Misàka manjaka ao am-poko izao fa misy iraka lehibe ho antsika mino, dia ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny olona rehetra, manerana izao tontolo izao. Araka ny voasoratra hoe: “Ary hoy izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka torio ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.” (Marka 16:15).
Koa miomàna tsara àry ianao hanatanteraka ity iraka soa nomen’Andriamanitra antsika ity. Resaho amin’izay mbola tsy mahalala Azy ny momba an’Andriamanitra. Tiavo ny mamaky ny Teniny, dia ho fantatrao ny fomba hiresahana amin’ireo olona apetrany eo amin’ny lalanao.
Sahia, ary aza misalasala mitondra ity hafatra mahafinaritra momba ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay izay efa nomen’Andriamanitra anao ity. Matokia fa Izy no hampiofana sy hanome hery anao isan’andro amin’ny alalan’ny Teniny. “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8)
Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny.Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany.
Izaho no tena voaloboka ary ny Raiko no mpamboly.Ny sampany rehetra eo Amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia dioviny mba hamoa bebe kokoa.
Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara fa ny hazo ratsy rehetra kosa dia mamoa voa ratsy.Ny hazo tsara dia tsy mety mamoa voa ratsy ary ny hazo ratsy dia tsy mety mamoa voa tsara.Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.Koa ny voany no hahafantaranareo azy.
Ilay nafafy teny amin’ny tsilo indray dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena dia mangeja ny teny ka tsy manome vokatra izy.
Noho izany, ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa tonga maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra.
Raha manaraka ny lalànako sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izanydia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoanany Aho ka hahavokatra ny tany ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
Ary ny vokatry ny fahamarinana ao amin’ny fihavanana dia afafin’izay mikatsaka ny fihavanana.
Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izay mamoa amin’ny fotoanany izy; tsy mba malazo ny raviny ary ataony lavorary avokoa ny asany rehetra.
Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.
Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.
Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo na voaloboka amin’ny voaroy.Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vavany.
Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.Raha tarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy mba ambanin’ny lalàna.
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany, amin’ny fahalemem-panahy sy fahendrena.
Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana; ary aza miteny anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.Indro, efa mipetraka ao amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
Ny sampany rehetra eo Amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia dioviny mba hamoa bebe kokoa.
Aoka koa ny olontsika hianatra hazoto amin’ny asa tsara mba hahazoany izay zavatra tena ilainy fa tsy mba ho isan’izay tsy mamokatra izy.
Ny marina dia hamololona tahaka ny palma, hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy.Nambolena tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika;mbola manorobona ihany izy na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy.
Ary ireto kosa ireo voafafy teny amin’ny tany lonaka, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: Ny iray dia manome voa telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato.
Noho izany indrindra dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, koa amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra,ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.Fa raha anananareo izany zavatra izany sady anananareo betsaka dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia hahavokatra be.
Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amim-pifaliana.Mandeha mitomany mitondra ny voa hafafiny izy fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.
Fa maizina ianareo fahiny, nefa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazavasatria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy, fa matetika aho no nikasa hankaty aminareo mba hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ny Jentilisa sasany, saingy azon-tsampona aho hatramin’izao.
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
Fa ireo teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara ka mitana izany ary mamoa amin’ny faharetana.
sady ho feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
satria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.
Raha fantatrareo fa marina Izy dia fantaro fa izay rehetra manao ny fahamarinana no zanany naterany.
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Mankalazà NY TOMPO amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra,dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olonasatria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo.
Rehefa vitako izay ka voatolotro azy soa amantsara izany vokatra izany dia ho any Espaina aho ka handalo any aminareo.
Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo mba hanampy ny sahirana ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Tsy manome ny volany hampanjanahina izy, na mandray kolikoly hanameloka ny tsy manan-tsiny. Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Fiadanana no ho vokatry ny fahamarinana, filaminana sy fandriampahalemana mandrakizay no asan’ny fahamarinana.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.
Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,
Ankehitriny kosa, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’Andriamanitra ka manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ny harenan’ny tenany? Iza no mamboly voaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’osy ka tsy mivelona amin’ny rononony?
Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany, mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba handefa mpiasa hanangona ny vokatra.
Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Matoky ny famindrampon’Andriamanitra mandrakizay doria aho.
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany.
Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.
Ary izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahamaro ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,dia hanankarena amin’ny zavatra rehetra ianareo noho ny fahalalahan-tanana samihafa asehonareo, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra.
Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena;
Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra,
Ny marina dia hitrebona amin’ny androny ary ho be ny fiadanana mandra-paha tsy hisy volana intsony.
Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ny olona nambolena azy dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra;fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Sambatra ny mahitsy lalana, dia izay mandeha araka ny lalànan’NY TOMPO.Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo manontolo;
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny fahamarinana sy izay tsy tia ny rahalahiny.
fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy;Izy no irindran’ny tena manontolo sy iraisany tsara, noho ny fifanohanan’ny isan-tonony, araka ny asan’izay rehetra momba azy amin’izay anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
Izaho no namboly, i Apolosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo.Koa tsinontsinona izay mamboly, na izay manondraka, fa Andriamanitra, izay mampitombo, no tena izy.
noho ny fanantenana izay tahirizina any an-danitra ho anareo, fanantenana efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinana dia ny Filazantsara.Io Filazantsara io dia efa tonga eo aminareo ka mamokatra sy mitombo tahaka ny eo amin’izao tontolo izao; toy izany koa ny eo aminareo, hatramin’ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahamarinan’ny fahasoavan’Andriamanitra,
Nilaza ity fanoharana ity koa Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo amin’ny tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy fa tsy nahita.Dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny tanim-boaloboka: Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?Fa namaly ny mpikarakara hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy ka hasiako zezika;mety mbola hamoa izy; fa raha tsy izany dia hokapainao ihany.
Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? Fa fahafatesana no fiafaran’izany zavatra izany.Ankehitriny kosa, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’Andriamanitra ka manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza, hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany, ary hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ny tany ny ao an-tanàna.
Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.
noho ny fiombonanareo amin’ny Filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.
Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely dia kely no hojinjainy; fa izay mamafy be dia be kosa no hojinjainy.Aoka ny olona rehetra samy hanome araka izay noheveriny tao am-pony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; satria «ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra» (Oha 22.8).Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;
omeo dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho eo ampofoanareo. Fa izay fatra amaranareo no hamarana ho anareo kosa.
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny olona iray izay handeha ho any an-tany lavitra ka niantso ny mpanompony dia nanolotra azy ireo ny fananany:Koa ny iray dia nomeny talenta dimy, ny iray dia talenta roa ary ny iray dia talenta iray, samy araka izay fahaiza-manaony avy; dia lasa nandeha izy.Avy hatrany dia lasa ilay nandray ny talenta dimy ka nampiasa izany; ary nahazo tombony talenta dimy hafa izy.Toy izany koa, ilay nandray ny talenta roa dia nahazo tombony roa.Fa ilay nandray ny talenta iray kosa dia lasa nihady tany ka nanafina ny volan’ny tompony tao.Nony ela dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ary nampamoaka azy ireo ny amin’ny volany.Nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy dia nitondra talenta dimy hafa koa ka niteny hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy hafa aho.Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.Nanatona koa ilay nandray ny talenta roa dia niteny hoe: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa hafa aho.Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voa tsy ary ianao ka mijinja eny amin’izay tsy namafazanao sady manangona eny amin’izay tsy nanelezanao;dia natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany; indro, lasanao ny anao.Ary ny tompony dia namaly azy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho ary manangona eny amin’izay tsy nanelezako;koa tokony ho nametraka ny volako tany amin’ny mpampisambo-bola ianao, koa rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy miaraka amin’ny zana-bola.Koa alao eny aminy ny talenta dia omeo ilay manana ny talenta folo.Fa izay rehetra manana dia homena ka hanam-be; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Tsy maintsy tsara laza amin’ny asa tsara izy: Raha namelon-jaza, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny azom-pahoriana, raha nazoto nanatanteraka ny asa tsara rehetra.
Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka.
Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.
Tomoera ao Amiko ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy mitoetra amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao Amiko.
Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro.
Raha mbola maharitra koa ny tany dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina ary ny andro sy ny alina.
Ary izay sisa ho tavela amin’ny taranak’i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
Indro, lova avy amin’NY TOMPO ny zanaka maro, valisoa ny ateraky ny kibo.Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny. Tsy ho menatra ireny raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: «Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!» (Isa 52.7).
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Fa na dia olona afaka eo anatrehan’ny olona rehetra aza aho dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako ny maro araka izay azo atao.Teo amin’ny Jiosy dia tonga toy ny Jiosy aho mba hahazoako ny Jiosy; teo amin’izay ambanin’ny lalàna dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna;teo amin’izay tsy manana lalàna dia toy izay tsy manana lalàna aho mba hahazoako izay tsy manana lalàna, kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho fa ambanin’ny lalànan’i Kristy;teo amin’ny malemy finoana dia tonga malemy finoana aho, mba hahazoako ny malemy finoana; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany amin’ny fomba rehetra.Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny Filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.