Tsara ho fantatra fa na dia eo aza ireo mafy atrehantsika eo amin'ny fiainana, dia eo anilantsika ny herin'Andriamanitra. Tsy irery mihitsy isika zanany na inona na inona mitranga, fa eo mandrakariva Izy. Mialoha lalana miady ho antsika ny Tompo ary mameno antsika amin'ny heriny mba hahazoantsika fandresena amin'izay zavatra lalovantsika.
Ao amin'ny (2 Korintiana 12:9-10) dia milaza Andriamanitra fa ampy ho antsika ny fahasoavany satria ny heriny dia tanteraka ao amin'ny fahalemena. Mahafinaritra ny mahafantatra fa eo amin'izay iainanao, ny olanao, ny fahalemenao, dia eo Andriamanitra mampiseho ny heriny eo amin'ny fiainanao.
Mitafy ny herin'Andriamanitra isika (Lioka 24:49) "Ary, indro, Izaho haniraka aminareo ny teny fikasan'ny Raiko; fa mitoera eto an-tanàna ianareo mandra-panafiana hery avy any ambony." Manana Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra isika, tsy misy zavatra tsy hain'Andriamanitra atao, matokia Azy dia hiasa eo amin'ny fiainanao Izy.
Izy ireo kosa dia naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nanambaràny Azy ary tsy nankamamy ny ainy izy na dia ho faty aza.
Ianareo no vavolombeloko hoy NY TOMPO, sady mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina ka izany no nanambaràna azy fa marina satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony. Ary amin’izany, na dia maty aza izy dia mbola miteny ihany.
Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa.
fa ho vavolombelony amin’ny olona rehetra ianao ny amin’izay efa hitanao sy renao.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambaràna ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambaràna izay nanambaràn’Andriamanitra ny Zanany izy.
Ary ianareo koa dia ho vavolombelona hanambara satria ianareo dia efa teto Amiko hatramin’ny voalohany.
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Ny vavako dia hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro intsony ny isany. Ho avy amin’ny asa lehibe nataon’NY TOMPO Andriamanitra aho, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ianao na amiko izay mpifatony. Fa aoka ianao ho mpiombona fahoriana amiko noho ny Filazantsara araka ny herin’Andriamanitra,
Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.
Avia, mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa hotantaraiko izay nataony tamiko.
Nijanona naharitra tao anefa izy ireo ary nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, izay nanome vavolombelona hanamarina ny tenin’ny fahasoavany ka nampanao famantarana sy fahagagana tamin’ny tanan’izy ireo.
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy sady mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
ary ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava ka hiteny amin’ny fahasahiana, hampahafantatra ny zavamiafina momba ny Filazantsara.
dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.
Rehefa tsy nahita azy roa lahy izy dia nisarika an’i Jasona sy ny rahalahy sasany ho eo amin’ny lehiben’ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
Noho izany, izahay koa, dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo izay mino koa.
Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.
Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe.
Ary nandidy anay Izy hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
Ary izao no fanambaràny: Fiainana mandrakizay no nomen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Izaho Jaona, rahalahinareo sy mpiombona amin’ny fahoriana ary amin’ny fanjakana sy ny fiaretana ao amin’i Jesosy, dia tao amin’ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy.
Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, koa tsy menatra aho satria fantatro Izy izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolony ahy mandra-piavin’izay andro izay.
Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teny vavolombelonao satria fifalian’ny foko izany.
Fa raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy misy reharehako amin’izany, satria tsy maintsy manatanteraka izany aho; fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho!
Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra ary vavolombelon’izany izahay rehetra.
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny maha ambony indrindra ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy no nanaovako ho fatiantoka ny zavatra rehetra ka ataoko ho toy ny taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy;
Koa mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
Fa raha misy mijaly satria Kristiana dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy.
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy haingana Aho. Amena! Avia, Jesosy Tompo!
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, mba hitory ny haren’i Kristy tsy hita lany amin’ny Jentilisa
Akory ny hatsaran’ny fandehan’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana, dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena; eny, izay miteny amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay,
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny Amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny Jentilisa.
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao.
mba hampahafantarana ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao.
Namaly anefa i Petera sy ny Apostoly hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
Hoy i Simona Petera Taminy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary mino izahay ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.
Kanefa tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no mahatafajoro anareo.
Koa ny finoana dia avy amin’izay henoina, ary izay henoina kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
Fa avy tao aminareo no nanakoako ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra ka tsy misy holazainay intsony.
Modia ihany any an-tranonao ka ambarao izay rehetra nataon’Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ny tanàna izay rehetra nataon’i Jesosy taminy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Ary izahay dia efa nahita ka manambara fa ny Ray no naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
fa izao no nandidian’ny Tompo anay: «Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny Jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany ianao» (Isa 49.6).
Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony!
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
Koa iraka solon’i Kristy izahay, toa ny hoe Andriamanitra mihitsy no mangataka anareo amin’ny alalanay hoe: Aoka ianareo hanaiky hampihavanina amin’Andriamanitra!
Maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy noho ny filazan-dRavehivavy izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
Tonga mba ho vavolombelona hanambara ny mazava izy, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka anefa fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo mba hahazoanareo fiombonana aminay koa. Ary ny fiombonanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany.
fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
Vavolombelon’izany zavatra izany izahay, ary ny Fanahy Masina koa, izay efa nomen’Andriamanitra izay manaiky Azy.
Tsy mba nafeniko tato am-poko ny fahitsianao, ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonan-dehibe aho.
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny marevaka na fahendrena, rehefa nitory taminareo ny zavamiafina ny amin’Andriamanitra. Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany. Izany koa no teneninay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha mampitaha izay zavatra ara-panahy amin’izay avy amin’ny Fanahy izahay. Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra, fa fahadalana izany aminy sady tsy azony satria araka ny Fanahy no itsarana izany. Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mitsara ny zavatra rehetra kanefa tsy mba tsarain’olona izy. Fa «Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy?» (Isa 40.13). Kanefa izahay dia manana ny sain’i Kristy. Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, dia Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana;
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambarànay tsy raisinareo.
Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo hoe: Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany!
Fa izao no ataonay ho rehareha: Ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ny fahatsorana sy ny fahadiovam-po avy amin’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendrena ara-nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’izao tontolo izao, indrindra fa teo aminareo.
Na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko dia ho menatra azy kosa ny Zanak’Olona, raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy ary ny an’ny anjely masina.
Vavolombelona nanambara Azy i Jaona ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aorianako dia efa tonga eo alohako satria talohako Izy.
Fa tahaka ny nankasitrahan’Andriamanitra anay ka nanolorana anay ny Filazantsara ho adidinay dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’olona fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.
mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao,
Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
Fa maizina ianareo fahiny, nefa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana; koa manàna fieritreretana tsara. Amin’izany dia ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy ka manendrikendrika anareo.
Aoka hilaza izany ny navotan’NY TOMPO, dia izay navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalo
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia heken’ny Zanak’Olona izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra;
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahatanteraka ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika ary tsy misy maty ho an’ny tenany. Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.
Velomy aho araka ny famindramponao, dia hitandrina ny teny vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
Ary hotorìna manerana izao tontolo izao ity Filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra dia izay vao ho tonga ny farany.
Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.