Misàka manjaka ao am-poko izao fa misy iraka lehibe ho antsika mino, dia ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny olona rehetra, manerana izao tontolo izao. Araka ny voasoratra hoe: “Ary hoy izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka torio ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.” (Marka 16:15).
Koa miomàna tsara àry ianao hanatanteraka ity iraka soa nomen’Andriamanitra antsika ity. Resaho amin’izay mbola tsy mahalala Azy ny momba an’Andriamanitra. Tiavo ny mamaky ny Teniny, dia ho fantatrao ny fomba hiresahana amin’ireo olona apetrany eo amin’ny lalanao.
Sahia, ary aza misalasala mitondra ity hafatra mahafinaritra momba ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay izay efa nomen’Andriamanitra anao ity. Matokia fa Izy no hampiofana sy hanome hery anao isan’andro amin’ny alalan’ny Teniny. “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8)
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao. Aoka ny foko manontolo hatahotra ny anaranao.
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.
Fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny avy amin’ny fahefan’ny tenany Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy;
Tsy misy tsiny ny lalànan’NY TOMPO, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’NY TOMPO, mahahendry ny tso-po. Mahitsy ny fitsipiky NY TOMPO, mahafaly ny fo; madio ny didin’NY TOMPO, mampahazava ny maso.
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny molotra mandainga, fa izay manao ny marina no ankasitrahany.
Ary hoy i Pilato taminy: Mpanjaka ary va Ianao? Dia namaly Jesosy hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho dia ny andrenesako fa mandeha amin’ny marina ny zanako.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
satria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy sady misaintsaina ny marina ao am-pony.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
Koa satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy mihatsaravelatsihy dia mifankatiava fatratra amin’ny fo madio.
Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra izay mizara tsara ny tenin’ny fahamarinana.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
Iraho ny fahazavanao sy ny fahamarinanao! Aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina, any amin’ny tabernakelinao!
Raha hoy isika: Manana fiombonana Aminy isika kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
Fa ny marina ihany no holazain’ny vavako, ary amin’ny molotro dia fahavetavetana ny ratsy;
Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra ka tsy mandeha amin’ny hafetsena ratsy, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.
Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina teto amintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
Fa lazaiko fa tonga mpanompon’ny voafora Kristy noho ny fahamarinan’Andriamanitra, hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana
koa aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira tranainy, na amin’ny masirasiran’ny lolompo sy ny haratsiam-panahy, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
Ny fahitsian’ny mahitsy no mitari-dalana azy, fa ny faharatsian’ny mpivadika no mahatonga faharinganana amin’ny tenany.
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena!
Fa tsy mahefa na inona na inona hanoherana ny marina izahay fa hampandroso ny marina kosa.
Avy amin’Andriamanitra izahay; izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay; izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny fiviliana.
Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, satria atao ao amin’Andriamanitra izany.
raha Izy tokoa no renareo ka tao Aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy,
Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao ary fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy!
Ny volon’elany no hanaronany anao ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
Tsy tao amin’ny mangingina no nitenenako, na tao amin’ny toerana maizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: Tadiavo any amin’izay tsy misy endrika Aho! Izaho TOMPO no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany ho madio? Ny fitandremana araka ny teninao.
Mikatsaha fahendrena, mikatsaha fahiratan-tsaina; aza hadinoina na ialana ny teny efa nataoko. Aza mahafoy azy fa hiaro anao izy; tiavo izy dia hitandrina anao. Ny fiandohan’ny fahendrena dia izao: Mikatsaha fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hividianana fahalalana tsara.
Izay miteny amin’ny fahefan’ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ny tany Akaia.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fankatoavanareo. Ary faly aho noho ny aminareo satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo ary tsy hiharo amin’izay ratsy.
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy, fa izay mandia lalana roa miolikolika dia hianjera ao amin’ny iray.
Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany; na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy.
fa raha tratra ela aho dia fantaro izay fitondrantena mety hatao ao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona izay andry sy fiorenan’ny fahamarinana.
dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy hain’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy ary ho ao anatinareo.
Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany.
Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony.
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsy fisian’ny lainga avy amin’ny marina.
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena isika, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,
Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika, ary hiambina anao ny fahalalana ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy sy amin’ny lehilahy miteny fitaka, amin’izay mahafoy ny lalana mahitsy ka mizotra ho amin’ny lalan’ny fahamaizinana, dia izay faly hanao ratsy sady mibitaka amin’ny fanaovam-pitaka, dia izay miolikolika lalana sy maniasia amin’ny alehany; hanafaka anao amin’ny vehivavy jejo koa izany, dia amin’ny vehivavy janga izay mandokadoka amin’ny teniny, izay mahafoy ny sakaizan’ny fahatanorany sy manadino ny fanekena nataony tamin’Andriamaniny; fa mirona ho amin’ny fahafatesana ny tranony, ary mankany amin’ny maty ny lalany. Tsy misy tafaverina izay mankany aminy sady tsy afaka mihazo ny lalan’ny fahavelomana. ka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao, ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao; Izany no handehananao amin’ny lalan’ny tsara fanahy sy hitandremanao ny alehan’ny marina. Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao. Fa hofongorana amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy, ary ny mpivadika dia hongotana. eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna mba hahalalanareo Azy tsara. Dia mba hampahiratina ny mason’ny sainareo ka ho fantatrareo ny fanantenana izay miaraka amin’ny fiantsoany sy ny harena feno voninahitra ao amin’ny lova omeny anareo miaraka amin’ny olona masina,
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro.
Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô; tariho amin’ny lalana tokony halehako aho noho ny fahavaloko.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na amin’ny fitondrantena tsy mendrika, tsy amin’ny fifandirana na amin’ny fialonana.
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany.
Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
Koa tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Fa NY TOMPO no manome fahendrena; avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina. Mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy fo Izy, ary ampinga ho an’izay mandeha tsy misy tsiny; mitandrina ny lalan’ny fahamarinana Izy, ary miaro ny lalan’ny olony masina.
Nefa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia, voalohany indrindra, madio, manaraka izany, tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy asa soa, tsy miangatra na mihatsaravelatsihy.
Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny fisainan’ny ratsy fanahy sady tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira, fa ny lalànan’NY TOMPO no sitrany; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina.
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
mba hanazava izay mipetraka ao amin’ny maizina sy ao amin’ny aloky ny fahafatesana sady hanitsy ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.
Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy dia henjehina.
ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny
Fa fantatry NY TOMPO ny lalan’ny marina; mankany amin’ny fahaverezana kosa ny lalan’ny ratsy fanahy.
Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Kanefa tsy mihambo hanana fahafahana avy aminay izahay hihevitra na inona na inona avy amin’ny tenanay; fa ny fahafahanay dia avy amin’Andriamanitra
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.
Fa tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana.
Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny fampianarana, ary lalan’ny fiainana ny anatra ataon’ny fitaizana,
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra mba hamenoany ny zavatra rehetra. Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba ho fanomanana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra ka ho lehilahy lehibe, araka ny refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy; mba tsy ho zaza intsony isika ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fitaka itondrany ho amin’ny fahadisoana; fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy; Izy no irindran’ny tena manontolo sy iraisany tsara, noho ny fifanohanan’ny isan-tonony, araka ny asan’izay rehetra momba azy amin’izay anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana. Koa izao no lazaiko sady ambarako marina ao amin’ny Tompo: Ny mba tsy handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny Jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsy fahalalana izay ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijangajangana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fitiavam-bola. amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Ny fahamarinan’ny teny vavolombelonao dia mandrakizay; omeo fahiratan-tsaina aho mba ho velona.
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
Koa amin’izany, na zovy na zovy no mandre ny teniko teo ka mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.
Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
Mifalia amin’NY TOMPO ary miravoravoa ianareo olona marina! Mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Israely: Izaho, TOMPO Andriamanitrao, no nampianatra anao mba hahitanao soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no itoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ny mahira-tsaina, fa fitaka ny hadalan’ny adala.
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?
Izay mikatsaka ny fahamarinana sy ny famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.