Tsara ho fantatra fa na dia eo aza ireo mafy atrehantsika eo amin'ny fiainana, dia eo anilantsika ny herin'Andriamanitra. Tsy irery mihitsy isika zanany na inona na inona mitranga, fa eo mandrakariva Izy. Mialoha lalana miady ho antsika ny Tompo ary mameno antsika amin'ny heriny mba hahazoantsika fandresena amin'izay zavatra lalovantsika.
Ao amin'ny (2 Korintiana 12:9-10) dia milaza Andriamanitra fa ampy ho antsika ny fahasoavany satria ny heriny dia tanteraka ao amin'ny fahalemena. Mahafinaritra ny mahafantatra fa eo amin'izay iainanao, ny olanao, ny fahalemenao, dia eo Andriamanitra mampiseho ny heriny eo amin'ny fiainanao.
Mitafy ny herin'Andriamanitra isika (Lioka 24:49) "Ary, indro, Izaho haniraka aminareo ny teny fikasan'ny Raiko; fa mitoera eto an-tanàna ianareo mandra-panafiana hery avy any ambony." Manana Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra isika, tsy misy zavatra tsy hain'Andriamanitra atao, matokia Azy dia hiasa eo amin'ny fiainanao Izy.
Nony tonga ny andro Pentekosta, dia teo amin’ny toerana iray izy rehetra.Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany.
Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara, ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona.Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.
Rehefa nivavaka izy ireo dia nihovotrovotra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.
Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.
fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
Ry lehilahy Israelita, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, araka ny fantatrareo ihany,Izy dia natolotra noho ny fandaharana sy ny fahalalan’Andriamanitra mialoha, ary nohomboinareo sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny olona tsy tan-dalàna;nefa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy azon’izany nohazonina Izy.
Raha vao niteny aho dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
Fa i Davida dia milaza Azy hoe: «Nijery NY TOMPO teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; ny nofoko koa dia hitoetra amin’ny fanantenana;fa tsy ho foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy hamela Ilay Masinao ho tratry ny lo Ianao.Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao; hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao Ianao» (Sal 16.8-11).
Hoy i Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina,
Mandra-pandrotsaka ny Fanahy ho amintsika avy amin’ny avo ka ny tany efitra dia ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra dia hoheverina ho ala.
Raha nandre izany ny olona dia voatsindrona tao am-pony ka niteny tamin’i Petera sy ny apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?Hoy i Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina,satria ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’NY TOMPO Andriamanitsika hanatona Azy.
Rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sady nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina izay nokasainy dia nandrotsaka izao hitanareo sy renareo izao.
Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany.
Raha niara-nisakafo tamin’izy ireo Jesosy dia namepetra azy tsy hiala tao Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray izay efa renareo tamiko, hoy Izy;fa i Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy.
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.
Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.
Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara, ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona.
Ary indro Aho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-pahavoatafy hery anareo avy any amin’ny avo.
fa i Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy.
Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo.
Dia natao batisa ireo izay nandray tsara ny teniny ka tokony ho telo arivo ireo olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.
Vavolombelon’izany zavatra izany izahay, ary ny Fanahy Masina koa, izay efa nomen’Andriamanitra izay manaiky Azy.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy.Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana.Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
«Amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handrotsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ny lahiantitrareo dia hanonofy;
ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handrotsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany;
hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho ary famantarana amin’ny tany ambany; dia ra sy afo ary setroka manjavona;ny masoandro dia hiova ho haizina, ary ny volana dia ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO, dia ilay sady lehibe no malaza;ary izay rehetra hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho voavonjy.» (Joe 3.1-5)
fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho ary handefa riaka ho amin’izay tany karankaina; eny, handrotsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho ary ny fitahiako ho amin’ny naterakao.
Dia raiki-tahotra ny olona rehetra, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ny apostoly.
Koa mibebaha ianareo ary miverena mba hamafana ny fahotanareoka ho tonga ny fotoana famelombelomana anareo amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
Raha mbola nilaza izany teny izany i Petera dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.Talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nirotsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.Ary nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. Dia hoy i Petera:
Raha vao niteny aho dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.Dia nahatsiaro ny tenin’ny Tompo izay nolazainy aho hoe: I Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.
Raha mbola tany Korinto i Apolosy dia nitety ny faritany ambony kosa i Paoly ka tonga tany Efesosy; nahita mpianatra sasany teo izyka niteny tamin’izy ireo hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina fony vao nino ianareo? Fa hoy ireo taminy: Tsy mbola renay akory ny amin’izany Fanahy Masina izany.Dia hoy i Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’i Jaona.Fa hoy i Paoly: I Jaona dia nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.Rehefa nahare izany ireo dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.Rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy dia tonga taminy ny Fanahy Masina ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy sady naminany.
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo?
Koa satria zanaka ianareo dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany izay miantso hoe: Aba! Ray ô!
Ao Aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny Filazantsara izay mamonjy anareo. Eny, ao Aminy koa ianareo, rehefa nino ka nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana.Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, mba ho fiderana ny voninahiny.
mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny;
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.
Fantatro mantsy fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanampian’ny Fanahin’i Jesosy Kristy.
Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra.
Koa izay mandà dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samihafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
Manambara izany amintsika koa ny Fanahy Masina; fa rehefa voalazany hoe:«Izao no fanekena hataoko aminy rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao am-pony ny lalànako sady hosoratako ao an-tsainy;ny fahotany sy ny helony dia tsy hotsarovako intsony» (Jer 31.33-34).
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao Aminy, ary Izy kosa ao aminy. Izany no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy izay nomena antsika.
Dia feno ny Fanahy Masina i Petera ka nilaza taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
Ary nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. Dia hoy i Petera:
Ary ny tsirairay dia samy nomen’ny Fanahy hahay mampiseho amin’ny olona rehetra ny fanomezam-pahasoavana.
Fa izay mampitoetra anay sy ianareo ao amin’i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitraizay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
Ary izay efa nanamboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.
mba ho tonga amin’ny Jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy.
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
Rehefa nilaza izany Jesosy dia nakarina, raha mbola nijery izy ireo; nisy rahona nitondra Azy ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy dia indreo, nisy roa lahy tonga teo anilany, niakanjo fotsy,ary niteny hoe: Ry lehilahy galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
Ireo rehetra ireo dia niray saina sady naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sy i Maria, renin’i Jesosy, ary ireo rahalahiny.
nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra izy. Ary nampitomboin’ny Tompo isanandro ny olom-bonjena ho isan’ireo.
Nefa hoy i Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangàna ka mandehana.Dia noraisiny tamin’ny tanany havanana Ralehilahy ka natsangany; ary natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny.Ary niantsambotra izy ka nijoro dia nandeha ka niara-niditra taminy nankao amin’ny tempoly; sady nandehandeha nitsambikimbikina izy no nidera an’Andriamanitra.
Ny finoana ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io, noho ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana feno izao teto imasonareo rehetra.
Nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa efa nandray ny tenin’Andriamanitra i Samaria dia naniraka an’i Petera sy i Jaona izy ireo hankany aminy.Nony tafidina tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.Satria tsy mbola nisy nilatsahany izy ireo na dia iray akory aza, fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo ihany,dia nametra-tanana taminy izy roa lahy ary nandray ny Fanahy Masina ireo.
Talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nirotsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa azy ireto, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa va?
ka niteny tamin’izy ireo hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina fony vao nino ianareo? Fa hoy ireo taminy: Tsy mbola renay akory ny amin’izany Fanahy Masina izany.
Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.
Raha Izaho dia izao no fanekeko aminy, hoy NY TOMPO: Ny Fanahiko izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy NY TOMPO.
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ny Malalako izay sitraky ny foko indrindra; hapetrako ao Aminy ny Fanahiko ary hitory ny rariny amin’ny Jentilisa Izy.
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: Handroaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;handray menarana izy, na dia misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny.
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahay hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy?
Tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.Ny Fanahy, izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny.
Fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny avy amin’ny fahefan’ny tenany Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Ary izy ireo dia naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
Nony tafidina tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.Satria tsy mbola nisy nilatsahany izy ireo na dia iray akory aza, fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo ihany,dia nametra-tanana taminy izy roa lahy ary nandray ny Fanahy Masina ireo.
Dia lasa i Ananiasy ka niditra tao an-trano ary nametra-tanana taminy sady niteny hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, no naniraka ahy mba hahitan’ny masonao ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
Lehilahy tsara fanahy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana mantsy izy; ary marobe ny olona nanampy ho an’ny Tompo.
nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Koa Andriamanitra izay mahalala ny fo dia vavolombelony tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa,
rehefa tonga tany an-tsisin’i Misia izy, dia nitady hankany Bitinia, nefa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesosy.
afa-tsy izay ambaran’ny Fanahy Masina amiko amin’ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana miandry ahy.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô!
Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.
Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza.Fa iza no olona mahalala izay momba ny olona afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala izay momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.Fa tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao isika fa ny Fanahy izay avy amin’Andriamanitra mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.
Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zavatra ara-panahy koa, indrindra fa ny haminany.
Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra;ary ianareo dia tanteraka ao Aminy sady Izy no lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra.
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,
Ireo kosa dia nikomy ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina. Dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
dia hoy i Jaona tamin’izy rehetra: Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.Fa izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany hoe:«Amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handrotsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ny lahiantitrareo dia hanonofy;ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handrotsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany;hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho ary famantarana amin’ny tany ambany; dia ra sy afo ary setroka manjavona;ny masoandro dia hiova ho haizina, ary ny volana dia ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO, dia ilay sady lehibe no malaza;ary izay rehetra hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho voavonjy.» (Joe 3.1-5)
Tamin’ny hery be no nanambaràn’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra.
Nefa feno ny Fanahy Masina i Stefana ka nony nibanjina ny lanitra dia nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra,
Nony hitan’i Simona fa ny fametrahan’ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina dia nitondra vola homena azy izy
Raha mbola nieritreritra ilay fahitana i Petera dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
Nony nisasaka ny alina dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy ka nihaino azy ny mpifatotra.Dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy avy tampoka ka nihozongozona ny fototry ny tranomaizina; ary nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra sady nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra.
Koa amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didikoka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao, ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao;eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika,raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina,dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.
Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5).Izany no didy lehibe sady voalohany.
«Ny Fanahin’NY TOMPO no ato Amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mahantra Izy; naniraka Ahy hitory fanafahana amin’ny gadra Izy sy fampahiratana amin’ny jamba, hamerina izay nampahorina ho amin’ny fahafahana,
Ary i Jaona no vavolombelona nanambara hoe: Izaho dia nahita ny Fanahy nidina avy tany an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.Ary tsy nahalala Azy aho; fa izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masinaary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy,nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manala-baraka Azy.
Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany.Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Fa ianareo kosa dia manana hosotra avy amin’Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsy fisian’ny lainga avy amin’ny marina.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy dia tonga taminy ny Fanahy Masina ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy sady naminany.