Tiako ny hampahatsiahy anao androany fa Andriamanitra dia manome anao hery hiatrehanao izay rehetra mahazo anao. Matetika isika mieritreritra hoe tsy ho vitantsika ny olana, nefa diso isika. Efa nomanin’Andriamanitra foana isika. Hoy izy ao amin’ny teniny fa tsy fanahy kanefa hery sy fitiavana ary fahononan-tena no nomeny antsika. Koa mahereza, fa momba anao Andriamanitra, miady ho anao Izy amin’ny ady rehetra atrehanao. Ampiasao ireo fitaovana nomen’Andriamanitra anao tamin’ny alalan’ny teniny sy ny Fanahy Masina. Sahia, ary matokia tena rehefa mandroso.
“Mahereza, ary aoka hatanja-tsaina ny fonareo, ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah.” (Salamo 31:24). Koa dia mahereza fa tsy mba diso Andriamanitra. Izy no herinao, Izy no mpanafaka anao, Izy no mpanampy anao, Izy no ampinganao, Izy no fiarovana avo ho anao. Matokia an’ilay Rainao any an-danitra, dia ho tsara ny zava-drehetra.
Andriamanitra no manome hery ahy; Andriamanitra no manitsy ny lalako. (2 Samoela 22:33)
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao. Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra azy na mangorohoro; fa NY TOMPO Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha, aza matahotra na mivadi-po fa momba anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô!
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.
Ary aza matahotra izay mamono ny vatana, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra izay mahay mahavery ny fanahy sy ny vatana any amin’ny afobe.
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao; Eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Ny liona masiaka sy ny vipera dia hodiavinao, ny liona tanora sy ny menarana dia hohitsakitsahinao. Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy. Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko. Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Tsy mba matahotra ny hahare loza izy; tafatoetra ny fony, matoky NY TOMPO izy. Tsara mpanohana ny fony ka tsy hatahotra izy, mandra-pifaliny mahita ny amin’ny mpandrafy azy.
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.
Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
Na dia misy tafika mitoby hiady amiko aza dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza dia hatoky ihany aho.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Ary amin’izany, aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro iray ny ratsy miseho ao aminy.
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!
NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, Andriamanitro, vatolampy ialofako, ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Ny volon’elany no hanaronany anao ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Fa efa nanafaka ahy tamin’ny fahafatesana Ianao; eny, nanafaka ny tongotro Ianao mba tsy ho solafaka, mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Lazao amin’izay mitebiteby hoe: Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo! Avy mitondra famaliana Izy, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Fiatoana
ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ny inona na amin’ny inona. Amin’ireo fahavalo dia mariky ny fahaverezana izany, fa aminareo kosa dia mariky ny famonjena sady avy amin’Andriamanitra.
Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany Izy amin’ny andro fahoriana; hampiery ahy ao amin’ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
Izaho dia Izaho no mampionona anareo. Koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’olombelona mety maty sy ny zanak’olona izay tahaka ny ahitra ny hanjo azy?
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Tsy hanam-piovana ny andronao; harena mahavonjy ny fahendrena sy ny fahalalana; ny fahatahorana NY TOMPO no harenany amin’izany.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy fitondra miady ary olona maro noho ianao dia aza matahotra azy; fa NY TOMPO Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, no momba anao.
NY TOMPO no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko ka ny hirako no hiderako Azy.
Fa izay mihaino ahy kosa dia hitoetra tsy manana ahiahy; eny, handry fehizay izy ka tsy hatahotra ny loza.
Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana; ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana. Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO; eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary tonga teo an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.
Mitady rano ny ory sy ny mahantra nefa tsy mahita, mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO no hamaly azy, Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy;
Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho amin’ny androko rehetra.
ka niteny hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina eto Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’NY TOMPO aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Mihainoa Ahy ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao ry firenena izay manana ny lalànako ao am-ponao! Aza matahotra ny latsa ataon’ny zanak’olombelona na manahy noho ny fanaratsiana ataony.
Raha ny amin’Andriamanitra dia marina ny lalany; ny tenin’NY TOMPO dia voazaha toetra amin’ny memy; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay nandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
Ao Aminy no ananantsika fahasahiana hanatona Azy amin’ny fahatokiana, noho ny finoana Azy.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5).
Izay matoky NY TOMPO dia tahaka ny tendrombohitra Ziona izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.
mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona fa amin’ny herin’Andriamanitra.
Na dia hisy arivo lahy aza no lavo eo anilanao sy iray alina eo ankavananao dia tsy hihatra aminao izany. Hijery amin’ny masonao fotsiny ianao ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
Indro, ny tanan’NY TOMPO tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare.
Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
Ary Izy no nahafaka anay tamin’izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka koa; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay hatrany,
Fiadanana no ho vokatry ny fahamarinana, filaminana sy fandriampahalemana mandrakizay no asan’ny fahamarinana.
Handry amin’ny fiadanana aho ka hatory avy hatrany satria Ianao irery, TOMPO ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy.
Tomoera ao Amiko ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy mitoetra amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao Amiko. Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Ataovy marina ny lalana alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny alehanao rehetra. Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; aoka hihataka amin’ny ratsy ny tongotrao.
Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany; na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy.
Izy Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.
tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.
Fa famonjena ahy Ianao ary ao amin’ny aloky ny elatrao no hihobiako. Mifikitra Aminao ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
Koa ankehitriny dia hisandratra ho ambonin’ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako ka hanolotra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza NY TOMPO aho.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Voageja manodidina izahay nefa tsy tery; very hevitra nefa tsy mamoy fo; enjehina nefa tsy nafoy; potraka nefa tsy maty;
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena? Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza eo aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia hakiho iray akory aza?
Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy, fa ny marina dia ho tafaorina mandrakizay.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.
Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ianareo ka hanana ny faharetana rehetra sy ny fahari-po. Amin’ny fifaliana no isaory ny Ray izay nampahamendrika anareo hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Mitaraina ny marina ary mihaino azy NY TOMPO ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra; akaiky an’izay manana fo mangorakoraka NY TOMPO ary mamonjy izay torotoro fanahy.
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.
Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika ny fanantenana noho ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza; fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
Ankino amin’NY TOMPO ny lalanao ary matokia Azy fa Izy no hanatanteraka. Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Israely: Izaho, TOMPO Andriamanitrao, no nampianatra anao mba hahitanao soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao. Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
Raha ny amin’Andriamanitra dia tsy manan-tsiny ny lalany; voazaha toetra ny tenin’NY TOMPO; NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako! Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô! Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana! Ianao no famonjena ahy, aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy!
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Koa aza manary ny fahatokianareo izay misy valisoa lehibe. Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.
mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny fiavian’i Jesosy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra.
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy amin’ny fandosirana no handehananareo; fa NY TOMPO no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Israely no ho vodilalanareo.
nampandeha olona hanitsaka ny lohanay Ianao, nandeha namakivaky ny afo sy ny rano izahay, nefa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao.