Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly

- dokam-barotra -



137 Andininy Baiboly momba ny fitadiavana an'Andriamanitra vao maraina

137 Andininy Baiboly momba ny fitadiavana an'Andriamanitra vao maraina


Salamo 5:3

TOMPO ô, amin’ny maraina no andrenesanao ny feoko; amin’ny maraina no manomana ny foko ho Anao aho ary miandry Anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 63:1

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:147

Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:9

Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 130:6

Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 42:1-2

Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô! Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ny fahavaloko ahy amin’ny ilazany amiko isanandro hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 143:6

Manandra-tanana Aminao aho; ny fanahiko dia tahaka ny tany mangentana eo anatrehanao. Fiatoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:55

Mahatsiaro ny anaranao aho nony alina, TOMPO ô, ka mitandrina ny lalànanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 90:14

Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 8:17

Tiako izay tia ahy ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:62

Mamatonalina no hifohazako hidera Anao noho ny fitsaranao marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:6

Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, koa rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 22:2

Andriamanitro ô, miantso aho nony andro nefa tsy mamaly Ianao; miantso aho nony alina nefa tsy mahita fiononana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:1

Hisaotra NY TOMPO lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 27:8

Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako! Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 50:4

NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 18:1

Hoy izy: Mamiko indrindra Ianao, RY TOMPO heriko ô!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:10-11

Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho. Hendry noho ny zokiolona aho satria ny didinao no tandremako. Arovako ny tongotro tsy ho amin’izay lalan-dratsy mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny fitsipikao aho fa Ianao no mampianatra ahy. Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao. Efa nianiana aho ka efaiko izany, fa hitandrina ny fitsipikao marina aho. Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho. TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao. Mandrakariva, an-tenda ihany ny aiko, kanefa tsy manadino ny lalànanao aho. Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 4:1

Mamalia ahy raha miantso aho, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô! Raha tao an-katerena aho dia nohalalahinao toerana. Mamindrà fo amiko ka henoy ny vavaka ataoko!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 62:1

Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 88:13

Fa raha izaho dia Ianao no itarainako, TOMPO ô, ary ny vavaka ataoko dia tonga eo anatrehanao nony maraina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 130:1

Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, TOMPO ô,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Fitomaniana 3:22-23

Ny famindrampon’NY TOMPO no tsy nahalany ritra antsika satria tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:11

Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 30:5

Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tantara 16:11

Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:48

Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny; hosaintsainiko ny didinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:164

Impito isanandro no iderako Anao noho ny fitsipikao marina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:12

Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta amin’ny fahoriana. Mahareta amin’ny fivavahana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:57

Anjarako NY TOMPO; minia mitandrina ny teninao aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:5-6

Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 4:16

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:7

Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:1

Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 5:11

Dia hifaly izay rehetra mialoka Aminao; hihoby mandrakariva izy. Hiaro azy Ianao dia ho ravoravo Aminao ireo izay tia ny anaranao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 130:5-6

Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako. Ny fanahiko dia miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 91:15

Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:145-146

Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako; Nitaraina taminao aho hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny didinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 63:5-6

Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ny fanahiko ary amin’ny molotra ravoravo no hideran’ny vavako Anao. Rehefa mahatsiaro Anao eo am-pandrianako aho dia mieritreritra Anao amin’ny fotoam-piambenana alina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 69:13

Fa izaho dia hivavaka Aminao amin’ny andro fankasitrahana, TOMPO ô, dia Aminao, Andriamanitra ô, noho ny haben’ny famindramponao! Valio aho araka ny hamarinan’ny famonjenao!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 41:10

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 66:19

kanefa nihaino tokoa Andriamanitra nanongilan-tsofina tamin’ny feon’ny vavaka nataoko Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 46:1

Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:133

Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:82

Pahina ny masoko miandry ny teninao ka hoy aho hoe: Rahoviana no hampionona ahy Ianao?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 24:1-2

An’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy. Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! Fiatoana Fa Izy no manorina azy eo ambonin’ny ranomasina, eo ambonin’ny renirano no ampitoerany azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 103:1-2

Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy. Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika ka mahatsiaro fa vovoka isika. Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa ary tsy mahalala azy intsony ny toerany. Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny. Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO; ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:9

Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 8:3

Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:6-7

Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 10:17

Efa nohenoinao, TOMPO ô, ny fanirian’ny mahantra; mampiorina ny fony Ianao sady mampihaino ny sofinao

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:165

Be fiadanana izay tia ny lalànanao ary tsy misy mahatafintohina azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:107-108

Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho. TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:42

Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho satria matoky ny teninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 56:9

Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao. Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:1-2

TOMPO ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. dia mbola entin’ny tananao ihany aho, na dia any aza, ary hazonin’ny tananao ankavanana. Ary na dia hoy aho aza hoe: Aoka ny maizina hanarona ahy ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, tsia, fa ny maizina aza dia tsy mahamaizina Aminao, fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany ka sahala ny mazava sy ny maizina. Fa Ianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon’ny reniko Ianao. Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Tsy niafina Taminao ny momba ny tenako fony natao tao amin’ny miafina aho ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Efa nahita ahy ny masonao na dia fony tsy mbola nisy endrika akory aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony mbola tsy nisy na dia iray akory aza. Endre, tsy takatry ny saiko ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho dia maro lavitra noho ny fasika ny isany; raha mifoha aho dia mbola eo Aminao ihany. Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô! Mialà amiko, ianareo mpandatsa-dra. Ianao no mahalala ahy na mipetraka aho na mitsangana sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:5

Nohamaroinao ny fahagagana sy ny hevitra izay nataonao ho anay, TOMPO Andriamanitro ô, tsy misy azo ampitahaina aminao; raha tiako hambara sy holazaina ireny dia indro, maro loatra ka tsy tambo isaina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 86:5

Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 8:34

Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo amin’ny varavarako ary miambina eo amin’ny tolanam-baravarako!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 91:1

Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:7

Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:10

Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 73:28

Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:7

ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:130

Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:58

Mifona Aminao amin’ny foko manontolo aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 61:1-2

Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; atongilano ny sofinao amin’ny vavaka ataoko! Avy atỳ am-paran’ny tany no iantsoako Anao fa reraka ny foko. Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo loatra ka tsy tratrako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 36:5

TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao, miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:1-2

Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko. Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony. Noho ny anaranao, TOMPO ô dia mamelà ny heloko fa lehibe izany. Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. Hitoetra amin’ny soa izy ary handova ny tany ny taranany. Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. Mijery NY TOMPO mandrakariva ny masoko fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato. Todiho aho ka amindrao fo fa irery aho ka ory. Mitombo ny fahorian’ny foko; afaho amin’ny fahatereko aho. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko ka mamelà ny fahotako rehetra! Jereo ny fahavaloko fa marobe izy ary loza ny fankahalany ahy. Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 147:11

Mankasitraka izay matahotra Azy NY TOMPO, dia izay manantena ny famindrampony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 104:34

Ho maminy anie ny fisainako Azy; izaho no hifaly amin’NY TOMPO.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 40:29-31

Mampahatanjaka ny reraka Izy ary izay kely hery dia ampitomboiny hery. Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana! Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 115:13-14

hotahiny izay matahotra NY TOMPO, na ny kely na ny lehibe. Hahamaro anareo anie NY TOMPO, dia ianareo mbamin’ny zanakareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 147:3

Manasitrana ny torotoro fo Izy ary mamehy ny feriny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 55:6-7

Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 29:11

NY TOMPO hanome hery ny olony; NY TOMPO hitahy ny olony amin’ny fiadanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 49:23

Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO ka tsy hitsanga-menatra izay manantena Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:4-5

Ampahafantaro ny lalanao aho, TOMPO ô, ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:6

Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 107:6

Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ireo raha ory ka nafahany tamin’izay mahatahotra azy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 16:11

hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 8:1-2

RY TOMPO Andriamanitray ô, endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Nataonao eny amin’ny lanitra ny famirapiratan’ny voninahitrao. Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 12:2

Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:5

Manodidina ahy ao aorianako sy eo alohako Ianao ary apetrakao amiko ny tananao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:15

Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 43:4

Hankany amin’ny alitaran’Andriamanitra aho, dia any amin’Andriamanitry ny fifaliako sy ny firavoravoako; hidera Anao amin’ny lokanga aho ry Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 81:1

Mihobia ho an’Andriamanitra herintsika! Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 16:2

Hoy aho amin’NY TOMPO: Tompoko Ianao, tsy misy soa ananako azo oharina Aminao!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:12

Isaorana anie Ianao, RY TOMPO; ampianaro ahy ny didinao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 63:1-3

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano. hatolotra ho amin’ny herin’ny sabatra izy; ho anjaran’ny amboahaolo izy. Fa ny mpanjaka dia hifaly amin’Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, fa hakombona ny vavan’izay rehetra mandainga. Izany no ijereko Anao ao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro dia hidera Anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 71:14

Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:5

Tariho amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:147-148

Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako. Nialoha ny fotoam-piambenana amin’ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 27:4

