Andriamanitra no namorona ny zavaboahary rehetra. Azy ny tany, ny lanitra, izao tontolo izao sy izay rehetra ao aminy. Izy no nanorina azy. Eksodosy 20:11 milaza fa nahary ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary izay rehetra ao aminy Andriamanitra tao anatin'ny enina andro, ary nitsahatra tamin'ny andro fahafito; koa izany no nitahian'ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy. Tena lavorary ny zava-drehetra nohariny ka mendrika hoderaina Izy noho ny fahagagana rehetra nataony.
Matahora an'Andriamanitra ary omeo voninahitra Izy, fa efa antomotra ny andro fitsaràny. Mankalazà Azy, Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy ny loharano. Aoka isika rehetra hanome voninahitra an'Andriamanitra. Rehefa mankafy ny hakanton'ny zavaboahary ianao, na ny torapasika, ny hazo, ny tendrombohitra, tsarovy fa nataon'ny Mpamorona anao ho tsara tarehy sy lavorary izany. Koa aza mitsahatra manome voninahitra Azy.
Ny marina dia mitsimbina ny ain’ny bibiny, fa fahasiahana kosa no famindrampon’ny ratsy fanahy.
Ary Andriamanitra niteny hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy ireo hanapaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, amin’ny voromanidina sy ny biby fiompy, amin’ny tany rehetra ary amin’ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.
Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.
Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Raha hitanao lavo voatsindrin’ny entana ny borikin’izay mankahala anao dia aza malaina hamonjy azy fa ampionao izy hamaha izany.
Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo, ny fitsaranao dia toy ny lalina lehibe. Ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, TOMPO ô!
Fa Sabatan’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
Hiara-komana ny amboadia sy ny zanak’ondry, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona, ary ny menarana dia vovoka no ho fihinany; tsy handratra na hanimba manerana ny tendrombohitro masina izy, hoy NY TOMPO.
Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony ka mba hendre. Tsy manana komandy, na mpanara-maso, na mpanapaka izy, nefa mamory ny haniny amin’ny fahavaratra, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.
Tsy asariona roa va no vidin’ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.
Amin’izany andro izany Aho, hoy NY TOMPO, dia hantsoinao hoe Vadiko, fa tsy hantsoinao intsony hoe Baalako.
Koa moa va Aho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe, izay misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ny efa foy na mbola atodiny, ary ny reniny dia manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny miaraka amin’ny zanany. Tsy maintsy alefanao ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
Henemana no hanaovanao ny raharahanao, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianao mba hialan’ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ny zanaky ny mpanompovavinao sy ny vahiny aina.
Ary NY TOMPO Andriamanitra naka an-dRalehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy.
Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy.
ary ho an’ny biby fiompinao sy ny bibidia izay eo amin’ny taninao; izay vokatra rehetra eo no ho sakafo.
Iza moa no manome hanina ny goaika raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
ny bibidia sy ny biby fiompy rehetra, ny biby mandady na mikisaka ary ny voromanidina,
fa amin’ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izany mba hisy hohanin’ny mahantra ao amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo kosa dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanim-boalobokao sy amin’ny tanin’olivanao.
Aza mihinana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanao ireny mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Fa Ahy ny biby rehetra any an’ala sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra; fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra ary Ahy avokoa ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
Nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy, nataonao eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra, dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra ary ny bibidia koa, ny voromanidina sy ny hazandrano any an-dranomasina izay mandeha amin’ny lalan-dranomasina.
Fa ny ombivavy na ny ondrivavy na ny osivavy dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
Ary nilaza tamin’ireo Izy hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy avy hatrany na dia amin’ny andro Sabata aza?
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia sy ny amboadia ary ny aotirisy, satria manisy rano any an-tany efitra sy ony any amin’ny tany ngazana Aho mba hampisotroina ny oloko, dia ilay voafidiko.
Dia nanatona izy ka nofeheziny ny feriny sady nasiany diloilo sy divay; dia napetrany teo ambonin’ny borikiny izy ka noentiny ho any amin’ny tranom-bahiny dia nokarakarainy.
Fa voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy hoe: «Aza manakombona ny vavan’ny omby manosihosy vary» (Deo 25.4). Ny omby va no ahian’Andriamanitra?
Tsy ny fanatitrao no ananarako anao ary eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra dorana manontolo natolotrao. Tsy haka vantotra ombilahy ao amin’ny tranonao Aho na osilahy ao amin’ny valanao.
Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo.
hanao ny lavany any ny bibilava ka hanatody sy hikotrika ary hifana ao amin’ny alokalony; any koa no hiangonan’ny papango, samy eo amin’ny namany avy.
Ary hoy Izy taminy: Iza aminareo moa, raha manana ondry iray ka latsaka any an-kady amin’ny Sabata, no tsy handray sy hampiakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany dia mety ny manao soa amin’ny Sabata.
Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ny osidia any amin’ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ny dieravavy?
Izy no manaron-drahona ny lanitra, Izy no manamboatra ranonorana ho amin’ny tany, Izy no mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
Hiara-komana ny ombivavy sy ny bera, hiara-mandry ny zanany, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona.
Raha misy olona manokatra lavaka, na raha misy olona mihady lavaka ka tsy rakofany ka misy omby na boriky latsaka dia hanonitra vola ho an’ny tompon’ilay omby ny tompon’ilay lavaka; ary ho azy ilay biby maty.
Eny amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy ary eny amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no ho tany hiandrasana azy; any no handriany amin’ny tany tsara ary eny amin’ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely.
Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao.
Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny biby rehetra sy ny voromanidina rehetra. Dia noentiny tany amin-dRalehilahy ireny mba hahitany izay anarana hiantsoany azy avy; koa izay rehetra niantsoan-dRalehilahy ny zavamananaina rehetra dia izany no anarany.
Raha mba noana Aho dia tsy hilaza aminao fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
Sokafy ny vavanao hisolo ny moana mba hahazoan’izay rehetra resin’ny adim-piainana ny rariny.
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitahirizana, nefa Andriamanitra no mamelona azy ireny; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.
Dia hariako any an-tany efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ny Neilinao. Hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina, fa homeko hohanin’ny bibidia sy ny voromanidina ianao.
Tsy hisy handratra, ary tsy hisy hanimba manerana ny tendrombohitro masina; fa ho henika ny fahalalana NY TOMPO ny tany, tahaka ny anaronan’ny rano ny ranomasina.
Endre ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô! Mialoka eo ambany elatrao ny zanak’olombelona.
izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany, dia izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voromanidina?
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Eny, mahita trano ny tsikirity ary mahita akany hametrahany ny zanany ny sidintsidina, dia ny alitaranao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Mpanjakako sy Andriamanitro!
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Noa mbamin’ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara; ary Andriamanitra nampandalo rivotra nanerana ny tany ka nihena ny rano.
Ary hoy ilay Anjelin’NY TOMPO taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao? Indro Aho no niainga mba hisakana anao satria hitako fa mivarina amin-doza ny lalanao. Nahita Ahy ny boriky dia nidify Ahy intelo; raha tsy nidify Ahy izy dia ianao mihitsy no nataoko maty, fa izy kosa dia ho novelomiko!
Ary hitondranao roa avy isaky ny karazany ho ao anatin’ny sambofiara ny zavamananaina rehetra mba hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ireo zanakavavin’ny olona ireo, koa nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy ireo. Ny vorona, samy araka ny karazany avy, ny biby, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, roa avy isan-karazany no hankeo aminao mba hovelomina.
Raha hitanao potraka any an-dalana ny borikin’ny rahalahinao, na ny ombiny, dia aza jerem-potsiny; fa ampio ny rahalahinao hanarina azy.
Ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo fa harianareo ho an’ny amboa.
Izy no manaron-drahona ny lanitra, Izy no manamboatra ranonorana ho amin’ny tany, Izy no mampaniry ahitra ny tendrombohitra, Izy no manome hanina ho an’ny biby sy ho an’ny zana-goaika izay mitaraina.
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ireto avy no azonareo hanina amin’ny biby rehetra ambonin’ny tany: Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo; nefa kosa ho fihinanareo amin’ny zava-mandady manana elatra sady mandia tongotra efatra, izay manan-tongotra lava ambonin’ny faladiany hitsipihany eo amin’ny tany. Amin’ireny dia ireto no ho fihinanareo: Ny valala sy ny sopanga isan-karazany. Fa ny biby mandady hafa rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra ankoatra ireo kosa dia ho zava-betaveta aminareo. Ireo no ho zava-maloto aminareo; koa izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Hanasa ny fitafiany izay rehetra mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro. Ny biby rehetra izay mivaky kitro nefa tsy misaraka tsara ny kitrony sady tsy mandinika dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy. Izay rehetra mandeha amin’ny faladiany, amin’ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny. Hanasa ny fitafiany izay mitondra ny fatiny ka haloto mandra-paharivan’ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny. Amin’ny biby izay mandady na mikisaka amin’ny tany kosa dia ireto no haloto aminareo: Ny jaboady, ny totozy ary ny androngo isan-karazany, Izay biby rehetra mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika no ho fihinanareo.
