Efa hitako ny asa izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisahiranany. Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany. Fantatro fa: Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao ny tsara raha mbola velona koa izy. Fantatro koa fa raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa izay rehetra ataon’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay: Tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany. Ataon’Andriamanitra izany mba hahatonga ny olona hatahotra Azy. Izay atao izao dia efa natao fahiny ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; na dia ny efa lasa aza dia mbola tadiavin’Andriamanitra indray. Izao koa no hitako tetỳ ambanin’ny masoandro: Eo amin’ny toeran’ny fitsarana dia ao ny haratsiam-panahy; ary eo amin’ny toeran’ny fahamarinana dia ao ihany koa ny ratsy fanahy. Hoy aho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny ratsy fanahy; fa samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra sy ny asa rehetra etỳ. Hoy aho anakampo, ny amin’ny zanak’olombelona: Ny mba hizahan’Andriamanitra toetra azy izany ka ho hitany fa raha ny tenany ihany dia biby izy. Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo. Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena; Izy rehetra dia samy toerana iray ihany no alehany: Avy tamin’ny vovoka izy rehetra ary samy hiverina ho amin’ny vovoka ihany indray. Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby? Efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany satria izany no anjarany; fa iza no hitondra azy hiverina mba hahita izay ho avy any aorianany? ao ny andro amonoana ary ao ny andro anasitranana; ao ny andro andravana ary ao ny andro ananganana; ao ny andro itomaniana ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana ary ao ny andro andihizana;
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5). Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
«Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?» (Hos 13.14) Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ny ota. Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika satria tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
Ho velona indray ny olonao izay efa maty! Hitsangana ny fatin’ny oloko! Koa mifohaza sy mihobia ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka! Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako? Efa nahafoy ahy ny ray aman-dreniko nefa mandray ahy kosa NY TOMPO. Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô; tariho amin’ny lalana tokony halehako aho noho ny fahavaloko. Aza manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ny mpampahory ahy fa mitsangana hiampanga ahy ny vavolombelona mandainga izay mifofo loza. Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’NY TOMPO amin’ny tanin’ny velona! Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao! Raha manatona ahy mba hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy izay fahavaloko sy rafiko dia izy tenany ihany no tafintohina ka lavo. Na dia misy tafika mitoby hiady amiko aza dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza dia hatoky ihany aho.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
Sambatra ny olona izay manana ny heriny ao Aminao; ao am-pony ny lalana voavoatra tsara. Raha mandeha mamakivaky ny lohasaha Baka izy dia ataony misy loharano izany ary ny lohaorana no manarom-pitahiana azy. Mitombo hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Fa ny Zanak’ondry izay eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony (Isa 25.8).
Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolay izay itoerantsika etỳ an-tany dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. Koa amin’izany, satria fantatray ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no resenay lahatra, fa amin’Andriamanitra kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ny fieritreretanareo koa. Tsy midera tena aminareo akory izahay fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho etỳ ivelany ihany fa tsy amin’ny ao am-po. Fa raha very saina izahay dia ho an’Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Maty ny olona iray hamonjy ny olona rehetra, dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. Koa tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany. Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana. Ary misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa; Koa iraka solon’i Kristy izahay, toa ny hoe Andriamanitra mihitsy no mangataka anareo amin’ny alalanay hoe: Aoka ianareo hanaiky hampihavanina amin’Andriamanitra! Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy kosa isika. fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka. Fa isika izay amin’izao tranolay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahina fa ny mba hotafina kosa mba hatelin’ny fiainana ny mety maty. Ary izay efa nanamboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.