Andininy ao amin’ny Baiboly

dokam-barotra


Sokajy Kely

ANDININY HO ATAO

Misy olona manokana Andriamanitra efa nametraka eo amin'ny lalanao, olona mitondra fitahiana sy fifaliana, ary hotahintsika amin'ny anaran'i Jesosy izy ireo. Ao amin'ny Baiboly dia mahita andininy maro isika mba hisaorana sy hitahiana ireo aina ireo, tsy ireo olona ireo ihany no hotahintsika fa ny fianakaviantsika, ny firenentsika ary ny mpiray finoana amintsika koa. "Hotahin'i Jehovah anie ianao ka harovany; Hampamirapiratin'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hamindrany fo aminao; Hanandratr'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hanome anao fiadanana." (Nomery 6:24-26) Hotahintsika koa ireo pasitera ampiasain'Andriamanitra. "Fa Ianao, Jehovah ô, no mitahy ny marina; Manodidina azy amin'ny fankasitrahanao toy ny ampinga ianao." (Salamo 5:12) Tsy izay manisy soa antsika ihany no hotahintsika fa Andriamanitra nandidy antsika mba hitahy izay manisy ratsy antsika koa. "Misaora izay manenjika anareo, misaora fa aza manozona." (Romana 12:14)


Salamo 30:11-12

Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao, efa nanaisotra ny akanjo fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana,

mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho. TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho.

Chapter    |  dikan
Salamo 101:1

Famindrampo sy fitsarana no hankalazaiko; Ianao, TOMPO ô, no hoderaiko.

Chapter    |  dikan
Salamo 98:4-5

Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Velomy ny hoby ka mihirà!

Mankalazà NY TOMPO amin’ny lokanga, dia amin’ny lokanga sy ny feon-kira,

Chapter    |  dikan
1Tantara 16:9

Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony!

Chapter    |  dikan
Salamo 109:30

Hidera NY TOMPO amin’ny feo mafy aho; eny, eo amin’ny olona maro no hiderako Azy.

Chapter    |  dikan
Salamo 47:1

Mitehafa tanana, ry firenena rehetra! Mihobia ho an’Andriamanitra amin’ny feo miravoravo!

Chapter    |  dikan
Salamo 118:24

Ity no andro nataon’NY TOMPO; hifaly sy ho ravoravo amin’izany isika.

Chapter    |  dikan
Salamo 68:3

Fa mifaly ny marina; eny, ravoravo eo anatrehan’Andriamanitra izy, mihoby sy mifaly izy!

Chapter    |  dikan
Eksodosy 34:22

Tandremo ny andro firavoravoana amin’ireo Herinandro, amin’ny fanaterana ny voaloham-bokatra rehefa mijinja ny varimbazaha sy ny andro firavoravoana amin’ny fanangonam-bokatra amin’ny fitsingerenan’ny taona.

Chapter    |  dikan
Deoteronomia 16:9-10

Manisà herinandro fito; manomboka amin’ny andro iandohan’ny fijinjam-bary no hanisanao azy.

Dia ankalazao ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro manaraka ireo Herinandro ireo ka manolora fanatitra an-tsitrapo, izay homenao araka izay itahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao;

Chapter    |  dikan
Eksodosy 12:14

Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.

Chapter    |  dikan
Nomery 9:2

Aoka hotandreman’ny Zanak’Israely ny Paska amin’ny fotoanany.

Chapter    |  dikan
Isaia 42:10

Samia mihira fihiram-baovao ho an’NY TOMPO, dia ny fiderana Azy avy any amin’ny faran’ny tany, ianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy!

Chapter    |  dikan
Salamo 147:1

Haleloia, fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika; eny, mamy sady mendrika ny fiderana.

Chapter    |  dikan
Salamo 48:1

Lehibe NY TOMPO ka mendrika Azy ny fiderana ambony indrindra, ao an-tanànan’Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.

Chapter    |  dikan
Salamo 66:8

Misaora an’Andriamanitsika, ry firenena, ary asandrato ny feo fiderana Azy.

Chapter    |  dikan
Isaia 30:29

Ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fankalazana ny andro firavoravoana; ny hafalian’ny fonao dia ho tahaka ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny Vatolampin’ny Israely.

Chapter    |  dikan
Salamo 118:15

Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery;

Chapter    |  dikan
Salamo 100:1-2

Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra!

Manompoa NY TOMPO amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana!

Chapter    |  dikan
Salamo 148:13-14

samia midera ny anaran’NY TOMPO avokoa fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.

Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy, dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra; eny, ho an’ny Zanak’Israely, firenena akaiky Azy. Haleloia.

Chapter    |  dikan
Isaia 25:1

TOMPO ô, Andriamanitro Ianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa nahavita zava-mahagaga Ianao, zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady azo antoka no mafy orina.

