Misy olona manokana Andriamanitra efa nametraka eo amin'ny lalanao, olona mitondra fitahiana sy fifaliana, ary hotahintsika amin'ny anaran'i Jesosy izy ireo. Ao amin'ny Baiboly dia mahita andininy maro isika mba hisaorana sy hitahiana ireo aina ireo, tsy ireo olona ireo ihany no hotahintsika fa ny fianakaviantsika, ny firenentsika ary ny mpiray finoana amintsika koa. "Hotahin'i Jehovah anie ianao ka harovany; Hampamirapiratin'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hamindrany fo aminao; Hanandratr'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hanome anao fiadanana." (Nomery 6:24-26) Hotahintsika koa ireo pasitera ampiasain'Andriamanitra. "Fa Ianao, Jehovah ô, no mitahy ny marina; Manodidina azy amin'ny fankasitrahanao toy ny ampinga ianao." (Salamo 5:12) Tsy izay manisy soa antsika ihany no hotahintsika fa Andriamanitra nandidy antsika mba hitahy izay manisy ratsy antsika koa. "Misaora izay manenjika anareo, misaora fa aza manozona." (Romana 12:14)
fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo;tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo.Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay?Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay?Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
Alaharo ny tenin’ny madinika sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny mahantra,vonjeo ny madinika sy ny mahantra, sariho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.
Namaly azy izy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ny tsy manana ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.
Sambatra izay mahatsiaro ny mahantra! NY TOMPO manafaka azy amin’ny andro fahoriana;NY TOMPO hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; holazaina fa sambatra ambonin’ny tany izy ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.NY TOMPO hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; soloinao ny momba ny fandrianany rehetra eo am-paharariany.
Izay mampahory ny madinika dia manala baraka ny Mpanao azy, fa ny mamindra fo amin’ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.
Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havananamba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.
Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandroka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?Toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy.
Fa nisy kosa Samaritana iray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy dia onena.Dia nanatona izy ka nofeheziny ny feriny sady nasiany diloilo sy divay; dia napetrany teo ambonin’ny borikiny izy ka noentiny ho any amin’ny tranom-bahiny dia nokarakarainy.
Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo mba hanampy ny sahirana ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
Raha misy mahantra ny rahalahinao ao an-tanànanao iray, amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra;fa sokafy tsara aminy ny tananao ka ampisambory izay ilainy izy, araka izay mahory azy.
Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely dia kely no hojinjainy; fa izay mamafy be dia be kosa no hojinjainy.Aoka ny olona rehetra samy hanome araka izay noheveriny tao am-pony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; satria «ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra» (Oha 22.8).
Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra?Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
Fa sitrapon’i Makedonia sy i Akaia ny hamory vola ho fifanohanana amin’ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.Eny, sitrapony izany sady tokony hataony aminy, fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.
izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;NY TOMPO no mampahiratra ny jamba; NY TOMPO no mampitraka ny mitanondrika; NY TOMPO no tia ny marina;NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Fa raha manao fanasana ianao dia asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;dia ho sambatra ianao satria tsy mba manana havaly izay nataonao ireo; fa hovalìna kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina.
Raha maka ny lamban’ny namanao ho antoka ianao dia haverinao aminy izany raha mbola tsy milentika ny masoandro.Fa izany ihany no mba firakofany sady fitafiany eny an-kodiny, koa inona no hoentiny mandry? Ary raha mitaraina Amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.Aza miteny ratsy an’Andriamanitra ianao, na manozona izay olona ambony eo amin’ny firenenao.
Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova fa hatoky an’Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra,dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy mba hihazonany ny tena fiainana.
Ataovy mirona ho amin’ny teny vavolombelonao ny foko, fa tsy ho amin’ny fitiavan-karena.
Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: Ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany ary ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.
Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra ary mitantana ny raharahany amin’ny fahamarinana.
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
Amidio ny fanananareo ka atolory ho fiantrana, manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra atonina sady tsy misy kalalao manimba.Fa izay itoeran’ny harenanareo dia ho any koa ny fonareo.
Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao ka misy amboara hadinonao any dia aza miverina haka azy fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.Raha manintsana ny hazo olivanao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.Raha mioty ny voalobokao ianao dia aza miverina hitsimpona izay sisa fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Kanefa tsy ny fanamaivanana ny fahorian’ny sasany no hanavesatra anareo fa ny mba hisian’ny fitoviana;koa amin’izao ankehitriny izao, ny haben’ny harenanareo no hahafaka ny fahantran’ireo ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny fahantranareo mba hampisy fitoviana,araka ny voasoratra hoe: «Ny nanangona be dia tsy nanana amby ary ny nanangona kely dia tsy nanana ny tsy ampy» (Eks 16.18).
Koa amin’izany, na inona na inona no tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.
Izao ihany no tokony hataonay: Hahatsiaro ny mahantra; nampahazoto ahy rahateo ny hanao izany.
Efa nohenoinao, TOMPO ô, ny fanirian’ny mahantra; mampiorina ny fony Ianao sady mampihaino ny sofinaomba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny voan’ny tsindry hazo lena, koa tsy hisy olombelona hampitahotra intsony etỳ an-tany.
omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa.
Enin-taona no hamafazanao amin’ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izany mba hisy hohanin’ny mahantra ao amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo kosa dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao.
NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Fa ny olo-mihaja kosa dia manana fikasana araka izay mahamendrika olo-mihaja ary izay mahamendrika olo-mihaja no ifikirany.
Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
Izay mampitombo ny fananany amin’ny zana-bola sy ny tombony dia manangona ho an’izay miantra ny mahantra.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.
Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezikamba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka, dia ny mpanapaka eo amin’ny olony.
Rehefa voaangonao ny fahafolonkarena rehetra avy amin’ny vokatrao amin’ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolonkarena, dia mba omeo ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, mba hisy hohaniny ao an-tanànanao ka ho voky izy.Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
Tsara ny mietry miaraka amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: Izy no nanolotra ny ainy noho ny amintsika; ary isika kosa dia mba tokony hanolotra ny aintsika noho ny amin’ny rahalahy.Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka izay anao dia aza mitaky izany aminy.
Izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra;namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
Mitady rano ny ory sy ny mahantra nefa tsy mahita, mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO no hamaly azy, Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy;
Noho ny fampahoriana ny madinika sy ny fisentoan’ny mahantra dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy NY TOMPO, hataoko mahita ny famonjena iriny ireny vingavingain’ny sasany ireny.
Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; amin’ny foko manontolo no itandremako ny didinao.Mandry tahaka ny menaka ny fony; fa izaho kosa dia ny lalànanao no iravoravoako.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isanandroka misy aminareo miteny aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa! Kanefa tsy omenareo azy akory izay ilain’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?
raha mananatra dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay mitarika dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo dia aoka ho amin’ny fifaliana.
Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: Amidio ny fanananao rehetra ka zarao ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
Aza mandroba ny mahantra noho ny fahantrany ary aza dia manitsakitsaka ny ory eo amin’ny fitsarana.Fa NY TOMPO anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny ary hamongotra ny ain’izay mamongotra azy.
Nony nibanjina azy izy dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Ahoana, Tompoko? Dia niteny taminy indray ilay anjely hoe: Ny vavaka ataonao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra.
Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.
dia hanankarena amin’ny zavatra rehetra ianareo noho ny fahalalahan-tanana samihafa asehonareo, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra.
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra dia mba hitaraina koa, nefa tsy hohenoina.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao.
Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô!
Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Ny marina dia mihevitra ny adin’ny mahantra, fa ny ratsy fanahy tsy mahalala izany ho fahendrena.
Fa raha misy tsy mikarakara ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra.Fa mihaino ny mahantra NY TOMPO, ary tsy mba hataony tsinontsinona ny olony mifatotra.
Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty.Fa raha mampijaly azy na amin’inona na amin’inona ianareo ka mitaraina Amiko izy dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin’ny sabatra Aho, mba ho mpitondratena ny vadinareo ary ho kamboty ny zanakareo.Raha mampisambo-bola amin’ny oloko izay mahantra eo aminao ianao dia tsy ho toy ny mpampanjana-bola aminy, fa tsy hampandoavinao zana-bola izy.
Nahoana izahay no mifady hoy izy nefa tsy hitanao? Nahoana izahay no mampahory ny tenanay nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia mbola ampahorinareo.
Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Koa araka ny ananantsika fotoana, aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.
Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra; maharitra mandrakizay ny fahamarinany; hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany.
Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.Aza manadino ny fampiantranoana vahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Ianao; eny, fiarovana mafy ho an’ny mahantra ao amin’ny fahoriany, fialofana amin’ny oram-batravatra, alokaloka amin’ny hainandro; fa ny fahatezeran’ny mpampihorohoro dia tahaka ny orana mivatravatra mamely ny rindrina.
Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony!Miderà an’Andriamanitry ny andriamanitra rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony!Miderà ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindrampony!
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,hitory ny taona ankasitrahan’NY TOMPO sy andro famalian’Andriamanitsika; hampionona ny malahelo rehetra,hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
NY TOMPO hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; holazaina fa sambatra ambonin’ny tany izy ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.
Ary na zovy na zovy no handray zazakely iray tahaka itony amin’ny anarako dia mandray Ahy.
Fa hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy izy;hiantra ny madinika sy ny mahantra izy ary hamonjy ny ain’ny mahantra.Hanavotra azy amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy ary ho sarobidy eo imasony ny rany.
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Dia hoy izy: Ilay niantra azy. Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao ka mba manaova toy izany koa.
Jamba avokoa ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa izy rehetra ka tsy mahavovò; manonofy izy, eny, mandry ka tia torimaso.Lian-kanina ireny amboa ireny ka tsy mahalala voky. Ireny dia mpiandry tsy mahafantatra na inona na inona. Samy efa nivily ho amin’ny lalany avy izy rehetra, samy mankany amin’ny tombontsoany avokoa izy rehetra.
Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina.
Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.
Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.Tamin’ny hery be no nanambaràn’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra.Fa tsy nisy olona nahantra teo aminy; ary izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafoka nametraka izany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy izany.
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao no hialoha lalana anao ary ny voninahitry NY TOMPO no ho vodilalanao.
Misy malala-tanana nefa mitombo fananana ihany ary misy izay fatra-pitahiry loatra nefa tonga mahantra ihany.
Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Manantenà NY TOMPO, ry Israely, fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo sy ny fanavotana be.
izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny; izay mitandrina fahamarinana mandrakizay;
Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika
Mamindra fo sy marina NY TOMPO; eny, miantra Andriamanitsika.Miaro ny olona tso-po NY TOMPO; reraka aho dia namonjy ahy Izy.
Ny vokatry ny tenin’ny olona no mahavoky soa azy ary hitsingerina aminy ny asan’ny tanany.
Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Fa ankehitriny dia efa hiainga hankany Jerosalema aho mba hanompo ny olona masina.Fa sitrapon’i Makedonia sy i Akaia ny hamory vola ho fifanohanana amin’ny mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.Eny, sitrapony izany sady tokony hataony aminy, fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.
Izay mpanjaka mitsara marina ny mahantra dia haharitra mandrakizay ny sezafiandrianany.
ka niteny hoe: Ry Kornelio, efa re ny vavaka ataonao ary efa tsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.
Aoka izy hitsara ny ory eo amin’ny vahoaka sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
Endre! Tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny morontongotr’akanjony.
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
Izaho dia tia NY TOMPO satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy;satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy; dia hiantso aho raha mbola velona koa.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra,izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao,izay mamoky zava-tsoa anao; mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.