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 88:1-2

TOMPO ô, Andriamanitry ny famonjena ahy! Andro aman’alina no itarainako eo anatrehanao. Haneho fahagagana amin’ny maty va Ianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao? Fiatoana. Hotorina any am-pasana va ny famindramponao ary ny fahamarinanao any amin’ny fandringanana? Ho fantatra ao amin’ny maizina va ny fahagagana ataonao ary ny fahamarinanao any amin’ny tanin’ny fandringanana? Fa raha izaho dia Ianao no itarainako, TOMPO ô, ary ny vavaka ataoko dia tonga eo anatrehanao nony maraina. TOMPO ô, nahoana no manary ahy Ianao ka manafina ny tavanao amiko? Ory aho ka efa toy ny efa ho faty hatramin’ny fahazazako; itambesaran’ny fampitahoranao aho ka very hevitra. Manafotra ahy ny fahatezeranao, matin’ny fampitahoranao aho. Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny, miara-manodidina ahy izy. Nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; ireo nahazatra ahy dia tsy misy afa-tsy fahamaizinana. Aoka ny vavaka ataoko ho tonga eo anatrehanao! Henoy tsara ny fitarainako!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:97

Endre ny fitiavako ny lalànanao! Fisaintsainako mandrakariva izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 118:24

Ity no andro nataon’NY TOMPO; hifaly sy ho ravoravo amin’izany isika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:8

Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vavaka ataon’ny marina no sitrany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 78:34

Rehefa nisy novonoiny tamin’ireo dia nitady Azy izy dia niverina, dia nikatsaka Azy fatratra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 130:5

Niandry NY TOMPO aho; eny, niandry Azy ny fanahiko ary ny teniny no nanantenako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:8

Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 121:2

Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 32:7

Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Fiatoana

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:114

Fiereko sy ampingako Ianao; ny teninao no andrasako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 94:19

Raha be ny ahiahy ato anatiko dia mampifaly ahy ny fampiononanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 58:10

ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 77:1-2

Ny feoko dia mankany amin’Andriamanitra ka mitaraina aho; eny, ny feoko dia mankany amin’Andriamanitra ka manongilan-tsofina amiko Izy. Hoy aho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ny tanana ankavanan’ny Avo Indrindra. Hampahatsiaro ny asan’NY TOMPO aho fa mahatsiaro ny fahagagana nataonao fahiny. Eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao. Andriamanitra ô, amin’ny fahamasinana ny lalanao. Iza no andriamanitra lehibe tahaka an’Andriamanitra? Ianao no Andriamanitra izay manao fahagagana; nampahafantatra ny herinao teny amin’ny firenena Ianao. Navotan’ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’i Jakoba sy i Josefa. Fiatoana. Nahita Anao ny ranobe, Andriamanitra ô, nahita Anao ny ranobe ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina. Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao. Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia miaraka amin’ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny tselatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany. Tany amin’ny ranomasina ny lalanao ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. Amin’ny andro fahoriako no itadiavako ny Tompo; misandratra mandritra ny alina ny tanako fa tsy vizana; ny fanahiko dia tsy mety ampiononina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 84:11

Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 26:41

Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:3

Eny, tsy hisy hitsanga-menatra izay rehetra manantena Anao, fa izay mivadika foana no ho menatra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 16:3

Ho an’ny olona masina ambonin’ny tany sy ireo olona tsara laza ny fankasitrahako rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:118

Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao eny, lainga ny fitaka ataony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 40:11

Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 139:7

Aiza no hialako amin’ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:33

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 8:3-4

Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 65:2

Ry Mpihaino vavaka ô, Ianao no hohatonin’ny nofo rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:115

Mialà amiko ianareo mpanao ratsy mba hitandremako ny didin’Andriamanitro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:173

Aoka anie hamonjy ahy ny tananao, fa efa nifidy ny didinao aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 32:8

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 50:15

Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana dia hanafaka anao Aho ka hanome voninahitra Ahy ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:6

mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:169

Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, TOMPO ô; omeo fahiratan-tsaina aho araka ny teninao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 81:10

Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta; atanatanao ny vavanao dia hofenoiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 51:10

Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô, ary ampioreno fanahy vaovao ato anatiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:38

Tovy ny teninao amin’ny mpanomponao, dia amin’izay matahotra Anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:33

TOMPO ô, toroy ny lalan’ny didinao aho dia hotandremako hatramin’ny farany izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:20

Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany ny fitsipikao amin’ny fotoana rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:144

Ny fahamarinan’ny teny vavolombelonao dia mandrakizay; omeo fahiratan-tsaina aho mba ho velona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:159

Jereo ny fitiavako ny didinao! TOMPO ô, velomy aho araka ny famindramponao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 5:12

Fa Ianao TOMPO ô dia mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao toy ny ampinga lehibe manodidina azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:72

Ny lalànan’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy an’arivony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:175

Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:12

fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 145:18

NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 107:20

Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy ary nanafaka azy tao amin’ny lavaka nianjerany Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:6

Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra