Aza kivy intsony fa tsy nanadino anao Andriamanitra. Izy no mifehy izao zavatra andalovanao izao. Raha malahelo ianao dia mivavaha amin’Andriamanitra, dia hofenoiny fifaliana ianao. Raha manahy ianao dia apetraho amin’ny Rainao any an-danitra izany, dia Izy no hikarakara azy. Hamaly ny vavakao Andriamanitra amin’ny fotoany, koa mahereza. Hoy Andriamanitra ao amin’ny teniny hoe mahereza ary matanjaha, fa momba anao Izy na aiza na aiza alehanao. Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza ianao dia aza matahotra fa momba anao Izy. Matokia ny Rainao any an-danitra. Na dia tsy hitanao aza dia miasa ho anao Izy satria tia anao.
Mahereza sy matanjaha ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah (Salamo 31:24). Tsy irery ianao, avelao Andriamanitra hiady ho anao. Miaina eo an-tongotr’i Jesosy dia hahita fiadanana sy fahazavana ary fitarihana ho an’ny fiainanao ianao. Aza avela ho levona ny finoanao satria maro ny fahorian’ny marina, nefa hovonjen’i Jehovah amin’izany rehetra izany izy ary homeny fandresena isaky ny miatrika izany.
Nefa Jesosy niteny tamin’izy ireo niaraka tamin’izay hoe: Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Ary indro, nisy lehilahy iray malemy, nandry tamin’ny fandriana noentin’ny olona teo Aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia niteny tamin’ilay malemy hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra azy na mangorohoro; fa NY TOMPO Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Ary Jesosy nihodina ka nahita azy dia niteny hoe: Matokia, ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay.
satria izy rehetra dia samy nahita Azy avokoa ka raiki-tahotra. Ary niteny tamin’izy ireo niaraka amin’izay Izy hoe: Matokia! Izaho ihany ity, aza matahotra!
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha, aza matahotra na mivadi-po fa momba anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.
NY TOMPO no mandeha eo alohanao; Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Nitsangana teo anilany ny Tompo tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Matokia! Tahaka ny nanambarànao Ahy tany Jerosalema no tsy maintsy mbola hanambarànao Ahy any Roma koa.
Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.
Ary indro Aho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity. Tsy handao anao Aho mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Fiatoana
NY TOMPO no Mpiaro anao; NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao.Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina.Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy.Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.
Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko.Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa.
Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany;na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy.
Hisaotra NY TOMPO izay manolotsaina ahy aho; na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy fitondra miady ary olona maro noho ianao dia aza matahotra azy; fa NY TOMPO Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, no momba anao.
Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny.Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany.
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra azy fa efa natolotra eo an-tananao izy ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy.Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
Mifalia mandrakariva.Mivavaha ka aza mitsahatra.Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana;ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana.Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny.Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe.Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo,satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.