Ry namako malala, ianao no olona tena manan-danja indrindra. Rehefa mandinika ny tenanao manokana ianao dia eritrereto hoe olona maro mila an'i Jesosy eo amin'ny fiainany no eritreretinao koa. Amin'ny alalan'ny fahazotoana, ny fifehezana ary ny vavaka avy amin'ny fo, dia afaka mihena tsikelikely izany fitiavan-tena izany ka ho velona ao anatinao ny Fanahy Masina.
Fantatro fa tsy mora izany ary mitaky fahafoizan-tena. Indraindray anefa dia ilaina ny miala amin'izay efa nahazatra antsika mba hampisehoan'Andriamanitra ny voninahiny. Hitantsika ao amin'ny Matio 26:39 ny ohatra iray momba ny fahafoizan-tena, izay nilazan'i Jesosy hoe: "Raiko ô, raha azo atao, aoka ity kapoaka ity hesorina amiko; nefa tsy araka izay tiako, fa araka izay tianao". Fantatr'i Jesosy fa amin'ny alalan'ny fahafoizan-tenany no hampisehoan'ny Ray ny voninahiny, ka dia nankany amin'ny hazo fijaliana Izy ary nanatanteraka ny sitrapon'ny Ray, na dia fantany aza fa ho mafy.
Toy izany koa, tokony ho takatrao fa ny fahafoizan-tenanao dia hanome voninahitra an'Andriamanitra ary hanova sy hisy fiantraikany eo amin'ny fiainan'ny hafa amin'ny alalan'ny fiainanao.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Fa hoy i Samoela: Sitraky NY TOMPO va ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’NY TOMPO? E! Ny mankatò no tsara noho ny fanatitra, ny mihaino no tsara noho ny jaboran’ondrilahy.
Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazofijaliana ka tsy manaraka Ahy dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.
Fa tahaka izany, ny Zanak’Olona, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Hoy Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isanandro ka hanaraka Ahy.
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa dia ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa toy izany mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa dia mitady ny tsy mety ho lo. Raha izaho ary dia mihazakazaka aho, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao rehefa lehibe izy; nifidy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra mantsy izy toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana; nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, satria nijery lavitra ny valisoa izy.
TOMPO ô, toroy ny lalan’ny didinao aho dia hotandremako hatramin’ny farany izany. Omeo fahiratan-tsaina aho mba hitandrina ny lalànanao; eny, hitandrina azy amin’ny foko manontolo aho.
Ary ankehitriny, ry Israely ô, inona moa no andrasan’NY TOMPO Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, hitandrina ny didin’NY TOMPO sy ny lalànany izay omeko anao anio, mba hahita soa ianao?
Koa amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. Koa amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika, tsy amin’ny nofo anefa ka ho velona araka ny nofo. Raha velona araka ny nofo ianareo dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy kosa no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo. Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô! Izy Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa. Eny, heveriko fa ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao dia tsy mendrika oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
raha miaritra isika dia hiara-manjaka Aminy; raha mandà Azy isika dia handa antsika kosa Izy;
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika dia ny fitandremantsika ny didiny. Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra. Izany no ahafantarantsika fa ao Aminy isika. Izao no ahafantarantsika fa ao Aminy isika: Izay milaza fa mitoetra ao Aminy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
Dia tonga nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO sy ny fitsipika rehetra i Mosesy. Ary niara-niredona namaly ny olona rehetra hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary nanoratra ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO i Mosesy, dia nifoha vao maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra sy tsangambato roa amby folo, araka ireo fokon’ny Israely roa amby folo. Dia naniraka ny zatovo teo amin’ny Zanak’Israely izy ka nitondra fanatitra dorana manontolo ireo sady namono vantotra ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO. Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa dia nafafiny teo amin’ny alitara. Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky azy teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay sy hekenay.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.
Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra satria voasoratra hoe: «Ho masina ianareo, satria masina Aho» (Lev 11.44).
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.
ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika ary tsy misy maty ho an’ny tenany. Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
Ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho fananako sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ny Zanak’Israely.
Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Ny hanao izay marina sy mahitsy no sitraky NY TOMPO mihoatra noho ny fanatitra alatsa-dra.
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
Raha mitahiry heloka Ianao, TOMPO ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa ao Aminao no misy ny famelan-keloka mba hatahorana Anao.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Ary hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary any no hanoloranao azy ho fanatitra dorana manontolo, ao amin’ny tendrombohitra iray izay holazaiko aminao.
Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny
nefa mamindra fo kosa amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
Ary ankehitriny, olona va no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa mila sitraka amin’olona va aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho dia tsy mpanompon’i Kristy.
Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.
Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
Koa isaorana Andriamanitra, fa na dia efa andevon’ny ota aza ianareo, ny fonareo kosa dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo; ary rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo dia tonga andevon’ny fahamarinana.
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: Izy no nanolotra ny ainy noho ny amintsika; ary isika kosa dia mba tokony hanolotra ny aintsika noho ny amin’ny rahalahy.
Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao.
Aoka ny olona rehetra samy hanome araka izay noheveriny tao am-pony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; satria «ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra» (Oha 22.8).
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Aoka ho tonga amiko ny famindramponao, TOMPO ô, dia ny famonjenao, araka ny teninao. Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho satria matoky ny teninao.
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany.
Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’NY TOMPO anareo araka izay nolazainy ianareo dia tandremo izany fanompoana izany. Raha manontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao? Dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paska an’NY TOMPO, izay nandalo fotsiny ny tranon’ny Zanak’Israely tany Ejipta; raha namely ny Ejiptiana Izy dia namonjy ny tao an-tranontsika kosa. Dia niankohoka tamin’ny tany ny olona ka nivavaka.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny iray dia ho halany ary ny iray dia ho tiany; na ny iray dia hombany ary ny iray dia hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao rehefa lehibe izy;
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
Amin’ny lalan’ny fahamarinana no misy fiainana ary mankany amin’ny tsy fahafatesana ny lalan-kalehany.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Noho izany indrindra dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, koa amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny kanefa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny;
Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo izany.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana.
Koa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko, dia izy no hamonjy izany.
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.
Finoana no nanoloran’i Abrahama an’Isaka raha nozahan-toetra izy; eny, ny zanany lahitokana no natolotr’ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,