Andininy ao amin’ny Baiboly

- dokam-barotra -


ANDININY HO ATAO

ANDININY HO ATAO

Misy olona manokana Andriamanitra efa nametraka eo amin'ny lalanao, olona mitondra fitahiana sy fifaliana, ary hotahintsika amin'ny anaran'i Jesosy izy ireo. Ao amin'ny Baiboly dia mahita andininy maro isika mba hisaorana sy hitahiana ireo aina ireo, tsy ireo olona ireo ihany no hotahintsika fa ny fianakaviantsika, ny firenentsika ary ny mpiray finoana amintsika koa. "Hotahin'i Jehovah anie ianao ka harovany; Hampamirapiratin'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hamindrany fo aminao; Hanandratr'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hanome anao fiadanana." (Nomery 6:24-26) Hotahintsika koa ireo pasitera ampiasain'Andriamanitra. "Fa Ianao, Jehovah ô, no mitahy ny marina; Manodidina azy amin'ny fankasitrahanao toy ny ampinga ianao." (Salamo 5:12) Tsy izay manisy soa antsika ihany no hotahintsika fa Andriamanitra nandidy antsika mba hitahy izay manisy ratsy antsika koa. "Misaora izay manenjika anareo, misaora fa aza manozona." (Romana 12:14)




Matio 25:35-40

fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo;tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo.Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay?Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay?Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 19:17

Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:10

ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 82:3-4

Alaharo ny tenin’ny madinika sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny mahantra,vonjeo ny madinika sy ny mahantra, sariho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:2

Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 3:11

Namaly azy izy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ny tsy manana ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 41:1-3

Sambatra izay mahatsiaro ny mahantra! NY TOMPO manafaka azy amin’ny andro fahoriana;NY TOMPO hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; holazaina fa sambatra ambonin’ny tany izy ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.NY TOMPO hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; soloinao ny momba ny fandrianany rehetra eo am-paharariany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:13

Manampia ny olona masina araka izay ilainy. Mazotoa mampiantrano vahiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:31

Izay mampahory ny madinika dia manala baraka ny Mpanao azy, fa ny mamindra fo amin’ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 3:17-18

Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:1-4

Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havananamba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 2:14-17

Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandroka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?Toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 10:33-34

Fa nisy kosa Samaritana iray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy dia onena.Dia nanatona izy ka nofeheziny ny feriny sady nasiany diloilo sy divay; dia napetrany teo ambonin’ny borikiny izy ka noentiny ho any amin’ny tranom-bahiny dia nokarakarainy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 20:35

Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo mba hanampy ny sahirana ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 15:7-8

Raha misy mahantra ny rahalahinao ao an-tanànanao iray, amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra;fa sokafy tsara aminy ny tananao ka ampisambory izay ilainy izy, araka izay mahory azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:21

Mitrosa ny ratsy fanahy nefa tsy manonitra, fa mamindra fo kosa ny marina ka manome.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 9:6-7

Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely dia kely no hojinjainy; fa izay mamafy be dia be kosa no hojinjainy.Aoka ny olona rehetra samy hanome araka izay noheveriny tao am-pony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; satria «ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra» (Oha 22.8).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 28:27

Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:6-7

Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra?Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:42

Omeo izay mangataka aminao; aza odian-tsy hita izay te hisambotra aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:26-27

Fa sitrapon’i Makedonia sy i Akaia ny hamory vola ho fifanohanana amin’ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.Eny, sitrapony izany sady tokony hataony aminy, fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 146:7-9

izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;NY TOMPO no mampahiratra ny jamba; NY TOMPO no mampitraka ny mitanondrika; NY TOMPO no tia ny marina;NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 14:13-14

Fa raha manao fanasana ianao dia asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;dia ho sambatra ianao satria tsy mba manana havaly izay nataonao ireo; fa hovalìna kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 22:25-27

