Jesosy no Mpamonjy anao, Izy no maty teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fitiavany anao. Zanak'Andriamanitra malala Izy, ary noho Izy no voavonjy isika ka manana fiainana mandrakizay. Jesosy no Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo. Nijaly noho ny fahotanao Izy, ary tiany ianao hanatona Azy isan'andro, hahafantatra Azy sy hiresaka Aminy. Tiany ho lasa namanao akaiky indrindra Izy. Tiany loatra ianao ka nanapa-kevitra ny ho faty hamonjy anao.
(Lioka 19:10) "Fa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy izay very." Amin'ny alalan'i Jesosy irery ihany no ahazoantsika famonjena sy fiainana mandrakizay, ary afaka amin'ny ziogan'ny fanandevozan'ity tontolo mandalo ity isika.
(Asan'ny Apostoly 4:12) "Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena."
Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy;
Mandehana, hano amin’ny fifaliana ny mofonao ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra sahady ny asanao.
ary koa rononomandrin’omby sy rononon’ondry aman’osy, mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry, ondrilahin’i Basana sy osilahy ary vary izay vokatra indrindra; nisotro divay mahery avy tamin’ny ranom-boaloboka mena ianao.
Ary tonga mpamboly i Noa ka namboly voaloboka.Ary nisotro divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny tranolainy.
Nisaina tato am-poko hamalifaly ny tenako tamin’ny divay aho, nefa ninia mbola hitondra izany amin’ny fahendrena ihany aho; nisaina hitana ny hadalana koa aho, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona ka tokony hataony etỳ ambanin’ny lanitra amin’ny andro vitsy iainany.
Ary tamy i Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nitondra mofo sy divay; izy io dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra.
Aza dia rano fotsiny no atao fisotro fa misotroa divay kely noho ny am-bavafonao sy ny fahosaosanao matetika.
Namaly Isaka ka niteny tamin’i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, fa ny rahalahiny rehetra dia nataoko ho mpanompony; vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no azoko atao aminao, anaka?
miampy koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo amin’ny diloilo nofiazana ampahefatry ny hina, sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina miaraka amin’ilay zanak’ondry iray.
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia homena izany.
Aza misotro divay na toaka ianao na ny zanakao, raha miditra ao amin’ny tranolay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany,
Nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolotsainany arivo lahy i Belsazara mpanjaka, ary teo anatrehan’ireny no nisotroany divay.
Ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo hatao fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary ny fanatitra aidina miaraka aminy dia divay ampahefatry ny hina.
Eny, nisotro divay izy ireo sady nankalaza ny andriamanitra volamena, volafotsy, varahina, vy, hazo ary vato.
dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy, na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na lena, na maina.
Niavonavona tamin’ny Tompon’ny lanitra ianao; noentina teto anatrehanao ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ka nisotro divay taminy ianao sy ny mpanolotsainanao, ny vadinao mbamin’ny vady tsindranonao; ary ianao dia nankalaza ny andriamanitra volafotsy, volamena, varahina, vy, hazo ary vato, izay tsy mahita na mandre na mahalala. Fa Andriamanitra izay mitana ny fofonainao sady Tompon’ny alehanao rehetra kosa tsy mba nankalazainao.
ividiano izay rehetra tianao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na divay mahery, na izay zavatra hafa tianao io vola io; ary aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ny ankohonanao.
Amin’ny lamba azony tamin’ny antoka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra, sady misotro ny divay azony tamin’ny sazy ao amin’ny tranon’ny andriamaniny.
Misotro divay amin’ny kapoaka tsara tarehy izy ireo sady mihosotra diloilo tsara indrindra, nefa tsy mba onena ny faharavan’i Josefa!
Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.
Dia hamerina ny Israely oloko indray Aho; dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; hamboatra saham-boankazo koa izy ka hihinana ny vokatra avy aminy.
Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.
Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka; koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.
Mankalazà NY TOMPO amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra,dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka.
Fa tsara ny tsy mihinana hena, ny tsy misotro divay, ny tsy manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainareo ny fanatitra dorana manontolo, na ny fanatitra hafa alatsa-dra, miaraka amin’ny zanak’ondry tsirairay.
Ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny menakao; hitahy ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao.
An’izay mandany andro eo amin’ny divay, eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.Aza mijery ny divay noho ny hamenany, sy ny fanganohanony ao anaty vera, ary ny fikoriany mahafinaritra;fa any aoriana any dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana.Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo ary ny fonao hirediredy foana.Eny, ho sahala amin’izay mandry ao anaty ranomasina ianao sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo.Voakapoka aho, hoy ianao, nefa tsy reko naharary ahy! Voadaroka aho, nefa tsy tsaroako izany! Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako divay indray?
dia nomeny divay miharo ranon’afero Izy hosotroiny; nefa nony nanandrana izany Izy dia tsy nety nisotro.
Fantatro koa fa raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona dia fanomezan’Andriamanitra izany.
Ny amin’ireo mpaminany: Montsamontsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra; toy ny olona mamo aho ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina.
Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako izay aidina ho anareo.
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena!
Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofako rano anao. Dia narosony teo anoloany izany ka nihinana izy; ary nitondrany divay izy dia nisotro.
Dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoanan’i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’NY TOMPO, dia ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ny zanak’ondry ary ny zanak’omby; ary ny fiainany dia ho toy ny tanimboly vonton-drano ka tsy halazo intsony.
kanjo e izato hafaliana sy haravoravoana! Vonoina ny omby sy ondry aman’osy. Hanina ny hena ary sotroina ny divay: Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty!
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity; fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, hena matavy, be tsoka, divay efa niotrika ela, voadio tsara.
Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany dia ho triatra ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-voatahiry izy roa.
Izay tia fanaranam-po dia ho olona sahirana; eny, tsy mba hanankarena izay tia divay sy diloilo.
Ary lazaiko aminareo fa manomboka izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-piavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany dia hahatriatra ny siny hoditra ny divay ka samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
Nony tonga tamin’ity tany ity ianareo dia niainga i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao, dia handoaka ny siny hoditra ka ho raraka ny divay sady ho simba foana ny siny hoditra;fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
Tonga ny Zanak’Olona mihinana sy misotro kosa, dia hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.
fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.
Tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’i Jesosy.Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nasaina ho ao amin’izany fampakaram-bady izany.Ary rehefa lany ny divay dia hoy ny renin’i Jesosy Taminy: Tsy manana divay izy.Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? Tsy mbola tonga ny fotoanandroko.Fa hoy ny reniny tamin’ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, nipetraka teo ho fanadiovana, araka ny fanaon’ny Jiosy.Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ny molony.Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’izao ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana. Dia noentiny izany.Nony nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay niaviany, fa ny mpanompo izay nanovo ny rano ihany no nahalala izany, dia niantso ny mpampakatra izyka niteny taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara aloha no arosony; fa rehefa mitady ho mamo ny olona dia izay vao ny ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana. Nasehony ny voninahiny, ary nino Azy ny mpianany.
Tsy afaka sady hisotro amin’ny kapoaky ny Tompo ianareo no hisotro amin’ny kapoaky ny demonia; tsy afaka sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo ianareo no sady hihinana amin’ny latabatry ny demonia.
Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, ary hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
sady ho feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
Ny vehivavy zokiolona koa dia anaro hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Fa misy kapoaka eo an-tanan’NY TOMPO, feno divay mandroatra, miharoharo zavatra iny ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany dia hitroka ny faikany.
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Ianao; manosotra diloilo ny lohako Ianao; ny kapoakako dia feno dia feno.
Dia nifoha tahaka ny olona avy natory ny Tompo, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ny divay.Namely ny fahavalony avy ao aorianany Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Ianao ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
Omeo toaka izay efa ho faty, eny, divay ho an’izay azon’ny fangidiam-panahy;aoka hisotro izy mba hanadinoany ny fahantrany ary tsy hahatsiarovany intsony ny fahasahiranany!
Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny foto-boaloboka; misento avokoa ireo izay nifaly am-po;
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan’ny taranak’i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa i Jonadaba, zanak’i Rekaba, razanay, efa nanafatra anay hoe: Aza mba misotro divay mandrakizay ianareo na ny taranakareo;
I Damaskosy dia nifampivarotra taminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao, ny haben’ny harenanao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ondry fotsy izy.
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany!
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitoriteny aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho dia izy no ho mpitoriteny ho an’ity firenena ity.
Ho toy ny lehilahy mahery i Efraima, ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony; hahita ny zanany ka ho faly; hifaly amin’NY TOMPO ny fony.
Tonga kosa ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, ka hoy ny olona: Indro olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.
Ary nandray ny kapoaka Izy, koa rehefa nisaotra Izy, dia natolony azy ka nataony hoe: Misotroa amin’ity ianareo rehetra;
Dia nandray kapoaka Izy ka nony efa nisaotra dia natolony azy ireo ary nisotroan’izy rehetra izany.
Fa ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon’ny reniny aza.
Dia nanatona izy ka nofeheziny ny feriny sady nasiany diloilo sy divay; dia napetrany teo ambonin’ny borikiny izy ka noentiny ho any amin’ny tranom-bahiny dia nokarakarainy.
Koa ny aminareo, ry rahalahiko, dia matoky aho fa feno hatsaram-panahy ianareo, feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa.
Fa rehefa mihinana ianareo dia samy homana ny sakafony avy aloha; koa ny iray dia noana fa ny iray kosa dia mamo.Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hankasitraka anareo va aho? Tsia, tsy hankasitraka anareo amin’izany aho.
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy fiombonana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy fiombonana amin’ny tenan’i Kristy va izany?
Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Maty ny olona iray hamonjy ny olona rehetra, dia maty koa izy rehetra;
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,dia tanteraho ny fifaliako, amin’ny firaisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra;
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika fa aoka hiambina ka hahonon-tena.Fa izay matory dia matory amin’ny alina ary izay mamo dia mamo amin’ny alina.Fa satria an’ny andro isika dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka ho azy.
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.
ary hiharan’ny tsy fahamarinana ho valin’ny tsy fahamarinany. Mahafinaritra azy ny velona vetivety amin’ny fy; feno pentimpentina sy tsiny izy ary faly mamitaka anareo raha miara-mihinana aminareo;
Fa Ianao TOMPO ô dia mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao toy ny ampinga lehibe manodidina azy.
Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.
Tsy ahitana ny hafaliana sy ny haravoravoana any amin’ny sahan-kazo fihinam-boa; tsy misy hoby na horakoraka ao amin’ny tanim-boaloboka! Tsy hanosihosy divay ao amin’ny famiazana intsony ny mpanosihosy; efa natsahatro ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.
tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolana,
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja ary ny mpanosihosy voaloboka dia hahatratra ny mpamafy; ny tendrombohitra dia hamoaka ranom-boaloboka ary ny havoana rehetra hiempo.
Ianao dia hamafy nefa tsy hijinja; ianao dia hanosihosy oliva nefa tsy hihosotra diloilo, ary hanosihosy ranom-boaloboka nefa tsy hisotro divay.
Fa tsy mba toy izany aminareo. Fa na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanompo anareo izy.Ary na iza na iza no te ho ambony eo aminareo dia ho mpanompon’izy rehetra izy.
Hoy kosa Jesosy tamin’ilay nanasa Azy: Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiaramonina manankarena no asainao, fandrao hanasa anao koa ireo ka ho voavaliny izay nataonao taminy.Fa raha manao fanasana ianao dia asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;dia ho sambatra ianao satria tsy mba manana havaly izay nataonao ireo; fa hovalìna kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina.
ka niteny taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara aloha no arosony; fa rehefa mitady ho mamo ny olona dia izay vao ny ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
Fa ny mpitondra fiangonana dia tokony ho tsy manan-tsiny, tahaka ny mpitandrina ny an’Andriamanitra izy, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto;
Aza mety avilin’ny fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo fa tsy amin’ny hanina izay tsy mahasoa akory ny mahavatra azy.
Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy.
Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany.
Atao ho fialam-boly ny fisakafoanana; ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no mamaha ny olana rehetra.
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.