Ry namako, raha ray aman-dreny ianao dia tena manana andraikitra lehibe eo amin'ny fiainan'ny zanakao. Ianao no mpitari-dalana ao an-tokantrano, mampianatra ny soatoavina tsara sy ny tenin'Andriamanitra. Tadidio fa mijery anao foana ny zanakao, maka tahaka ny ataonao. Koa aoka ho tsara fitondran-tena foana isika.
Milaza ny ohabolana 23:24 (DIEM): "Hifaly ny rain'ny marina, ary izay niteraka hendry dia ho faly aminy." Tena fitahiana ho antsika ny mahita ny zanatsika manaraka ny lalan'ny fahamarinana. Andriamanitra no nametraka anao ho loham-pianakaviana, Izy no nitondrany anao sy ny ankohonanao. Aza misalasala mivavaka sy mangataka ny tari-dalany.
Tsara fanahy Andriamanitra. Toy ny ray be fitiavana amin'ny zanany Izy, araka ny voalazan'ny Salamo 103:13 (DIEM): "Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany no fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy." Koa matokia Azy, fa tsy handao anao Izy eo amin'ny fitaizana ny zanakao.
Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
Anaka, ankatoavy ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo fa rariny izany. Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. Noho izany, raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa izany dia hahafahatra ianareo. Mifahara ary ka misikìna fahamarinana. Mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo. Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy. Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, koa miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana ho an’ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava ka hiteny amin’ny fahasahiana, hampahafantatra ny zavamiafina momba ny Filazantsara. «Manajà ny ray sy ny reninao» fa izany no didy voalohany misy teny fikasana, Iraka migadra noho izany aho, mba hiteny izany amin’ny fahasahiana, araka izay tokony hoteneniko. Mba hahafantaranareo izay momba ahy sy izay ataoko, dia i Tikiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra. Izy mihitsy no nirahiko hilaza izany zavatra izany aminareo mba ho fantatrareo ny momba anay, ary mba hampahereziny ny fonareo. Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena. «mba hahita soa ianao sady ho maro andro ambonin’ny tany» (Deo 5.16).
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.
Anaka, mihainoa ny fananaran’ny rainao, ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao; fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany ary firavaka iambozonanao.
Anaka, tandremo ny didin’ny rainao ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao. Afatory amin’ny fonao mandrakariva ireo ary afehezo eo am-bozonao. Raha mandeha ianao dia hitari-dalana anao ireo, raha mandry ianao dia hiambina anao izy, raha mifoha ianao dia hamelona eritreritra anao izy.
Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho anao.
Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo ary tandremo ny Sabatako: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Maneke ny rainao izay niteraka anao ary aza manamavo ny reninao na dia efa antitra aza izy.
Feno fifaliana ny rain’ny olo-marina ary izay miteraka zaza hendry dia manam-pifaliana aminy! Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao; eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao!
Ny mianjonanjona amin-dray sady manazimba tsy mankatò reny dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin’ny zana-boromahery.
Fa Andriamanitra efa niteny hoe: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17).
Ho voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra dia hiteny hoe: Amena.
Anatra samihafa nataon’i Solomona. Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
manajà ny rainao sy ny reninao (Eks 20.12-16), ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny lehilahy adala manao tsinontsinona ny reniny.
Fa hoy Mosesy: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay manozona ny rainy sy ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17).
Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy dia aoka aloha ireo hianatra haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny ray aman-dreniny, fa izany no ankasitrahina eo anatrehan’Andriamanitra.
Indro, lova avy amin’NY TOMPO ny zanaka maro, valisoa ny ateraky ny kibo. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny fanabeazana sy ny fananaran’ny Tompo izy.
Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.
Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny dia nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
Ary isika koa dia nanana ny raintsika ara-nofo ho mpanitsy antsika, ary nanaja azy isika; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy ka ho velona isika?
Fa raha misy tsy mikarakara ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
Izay mandroba an-keriny ny rainy sy mandroaka ny reniny dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
Tandremo fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko izay any an-danitra.
Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena, fa ny zaza avela hanao izay tiany hatao dia mampahamenatra ny reniny.
Ny zanaka hendry dia mihaino ny fananaran’ny rainy, fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino na dia anarina mafy aza.
Sambatra izay rehetra matahotra NY TOMPO, dia izay mandeha amin’ny lalany. Fa hohaninao tokoa ny vokatry ny asan’ny tananao; sambatra sady ambinina ianao. Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao. Indro, toy izany no hitahiana izay lehilahy matahotra NY TOMPO.
Anaka, aza manadino ny fampianarako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka. Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO, ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony; fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany. Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana! Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena; sarobidy noho ny voahangy izy, ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana, ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia. Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra. Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra. fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao, ary ampianaro tsara ny zanakao izany ka resaho aminy mandrakariva na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha;
Henoinareo, anaka, ny anatry ny ray, ary tandremo izany mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. Mihainoa anaka ka raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. Lalam-pahendrena no atoroko anao; eny, mitarika anao amin’ny lalana mahitsy aho. Raha mandeha ianao dia tsy ho voasembantsembana ny dianao; raha mihazakazaka ianao dia tsy ho tafintohina. Tano mafy ny fananarana ka aza avela hiala; hazòny izy fa ainao. Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny lalan’ny mpanao ratsy. Manalavira azy, aza mandalo eo akory; mivilia hiala aminy ka mizora amin’ny lalanao. Fa tsy matory ireny raha tsy efa nahavita izay ratsy, ary tsy mahita tory izy raha tsy efa nahalavo olona. Fa mihinana mofo avy amin’ny fanaovan-dratsy izy, ary misotro divay azo tamin’ny herisetra. Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro. Ny lalan’ny ratsy fanahy dia toy ny haizim-pito; tsy fantany akory izay mahatafintohina azy. Fa anatra tsara no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako. Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino izay ambarako. Aza avela hiala eo imasonao izany fa raketo ao anatin’ny fonao; fa aina ho an’izay mahazo azy izany ary fanasitranana ho an’ny tenany manontolo. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina. Esory aminao ny fiteny mandainga, ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Ataovy marina ny lalana alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny alehanao rehetra. Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; aoka hihataka amin’ny ratsy ny tongotrao. Fa zanak’Ikaky aho, sady malala no tokana teo imason’Ineny. Nampianatra ahy izy hoe: Aoka ny fonao hihazona ny teniko! Tandremo ny didiko dia ho velona ianao.
Ny adala maniratsira ny anatry ny rainy, fa izay mitandrina ny fananarana no hita fa hendry.
Fa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandrina ny lalan’NY TOMPO ka hanao izay marina sy mahitsy izy ireo, dia hotanterahin’NY TOMPO amin’i Abrahama izay nolazainy momba azy.
Anaro ny zanakao fa mbola misy azo antenaina ihany, nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
Anaro ny zanakao dia ho famelombelomana ny fonao izy, sady ho fifalian’ny fanahinao.
Nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany fa nijanona teo dia hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao! Hatramin’izay ora izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy i Maria.
amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy, nefa mamindra fo kosa amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Aza matahotra mananatra ny zanaka, fa tsy ho faty izy tsy akory na dia kapohinao amin’ny hazo aza. Raha mamely azy amin’ny hazo ianao dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy.
Mihainoa anaka ka raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao. Lalam-pahendrena no atoroko anao; eny, mitarika anao amin’ny lalana mahitsy aho.
Mba ho tahaka ny zavamaniry maroroka ny zanakay lahy ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ny lapan’ny mpanjaka ny zanakay vavy.
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandohan’ny fahalalana; fa ny adala dia manamavo ny fahendrena sy ny anatra.
Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika, ary hiambina anao ny fahalalana ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy sy amin’ny lehilahy miteny fitaka, amin’izay mahafoy ny lalana mahitsy ka mizotra ho amin’ny lalan’ny fahamaizinana, dia izay faly hanao ratsy sady mibitaka amin’ny fanaovam-pitaka, dia izay miolikolika lalana sy maniasia amin’ny alehany; hanafaka anao amin’ny vehivavy jejo koa izany, dia amin’ny vehivavy janga izay mandokadoka amin’ny teniny, izay mahafoy ny sakaizan’ny fahatanorany sy manadino ny fanekena nataony tamin’Andriamaniny; fa mirona ho amin’ny fahafatesana ny tranony, ary mankany amin’ny maty ny lalany. Tsy misy tafaverina izay mankany aminy sady tsy afaka mihazo ny lalan’ny fahavelomana. ka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao, ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao; Izany no handehananao amin’ny lalan’ny tsara fanahy sy hitandremanao ny alehan’ny marina. Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao. Fa hofongorana amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy, ary ny mpivadika dia hongotana. eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
Raha tsy NY TOMPO no manorina ny trano dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy NY TOMPO no miambina ny tanàna dia miari-tory foana ny mpiambina. Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana; izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy.
Kanefa kosa mitandrema ianao, tandremo tsara ny tenanao, fandrao hohadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, na andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra iainanao. Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany.
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia zanaka dia tsy misalasala manitsy azy.
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy, fa izay misakaiza amin’ny vehivavy janga dia mandany harena.
mba hatahoranao NY TOMPO Andriamanitrao, hitandremanao ny lalànany rehetra sy ny didiny izay omeko anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
Mahabe fahoriana ny rainy ny zanaka adala ary ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete tsy mitsahatra.
Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala; Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo, ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza. Fa ny zavatra rehetra, rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy. Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry. Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao. Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo. Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy; mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo. ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana.
fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
dia tsy mba hafenintsika amin’ny zanany, fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana NY TOMPO sy ny heriny ary ny fahagagana nataony. Impiry akory izy ireo no efa nikomy Taminy tany an-tany efitra ka nampalahelo Azy tany an-tany foana! Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Israely. Tsy mba tsaroany ny namonjeny azy, na ny andro izay nanavotany azy tamin’ny fahavalo, izay nanaovany famantarana tany Ejipta sy fahagagana tany an-tany lemak’i Zoana: Nampody ny oniny ho ra Izy ary ny reniranony dia tsy azony nisotroana. Nandefa fihitra betsaka hamely azy Izy ka nandany azy ireny ary sahona ka nanimba azy ireny. Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ny sompanga Izy ary ny vokatry ny asany ho an’ny valala. Namono ny voalobony tamin’ny havandra Izy ary ny aviaviny tamin’ny havandra vaventy. Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ny havandra Izy ary ny omby aman’ondriny ho an’ny varatra. Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy; eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely maro mitondra loza. Fa nanorina teny vavolombelona teo amin’i Jakoba Izy ary teo amin’ny Israely no nametrahany lalàna izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany, Nanamboatra lalana ho an’ny fahatezerany Izy ary tsy niaro ny ain’ireo tamin’ny fahafatesana, fa nanolotra azy ho lanin’ny areti-mandringana. Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta Izy, dia ny voalohan-terany tany an-dain’i Hama. Namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy ary nitarika azy tany an-tany efitra toy ny andian’ondry. Notarihiny tamim-piadanana izy ireo ka tsy mba natahotra, fa ny fahavalony kosa dia voasaron’ny ranomasina. Nitondra azy ho any amin’ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ny tanany ankavanana. Nandroaka ny Jentilisa teo anoloany Izy ka nanome ny tanin’ireny ho lova nozaraina tamin’ny kofehy fandrefesana, dia nampitoetra ireo fokon’ny Israely tao an-dainy avy. Nefa naka fanahy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy ary tsy notandremany ny teny vavolombelony. Nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany dia nania tahaka ny tsipìka mamitaka ny mpampiasa azy. Nampahatezitra Azy tamin’ny toerana fanaovany sorona izy sady nahasaro-piaro Azy tamin’ny sarin-javatra voasokitra. Nandre izany Andriamanitra dia tezitra ka nolaviny mihitsy ny Israely mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka, ka hitsangana hitory izany amin’ny zanany kosa. sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny tranolay izay naoriny teo amin’ny olona; natolony ho babo ny heriny ary ho eo an-tanan’ny fahavalo ny voninahiny. Dia nanolotra ny olony ho an’ny sabatra Izy ary tezitra indrindra tamin’ny lovany. Ny zatovolahiny dia lanin’ny afo ary ny zatovovaviny dia tsy mba nisy nidera. Lavon-tsabatra ny mpisorony, nefa tsy nisaona ny mpitondratenan’ireo. Dia nifoha tahaka ny olona avy natory ny Tompo, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ny divay. Namely ny fahavalony avy ao aorianany Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay. Nanary ny tranolain’i Josefa Izy ary tsy nofidiny ny fokon’i Efraima. Fa nifidy ny fokon’i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany. Nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay. Hametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra izy ka tsy hanadino ny asany fa hitandrina ny didiny;
Fantatrao ny didy hoe: «Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-16).
Hataon’Andriamanitra malalaka anie ny toeran’i Jafeta, aoka honina ao an-dain’i Sema izy; ary aoka i Kanana ho mpanompony!
ampianaro ny zanakareo izany ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha;
Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy; eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza.
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.
Raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy hoe: Manao ahoana moa ny teny vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika hotandremanareo? Dia holazainao aminy hoe: Andevon’i Farao tany Ejipta isika ary tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika niala avy tany Ejipta. Ary NY TOMPO nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ny Ejiptiana sy i Farao ary ny ankohonany rehetra teo imasontsika. Dia nitondra antsika niala avy tany Izy mba hahafahany mampiditra antsika sy manome antsika ny tany izay nianianany tamin’ny razantsika homena azy. Ary NY TOMPO nandidy antsika mba hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika mba hahita soa mandrakariva isika ary ho velona tahaka ny amin’izao anio izao. Ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika, araka izay nandidiany antsika.
Izay manangona amin’ny fararano no olona hendry; fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no olona mampahamenatra.
Izay manakorontana ny ankohonany dia handova rivotra ary ny adala dia ho tonga mpanompon’ny hendry.
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra NY TOMPO sady mankasitraka ny didiny indrindra. Hahita azy ny ratsy fanahy ka ho sosotra; hihidy vazana izy ka ho levona; ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy. Hahery ambonin’ny tany ny zanany; hotahina ny taranaky ny marina.
Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy; eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.
Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany, fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.
Henoinareo, anaka, ny anatry ny ray, ary tandremo izany mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana, fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
Ny zanaka adala dia mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy.
Farany, miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.
Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny fampianarana, ary lalan’ny fiainana ny anatra ataon’ny fitaizana,
Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Tsarovy ny andro fahiny; saino ny taona, hatrizay hatrizay. Anontanio amin’ny rainao fa hanambara aminao izy; ary amin’ny zokiolona eo aminao koa, fa hilaza aminao izy.
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho anao; fa raha azonao izany dia tsara antoka ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao.
Aloavy amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: Vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, haba ho an’izay tokony handoavana haba, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina.
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy.
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra ary ny rahalahy dia nateraka hamonjy amin’ny fahoriana.
Mamela lova soa ho an’ny zafiny ny tsara fanahy, fa ny harenan’ny mpanota kosa dia voatahiry ho an’ny marina.
Ary niantso an’i Jakoba Isaka ka nitsodrano azy sy namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita ianao.
Farany, ry rahalahy, mifalia, miezaha ho tanteraka, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.
Anaka, raha hendry ny fonao dia ho faly koa ny foko; eny, ho ravoravo ato anatiko tokoa aho raha milaza izay mahitsy ny molotrao.
Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Fa Andriamanitra efa niteny hoe: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17). Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nateriko ho fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana rehetra tokony ho anao avy amiko, dia tsy mila manaja ny rainy na ny reniny intsony izy. Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Aza avela hisy trosa tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia nahatanteraka ny lalàna.
Ny zanany mitsangana ka midera azy ho sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: Maro ny zazavavy nanao soa, fa manoatra noho izy rehetra ianao.
Hoy koa izy: Iza moa no nanampo hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Saraha? Kanjo niteraka zazalahy taminy ihany aho na dia efa antitra aza izy!
Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry, fa izay misakaiza amin’ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny
Ny fahatahorana NY TOMPO no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
«Manajà ny ray sy ny reninao» fa izany no didy voalohany misy teny fikasana, Iraka migadra noho izany aho, mba hiteny izany amin’ny fahasahiana, araka izay tokony hoteneniko. Mba hahafantaranareo izay momba ahy sy izay ataoko, dia i Tikiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra. Izy mihitsy no nirahiko hilaza izany zavatra izany aminareo mba ho fantatrareo ny momba anay, ary mba hampahereziny ny fonareo. Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena. «mba hahita soa ianao sady ho maro andro ambonin’ny tany» (Deo 5.16).
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.
Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra.
ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.
Raha vao ren’i Esao ny tenin’ny rainy dia niantsoantso mafy dia mafy izy sady niteny taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, eny, izaho koa, ry Ikaky ô! Hoy rainy: Tonga teo ny rahalahinao nisandoka ka nahalasa ny tsodranonao.
Fahendrena no anaovana trano, ary halalinan-tsaina no mampaharitra azy. Nandalo ny sahan’ny kamo sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho; koa indro, feno songosongo izy sady voasaron’ny tsilo, ary nirodana ny fefy vatony. Dia nojereko ka noheveriko tsara; eny, hitako ka nahazoako anatra. Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tanana kely hatory; dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely ny fahantranao ary ny fahasahirananao ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana. Fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe.
Hery sy voninahitra no fitafiny ary ny andro ho avy dia ihomehezany. Miteny amin’ny fahendrena izy ary fampianarana feno hatsaram-panahy no eo am-bavany.
Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5). Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no teo Aminy.
Koa ankehitriny, ekeo ny teniko fa hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny raharahany ho eo amin’Andriamanitra. Koa noentin’i Jetro, rafozan’i Mosesy, i Zipora vadin’i Mosesy, izay nalefany nody, Hampianatra azy ny didy sy ny lalàna ianao sady hampahalala azy ny lalana izay mety halehany sy izay tokony hataony.
Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao;
Koa mihainoa ahy ianareo anaka; fa sambatra izay manaraka ny diako! Mihainoa anatra ka hendre, fa aza manao tsirambina.
Mihainoa ianao, anaka, ka hendre ary ampizory amin’ny lala-mahitsy ny fonao. ka ambeno amin’ny antsy ny tendanao raha dia mazoto homana loatra ianao. Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa hahantra izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena, ary ny fitiavan-torimaso dia mampitafy vorodamba.
Dia hoy i Josefa tamin’ny rainy: Zanako ireto nomen’Andriamanitra ahy tatỳ. Dia hoy Israely: Ento eto amiko ary izy mba hotsofiko rano.
Andriamanitra ô, Ianao no nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora, ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagagana nataonao aho. Koa na dia efa antitra sy fotsy volo aza aho dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mba hahazoako manambara ny herinao amin’izao taranaka izao sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy;
Ny velona, ny velona ihany no hidera Anao, tahaka ahy izao anio izao; hampahalala ny zanany ny fahamarinanao ny ray.
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. Hitoetra amin’ny soa izy ary handova ny tany ny taranany.
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy. Isika manana alitara izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. Fa rehefa noentin’ny Mpisoronabe niditra ho ao amin’ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran’ny biby dia nodorana teny ivelan’ny toby ny fatiny. Noho izany, Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. Koa aoka isika hivoaka hankeo Aminy eo ivelan’ny toby ka hitondra ny latsa izay noentiny. Fa tsy manana tanàna maharitra isika etỳ fa mitady ny ho avy. Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra. Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra. Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho mba hampidina ahy haingankaingana kokoa ho atỳ aminareo. Aza manadino ny fampiantranoana vahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
Nefa hoy Jesosy: Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Hisy taranaka hanompo Azy ary ny Tompo dia holazaina amin’ny taranaka ho avy. Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany amin’ny olona izay mbola hateraka fa Izy no nanao izany.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.