Marina vola azo vidiana sakafo sy fitafiana, ary andoavam-bola hofan-trano na hividianana trano mihitsy aza. “Tena zava-dehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny vola, raha toa ka tsy misy intsony izy dia ho raikitra ny korontana sy ady eran-tany ao anatin’ny andro vitsy.” Kanefa, misy fetrany ihany ny vola.
Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ahitantsika ity andininy ity: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay nitsiriritra izany dia efa nivily làlana niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:10). Nandritra ny androm-piainantsika, na lava na fohy, dia efa nahita lehilahy sy vehivavy niezaka mafy nanangona vola isika, ary araka ny voalaza teo, dia tsy nitondra na inona na inona tamin’izy ireo izany rehefa tonga ny farany. Inona tokoa moa no atao hoe fitiavam-bola? Izany dia fifehezan’ny faniriana izay mahatonga antsika hieritreritra sy hanao zavatra mifantoka amin’ny harena sy ny zavatra ara-nofo fotsiny.
Tiako hohazavaina tsara fa tsy ratsy ny manam-bola. Ny tian’i Paoly hambara amintsika dia ny hoe ny fitiavam-bola no ratsy. Milaza amintsika ny Baiboly fa tsy afaka manompo an’Andriamanitra sy ny vola isika. “Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo.” (Matio 6:24). Tsy misy olona manompo an’Andriamanitra afaka manompo ny vola koa. Ary ny mifanohitra amin’izany, izay manompo ny vola, izay manaiky ho resin’ny heriny, dia tsy afaka manompo an’Andriamanitra.
Aoka àry Andriamanitra no ho loha laharana amin’ny zavatra rehetra, ary Izy irery ihany no hitondra ny fiainantsika.
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Koa aza manahy ianareo ka miteny hoe: Inona no hohaninay? Na: Inona no hosotroinay? Na: Inona no hotafinay?Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny Jentilisa fatratra; fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra ary hotahina ny taranany.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Fa Andriamanitra mahay mampitombo ho anareo ny fahasoavana rehetra mba hanananareo ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, sady hitomboanareo amin’ny asa tsara rehetra;
Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana; fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaniny
Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.Aoka NY TOMPO no iravoravoanao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra NY TOMPO sady mankasitraka ny didiny indrindra.Hahery ambonin’ny tany ny zanany; hotahina ny taranaky ny marina.Fananana sy harena no ao an-tranony; haharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ny tranon’ny hendry, fa ny adala mandany ny azy.
Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.Fa ny aina dia mihoatra noho ny hanina ary ny tena noho ny fitafiana.Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitahirizana, nefa Andriamanitra no mamelona azy ireny; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia hakiho iray aza?Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa?
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena?Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?Ary iza eo aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia hakiho iray akory aza?
fa tsarovy NY TOMPO Andriamanitrao, satria Izy no manome anao hery hahavory harena mba haoriny ny fanekeny izay nianianany tamin’ny razanao, tahaka izao anio izao.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Tsara lavitra ny kely ananan’ny olona marina iray noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro;ho tapatapaka ny sandrin’ny ratsy fanahy, fa NY TOMPO manohana ny marina.
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; aza manome ahy fahantrana na harena; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy,fandrao raha voky aho dia handa ka hiteny hoe: Iza moa NY TOMPO? Ary andrao raha tonga mahantra aho dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova fa hatoky an’Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.
Sambatra izay rehetra matahotra NY TOMPO, dia izay mandeha amin’ny lalany.Fa hohaninao tokoa ny vokatry ny asan’ny tananao; sambatra sady ambinina ianao.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana.
Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy?Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Ny mpanankarena dia mifehy ny mahantra ary izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.
Fantatry NY TOMPO ny andron’ny olo-mahitsy ary ho mandrakizay ny lovany.Tsy mba hitsanga-menatra ireny amin’ny andro fahoriana ary amin’ny taona misy mosary dia ho voky izy.
Akory re ny haben’ny hatsaranao izay voarakitrao ho an’ny matahotra Anao, dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona, no ho an’izay mialoka Aminao!
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, tsy misaina afa-tsy ny zavatry ny tany izy.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô!
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana,fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Mahatoky Andriamanitra izay nahatonga anareo ho voaantso, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy.Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra dia ao Aminy ny eny ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay.
Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao.Manokatra ny tananao Ianao ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.Fa izay itoeran’ny harenanao dia ho any koa ny fonao.
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy dia hihaino Aho.
Mankalazà NY TOMPO amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra,dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Ny tananao no nanao ahy sy nanamboatra ahy; omeo saina mahiratra aho mba hianarako ny didinao.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
Ary nifoha vao maraina izy ireo dia niainga nankany an-tany efitr’i Tekoa; teo am-piaingàna dia nitsangana i Josafata ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny dia hambinina ianareo.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra,izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao,izay mamoky zava-tsoa anao; mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Fa tsy misy hafa na Jiosy na Jentilisa, fa iray ihany ny Tompon’izy rehetra, sady manankarena homena izay rehetra miantso Azy Izy.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fizahan-toetra maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,mba ho antom-piderana sy voninahitra ary fankalazana amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy ny finoanareo voazaha toetra, izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza.
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Ianao; manosotra diloilo ny lohako Ianao; ny kapoakako dia feno dia feno.
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.
Izay manisy soa olona dia ho feno fanambinana ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ratsy fanahy intsony! Handinika ny fonenany ianao fa tsy ho ao intsony izy!Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amim-pifaliana.Mandeha mitomany mitondra ny voa hafafiny izy fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Mamela lova soa ho an’ny zafiny ny tsara fanahy, fa ny harenan’ny mpanota kosa dia voatahiry ho an’ny marina.
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe NY TOMPO no hahita; izany no ilazana mandraka ankehitriny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’NY TOMPO.
Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika avy Aminy satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Misy harena be ao an-tranon’ny marina, fa ny fitomboan’ny harenan’ny ratsy fanahy dia misy loza.
Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.
Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaninyizay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny; izay mitandrina fahamarinana mandrakizay;izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Fantatro mantsy fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanampian’ny Fanahin’i Jesosy Kristy.
Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana;ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana.
Sambatra ny olona izay manana NY TOMPO ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpiampanga lainga!
Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho amin’ny androko rehetra.
Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako.Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
Aoka hanao soa izy ireo mba hanankarena amin’ny asa tsara, ary hazoto manome sy miantra,
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena?Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.
Sambatra ny olona izay manana ny heriny ao Aminao; ao am-pony ny lalana voavoatra tsara.Raha mandeha mamakivaky ny lohasaha Baka izy dia ataony misy loharano izany ary ny lohaorana no manarom-pitahiana azy.Mitombo hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.
Fony NY TOMPO nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany dia tahaka izay nanonofy isika.Fahiny dia feno hehy ny vavantsika ary feno fihobiana ny lelantsika; tamin’izay dia izao no notenenin’ny Jentilisa: Zava-dehibe no nataon’NY TOMPO ho an’ireny.Eny, zava-dehibe no nataon’NY TOMPO ho antsika ka faly isika.
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Hanome anao araka izay irin’ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fikasanao rehetra.Hihoby noho ny famonjena azonao izahay ary amin’ny anaran’Andriamanitray no hanangananay faneva; hotanterahin’NY TOMPO anie ny angatahinao rehetra.
Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Ianao no andrandrain’ny masonay.
na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko.Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,
Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena!Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.