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ny rahalahinao dia aza jerem-potsiny izany, fa tsy maintsy averinao any amin’ny rahalahinao mihitsy izy ireo.
Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ny etỳ ambonin’ny tany, nefa hendry sady mahay: Ny vitsika izay firenena tsy matanjaka, nefa manangona ny haniny amin’ny fahavaratra;
Analao ho ao aminao ny biby madio rehetra isaky ny karazany, fito avy, lahy sy vavy; ny biby tsy madio isaky ny karazany, roa avy, lahy sy vavy; Nihoatra dimy amby folo hakiho ny rano ka voasarona ny tendrombohitra. Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tetỳ ambonin’ny tany, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny bibidia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olombelona rehetra. Izay rehetra manam-pofonaina eo am-bavorony, izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. Naringana ny mananaina rehetra izay tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina; naringana tsy ho amin’ny tany ireny. Fa i Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona. Mbola nitombo ihany tetỳ ambonin’ny tany nandritra ny dimampolo amby zato andro ny rano. ary ny voromanidina isaky ny karazany koa, fito avy, lahy sy vavy, mba tsy ho lany taranaka ambonin’ny tany rehetra ireny.
dia hatokanao ho an’NY TOMPO izay voalohan-teraka rehetra: Ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra anananao dia ho an’NY TOMPO ny lahy rehetra.
Fa Sabatan’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan’ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao tahaka anao koa.
Dia niteraka ny Lahimatoany izy, ary nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao amin’ny tranom-bahiny.
inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy? Fa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana. Nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy, nataonao eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra, dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra ary ny bibidia koa, ny voromanidina sy ny hazandrano any an-dranomasina izay mandeha amin’ny lalan-dranomasina.
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinanareo; omeko anareo toy ny zava-maitso koa izy rehetra. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina, dia ny rany izany, no aza haninareo.
Moa manome hery ny soavaly va ianao na manarona vombo mihofahofa ny vozony? Mahisa ny volana itondrany vohoka va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ny fiefonefony! Mihehy ao amin’ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; mandroso hanetra ny ady izy. Ihomehezany ny tahotra ary tsy mivadi-po izy sady tsy mianotra manoloana ny sabatra. Mikitrakitrana eny amboniny ny tranon-jana-tsipìka sy ny lefona mitselatselatra ary ny lefom-pohy. Miriotra mafy amin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony rehefa maneno ny anjomara. Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy hoe Hia! Manimbolo ny ady izy raha mbola lavitra, dia ny antsoantson’ny manamboninahitra sy ny akoralava mihantsy ady.
Tandremo ny fitsipiko: Aza avela hiray amin’ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa tsy mitovy karazana ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ny zavatra roa samihafa karazana.
Misy zavatra telo izay tsara famindra, eny, efatra aza no tsara fandeha: Tsy nianatra fahendrena aho, na nahazo ny fahalalan’ny Iray Masina. Ny liona, izay mahery indrindra amin’ny biby ka tsy mihemotra na amin’inona na amin’inona; ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy ary ny mpanjaka miaraka amin’ny miaramilany.
Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby?
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany.
Fa ny amin’ny ain’ny zavamananaina rehetra dia ny rany no ainy, koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Israely hoe: Aza mihinana hena mbola misy ra fa ny rany no ain’ny zava-mananaina rehetra, koa izay rehetra mihinana azy dia haringana.
Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.
Kanefa anontanio ange ny biby fa hampianatra anao izy ary ny voromanidina fa hanambara aminao izy;
Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany. Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.
Fa indro Aho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao; tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho tonga ao an-tsaina akory aza.
Mikopakopaka noho ny hafaliana ny elatry ny aotirisy, nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony? Ilaozany anaty tany ny atodiny ka avelany hafanain’ny vovoka Tsy ahiny ny ho voaporitry ny tongotra ireo na ho voahitsaky ny bibidia. Mafy ny fitondrany ny zanany fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; tsy ahoany akory na dia mila ho very foana aza izay nisasarany. Fa nesorin’Andriamanitra taminy ny fahendrena ary tsy nomeny anjara fahalalana izy. Raha mikopakopaka elatra toa hanidina izy dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ny Fanahin’NY TOMPO fitsaharana ho azy. Tahaka izany no nitondranao ny olonao mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.