Ry namako malala, Andriamanitra Raintsika any an-danitra no nandidy antsika hivavaka tsy an-kijanona. Amin’ny alalan’ny vavaka no iresahantsika Aminy, ifandraisantsika Aminy. Toy ny tambazotran-tserasera izy io, ahafahan’ny mpino mampita ny fangatahany rehetra eo an-tongotr’Ilay nahary antsika. Eo anatrehany no hialofantsika rehefa misy zavatra manahirana, rehefa mavesatra ny entana, ary rehefa malahelo isika.
Amin’ny alalan’ny vavaka no ahafantaran’Andriamanitra ny zavatra ilaintsika sy ny feontsika. Efa fantany ny fiainantsika na dia mbola tsy teraka aza isika, kanefa tiany hiresaka aminy isika, hikatsaka Azy. Ny vavaka no hanamafisanao ny fisakaizanao, ny fifandraisanao akaiky Aminy. Fitaovam-piadiana ho an’ny mpino an’i Jesoa izy io, hiarovana amin’ny ady rehetra, satria amin’ny vavaka no hahazoana fandresena amin’ny zavatra rehetra.
Tsy avy amintsika akory ny herin’ny vavaka. I Jesoa no ilay hery; Izy no mamaly ny vavaka ary mahatanteraka izay toa tsy hain’olombelona. Rehefa mivavaka amin’ny fo isika dia mahazo fampiononana, fiadanana ary fitiavana avy amin’ny Ray. Manatòna an’Andriamanitra amin’ny fo torotoro sy manetry tena, ary tsy mba handà anao mihitsy Izy. (Efesiana 6:18)
Mivavaha amin’ny Fanahy amin’ny fotoana rehetra, amin’ny fitalahoana sy ny fangatahana. Miambena hatrany ary mahareta amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra. Rehefa mivavaka ianao dia misaora, aza ny fangatahanao ihany no asetrinao, fa mihainoa eo anatrehany koa. (1 Tesaloniana 5:16-18) Mifalia mandrakariva, mivavaha tsy an-kijanona, misaora an’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ho anao ao amin’i Kristy Jesoa.
Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO.
Avy eny an-danitra NY TOMPO no miondrika mijery ny zanak’olombelona mba hizahany raha misy olon-kendry mitady an’Andriamanitra.
Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
mba hitady an’Andriamanitra izy, raha toa ka mba hahatsapa sy hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, miasà tany vaovao ho anareo. Fa izao no andro hitadiavana NY TOMPO ambara-piaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia ho avy ny Zanak’Israely, dia izy mbamin’ny taranak’i Joda; eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady NY TOMPO Andriamaniny.
Mitadiava NY TOMPO ianareo mpanetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny! Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fanetren-tena! Angamba ho voafina ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
Hoy Izaho aminareo: Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana; fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako! Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô!
Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Ary na iza na iza tamin’ny fokon’Israely rehetra no nanolotra ny fony hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Ary hitady Ahy ianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin’ny fonareo manontolo.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.
Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory ary tsy mbola mihatra ny taona izay hilazanao hoe: Tsy sitrako izao;
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Fa sahy mihitsy Isaia ka nilaza hoe: «Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.»
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra.
Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny maha ambony indrindra ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy no nanaovako ho fatiantoka ny zavatra rehetra ka ataoko ho toy ny taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy;ary mba ho hita ao Aminy ho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna aho, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana.
raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany Izy amin’ny andro fahoriana; hampiery ahy ao amin’ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
Tsy mahalala izay rariny ny ratsy fanahy, fa izay mitady NY TOMPO no mahalala ny zavatra rehetra.
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;Nitaraina taminao aho hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny didinao.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO, dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
Amin’izay dia hiantso ahy izy, nefa tsy hamaly aho; hitady ahy fatratra izy, nefa tsy ho hitany aho.Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana NY TOMPO;
Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera NY TOMPO ireo izay mitady Azy. Ho velona mandrakizay anie ny fonareo!
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Any ianao no hitady NY TOMPO Andriamanitrao ka hahita Azy raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
Izany no ijereko Anao ao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro dia hidera Anao.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika,raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina,dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
Koa amin’izany dia mivavaha toy izao ianareo: Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO; eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary tonga teo an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;
Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao. Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra.
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy hikarakara azy.Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny rehefa eo anivon’ny ondriny izay efa niely izy, dia toy izany no hikarakarako ny ondriko sy hisarihako azy avy amin’ny toerana rehetra nielezany tamin’ny andro mandrahona sy feno haizim-pito.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro;zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO!Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany!
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy?Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena!Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
Nefa matoky Anao aho, TOMPO ô! Hoy aho: Andriamanitro Ianao!Eo an-tananao ny androko; vonjeo aho tsy ho azon’ny tanan’ny fahavaloko sy izay manenjika ahy!
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy?
Na dia handeha ao anatin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; hanatsotra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO.Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny; katsaho mandrakariva ny tavany.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, koa rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany.
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra, fa izay mitady ny ratsy dia hahita ny ratsy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Andriamanitra ô, henoy ny vavaka ataoko! Atongilano hihaino ny tenin’ny vavako ny sofinao!
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Tsy ho noana na hangetaheta izy; tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa izay mamindra fo aminy no hitarika azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko.Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
Sambatra ny mahitsy lalana, dia izay mandeha araka ny lalànan’NY TOMPO.Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo manontolo;
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Ny ratsy fanahy dia mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy! Tsy misy Andriamanitra! Izany no tontalin-keviny.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, TOMPO ô,Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.
Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
I Seta koa dia niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Enosy. Tamin’izany fotoana izany no nanombohana niantsoana ny anaran’NY TOMPO.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva! Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Ireo rehetra ireo dia miandry Anao mba homenao ny haniny amin’ny fotoanany.Manome Ianao dia manangona izy; manokatra ny tananao Ianao dia voky ny soa izy.
Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy!
Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
Fiainana mandrakizay no ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana;
Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didikoka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao, ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao;eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika,raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina,dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy dia hihaino Aho.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Fa Izy kosa namaly hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Deo 8.3).
Eny tokoa, akaikin’izay matahotra Azy ny famonjeny mba hitoeran’ny voninahitra eo amin’ny tanintsika.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Isaorana anie Andriamanitra izay tsy nandà ny vavaka nataoko na nanaisotra ny famindrampony tamiko.
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona! Loary eo anatrehany ny fonareo! Andriamanitra no fialofana ho antsika. Fiatoana.
Hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinanao; efa nampitoetra ny tany Ianao ka indro, mitoetra izy.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaniny
Rehefa afaka izany dia tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’NY TOMPO hoe: Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao, ary ho lehibe indrindra ny valim-pitianao.
Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro.
Manantenà NY TOMPO, ry Israely, fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo sy ny fanavotana be.
Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho; hiditra eo aho ka hidera NY TOMPO.Ity no vavahadin’NY TOMPO; ny marina no hiditra eo.
Nefa hoy Jesosy: Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.