Ny vavaka no tetezana mampitohy antsika amin’Andriamanitra. Amin’izany fotoana fifandraisana feno fitiavana amin’ny Mpamorona antsika izany no ahitantsika fiononana, fitarihana ary hery.
Rehefa mitady ny tavan’Andriamanitra isika dia mametraka ny entantsika sy ny fiahiahiantsika, ary manaiky ny fiandrianany sy ny fahendreny. Eo am-pitadiavantsika Azy, dia mahita ny toetrany isika, ny fitiavany tsy mety ritra sy ny famindram-pony. Mitsoraka ao anatrehany isika ka mahatsapa fiadanana tsy hay hazavaina, na dia ao anatin’ny onjan’ny fiainana aza. Mifandray amin’ny loharanon’ny soa rehetra isika ary mahita fahafenoana sy tanjona ao anatin’ny drafiny tonga lafatra ho antsika.
Amin’ny alalan’ny fifandraisana tsy tapaka aminy no maha-fitaovana vonona sy misokatra handray ny teniny izay tenin’aina sy fitarihana antsika.
Tsara ho fantatra fa ny fitadiavana ny tavan’Andriamanitra dia mitaky faharetana sy finoana. Tsy voatery hahazo valiny avy hatrany foana isika, fa amin’ny faharetantsika no hianarantsika matoky ny fikarakarany tonga lafatra sy ny sitrapony.
Fanasana hiaina ny fifandraisana akaiky sy ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra ny fitadiavana ny tavan’Andriamanitra. Ao anatin’izao tontolo izao feno fisalasalana sy fiovana izao, ny fanatrehany tsy tapaka no manome antsika fanantenana, fiononana ary fitarihana. Koa anio, sokafy amin’Andriamanitra ny fonao, tadiavo ny tavany, ary jereo ny fifaliana tsy manam-paharoa amin'ny fifandraisana amin'ny Mpamorona izao rehetra izao.
Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO.
Avy eny an-danitra NY TOMPO no miondrika mijery ny zanak’olombelona mba hizahany raha misy olon-kendry mitady an’Andriamanitra.
Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
mba hitady an’Andriamanitra izy, raha toa ka mba hahatsapa sy hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, miasà tany vaovao ho anareo. Fa izao no andro hitadiavana NY TOMPO ambara-piaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia ho avy ny Zanak’Israely, dia izy mbamin’ny taranak’i Joda; eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady NY TOMPO Andriamaniny.
Mitadiava NY TOMPO ianareo mpanetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny! Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fanetren-tena! Angamba ho voafina ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO.
Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana; fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako! Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô!
Maniry Anao aho nony alina; eny, ny fanahiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa raha mamely ny tany ny fitsaranao dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Ary na iza na iza tamin’ny fokon’Israely rehetra no nanolotra ny fony hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Ary hitady Ahy ianareo dia ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin’ny fonareo manontolo.
NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory ary tsy mbola mihatra ny taona izay hilazanao hoe: Tsy sitrako izao;
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao; mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.
Fa sahy mihitsy Isaia ka nilaza hoe: «Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.»
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny.
Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny maha ambony indrindra ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy no nanaovako ho fatiantoka ny zavatra rehetra ka ataoko ho toy ny taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy; ary mba ho hita ao Aminy ho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna aho, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana.
Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra.
Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô! Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ny fahavaloko ahy amin’ny ilazany amiko isanandro hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?
raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko: Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO sy handinika ny tempoliny. Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany Izy amin’ny andro fahoriana; hampiery ahy ao amin’ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
Tsy mahalala izay rariny ny ratsy fanahy, fa izay mitady NY TOMPO no mahalala ny zavatra rehetra.
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako; Nitaraina taminao aho hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny didinao.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO, dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
Amin’izay dia hiantso ahy izy, nefa tsy hamaly aho; hitady ahy fatratra izy, nefa tsy ho hitany aho. Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana NY TOMPO;
Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera NY TOMPO ireo izay mitady Azy. Ho velona mandrakizay anie ny fonareo!
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
Any ianao no hitady NY TOMPO Andriamanitrao ka hahita Azy raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
Izany no ijereko Anao ao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro dia hidera Anao.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO; eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy ary tonga teo an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;
Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao. Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra.
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy hikarakara azy. Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny rehefa eo anivon’ny ondriny izay efa niely izy, dia toy izany no hikarakarako ny ondriko sy hisarihako azy avy amin’ny toerana rehetra nielezany tamin’ny andro mandrahona sy feno haizim-pito.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO! Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany!
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena! Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy. Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; hahavelona hoby eo alohanareo ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny hazo rehetra any an-tsaha dia hitehaka. Haniry ho solon’ny tsilo ny hazo kipreso, ary ho solon’ny sampivato ny mirta; ary ho anarana ho an’NY TOMPO izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
Nefa matoky Anao aho, TOMPO ô! Hoy aho: Andriamanitro Ianao! Eo an-tananao ny androko; vonjeo aho tsy ho azon’ny tanan’ny fahavaloko sy izay manenjika ahy!
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy?
Na dia handeha ao anatin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; hanatsotra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, TOMPO ô, no anantenanay Anao. Ny hahatsiaro Anao sy ny anaranao, izany no irinay indrindra.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO. Nisy sahona betsaka ny taniny; eny, na dia hatrao an’efitranon’ny mpanjakany aza. Niteny Izy dia tonga ny fihitra sy ny moka teny amin’ny faritaniny rehetra. Nahatonga havandra ho solon’ny ranonorana Izy ary afo midedadeda teny amin’ny taniny. Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ny taniny. Niteny Izy dia tonga ny valala sy ny sompanga tsy hita isa; dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ny taniny ireny ka nandany ny vokatry ny taniny. Namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ny taniny Izy, dia ny voalohan-terany rehetra. Dia nitondra ny olony nivoaka avy tany Izy, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena; tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ireo fokony. Faly i Ejipta tamin’ny nahalasanany, satria efa nahazo azy ny fahatahorana ireo. Namelatra rahona ho fialokalofana Izy ary afo ho fanazavana nony alina. Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny; katsaho mandrakariva ny tavany.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, koa rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo.
Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mba mandatsa, fa homena azy izany.
Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany.
hampahafantatra ahy ny lalan’ny fiainana Ianao. Eny, fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no ho eo amin’ny tananao ankavanana mandrakizay.
Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra, fa izay mitady ny ratsy dia hahita ny ratsy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Andriamanitra ô, henoy ny vavaka ataoko! Atongilano hihaino ny tenin’ny vavako ny sofinao!
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Tsy ho noana na hangetaheta izy; tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa izay mamindra fo aminy no hitarika azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko. Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony. Noho ny anaranao, TOMPO ô dia mamelà ny heloko fa lehibe izany. Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. Hitoetra amin’ny soa izy ary handova ny tany ny taranany. Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. Mijery NY TOMPO mandrakariva ny masoko fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato. Todiho aho ka amindrao fo fa irery aho ka ory. Mitombo ny fahorian’ny foko; afaho amin’ny fahatereko aho. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko ka mamelà ny fahotako rehetra! Jereo ny fahavaloko fa marobe izy ary loza ny fankahalany ahy. Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
Sambatra ny mahitsy lalana, dia izay mandeha araka ny lalànan’NY TOMPO. Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho. Hendry noho ny zokiolona aho satria ny didinao no tandremako. Arovako ny tongotro tsy ho amin’izay lalan-dratsy mba hitandremako ny teninao. Tsy mba miala amin’ny fitsipikao aho fa Ianao no mampianatra ahy. Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! Ny didinao no nahazoako fahalalana; izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao. Efa nianiana aho ka efaiko izany, fa hitandrina ny fitsipikao marina aho. Ampahoriana loatra aho; TOMPO ô, velomy araka ny teninao aho. TOMPO ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanatitra an-tsitrapo aloaky ny vavako ary ampianaro ahy ny fitsipikao. Mandrakariva, an-tenda ihany ny aiko, kanefa tsy manadino ny lalànanao aho. Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao. Manao vela-pandrika haningotra ahy ny ratsy fanahy, kanefa tsy mania miala amin’ny didinao aho. Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teny vavolombelonao satria fifalian’ny foko izany. Apetrako ny foko hankatò ny didinao, mandrakizay, hatramin’ny farany. Halako ny mpiroa saina fa ny lalànanao no tiako. Fiereko sy ampingako Ianao; ny teninao no andrasako. Mialà amiko ianareo mpanao ratsy mba hitandremako ny didin’Andriamanitro. Tohàny araka ny teninao aho mba ho velona ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho. Tohàny aho mba ho voavonjy ka ho faly mandrakariva hijery ny didinao. Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao eny, lainga ny fitaka ataony. Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; izany no itiavako ny teny vavolombelonao. Isaorana anie Ianao, RY TOMPO; ampianaro ahy ny didinao. Mipararetra ny nofoko noho ny fahatahorana Anao ary matahotra ny fitsaranao aho. Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; aza manolotra ahy ho amin’ny mpampahory ahy. Iantohy ny mpanomponao mba ho soa; aza avela hampahory ahy ny mpirehareha. Pahina ny masoko miandry ny famonjenao sy ny tenin’ny fahamarinanao. Ataovy amin’ny mpanomponao araka ny famindramponao ary ampianaro ahy ny didinao. Mpanomponao aho ka ampahirato ny saiko mba ho fantatro ny teny vavolombelonao. Efa andro tokony hampisehoan’NY TOMPO ny asany izao; fa mandika ny lalànanao ny olona. Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena; eny, noho ny volamena tsy miharo aza. Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; halako ny lalam-pitaka rehetra. Mahagaga ny teny vavolombelonao ka izany no itandremako azy. Ny molotro no nentiko nilaza ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po. Mitanatana vava aho ka misento, fa ny didinao no iriko. Todiho aho ka mamindrà fo amiko, araka ny tokony ho anjaran’izay tia ny anaranao. Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. Vonjeo amin’ny fampahoriana ataon’ny olona aho dia hitandrina ny didinao. Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao ary ampianaro ahy ny didinao. Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànanao. Marina Ianao, TOMPO ô, ary mahitsy ny fitsaranao. Efa voadidinao amin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana feno ny teny vavolombelonao. Mandevona ahy ny zotom-poko satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. Ny lalan’ny teny vavolombelonao no ifaliako, tahaka ny ifaliako amin’ny harena rehetra. Voazaha toetra tamin’ny memy ny teninao ka tian’ny mpanomponao. Kely aho ka natao tsinontsinona, nefa tsy hadinoiko ny didinao. Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay ary marina ny lalànanao. Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy, fa ny didinao no firavoravoako. Ny fahamarinan’ny teny vavolombelonao dia mandrakizay; omeo fahiratan-tsaina aho mba ho velona. Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako; Nitaraina taminao aho hoe: Vonjeo aho, dia hitandrina ny didinao. Raha mbola tsy nazava ratsy aza ny andro dia nitaraina aho; ny teninao no andrasako. Nialoha ny fotoam-piambenana amin’ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao. Henoy araka ny famindramponao ny feoko; TOMPO ô, velomy aho araka ny fitsipikao. Ny didinao no saintsainiko ary ny lalanao no dinihiko. Efa manakaiky ireo izay fatra-panaraka ny ratsy, dia izay manalavitra ny lalànanao. Akaiky Ianao, TOMPO ô, ary marina ny didinao rehetra. Efa fantatro ela tamin’ny teny vavolombelonao fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny. Jereo ny fahoriako ka vonjeo aho, fa tsy mba hadinoiko ny lalànanao. Soloy vava aho ka vonjeo; velomy araka ny teninao aho. Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy tadiaviny ny didinao. Lehibe ny antranao, TOMPO ô; velomy aho araka ny fitsipikao. Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; tsy mba niala tamin’ny teny vavolombelonao aho. Mijery ny mpivadika aho ka maharikoriko ahy ireny, dia ireo tsy nitandrina ny teninao. Jereo ny fitiavako ny didinao! TOMPO ô, velomy aho araka ny famindramponao. Ny didinao no iravoravoako; tsy hadinoiko ny teninao. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. Nanenjika ahy tsy amin’antony ny mpanapaka, nefa ny teninao no atahoran’ny foko. Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; ny lalànanao no tiako. Impito isanandro no iderako Anao noho ny fitsipikao marina. Be fiadanana izay tia ny lalànanao ary tsy misy mahatafintohina azy. Miandry ny famonjenao aho, TOMPO ô, ka mankatò ny didinao. Mitandrina ny teny vavolombelonao ny fanahiko ka tiako indrindra izany. Mitandrina ny didinao sy ny teny vavolombelonao aho, fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, TOMPO ô; omeo fahiratan-tsaina aho araka ny teninao. Asio soa aho mpanomponao mba ho velona ka hitandrina ny teninao. Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; afaho aho araka ny teninao. Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao. Hankalaza ny teninao ny lelako, fa marina ny didinao rehetra. Aoka anie hamonjy ahy ny tananao, fa efa nifidy ny didinao aho. Efa manina ny famonjenao aho, TOMPO ô, ary ny lalànanao no firavoravoako. Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao. Ampahirato ny masoko mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànanao. Vahiny etỳ an-tany aho; aza afeninao ahy ny didinao. Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo manontolo;
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Ny ratsy fanahy dia mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy! Tsy misy Andriamanitra! Izany no tontalin-keviny.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, TOMPO ô, Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.
Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
I Seta koa dia niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Enosy. Tamin’izany fotoana izany no nanombohana niantsoana ny anaran’NY TOMPO.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva! Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Ireo rehetra ireo dia miandry Anao mba homenao ny haniny amin’ny fotoanany. Manome Ianao dia manangona izy; manokatra ny tananao Ianao dia voky ny soa izy.
Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy!
Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
Fiainana mandrakizay no ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsy fahafatesana;
Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika, ary hiambina anao ny fahalalana ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy sy amin’ny lehilahy miteny fitaka, amin’izay mahafoy ny lalana mahitsy ka mizotra ho amin’ny lalan’ny fahamaizinana, dia izay faly hanao ratsy sady mibitaka amin’ny fanaovam-pitaka, dia izay miolikolika lalana sy maniasia amin’ny alehany; hanafaka anao amin’ny vehivavy jejo koa izany, dia amin’ny vehivavy janga izay mandokadoka amin’ny teniny, izay mahafoy ny sakaizan’ny fahatanorany sy manadino ny fanekena nataony tamin’Andriamaniny; fa mirona ho amin’ny fahafatesana ny tranony, ary mankany amin’ny maty ny lalany. Tsy misy tafaverina izay mankany aminy sady tsy afaka mihazo ny lalan’ny fahavelomana. ka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao, ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao; Izany no handehananao amin’ny lalan’ny tsara fanahy sy hitandremanao ny alehan’ny marina. Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao. Fa hofongorana amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy, ary ny mpivadika dia hongotana. eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy dia hihaino Aho.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Koa amin’izany, rehefa manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny sinagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.
eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Fa Izy kosa namaly hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Deo 8.3).
Eny tokoa, akaikin’izay matahotra Azy ny famonjeny mba hitoeran’ny voninahitra eo amin’ny tanintsika.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
Isaorana anie Andriamanitra izay tsy nandà ny vavaka nataoko na nanaisotra ny famindrampony tamiko.
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona! Loary eo anatrehany ny fonareo! Andriamanitra no fialofana ho antsika. Fiatoana.
Hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahamarinanao; efa nampitoetra ny tany Ianao ka indro, mitoetra izy.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna; Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy. Tsy tahaka ny avy amin’ny iray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny iray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, nefa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezana ny fahasoavana ho fanamarinana. Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fankatoavan’ny Iray. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaniny
Rehefa afaka izany dia tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’NY TOMPO hoe: Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao, ary ho lehibe indrindra ny valim-pitianao.
Fa ny lalan’ny marina dia toy ny hazavana mamiratra, izay miha mazava hatrany, mandra-piposaky ny andro antoandro.
Manantenà NY TOMPO, ry Israely, fa ao amin’NY TOMPO no misy ny famindrampo sy ny fanavotana be.
Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho; hiditra eo aho ka hidera NY TOMPO. Aoka ny Israely hilaza hoe: Mandrakizay ny famindrampony. Ity no vavahadin’NY TOMPO; ny marina no hiditra eo.
Nefa hoy Jesosy: Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao! Ianareo no vavolombeloko hoy NY TOMPO, sady mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo; koa ianareo no vavolombeloko, hoy NY TOMPO, ary Izaho no Andriamanitra. Eny, hatramin’izany andro izany dia Izaho no Izy, ary tsy misy maharombaka ny eto amin’ny tanako; miasa Aho ka iza moa no hahasakana izany? Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Israely: Noho ny aminareo no nanirahako olona hiady amin’i Babilona, ary harendriko ireo mpandositra rehetra ireo, dia ireo Kaldeana izay mirebika any amin’ny sambony. Izaho no TOMPO, Iray Masinareo, Mpamorona ny Israely sady Mpanjakanareo. Izao no lazain’NY TOMPO, izay manao lalana eny amin’ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja, izay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly, ny tafika sy ny lehilahy mahery. Miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony. Mitsilopilopy izy ka maty toy ny lahin-jiro lany: Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony. Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.