Raha maka ny lamban’ny namanao ho antoka ianao dia haverinao aminy izany raha mbola tsy milentika ny masoandro.Fa izany ihany no mba firakofany sady fitafiany eny an-kodiny, koa inona no hoentiny mandry? Ary raha mitaraina Amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.Aza miteny ratsy an’Andriamanitra ianao, na manozona izay olona ambony eo amin’ny firenenao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 22:9

Hotahìna izay manana maso miantra satria anomezany ho an’ny mahantra ny haniny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 6:17-19

Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova fa hatoky an’Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra,dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy mba hihazonany ny tena fiainana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:36

Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:27

Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: Ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany ary ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 112:5

Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra ary mitantana ny raharahany amin’ny fahamarinana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 10:42

Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:7

Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 31:20

Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy, eny, mamelatra ny tanany amin’ny mahantra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 12:33-34

Amidio ny fanananareo ka atolory ho fiantrana, manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra atonina sady tsy misy kalalao manimba.Fa izay itoeran’ny harenanareo dia ho any koa ny fonareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 24:19-21

Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao ka misy amboara hadinonao any dia aza miverina haka azy fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.Raha manintsana ny hazo olivanao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.Raha mioty ny voalobokao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:10

Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 24:1

An’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mpitoriteny 11:1

Atsipazo eny ambonin’ny rano ny mofonao fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 8:13-15

Kanefa tsy ny fanamaivanana ny fahorian’ny sasany no hanavesatra anareo fa ny mba hisian’ny fitoviana;koa amin’izao ankehitriny izao, ny haben’ny harenanareo no hahafaka ny fahantran’ireo ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny fahantranareo mba hampisy fitoviana,araka ny voasoratra hoe: «Ny nanangona be dia tsy nanana amby ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy» (Eks 16.18).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:12

Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 2:10

Izao ihany no tokony hataonay: Hahatsiaro ny mahantra; nampahazoto ahy rahateo ny hanao izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:16

Fa aza manadino hanao soa sy hiantra fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 10:17-18

Efa nohenoinao, TOMPO ô, ny fanirian’ny mahantra; mampiorina ny fony Ianao sady mampihaino ny sofinaomba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny voan’ny tsindry hazo lena, koa tsy hisy olombelona hampitahotra intsony etỳ an-tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:27

Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy raha azon’ny tananao atao ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:38

omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 23:10-11

Enin-taona no hamafazanao amin’ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izany mba hisy hohanin’ny mahantra ao amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo kosa dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 146:9

NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 32:8

Fa ny olo-mihaja kosa dia manana fikasana araka izay mahamendrika olo-mihaja ary izay mahamendrika olo-mihaja no ifikirany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 9:8

Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:16

Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 13:10

Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 69:33

Fa mihaino ny mahantra NY TOMPO, ary tsy mba hataony tsinontsinona ny olony mifatotra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 28:8

Izay mampitombo ny fananany amin’ny zana-bola sy ny tombony dia manangona ho an’izay miantra ny mahantra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 4:10

Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 113:7-8

Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezikamba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka, dia ny mpanapaka eo amin’ny olony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 26:12-13

Rehefa voaangonao ny fahafolonkarena rehetra avy amin’ny vokatrao amin’ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolonkarena, dia mba omeo ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, mba hisy hohaniny ao an-tanànanao ka ho voky izy.Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:9

Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 25:40

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 16:19

Tsara ny mietry miaraka amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:9

Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:1

Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 3:16-18

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: Izy no nanolotra ny ainy noho ny amintsika; ary isika kosa dia mba tokony hanolotra ny aintsika noho ny amin’ny rahalahy.Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:30

Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka izay anao dia aza mitaky izany aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 2:44-45

Izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra;namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 11:25

Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 41:17

Mitady rano ny ory sy ny mahantra nefa tsy mahita, mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO no hamaly azy, Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 12:5

Noho ny fampahoriana ny madinika sy ny fisentoan’ny mahantra dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy NY TOMPO, hataoko mahita ny famonjena iriny ireny vingavingain’ny sasany ireny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:69-70

Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; amin’ny foko manontolo no itandremako ny didinao.Mandry tahaka ny menaka ny fony; fa izaho kosa dia ny lalànanao no iravoravoako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 10:8

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 2:15-16

Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandroka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:8

raha mananatra dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay mitarika dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo dia aoka ho amin’ny fifaliana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 18:22

Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: Amidio ny fanananao rehetra ka zarao ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 22:22-23

Aza mandroba ny mahantra noho ny fahantrany ary aza dia manitsakitsaka ny ory eo amin’ny fitsarana.Fa NY TOMPO anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny ary hamongotra ny ain’izay mamongotra azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 10:4

Nony nibanjina azy izy dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Ahoana, Tompoko? Dia niteny taminy indray ilay anjely hoe: Ny vavaka ataonao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:25

Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 9:11

dia hanankarena amin’ny zavatra rehetra ianareo noho ny fahalalahan-tanana samihafa asehonareo, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:7

Sambatra ny mpamindra fo, fa izy no hamindrana fo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 41:1

Sambatra izay mahatsiaro ny mahantra! NY TOMPO manafaka azy amin’ny andro fahoriana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:11

NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 21:13

Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra dia mba hitaraina koa, nefa tsy hohenoina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:1-2

Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 15:10

Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:17

Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 19:21

Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 29:7

Ny marina dia mihevitra ny adin’ny mahantra, fa ny ratsy fanahy tsy mahalala izany ho fahendrena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 5:8

Fa raha misy tsy mikarakara ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 69:32-33

Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra.Fa mihaino ny mahantra NY TOMPO, ary tsy mba hataony tsinontsinona ny olony mifatotra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 22:21-24

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty.Fa raha mampijaly azy na amin’inona na amin’inona ianareo ka mitaraina Amiko izy dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin’ny sabatra Aho, mba ho mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ny zanakareo.Raha mampisambo-bola amin’ny oloko izay mahantra eo aminao ianao dia tsy ho toy ny mpampanjana-bola aminy, fa tsy hampandoavinao zana-bola izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 107:9

Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy ary ny fanahy noana dia vokisany soa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:3

Nahoana izahay no mifady hoy izy nefa tsy hitanao? Nahoana izahay no mampahory ny tenanay nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia mbola ampahorinareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 22:39

Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:17

Aleo sakafo anana arahim-pitiavana toy izay omby mifahy arahim-pankahalana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 84:11

Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:10

Koa araka ny ananantsika fotoana, aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 112:9

Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany; hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 21:26

maniry fatratra izy mandritra ny andro; ny marina kosa manome fa tsy mba mahihitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 20:17

Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:4

TOMPO ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; vangio amin’ny famonjenao aho,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:33

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:1-2

Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.Aza manadino ny fampiantranoana vahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 25:4

Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Ianao; eny, fiarovana mafy ho an’ny mahantra ao amin’ny fahoriany, fialofana amin’ny oram-batravatra, alokaloka amin’ny hainandro; fa ny fahatezeran’ny mpampihorohoro dia tahaka ny orana mivatravatra mamely ny rindrina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 136:1-3

Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony!Miderà an’Andriamanitry ny andriamanitra rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony!Miderà ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindrampony!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 82:3

Alaharo ny tenin’ny madinika sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny mahantra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 61:1-3

Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,hitory ny taona ankasitrahan’NY TOMPO sy andro famalian’Andriamanitsika; hampionona ny malahelo rehetra,hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 41:2

NY TOMPO hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; holazaina fa sambatra ambonin’ny tany izy ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 18:5

Ary na zovy na zovy no handray zazakely iray tahaka itony amin’ny anarako dia mandray Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 72:12-14

Fa hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy izy;hiantra ny madinika sy ny mahantra izy ary hamonjy ny ain’ny mahantra.Hanavotra azy amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy ary ho sarobidy eo imasony ny rany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 10:18

manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 147:9

Izy no manome hanina ho an’ny biby sy ho an’ny zana-goaika izay mitaraina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 10:37

Dia hoy izy: Ilay niantra azy. Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao ka mba manaova toy izany koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 56:10-11

Jamba avokoa ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa izy rehetra ka tsy mahavovò; manonofy izy, eny, mandry ka tia torimaso.Lian-kanina ireny amboa ireny ka tsy mahalala voky. Ireny dia mpiandry tsy mahafantatra na inona na inona. Samy efa nivily ho amin’ny lalany avy izy rehetra, samy mankany amin’ny tombontsoany avokoa izy rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 145:9

Manisy soa ny rehetra NY TOMPO ary ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 68:5

Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:15

Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 86:5

Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 4:32-35

Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.Tamin’ny hery be no nanambaràn’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra.Fa tsy nisy olona nahantra teo aminy; ary izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafoka nametraka izany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:7-8

Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao no hialoha lalana anao ary ny voninahitry NY TOMPO no ho vodilalanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 11:24

Misy malala-tanana nefa mitombo fananana ihany ary misy izay fatra-pitahiry loatra nefa tonga mahantra ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:132

Todiho aho ka mamindrà fo amiko, araka ny tokony ho anjaran’izay tia ny anaranao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:1

Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 130:7

Manantenà NY TOMPO, ry Israely, fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo sy ny fanavotana be.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 146:6

izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny; izay mitandrina fahamarinana mandrakizay;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 113:7

Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:4

Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 116:5-6

Mamindra fo sy marina NY TOMPO; eny, miantra Andriamanitsika.Miaro ny olona tso-po NY TOMPO; reraka aho dia namonjy ahy Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 68:10

Ny olonao dia monina ao; mamponina ny ory araka ny fahasoavanao Ianao, Andriamanitra ô.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 12:14

Ny vokatry ny tenin’ny olona no mahavoky soa azy ary hitsingerina aminy ny asan’ny tanany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 3:17

Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 125:4

TOMPO ô, manaova soa amin’ny tsara sy ny mahitsy fo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:25-27

Fa ankehitriny dia efa hiainga hankany Jerosalema aho mba hanompo ny olona masina.Fa sitrapon’i Makedonia sy i Akaia ny hamory vola ho fifanohanana amin’ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.Eny, sitrapony izany sady tokony hataony aminy, fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 29:14

Izay mpanjaka mitsara marina ny mahantra dia haharitra mandrakizay ny sezafiandrianany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 10:31

ka niteny hoe: Ry Kornelio, efa re ny vavaka ataonao ary efa tsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 72:4

Aoka izy hitsara ny ory eo amin’ny vahoaka sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 14:19

Koa aoka isika hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 133:1-2

Endre! Tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny morontongotr’akanjony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:1

Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 116:1-2

Izaho dia tia NY TOMPO satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy;satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy; dia hiantso aho raha mbola velona koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 103:1-5

Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra,izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao,izay mamoky zava-tsoa anao; mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Tompo ô, Ianao no Alfa sy Omega! Andriamanitra Ray ô, Mpahary ny lanitra sy ny tany, Ianao no voalohany sy farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompoko no ihaviako eo anatrehanao, mitalaho aminao mba hiaro sy hanome hery ny namako, mba homenao azy ny fahendrena sy ny fahiratan-tsaina handraisana fanapahan-kevitra tsara, mba handehanany araka ny sitraponao izay efa voafaritra ho azy. Omeo hery izy, havaozy ny tanjany ary ampitomboy hatrany ny finoany, mba ho loha laharana eo amin’ny fiainany sy ny ankohonany ny fanatrehan’ny Fanahy Masinao. Hoy ny teninao: "Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao hiaro anao eny amin'ny lalanao rehetra". Tompo ô, tohizo ny famenoana izay rehetra ilaina aminy, omeo azy ny fahendrena sy ny herim-po handresena ny tahotra mba hahafahany miatrika izay rehetra mahazo azy. Ambarako fa Ianao no mialoha azy toy ny goavambe mahery, miady ny adiny rehetra. Arovy amin’ny fandriky ny fahavalo izy. Misaotra Tompo ô, ho Anao anie ny voninahitra sy ny fiderana rehetra. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena!
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra