Andriamanitra dia mitoetra eo afovoan'ny fiderana ataon'ny olony, ka isan'andro dia manana antony isika hidera sy hanome voninahitra Azy. Faly Andriamanitra amin'ny fiderana avy amin'ny fonao, fiderana marina sy feno fankasitrahana Azy.
Rehefa midera isika dia misy fahagagana mitranga eo amin'ny fiainantsika, ao amin'ny fiderana misy fahasitranana, misy fahafahana. Efa nanao zava-mahagaga teo amin'ny fiainanao Andriamanitsika Ray any an-danitra hatramin'ny namoronany anao, efa tsy nivadika Izy ary efa niaro anao, koa derao Andriamanitra fa tsara Izy ary ny famindram-pony dia vaovao isa-maraina.
“Aoka ho feno ny vavako fiderana Anao sy ny voninahitrao mandritra ny andro.” (Salamo 71:8). Hofenoin'Andriamanitra fiderana ny vavanao, hoy ny teniny, atombohy fotsiny amin'ny fisaorana noho ny hatsarany dia Izy no hametraka ao aminao izany fiderana avy amin'ny fonao izany.
“Koa dia hihira ho Anao aho, ry voninahitro, ary tsy hangina; Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.” (Salamo 30:12).
Fa izaho kosa dia hihira ny herinao ary hihoby ny famindramponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Ianao ary fandosirako amin’ny andro fahoriana.
Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro dia hidera Anao. Izany no hisaorako Anao raha mbola velona koa aho; amin’ny anaranao no hanandratako ny tanako.
Avia, aoka isika hihoby ho an’NY TOMPO! Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika! Efapolo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’izany taranaka izany ka hoy Aho: Olona maniasia amin’ny fony izy ka tsy mahalala ny lalako. Koa nianiana tamin’ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy! Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika, aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny salamo isika.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Manompoa NY TOMPO amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana!
Nony nisasaka ny alina dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy ka nihaino azy ny mpifatotra.
Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany! Manamboara lalana ho an’Izay mitaingina ny kalesiny mamakivaky ny tany efitra! NY TOMPO no anarany. Miravoravoa eo anatrehany! Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina.
Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; fa nanao fahagagana Izy; ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena. NY TOMPO nampahafantatra ny famonjeny; teo imason’ny Jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
Fa raha izaho kosa dia ny famindramponao no itokiako; hiravoravo amin’ny famonjenao ny foko. Hihira ho an’NY TOMPO aho satria nanisy soa ahy Izy.
mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo.
Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, TOMPO ô, ary hankalaza Anao eny amin’ny Jentilisa.
Haleloia, fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika; eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
Hihira ho an’NY TOMPO aho raha mbola velona koa; hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola miaina.
Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; manaova hira fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.
Mankalazà NY TOMPO, fa asa lehibe no nataony. Aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky NY TOMPO.
Mihobia ho an’NY TOMPO ianareo, ry olona marina! Fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana. Mahafoana ny fikasan’ny firenen-tsamihafa NY TOMPO; mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. Maharitra mandrakizay ny fikasan’NY TOMPO ary mahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny hevitry ny fony. Sambatra ny firenena izay manana NY TOMPO ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany! Avy eny an-danitra no itsinjovan’NY TOMPO; mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy; avy eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany, dia Izy izay namolavola ny fon’izy rehetra sy mamantatra ny asany rehetra. Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny hamaroan’ny miaramilany; ny olo-mahery dia tsy voavonjin’ny haben’ny heriny. Ny soavaly dia tsy azo itokiana ho famonjena ary tsy mahavonjy ny haben’ny tanjany. Indro, mitsinjo izay matahotra Azy ny mason’NY TOMPO, dia izay manantena ny famindrampony, mba hanafaka azy amin’ny fahafatesana sy hamelona azy raha misy mosary. Miderà NY TOMPO amin’ny lokanga; mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo. Miandry NY TOMPO ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ifalian’ny fontsika satria ny anarany masina no itokiantsika. TOMPO ô, aoka ny famindramponao hitoetra aminay araka ny iandrasanay Anao! Mihirà hira vaovao ho Azy! Mitendre tsara amin’ny feo mihoby.
Samia mihira fihiram-baovao ho an’NY TOMPO, dia ny fiderana Azy avy any amin’ny faran’ny tany, ianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy!
TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao. Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo, ny fitsaranao dia toy ny lalina lehibe. Ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, TOMPO ô!
Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO! Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Lazao any amin’ny Jentilisa fa NY TOMPO no Mpanjaka ary izao rehetra izao dia mitoetra tsara ka tsy hihetsika. Hitsara ny firenena amin’ny fahamarinana Izy. Aoka hifaly ny lanitra ary hiravoravo ny tany! Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy! Aoka hiravoravo ny saha sy izay rehetra eo aminy; dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala eo anatrehan’NY TOMPO fa avy Izy; eny, avy hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany. Mihirà ho an’NY TOMPO, misaora ny anarany, ambarao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny!
Lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra; tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe. Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
Dia hifaly izay rehetra mialoka Aminao; hihoby mandrakariva izy. Hiaro azy Ianao dia ho ravoravo Aminao ireo izay tia ny anaranao.
Mankalazà NY TOMPO, ry olony masina, miderà Azy ka ankalazao ny fahatsiarovana ny fahamasinany.
Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Lazao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny! Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony! Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.
Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny anarany! Manamboara lalana ho an’Izay mitaingina ny kalesiny mamakivaky ny tany efitra! NY TOMPO no anarany. Miravoravoa eo anatrehany!
Mihobia ho an’Andriamanitra herintsika! Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba! Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta; atanatanao ny vavanao dia hofenoiko. Nefa tsy nihaino ny feoko ny oloko ary tsy nankatò Ahy ny Israely ka navelako hanaraka ny ditran’ny fony izy, handehanany manaraka ny fisainan’ny tenany. Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko ka handeha amin’ny lalako ny Israely! Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny! Izay mankahala NY TOMPO dia hikoy Aminy, fa haharitra mandrakizay ny andron’ny oloko. Hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako anao. Asandrato ny hira ka velezo ny ampongatapaka ary tendreo ny lokanga tsara faneno mbamin’ny valiha.
Avia, aoka isika hihoby ho an’NY TOMPO! Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; fa nanao fahagagana Izy; ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
Mankalazà NY TOMPO, fa asa lehibe no nataony. Aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany! Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona! Fa lehibe eo afovoanao ny Iray Masin’ny Israely!
Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra! Fa efa nizaha toetra anay Ianao, Andriamanitra ô, efa nanadio anay Ianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Nampiditra anay tao amin’ny fandrika harato Ianao, nanisy enta-mavesatra teo an-damosinay Ianao, nampandeha olona hanitsaka ny lohanay Ianao, nandeha namakivaky ny afo sy ny rano izahay, nefa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao. Hiditra ao amin’ny tranonao mitondra fanatitra dorana manontolo aho, hefaiko Aminao ny voadiko izay notononin’ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Hatolotro ho fanatitra dorana manontolo ho Anao ny matavy mbamin’ny setroky ny ondrilahy. Hanatitra omby sy osilahy aho. Fiatoana. Avia, mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa hotantaraiko izay nataony tamiko. Izy no nantsoin’ny vavako ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ny lelako. Raha toa ka nankasitraka ota tao am-poko aho dia tsy mba ho nihaino ny Tompo; kanefa nihaino tokoa Andriamanitra nanongilan-tsofina tamin’ny feon’ny vavaka nataoko Izy. Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy!
Velomy ny hobinareo rehetra, ry toerana rava any Jerosalema! Fa NY TOMPO efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’i Jerosalema.
Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany; ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’Israely ka nilazany hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho anjara lovanareo voazara tsara. Mbola olom-bitsy izy ireo tamin’izany; eny, vitsy sady vahiny tao; nifindrafindra firenena izy ireo ary nifindrafindra fanjakana tany amin’ny firenen-kafa. Tsy nisy navelany hampahory azy anefa, fa nananatra mpanjaka noho ny amin’ireo Izy hoe: Aza mikasika ireo Voahosotro ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko. Dia niantso ny mosary ho amin’ny tany Izy; nofoanany avokoa ny hanina rehetra izay tohan’aina; naniraka lehilahy iray hialoha azy Izy, dia i Josefa izay namidy ho andevo. Nampijalina tamin’ny fatorana ny tongony; nogadraina vy izy, mandra-pahatongan’ny fotoana nahatanterahan’ny teniny; nizaha toetra azy ny tenin’NY TOMPO. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Ary koa: «Miderà NY TOMPO, ry Jentilisa rehetra ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra!» (Sal 117.1)
Hidera NY TOMPO araka ny fahamarinany aho ary hankalaza ny anaran’NY TOMPO Avo Indrindra.
Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, ka hanome voninahitra ny anaranao.
Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho; hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.
Mifohaza, ry voninahitro! Mifohaza, ry valiha sy lokanga! Hampifoha ny maraina aho. Hidera Anao eny amin’ny firenena aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ny fokom-pirenena aho.
Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamihafa, TOMPO ô, ary hankalazako ny anaranao.
Fa izaho kosa dia hihira ny herinao ary hihoby ny famindramponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Ianao ary fandosirako amin’ny andro fahoriana. Ry Heriko ô, Ianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra izay mamindra fo amiko.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
NY TOMPO no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko ka ny hirako no hiderako Azy.
Tsara ny midera NY TOMPO sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, Fa ny tandroko kosa dia asandratrao ho tahaka ny an’ny ombimanga; mihosotra diloilo vaovao aho. Faly ny masoko mahita ny amin’ny fahavaloko ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ny ratsy fanahy izay mitsangana hamely ahy. Ny marina dia hamololona tahaka ny palma, hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy. Nambolena tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika; mbola manorobona ihany izy na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy mba hanambara fa mahitsy NY TOMPO, Vatolampiko izay tsy misy tsiny. ary hanambara ny famindramponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina,
Avia, aoka isika hiondrika sy hiankohoka, aoka isika handohalika eo anatrehan’NY TOMPO, Mpanao antsika;
mba hankalazan’ny Jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra hoe: «Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentilisa sy hihirako ny anaranao» (Sal 18.49).
Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.
Midera Anao amin’ny foko manontolo aho; eo anatrehan’ireo andriamanitra no ankalazako Anao amin’ny hira. Miankohoka manandrify ny tempolinao masina aho ka midera ny anaranao noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao; fa efa nomenao voninahitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ny anaranao sy ny teninao.
Aoka hidera ny anarany amin’ny dihy izy ary hankalaza Azy amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga.
Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy sady tsy manisy ratsy ny sakaizany no tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.
TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra ary misaotra Anao ny olonao masina. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao mba hampahafantarana ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.
Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’NY TOMPO ny fanahiko; mihoby an’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko.
Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany!
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra, na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Fiatoana
Mankalazà NY TOMPO, ry Jerosalema ô! Miderà an’Andriamanitrao, ry Ziona ô. Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy sady mitahy ny zanakao eo ampofoanao.
Ny taranak’i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo lehiben’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona. Izao no isan’ny mpanao raharaha araka ny fanompoany avy:
Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony. Nanodidina ahy ny firenena rehetra, fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy; nanodidina ahy ireny; eny, nitangorona tamiko; ny anaran’NY TOMPO anefa no nandringanako azy. Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; voavono tahaka ny afon-tsilo izy; fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy. Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao nefa NY TOMPO no namonjy ahy. NY TOMPO no heriko ary Izy no deraiko, fa Izy no famonjena ahy. Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia misandratra; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery. Tsy ho faty aho fa ho velona ka hitory ny asan’NY TOMPO. Nofaizin’NY TOMPO mafy aho nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana. Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho; hiditra eo aho ka hidera NY TOMPO. Aoka ny Israely hilaza hoe: Mandrakizay ny famindrampony.
Makà lokanga ka miveziveze manerana ny tanàna ianao, ry Ikala janga hadino! Mitendre tsara ka mahereza mihira mba hahatsiarovana anao!
TOMPO ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany fa handre ny tenin’ny vavanao izy.
Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao. Hankalaza ny teninao ny lelako, fa marina ny didinao rehetra.
Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ny fanahiko ary amin’ny molotra ravoravo no hideran’ny vavako Anao.
Asianao fifaliana ato am-poko, mihoatra noho ny tamin’ny taona nahabetsahan’ny variny sy ny ranom-boalobony izany.
dia tsy mba hafenintsika amin’ny zanany, fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana NY TOMPO sy ny heriny ary ny fahagagana nataony.
Ho Anao ny fahanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary Aminao no anefana ny voady.
Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; noho ny fahalehibiazan’NY TOMPO dia hiantso mafy eny amin’ny ranomasina izy ireo!
Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, ary hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
Ny fiderana NY TOMPO no hotenenin’ny vavako; ary aoka hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria ny nofo rehetra.
Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany.
raha hoy Izy hoe: «Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao» (Sal 22.22).
Haleloia. Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny.
Ny tany rehetra dia hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. Fiatoana.
Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Velomy ny hoby ka mihirà! Mankalazà NY TOMPO amin’ny lokanga, dia amin’ny lokanga sy ny feon-kira, amin’ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara ka mihobia eo anatrehan’NY TOMPO Mpanjaka.
Hihoby noho ny famonjena azonao izahay ary amin’ny anaran’Andriamanitray no hanangananay faneva; hotanterahin’NY TOMPO anie ny angatahinao rehetra.
mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho. TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho.
Avoahy hiala amin’ny tranomaizina ny fanahiko mba hiderako ny anaranao; hanodidina ahy ny marina satria manisy soa ahy Ianao.
Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny fisainan’ny ratsy fanahy sady tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira, fa ny lalànan’NY TOMPO no sitrany; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina.
Ho velona indray ny olonao izay efa maty! Hitsangana ny fatin’ny oloko! Koa mifohaza sy mihobia ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka! Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty.
RY TOMPO Andriamanitray ô, endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Nataonao eny amin’ny lanitra ny famirapiratan’ny voninahitrao.
Dia nifoha tahaka ny olona avy natory ny Tompo, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ny divay.
Ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fankalazana ny andro firavoravoana; ny hafalian’ny fonao dia ho tahaka ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny Vatolampin’ny Israely.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.