TOMPO ô, amin’ny maraina no andrenesanao ny feoko; amin’ny maraina no manomana ny foko ho Anao aho ary miandry Anao.
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.
Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.
Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!
Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ny fahavaloko ahy amin’ny ilazany amiko isanandro hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.
Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?
Manandra-tanana Aminao aho; ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. Fiatoana.
Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay.
Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, koa rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Andriamanitro ô, miantso aho nony andro nefa tsy mamaly Ianao; miantso aho nony alina nefa tsy mahita fiononana.
Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako! Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô!
NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Hendry noho ny zokiolona aho satria ny didinao no tandremako.
Arovako ny tongotro tsy ho amin’izay lalan-dratsy mba hitandremako ny teninao.
Tsy mba miala amin’ny fitsipikao aho fa Ianao no mampianatra ahy.
Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.
Efa nianiana aho ka efaiko izany, fa hitandrina ny fitsipikao marina aho.
Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho.
TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
Mandrakariva, an-tenda ihany ny aiko, kanefa tsy manadino ny lalànanao aho.
Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao.
Mamalia ahy raha miantso aho, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô! Raha tao an-katerena aho dia nohalalahinao toerana. Mamindrà fo amiko ka henoy ny vavaka ataoko!
Fa raha izaho dia Ianao no itarainako, TOMPO ô, ary ny vavaka ataoko dia tonga eo anatrehanao nony maraina.
Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika satria tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny; hosaintsainiko ny didinao.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;
mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy.
Dia hifaly izay rehetra mialoka Aminao; hihoby mandrakariva izy. Hiaro azy Ianao dia ho ravoravo Aminao ireo izay tia ny anaranao.
Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako.
Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;
Nitaraina taminao aho hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny didinao.
Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ny fanahiko ary amin’ny molotra ravoravo no hideran’ny vavako Anao.
Rehefa mahatsiaro Anao eo am-pandrianako aho dia mieritreritra Anao amin’ny fotoam-piambenana alina.
Fa izaho dia hivavaka Aminao amin’ny andro fankasitrahana, TOMPO ô, dia Aminao, Andriamanitra ô, noho ny haben’ny famindramponao! Valio aho araka ny hamarinan’ny famonjenao!
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
kanefa nihaino tokoa Andriamanitra nanongilan-tsofina tamin’ny feon’ny vavaka nataoko Izy.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
An’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy.
Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! Fiatoana
Fa Izy no manorina azy eo ambonin’ny ranomasina, eo ambonin’ny renirano no ampitoerany azy.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy.
Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.
Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa ary tsy mahalala azy intsony ny toerany.
Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany,
dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO; ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Efa nohenoinao, TOMPO ô, ny fanirian’ny mahantra; mampiorina ny fony Ianao sady mampihaino ny sofinao
Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho.
TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao. Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra.
TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy.
dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana.
Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina.
Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany.
Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza.
Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany!
Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany.
Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra.
Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Nohamaroinao ny fahagagana sy ny hevitra izay nataonao ho anay, TOMPO Andriamanitro ô, tsy misy azo ampitahaina aminao; raha tiako hambara sy holazaina ireny dia indro, maro loatra ka tsy tambo isaina.
Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.
Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo amin’ny varavarako ary miambina eo amin’ny tolanam-baravarako!
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.
Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; atongilano ny sofinao amin’ny vavaka ataoko!
Avy atỳ am-paran’ny tany no iantsoako Anao fa reraka ny foko. Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo loatra ka tsy tratrako.
TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko.
Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony.
Noho ny anaranao, TOMPO ô dia mamelà ny heloko fa lehibe izany.
Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
Hitoetra amin’ny soa izy ary handova ny tany ny taranany.
Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
Mijery NY TOMPO mandrakariva ny masoko fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato.
Todiho aho ka amindrao fo fa irery aho ka ory.
Mitombo ny fahorian’ny foko; afaho amin’ny fahatereko aho.
Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko ka mamelà ny fahotako rehetra!
Jereo ny fahavaloko fa marobe izy ary loza ny fankahalany ahy.
Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!
Mampahatanjaka ny reraka Izy ary izay kely hery dia ampitomboiny hery.
Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana!
Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
hotahiny izay matahotra NY TOMPO, na ny kely na ny lehibe.
Hahamaro anareo anie NY TOMPO, dia ianareo mbamin’ny zanakareo.
Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO ka tsy hitsanga-menatra izay manantena Ahy.
Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
RY TOMPO Andriamanitray ô, endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Nataonao eny amin’ny lanitra ny famirapiratan’ny voninahitrao.
Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.
Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
Hankany amin’ny alitaran’Andriamanitra aho, dia any amin’Andriamanitry ny fifaliako sy ny firavoravoako; hidera Anao amin’ny lokanga aho ry Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao!
Mihobia ho an’Andriamanitra herintsika! Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba!
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.
hatolotra ho amin’ny herin’ny sabatra izy; ho anjaran’ny amboahaolo izy.
Fa ny mpanjaka dia hifaly amin’Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, fa hakombona ny vavan’izay rehetra mandainga.
Izany no ijereko Anao ao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro dia hidera Anao.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.
Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako.
Nialoha ny fotoam-piambenana amin’ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
TOMPO ô, Andriamanitry ny famonjena ahy! Andro aman’alina no itarainako eo anatrehanao.
Haneho fahagagana amin’ny maty va Ianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao? Fiatoana.
Hotorina any am-pasana va ny famindramponao ary ny fahamarinanao any amin’ny fandringanana?
Ho fantatra ao amin’ny maizina va ny fahagagana ataonao ary ny fahamarinanao any amin’ny tanin’ny fandringanana?
Fa raha izaho dia Ianao no itarainako, TOMPO ô, ary ny vavaka ataoko dia tonga eo anatrehanao nony maraina.
TOMPO ô, nahoana no manary ahy Ianao ka manafina ny tavanao amiko?
Ory aho ka efa toy ny efa ho faty hatramin’ny fahazazako; itambesaran’ny fampitahoranao aho ka very hevitra.
Manafotra ahy ny fahatezeranao, matin’ny fampitahoranao aho.
Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny, miara-manodidina ahy izy.
Nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; ireo nahazatra ahy dia tsy misy afa-tsy fahamaizinana.
Aoka ny vavaka ataoko ho tonga eo anatrehanao! Henoy tsara ny fitarainako!
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vavaka ataon’ny marina no sitrany.
Rehefa nisy novonoiny tamin’ireo dia nitady Azy izy dia niverina, dia nikatsaka Azy fatratra.
Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.
Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Fiatoana
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
Ny feoko dia mankany amin’Andriamanitra ka mitaraina aho; eny, ny feoko dia mankany amin’Andriamanitra ka manongilan-tsofina amiko Izy.
Hoy aho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ny tanana ankavanan’ny Avo Indrindra.
Hampahatsiaro ny asan’NY TOMPO aho fa mahatsiaro ny fahagagana nataonao fahiny.
Eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.
Andriamanitra ô, amin’ny fahamasinana ny lalanao. Iza no andriamanitra lehibe tahaka an’Andriamanitra?
Ianao no Andriamanitra izay manao fahagagana; nampahafantatra ny herinao teny amin’ny firenena Ianao.
Navotan’ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’i Jakoba sy i Josefa. Fiatoana.
Nahita Anao ny ranobe, Andriamanitra ô, nahita Anao ny ranobe ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia miaraka amin’ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny tselatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
Tany amin’ny ranomasina ny lalanao ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
Amin’ny andro fahoriako no itadiavako ny Tompo; misandratra mandritra ny alina ny tanako fa tsy vizana; ny fanahiko dia tsy mety ampiononina.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery.
Eny, tsy hisy hitsanga-menatra izay rehetra manantena Anao, fa izay mivadika foana no ho menatra.
Ho an’ny olona masina ambonin’ny tany sy ireo olona tsara laza ny fankasitrahako rehetra.
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao eny, lainga ny fitaka ataony.
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao
inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana dia hanafaka anao Aho ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, TOMPO ô; omeo fahiratan-tsaina aho araka ny teninao.
Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta; atanatanao ny vavanao dia hofenoiko.
Ny fahamarinan’ny teny vavolombelonao dia mandrakizay; omeo fahiratan-tsaina aho mba ho velona.
Fa Ianao TOMPO ô dia mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao toy ny ampinga lehibe manodidina azy.
Ny lalànan’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy an’arivony.
Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy ary nanafaka azy tao amin’ny lavaka nianjerany Izy.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.