Tsara foana ny mankasitraka amin'ny zavatra rehetra! Fomba iray mahafinaritra hanehoana fankasitrahana an'Andriamanitra noho ny fahasoavany ny mivavaka sy mitso-drano ny sakafo, satria faly Andriamanitra mahita ny zanany maneho fankasitrahana.
Rehefa mahatsiaro isika fa Izy no miantoka antsika isan'andro, aoka tsarovantsika koa ireo izay tsy manana izay ananantsika. Rehefa mivavaka ho an'ny sakafo sy ireo izay tsy ampy sakafo isika, dia manokatra varavarana ho an'ny fitahiana hivaingana ao an-tokatsika.
Araka ny voalazan'ny tenin'Andriamanitra (2 Korintiana 9:11) : "Hahazo izay rehetra ilainao ianareo mba hahafahanareo manome foana, ary amin'ny alalan'ny fanomezanareo dia hisaorana an'Andriamanitra ny olona." Mahafinaritra tokoa ny mitso-drano sy ny tsofin-drano!
Fa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy, ary hesoriko aminao ny aretina.
Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo dia natolony ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra ho an’ny vahoaka.
Rehefa nilaza izany izy dia sady nandray mofo no nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’ny olona rehetra; rehefa novakiny izany dia nanomboka nihinana izy.
Fa hoy indray ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
Rehefa hihinana ianao ka ho voky dia hisaotra NY TOMPO Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao.
Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.
Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko mba ho fiainan’izao tontolo izao.
Endre ny hamamin’ny teninao raha andramako, mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
Ary raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa rehefa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany ka nisy roa amby folo harona.
Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa ka tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.
Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany. Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy. Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika ka mahatsiaro fa vovoka isika. Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa ary tsy mahalala azy intsony ny toerany. Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny. Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO; ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Misaora NY TOMPO, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora NY TOMPO, ianareo miaramilany rehetra, dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora NY TOMPO, ianareo asany rehetra manerana ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra, izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao, izay mamoky zava-tsoa anao; mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao. Manokatra ny tananao Ianao ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra.
Ary rehefa noraisin’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny amin’ny vahoaka.
Ary nandray ny mofo fito mbamin’ny hazandrano Izy, koa rehefa nisaotra dia namaky izany ka nanolotra azy ho an’ny mpianatra ary ny mpianatra kosa dia nanolotra izany ho an’ny vahoaka.
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia.
Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo ary misaotra an’Andriamanitra koa izy.
ary hampaniriako ahitra ho an’ny biby fiompinao ny sahanao, dia hihinan-kanina ianao ka ho voky.
Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny, fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.
Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera NY TOMPO ireo izay mitady Azy. Ho velona mandrakizay anie ny fonareo!
dia nampirotsaka mana taminy mba hohaniny Izy ary varin’ny lanitra no nomeny azy. Ny fihinan’ny mahery no nohanin’ny olona; nandefasany hanina hahavoky azy izy.
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanao fanatitra an-tsitrapo toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho. TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho.
Hidera Anao amin’ny foko manontolo aho, Tompo Andriamanitro ô; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
Ary raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo dia nandray mofo Jesosy, koa rehefa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray ny kapoaka Izy, koa rehefa nisaotra Izy, dia natolony azy ka nataony hoe: Misotroa amin’ity ianareo rehetra; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.
Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitahirizana, nefa Andriamanitra no mamelona azy ireny; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
Aoka hidera NY TOMPO ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona! Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Hidera NY TOMPO amin’ny foko manontolo aho; hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.
Indro, an’NY TOMPO Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
izay manome rariny ho an’ny ampahorina; izay manome hanina ho an’ny noana. NY TOMPO no mamaha ny mpifatotra;
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.
NY TOMPO no Mpiandry ahy: Tsy misy zava-mahory ahy. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.
Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka, dia ny mpanapaka eo amin’ny olony.
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
Akory re ny haben’ny hatsaranao izay voarakitrao ho an’ny matahotra Anao, dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona, no ho an’izay mialoka Aminao!
Mifalia ianao sy ny levita mbamin’ny vahiny eo aminao amin’ny soa rehetra izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.
Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaniny
Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinanareo; omeko anareo toy ny zava-maitso koa izy rehetra.
Ireo rehetra ireo dia miandry Anao mba homenao ny haniny amin’ny fotoanany. Manome Ianao dia manangona izy; manokatra ny tananao Ianao dia voky ny soa izy.
Nihinana avokoa izy rehetra ka voky; rehefa nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany dia nahafeno fito sobika.
Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta; atanatanao ny vavanao dia hofenoiko.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Ianao; manosotra diloilo ny lohako Ianao; ny kapoakako dia feno dia feno.
Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy; ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy sy anana ambolen’ny olona Izy ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.
Ary izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahamaro ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
Fa Izy kosa namaly hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Deo 8.3).
Rehefa nipetraka hisakafo niaraka taminy Izy dia nandray ny mofo ka nisaotra sy namaky izany ary nanome azy ireo.
Raha niala teo Jesosy dia nankany amoron’ny ranomasin’i Galilia; niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo; Ary Izy namaly azy ireo hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? ary nisy vahoaka betsaka nankeo Aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny kilemaina, ny moana sy ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy ireny Izy; talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka mandeha ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Israely izy rehetra.
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Ary tamy i Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nitondra mofo sy divay; izy io dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra.
Dia hohanina amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanana azy, miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy.
Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ny fanahiko ary amin’ny molotra ravoravo no hideran’ny vavako Anao.
Midera Anao aho fa mahatahotra sy mahatalanjona ny fomba nanaovana ahy. Mahagaga ny asanao ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity; fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, hena matavy, be tsoka, divay efa niotrika ela, voadio tsara.
NY TOMPO no anjara lovako sy kapoakako; Ianao no mampaharitra ny anjarako. Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, lova tsara tarehy ho ahy izany.
Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.
Kristy no nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna satria tonga voaozona hamonjy antsika Izy; fa voasoratra hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo» (Deo 21.23), mba ho tonga amin’ny Jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy.
Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova fa hatoky an’Andriamanitra izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.
Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.
Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’NY TOMPO amin’ny tanin’ny velona!
Fa ny tany izay hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta, izay nialanareo, izay namafazanao voan-javatra sy nandeman’ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolena anana. Fa ny tany izay halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ny ranonoran-danitra, ary tany izay tandreman’NY TOMPO Andriamanitrao; fa ny mason’NY TOMPO Andriamanitrao dia mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany.
Mitandrina ny didinao sy ny teny vavolombelonao aho, fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
NY TOMPO no miaro ny vahiny ary manohana ny kamboty sy ny mpitondratena fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany. Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Sambatra izay fidinao sy ampanatoninao mba hitoetra eo an-kianjanao! Ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao.
Dia nisaotra NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida hoe: Isaorana anie Ianao, RY TOMPO, Andriamanitr’Israely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka ka eo an-tananao koa ny mahalehibe sy ny mampatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, misaotra Anao sy midera ny anaranao be voninahitra izahay.
Ny divay dia mampifaly ny olona ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.
Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO, dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy.
Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.