Chapter    |  dikan
2Samoela 22:4

Miantso NY TOMPO izay mendrika hoderaina aho ka vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko.

Chapter    |  dikan
Salamo 75:9

Fa hanambara izany mandrakariva aho ka hankalaza an’Andriamanitr’i Jakoba.

Chapter    |  dikan
Salamo 40:3

Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky NY TOMPO.

Chapter    |  dikan
1Tantara 16:8

Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany! Ampahafantaro ny firenena ny asany!

Chapter    |  dikan
1Tantara 16:25

Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 7:17

Hidera NY TOMPO araka ny fahamarinany aho ary hankalaza ny anaran’NY TOMPO Avo Indrindra.

Chapter    |  dikan
Salamo 135:1-3

Haleloia. Miderà ny anaran’NY TOMPO; miderà Azy, ianareo mpanompon’NY TOMPO,

ianareo izay maharitra ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ao anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitsika.

Miderà NY TOMPO fa tsara Izy; mankalazà ny anarany fa mahafinaritra izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:171

Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:21

Ny fiderana NY TOMPO no hotenenin’ny vavako; ary aoka hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria ny nofo rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 18:49

Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamihafa, TOMPO ô, ary hankalazako ny anaranao.

Chapter    |  dikan
Salamo 95:1-3

Avia, aoka isika hihoby ho an’NY TOMPO! Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!

Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika, aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny salamo isika.

Fa Andriamanitra lehibe NY TOMPO; Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy.

Chapter    |  dikan
Salamo 69:30

Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny hira aho ary hidera Azy amin’ny fisaorana.

Chapter    |  dikan
Salamo 116:19

dia eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO, eo afovoanao, ry Jerosalema ô! Haleloia.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:7

Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy ary hihoby ny fahamarinanao.

Chapter    |  dikan
Salamo 81:1-3

Mihobia ho an’Andriamanitra herintsika! Manaova feo fifaliana ho an’Andriamanitr’i Jakoba!

Asandrato ny hira ka velezo ny ampongatapaka ary tendreo ny lokanga tsara faneno mbamin’ny valiha.

Tsofy ny anjomara amin’ny voaloham-bolana, amin’ny fenovolana, dia amin’ny andro firavoravoantsika.

Chapter    |  dikan
Salamo 47:6

Mihirà ho an’Andriamanitra; eny, mihirà. Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika; eny, mihirà.

Chapter    |  dikan
Salamo 68:32

Ianareo fanjakana ambonin’ny tany, mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Tompo. Fiatoana.

Chapter    |  dikan
Nehemia 8:10

Dia hoy izy taminy: Mandehana hano ny matavy ary sotroy ny mamy dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’NY TOMPO no fiarovana mafy ho anareo.

Chapter    |  dikan
Salamo 95:2

Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika, aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny salamo isika.

Chapter    |  dikan
Salamo 126:3

Eny, zava-dehibe no nataon’NY TOMPO ho antsika ka faly isika.

Chapter    |  dikan
Salamo 34:3

Miaraha mankalaza NY TOMPO amiko ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.

Chapter    |  dikan
Salamo 50:14

Manolora fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao.

Chapter    |  dikan
Nehemia 12:27

Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema dia notadiavina avy tamin’ny fonenany rehetra ny levita mba hoentina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.

Chapter    |  dikan
Efesiana 5:19

mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo.

Chapter    |  dikan
Kolosiana 3:16

Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan
Salamo 149:1-3

Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO; manaova hira fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.

Aoka hifaly amin’ny Mpanao azy ny Israely; aoka hiravoravo amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona.

Aoka hidera ny anarany amin’ny dihy izy ary hankalaza Azy amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga.

Chapter    |  dikan
Zakaria 9:9

Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy! Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao. Marina Izy sady mpandresy, manetry tena sady mitaingina boriky, boriky tanora, zanaky ny borikivavy.

Chapter    |  dikan
Lioka 19:37-40

Rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ny tendrombohitra Oliva dia faly avokoa ny mpianatra marobe ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany

ka niteny hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Ilay avy amin’ny anaran’NY TOMPO. Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra!

Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ny vahoaka, dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao!

Fa Izy namaly hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo dia ny vato no hiantsoantso.

Chapter    |  dikan
Salamo 9:1-2

Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho; hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.

Ho faly sy ho ravoravo Aminao aho; hankalaza ny anaranao aho, ry Avo Indrindra!

Chapter    |  dikan
Salamo 34:1-3

Hisaotra NY TOMPO lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

NY TOMPO no reharehan’ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly.

Miaraha mankalaza NY TOMPO amiko ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.

Chapter    |  dikan
Romana 12:1-2

Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.

Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.

Chapter    |  dikan
Salamo 42:4

Izao zavatra izao anefa no hotsarovako rehefa mamboraka ny fanahiko ato anatiko aho, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ny olona maro sy ny nitarihako azy ho any amin’ny tranon’Andriamanitra, tamin’ny feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.

Chapter    |  dikan
Matio 26:30

Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.

Chapter    |  dikan
1Petera 2:9

Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;

Chapter    |  dikan
Hebreo 13:15

Koa aoka isika hanolotra mandrakariva ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.

Chapter    |  dikan
Salamo 66:1-4

Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra!

Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy!

Lazao amin’Andriamanitra hoe: Endre, mahatahotra ny asanao! Ny fahalehibiazan’ny herinao no ikoizan’ny fahavalonao Anao.

Ny tany rehetra dia hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. Fiatoana.

Chapter    |  dikan
Salamo 96:1-3

Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO! Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra!

Mihirà ho an’NY TOMPO, misaora ny anarany, ambarao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny!

Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony!

Chapter    |  dikan
Salamo 71:23

Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao ary ny fanahiko koa, izay navotanao.

Chapter    |  dikan
Salamo 103:1-2

Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

Chapter    |  dikan
Salamo 5:11

Dia hifaly izay rehetra mialoka Aminao; hihoby mandrakariva izy. Hiaro azy Ianao dia ho ravoravo Aminao ireo izay tia ny anaranao.

Chapter    |  dikan
Eksodosy 15:1-2

Tamin’izay i Mosesy sy ny Zanak’Israely dia nihira izao hira izao ho an’NY TOMPO hoe: Hihira ho an’NY TOMPO aho fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany any amin’ny ranomasina.

NY TOMPO no heriko sy anton’ny fiderako, fa famonjena ahy Izy; Izy no Andriamanitro ka hankalaza Azy aho. Izy no Andriamanitry ny razako ka hanandratra Azy aho.

Chapter    |  dikan
Salamo 147:7-9

Mihirà fiderana ho an’NY TOMPO; mankalazà an’Andriamanitsika amin’ny lokanga.

Izy no manaron-drahona ny lanitra, Izy no manamboatra ranonorana ho amin’ny tany, Izy no mampaniry ahitra ny tendrombohitra,

Izy no manome hanina ho an’ny biby sy ho an’ny zana-goaika izay mitaraina.

Chapter    |  dikan
Salamo 84:1-2

Endre ny hatsaran’ny tabernakelinao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô!

Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’NY TOMPO ny fanahiko; mihoby an’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko.

Chapter    |  dikan
Salamo 146:1-2

Haleloia. Miderà NY TOMPO, ry fanahiko!

Hidera NY TOMPO aho raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa.

Chapter    |  dikan
Salamo 138:1-2

Midera Anao amin’ny foko manontolo aho; eo anatrehan’ireo andriamanitra no ankalazako Anao amin’ny hira.

Miankohoka manandrify ny tempolinao masina aho ka midera ny anaranao noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao; fa efa nomenao voninahitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ny anaranao sy ny teninao.

Chapter    |  dikan
Salamo 9:11

Mihirà ho an’NY TOMPO izay mitoetra any Ziona, ambarao any amin’ny firenena ny asany.

Chapter    |  dikan
Salamo 145:5-7

Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.

Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona ary ny fahalehibiazanao no hotantaraiko.

Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy ary hihoby ny fahamarinanao.

Chapter    |  dikan
Isaia 61:3

hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.

Chapter    |  dikan
2Tantara 5:13-14

ary toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira raha nidera sy nisaotra NY TOMPO izy ireo; nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno isan-karazany ka nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny Trano, dia ny tranon’NY TOMPO;

koa tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan

Vavaka amin’Andriamanitra

Tompo ô, Ianao no Alfa sy Omega! Andriamanitra Ray ô, Mpahary ny lanitra sy ny tany, Ianao no voalohany sy farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompoko no ihaviako eo anatrehanao, mitalaho aminao mba hiaro sy hanome hery ny namako, mba homenao azy ny fahendrena sy ny fahiratan-tsaina handraisana fanapahan-kevitra tsara, mba handehanany araka ny sitraponao izay efa voafaritra ho azy. Omeo hery izy, havaozy ny tanjany ary ampitomboy hatrany ny finoany, mba ho loha laharana eo amin’ny fiainany sy ny ankohonany ny fanatrehan’ny Fanahy Masinao. Hoy ny teninao: "Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao hiaro anao eny amin'ny lalanao rehetra". Tompo ô, tohizo ny famenoana izay rehetra ilaina aminy, omeo azy ny fahendrena sy ny herim-po handresena ny tahotra mba hahafahany miatrika izay rehetra mahazo azy. Ambarako fa Ianao no mialoha azy toy ny goavambe mahery, miady ny adiny rehetra. Arovy amin’ny fandriky ny fahavalo izy. Misaotra Tompo ô, ho Anao anie ny voninahitra sy ny fiderana rehetra. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena!