Resaka saro-pady sy tsy dia tiana resahina loatra ity resaka firaisana ara-nofo ity. Matetika moa dia avela hangina fotsiny izy ity. Fa isika kristiana, andeha isika mba hisaintsaina hoe: "Inona tokoa ary no sitrapon'Andriamanitra mahakasika ny firaisana ara-nofo?" Tsy mangina mihitsy ny Baiboly momba io fa tena miresaka mazava tsara mihitsy aza.
Hoy ny Hebreo 13:4 hoe: "Aoka hohajaina amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra." Fanambadiana mendrika haja tokoa izany ka tokony hohajaina araka izay mendrika azy. Mandria anizany fijangajangana izany! Halaviro, ankahalao ary ialao izay rehetra mety ho fahalotoana.
Ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana no halan'Andriamanitra. Na dia samisamy aza ny fomba fijery momba ny firaisana ara-nofo dia mila fantarintsika fa Andriamanitra dia tia ny zavatra tsara sy tsara tarehy ary tsy misy tokony hahamenatra antsika amin'izay zavatra noharian'Andriamanitra. Andriamanitra no namorona ny firaisana ara-nofo ka ny hany fomba ara-dalàna hanomezana fahafaham-po amin'izany dia ao anatin'ny fanambadiana, ao anatin'ny fanekena masina. Izany no sitrapon'Andriamanitra.
Ny lalàn'Andriamanitra dia mampiseho fa ny fanambadiana no natahany hanaovana firaisana ara-nofo fa tsy ivelan'izany. Tsy hisy mihitsy aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo hahapaka ny mpivady raha samy tsy mivadika izy roa. Fa raha misy iray amin'izy ireo mandika ny fanekena ka manao firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana dia mety hiharan'izany aretina izany sy hiharan'ny voka-dratsin'ny fahotana hafa koa izy.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; izay ta hanimba tena no manao izany.
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy. Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.
Ny amin’ireo zavatra nosoratanareo tamiko dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory. Ny manambady dia izao no andidiako azy, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Aoka tsy hisaraka amin’ny lahy ny vavy nefa raha misy efa nisaraka dia aoka hitoetra tsy manambady izy, na aoka hody amin’ny lahy; ary aoka ny lahy tsy hisaraka amin’ny vavy. Fa amin’ny sisa dia hoy aho fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino ary manaiky hitoetra aminy ihany ny vavy dia aoka tsy hisaraka aminy izy. Raha misy vehivavy manambady tsy mino, ary manaiky hitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hisaraka aminy izy. Fa ny lahy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny vavy, ary ny vavy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izay dia tsy madio ny zanakareo, kanefa masina izy. Fa raha ny tsy mino no te hisaraka dia aoka izy hisaraka. Na ny rahalahy na ny anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso anareo amin’ny fihavanana. Fa ahoana moa no ahafantaranao, Ravehivavy, na ho voavonjinao ny vadinao na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, Ralehilahy, na ho voavonjinao ny vadinao na tsia? Fa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjara nomen’ny Tompo azy sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako any amin’ny fiangonana rehetra. Misy va efa voafora fony izy voaantso? Aoka izy tsy hiova ho tsy voafora. Misy va tsy mbola voafora fony izy voaantso? Aoka izy tsy hoforana. Tsinontsinona ny famorana ary tsinontsinona ny tsy famorana; fa ny mitandrina ny didin’Andriamanitra no izy. Kanefa noho ny fijangajangana dia aoka samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy rehetra ary aoka koa samy hanana ny vadiny avy ny vehivavy rehetra.
Kanefa noho ny fijangajangana dia aoka samy hanana ny vadiny avy ny lehilahy rehetra ary aoka koa samy hanana ny vadiny avy ny vehivavy rehetra.
Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’izay fotoana sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa miraisa fandriana indray aorianan’izany mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy faharetanareo.
Aoka hanao izay mety hatao amin’ny vavy ny lahy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy.
Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao.
Noho izany dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roa.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
Ary nahalala an’i Eva vadiny i Adama; dia nanana anaka i Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Nahazo zazalahy tamin’NY TOMPO aho.
Nitahy an’i Noa sy ny zanany Andriamanitra ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Niantso an’i Lota izy ireo ka niteny taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? Asaivo mankaty aminay izy mba hahalalanay azy.
Aoka tsy hisy handry amin’izay havany akaiky ianareo: Izaho no TOMPO. Aza mandry amin’izay nandrian’ny rainao fa reninao izy koa aza mandry aminy.
Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
Aza mandry amin’ny biby handoto ny tenanao aminy; aoka tsy hisy vehivavy hanaiky handrian’ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
Izay lehilahy mijangajanga amin’ny vadin’olona, dia izay mijangajanga amin’ny vadin’ny namany dia hovonoina ho faty, na izy lehilahy nijangajanga izany na ilay vehivavy nijangajangany.
Raha misy lehilahy mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hovonoina ho faty izy ireo; ny rany dia ho aminy ihany.
Raha misy lehilahy mandry amin’ny biby dia hovonoina ho faty izy; ary ilay biby koa dia hovonoinareo. Raha misy vehivavy manatona handry amin’ny biby dia hovonoina izy sy ilay biby; hovonoina ho faty izy roa; ny rany dia ho aminy ihany.
Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao; aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.
Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy ka tsy tiany indray Ravehivavy, fa sady haratsiny sy alàny baraka no ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijiny, dia halain’ny ray aman-drenin-dRazazavavy ny famantarana azy ho virijiny ka hoentiny ho eo amin’ny loholona ao amin’ny tanàna eo am-bavahady. Ary hiteny amin’ny loholona ny rain-dRazazavavy hoe: Ny zanako vavy dia nomeko ho vadin’io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray; ary indro efa noharatsìny ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao vavy ho virijiny; kanefa indreto ny famantarana ny zanako vavy ho virijiny. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ny loholona amin’ny tanàna izy mivady. Ary halain’ny loholona ao amin’ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaiziny. Dia hosaziny sekela volafotsy zato koa izy, homena ny rain-dRazazavavy, satria nahafa-baraka ny virijiny iray tamin’ny Israely Ralehilahy; nefa ho vadiny ihany Razazavavy ka tsy azony isaorana amin’ny andro rehetra iainany. Raha tsy akaiky anao na tsy fantatrao ny rahalahinao dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra ao aminao mandra-pitadin’ny rahalahinao azy ka hamerenanao azy. Fa raha marina kosa izay nolazainy ka tsy hita ny famantarana an-dRazazavavy ho virijiny dia havoakany ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranon’ny rainy Razazavavy ka hotorahan’ny mponina ao amin’ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ny Israely izy ka nijangajanga tao an-tranon’ny rainy; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy amin’izay.
Raha misy lehilahy fantatra fa mandry amin’ny vehivavy vadin’olona dia samy hovonoina izy roa, na Ralehilahy izay nandry tamin-dRavehivavy, na Ravehivavy; satria hofongoranao tsy ho eo amin’ny Israely ny fanao ratsy.
Raha misy zazavavy virijiny voafofo ho vadin’olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy, dia havoakanareo ho eo amin’ny vavahadin’izany tanàna izany izy roa ka hotorahanareo vato ho faty: Razazavavy moa, satria tsy niantso vonjy nefa tao an-tanàna ihany; ary Ralehilahy kosa, satria nandry tamin’ny vadin’ny namany; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijiny izay tsy voafofo ho vadin’olona ka misavika azy sady mandry aminy, koa tratra izy roa, dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy satria efa nosavihiny sady nandriany ka tsy azony isaorana izy amin’ny andro rehetra hiainany.
Nony harivariva dia niala tao am-pandrianany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary Ravehivavy dia tsara tarehy maha te hijery. ka tezitra ny mpanjaka ary miteny aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hisy hitifitra avy eny amin’ny manda? Fa iza no namely an’i Abimeleka, zanak’i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ny manda ka maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? Dia ataovy hoe: Maty koa i Oria hetita mpanomponao. Dia nandeha ilay iraka ka tonga tany amin’i Davida ary nanambara taminy izay rehetra nanirahan’i Joaba azy. Hoy ilay iraka tamin’i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nandehanany tany an-tsaha izahay ka nenjehinay hatreo anoloan’ny vavahady kosa izy. Ary ny mpitifitra teo amin’ny manda dia nitifitra ny mpanomponao; nahafatesana ny mpanompon’ny mpanjaka, ary maty koa i Oria hetita mpanomponao. Dia hoy i Davida tamin’ny iraka: Izao no holazainao amin’i Joaba: Aza malahelo amin’izany ianao fa tsy mifidy hasiana ny sabatra; herezo ihany ny adinao amin’ny tanàna ka ravao izy. Ary ampaherezo i Joaba. Nony ren’ny vadin’i Oria fa maty ny lahy dia nisaona azy izy. Rehefa afa-tsaona izy dia nampanalain’i Davida ho any an-tranony ka tonga vadiny ary niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitraky NY TOMPO izany nataon’i Davida izany. Dia nandefa iraka hanontany ny amin-dRavehivavy i Davida. Ary nolazaina taminy hoe: Iny no Batseba, zanakavavin’i Eliama, sady vadin’i Oria hetita. Naniraka olona haka azy i Davida. Dia tonga tao aminy izy ka nandriany kanefa vao avy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ny fahalotoany. Nody tany an-tranony Ravehivavy nony avy eo.
Nony noentiny tao aminy hohaniny izany dia nihazona an’i Tamara izy ka niteny taminy hoe: Avia handry amiko, Ranabaviko. Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, Ranadahy! Aza misavika ahy fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany; aza manao izany hadalana izany ianao. Ary ny amiko, hoentiko aiza moa ny henatro? Ianao koa dia ho toy ny iray amin’ny adala eto amin’ny Israely. Koa trara antitra ianao, lazao amin’ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy. Nefa tsy nety nihaino ny feon-dRazazavavy izy fa natanjaka noho izy; dia nanolana azy izy ka nandry taminy.
Misotroa avy amin’ny lavaka famorian-drano izay anao samirery, dia ny rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao. Hitosaka eny ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, ary eny an-dalambe ny ranovelonao? Aoka ho anao irery ihany izany fa aza iombonana amin’ny hafa. Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao.
hiarovana anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy sy amin’ny fandrobohan’ny lelan’ny vehivavy janga. Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy. Fa sombi-mofo iray ihany dia ahazoana vehivavy janga iray, nefa ny vehivavy manambady kosa dia mamandrika aina sarobidy. Mahatondra afo ao amin’ny paosin’akanjony va ny olona ka tsy ho may ny akanjony? Misy mahadia vainafo va ka tsy ho may ny tongony? Dia toy izany izay mankany amin’ny vadin’ny namany; tsy ho afa-tsiny izay mikasika azy.
Tamin’ny teny maro no nandreseny lahatra azy; tamin’ny fandokafan’ny molony no nitaomany azy. Dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala gadraina ho famaizana azy, ambara-piboroaky ny zana-tsipìka amin’ny atiny, ary tahaka ny vorona mamantana amin’ny fandrika ka tsy fantany fa hamono ny ainy izany.
Mamy ny rano nangalarina, ary fy ny mofo hanina miafina! Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, ary any amin’ny lalina any amin’ny fitoeran’ny maty ny olona nasainy.
Ny tenin’ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; izay tezeran’NY TOMPO no ho latsaka ao.
Miravoravoa amin’ny vady malalanao amin’ny andronao rehetra mandalo foana izay nomeny anao etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ny andro iainanao sy amin’ny fisasarana izay isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro.
Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao. Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ny tovovavy anao. Tariho aho hanaraka anao, dia hiara-hihazakazaka isika; noentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony aho. Hifaly sy hiravoravo ao isika; hankalazaintsika mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; fitiavana marina no itiavany anao.
Aoka ny tanany havia hiondanako, ary aoka ny tanany havanana hamihina ahy. Mampianiana anareo aho ry zanakavavin’i Jerosalema, amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! Eny, tsara noho ny divay! Ary ny hanitry ny menakao dia mihoatra noho ny balisama rehetra! Mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelanao, ary ny fofon’ny fitafianao dia tahaka ny fofon’i Libanona. Saha voafefy tsara ianao ry havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
Ny lohanao dia tahaka an’i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ny volonao olioly ny mpanjaka! Endre! Tsara tarehy sady mahafinaritra noho izao zava-mahafinaritra rehetra izao ianao ry malala! Izato tsangananao dia tahaka ny palma, ary ny nononao dia tahaka ny sampahony. Hoy aho: Hananika ny palma aho ka handray ny rantsany; ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ny paoma;
Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga! Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fikomiana va ianareo sady taranaky ny lainga? Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo eo amin’ny sampy eny ambanin’ny hazo maitso rehetra ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.
Nijangajanga tamin’ny zanak’i Ejipta be nofo izay mifanila fonenana ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
fa efa nijangajanga izy sady misy ra ny tanany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zanany lahy naterany ho Ahy dia nampamakivakiny ny afo ho an’ireny mba ho levona. Izao koa no nataony Tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin’izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa. Ary nony efa novonoiny ho an’ny sampiny ny zanany dia nidirany tamin’iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny. Koa, e! Izany no nataony tao anatin’ny tranoko.
Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa.
Efa renareo fa voalaza hoe: «Aza mijangajanga.» (Eks 20.14) Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;
Fa Izy namaly hoe: Tsy mbola novakinareo va, fa izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen 1.27), hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24), koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fitiavan-karena, ny faharatsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fijery ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Ireny zavatra ratsy rehetra ireny no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.
Fa hatramin’ny namoronana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra ny olona (Gen 1.27). «Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Koa tsy roa intsony izy fa nofo iray ihany. Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hosarahin’olona.
Ary hoy Jesosy taminy: Ny zanak’izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; fa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina;
Izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena! Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ara-boajanahary ho amin’izay tsy fanao; toy izany koa ny lehilahy, namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy; nifanao izay mahamenatra izy ireo ka nandray tao amin’ny tenany ihany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Koa aza avela hanjaka amin’ny tenanareo mety maty ny ota ka hanarahanareo ny filany; ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.
Efa re hatraiza hatraiza fa misy fijangajangana atỳ aminareo; eny, fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny Jentilisa aza, fa misy olona ao aminareo manambady ny vadin-drainy.
Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena.
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany. Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va? Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Aoka hanao izay mety hatao amin’ny vavy ny lahy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. aoka mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; aoka mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; aoka mba ho toy izay tsy manana ny mividy; ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao. Fa tiako tsy ho maro ahiana ianareo. Izay tsy manambady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manambady kosa dia miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo. Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony. Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy manery azy, fa afaka mifehy ny safidiny izy ka ninia tao am-pony hanaja ny fofombadiny, dia tsara ny nataony. Koa tsara ny ataon’izay mampakatra ny fofombadiny ary tsaratsara kokoa ny ataon’izay tsy mbola mampakatra azy. Voafehin’ny lalàna ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Tsy ny vavy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny lahy; ary mba toy izany koa, tsy ny lahy no manam-pahefana amin’ny tenany fa ny vavy. Nefa raha araka ny hevitro dia sambatra kokoa izy raha mitoetra amin’izao ihany; ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra. Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’izay fotoana sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa miraisa fandriana indray aorianan’izany mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsy faharetanareo.
Nefa raha tsy maharitra izy dia aoka hanambady ihany; fa tsara ny manambady noho ny ho maimay.
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony. Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy manery azy, fa afaka mifehy ny safidiny izy ka ninia tao am-pony hanaja ny fofombadiny, dia tsara ny nataony. Koa tsara ny ataon’izay mampakatra ny fofombadiny ary tsaratsara kokoa ny ataon’izay tsy mbola mampakatra azy.
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Inona no ifandraisan’ny mino sy ny tsy mino?
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijangajangana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fitiavam-bola.
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina,
«Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24). Zavamiafina lehibe izany; milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana mantsy aho. Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana; mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;
Fa tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana.
Mandosira ny filan’ny fahatanorana ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
mba hampianarany ny vehivavy tanora ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.
Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.
Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.
Maro no hanaraka ny fanaranam-pony amin’ny ratsy ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ny fahamarinana.
indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahamboniana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
ny masony dia feno fijangajangana ary tsy mety mitsahatra amin’ny fahotana; mamitaka ny tsy miorina tsara izy; zatra amin’ny fitiavana harena maloto ny fony; olona voaozona izy.
fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Toy izany koa, i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana ny fiaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.
Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitana ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’Israely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga.
Kanefa manan-teny aminao Aho satria ianao dia mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy. Nomeko andro hibebahany izy nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany izy. Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ny fahoriana lehibe raha tsy mibebaka amin’ny asan-dRavehivavy izy.
tsy nibebaka tamin’ny namonoany olona izy, na tamin’ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ny fijangajangany, na tamin’ny halatra nataony.
Ireo no tsy voaloto tamin’ny vehivavy, fa virijiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.
Ary tonga ny anjely iray tamin’izy fito izay nitana ny lovia fito dia niteny tamiko hoe: Avia atỳ, dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe izay mipetraka eny ambonin’ny ranobe. Mpanjaka fito koa ireo: Efa lavo ny dimy fa ny iray dia mbola eo ihany, ary ny iray koa dia mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy mitoetra kelikely. Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman’ny fito maha valo azy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana fa mandray fahefana ho toa mpanjaka izy ireo, ora iray monja, miaraka amin’ny bibidia. Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibidia. Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry dia haharesy azy, satria Tompon’ny tompo Izy ary Mpanjakan’ny mpanjaka, ary handresy azy koa izay momba Azy, dia olona voaantso sy voafidy ary mahatoky. Ary hoy izy tamiko: Ny rano hitanao izay ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia olona, vahoaka betsaka, ary firenena maro ary samihafa fiteny. Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy, hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo. Fa Andriamanitra nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibidia, mandra-pahatanteraka ny tenin’Andriamanitra. Ary Ravehivavy, ilay hitanao, dia ny tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany. Taminy no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany sady nahamamo ny mponina tamin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany.
Nisy anarana voasoratra teo amin’ny handriny hoe: Zavamiafina, Babilona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany.
Fa tamin’ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mpivaro-mandeha amin’ny tany dia tonga mpanankarena noho ny fanaranam-pony tamin’ny fiainam-ben-dRavehivavy.
Ary ny mpanjakan’ny tany izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ny fiainam-be, dia hiteha-tratra sy hitomany azy rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.
Fa ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izany no fahafatesana faharoa.
Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
Iza no mahita vehivavy mahafatra-po? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. Matoky azy ny fon’ny lahy ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy, amin’ny andro rehetra iainany.
Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Fa ny vehivavy janga dia hady lalina ary ny vehivavy jejo dia lava-drano ety; eny, manao vela-pandrika toy ny jiolahy ireny ary mahamaro ny olona mpivadika.
Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina anareo manontolo ka ho voatahiry avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Fa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjara nomen’ny Tompo azy sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako any amin’ny fiangonana rehetra.
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo,
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana ao amin’ny teny; mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.