Tiako ny hampahatsiahy anao androany fa Andriamanitra dia manome anao hery hiatrehanao izay rehetra mahazo anao. Matetika isika mieritreritra hoe tsy ho vitantsika ny olana, nefa diso isika. Efa nomanin’Andriamanitra foana isika. Hoy izy ao amin’ny teniny fa tsy fanahy kanefa hery sy fitiavana ary fahononan-tena no nomeny antsika. Koa mahereza, fa momba anao Andriamanitra, miady ho anao Izy amin’ny ady rehetra atrehanao. Ampiasao ireo fitaovana nomen’Andriamanitra anao tamin’ny alalan’ny teniny sy ny Fanahy Masina. Sahia, ary matokia tena rehefa mandroso.
“Mahereza, ary aoka hatanja-tsaina ny fonareo, ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah.” (Salamo 31:24). Koa dia mahereza fa tsy mba diso Andriamanitra. Izy no herinao, Izy no mpanafaka anao, Izy no mpanampy anao, Izy no ampinganao, Izy no fiarovana avo ho anao. Matokia an’ilay Rainao any an-danitra, dia ho tsara ny zava-drehetra.
Andriamanitra no manome hery ahy; Andriamanitra no manitsy ny lalako. (2 Samoela 22:33)
Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny tebiteby, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny tebiteby, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
afafy amin’ny fahafaham-boninahitra Izy, atsangana amin’ny voninahitra; afafy amin’ny fahalemena izy, atsangana amin’ny hery;
teo amin’ny malemy finoana dia tonga malemy finoana aho, mba hahazoako ny malemy finoana; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany amin’ny fomba rehetra.
Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny olona.
Tandremo anefa, fandrao ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy finoana izany fahafahanareo izany.
Isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izaho aza raha tany aminareo dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô!
Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’i Kristy,
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Fa voahombo tamin’ny hazofijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao Aminy, nefa hiara-belona Aminy ho anareo izahay noho ny herin’Andriamanitra.
Nisy olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny fanaon’i Mosesy ianareo dia tsy azo vonjena.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.
Fa fony mbola tsy nanan-kery isika dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy.
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fanaintainantsika, kanjo isika kosa dia nihevitra Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.
Lanin’alahelo ny aiko sady lanim-pisentoana ny taonako; tsy manan-kery aho noho ny heloko ary efa lany ny taolako.
Koa izay milaza azy fa mijoro tsara dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo.Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Koa aoka NY TOMPO no ho fiarovana avo ho an’ny voan’ny tsindry hazo lena, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana!
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy.Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,mba tsy hisy nofo hahazo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!
Raha misy lavo dia arenin’ny namany; fa mahantra ny tokana izay lavo nefa tsy manana namana hanarina azy.
fantatrareo aza fa noho ny aretina no nitoriako ny Filazantsara taminareo tamin’ilay voalohany.
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.
Na dia handeha ao anatin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; hanatsotra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Fa manana izao rakitra izao ao anaty vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery fa tsy ho avy aminay.
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa dia solafaka raha azom-pahoriana.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano.Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Ilay iray no hataoko rehareha; fa ny amin’ny tenako dia tsy hirehareha aho, afa-tsy amin’ny fahalemena ihany.
mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny;
Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fizahan-toetra maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,mba ho antom-piderana sy voninahitra ary fankalazana amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy ny finoanareo voazaha toetra, izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza.
Aza manary ahy amin’ny andron’ny fahanterako; aza mahafoy ahy raha mihaketraka ny heriko.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ianareo ka hanana ny faharetana rehetra sy ny fahari-po. Amin’ny fifaliana
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;
Lalan’aina ho any ambony no alehan’ny hendry hanalavirany ny fitoeran’ny maty any ambany,
Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.
Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany nasehony tamiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nomba ahy.
Ao amin’ny maizina no iposahan’ny mazava ho an’ny olona mahitsy; mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny.Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
Raha ny amin’Andriamanitra dia tsy manan-tsiny ny lalany; voazaha toetra ny tenin’NY TOMPO; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
Indro NY TOMPO Andriamanitra ho avy amin’ny heriny ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny Aminy ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana;ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana.Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
Hoy Izy tamin’izy roa lahy: Fadiranovana loatra toy ny efa ho faty ny fanahiko; mitoera eto ka miaraha miari-tory Amiko.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Fa raha izaho kosa dia ny famindramponao no itokiako; hiravoravo amin’ny famonjenao ny foko.
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
NY TOMPO no miandany amiko ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?NY TOMPO no miandany amiko sady mamonjy ahy ary ho faly aho hahita ny amin’izay mankahala ahy.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy?Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Ampaherezonareo ny tanana miraviravy ary hatanjaho ny lohalika malemy;Lazao amin’izay mitebiteby hoe: Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo! Avy mitondra famaliana Izy, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.