Jesosy aza moa nanana namana maro nanodidina Azy, ary namela ohatra tsara dia tsara ho antsika momba ny fisakaizana. Ny namana dia olona manan-danja eo amin'ny fiainantsika. Milaza ny Baiboly fa tsara ny roa noho ny iray, satria raha lavo ny iray, dia eo ny iray hanarina azy. Tena fitahiana sy tombontsoa ny manana namana tsara sy marina tokoa.
Toy ny rahalahy na anabavy ao anatin'ny fahoriana ny tena namana. Manoro hevitra izy, mifaly amin'ny fahombiazanao, ary miaraka aminao amin'ny fotoan-tsarotra. Ny namana dia mirary soa anao foana, manampy anao handroso, ary mitarika anao hanatona an'Andriamanitra.
Eo amin'ny dingana samihafa eo amin'ny fiainana no ahitana fisakaizana. Lasa toy ny fianakaviana mihitsy aza ny namana, ka zava-dehibe ny mahafantatra fa manana namana tena marina isika. "Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany." (Jaona 15:13)
Koa tanteraka ny Soratra Masina milaza hoe: «Ary i Abrahama dia nino an’Andriamanitra ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6), ary natao hoe «Sakaizan’Andriamanitra» izy (Isa 41.8).
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray;
Fa ianao kosa, ry Israely mpanompoko, ry Jakoba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako!
Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo dia tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa nataoko hoe sakaiza ianareo satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.
Ary NY TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Dia niverina nankeo amin’ny toby izy; fa ny mpanompony, dia i Josoa, zatovo, zanak’i Nona, dia tsy niala teny amin’ny tranolay.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna. Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy Amiko.
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana; izany no hahatafaverina ny fahasambarana aminao.Miangavy anao aho, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.Raha miverina amin’ny Tsitoha ianao dia ho tafaorina indray; eny, raha ampanalavirinao ny tranolainao ny heloka.Ario eny amin’ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao; ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
Ry Andriamanitray ô, tsy Ianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Israely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao?
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao amin’ny tranon’Andriamanitra!
Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Satria fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny mpivadika, fa ireo marina kosa no ataony sakaiza;
Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy.Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra ary ny rahalahy dia nateraka hamonjy amin’ny fahoriana.
Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina.
Misy sakaiza izay mitondra amin’ny fahoriana, fa misy kosa sakaiza tia, izay mifikitra mafy noho ny rahalahy aza.
Ary ianareo izay vahiny fahiny sady fahavalo tamin’ny fomba fisainanareo sy ny asa ratsy nataonareodia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO.Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora,
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’NY TOMPO aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny rariny sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Mahatoky Andriamanitra izay nahatonga anareo ho voaantso, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao Taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary napetrany aminay ny teny fampihavanana.
Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia tonga akaiky noho ny ran’i Kristy.
Ao Aminy no ananantsika fahasahiana hanatona Azy amin’ny fahatokiana, noho ny finoana Azy.
Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny maha ambony indrindra ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy no nanaovako ho fatiantoka ny zavatra rehetra ka ataoko ho toy ny taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy;ary mba ho hita ao Aminy ho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna aho, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana.Eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitoviana amin’ny endriky ny fahafatesany aho,
sady Izy no hampihavanany Aminy ny zavatra rehetra ka ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana; eny, Izy hoy aho, no fampihavanana, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.Ary ianareo izay vahiny fahiny sady fahavalo tamin’ny fomba fisainanareo sy ny asa ratsy nataonareodia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy fo tena voasasa tamin’ny rano madio;
Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo mba hahazoanareo fiombonana aminay koa. Ary ny fiombonanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany.
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana.