Rehefa mahazo trano isika, dia tena iriantsika ny hanjakan’ny Tompo eo amin’ny ankohonantsika. Toy ny ialofantsika ao ambany fiarovany, dia tokony hatolotsika ho Azy koa ny fananantsika, satria avy Aminy no nahazoantsika izany.
Koa aoka isika hanatona ny Ray amim-pifaliana sy am-piraisan-kina mba hisaotra Azy noho ny fitahiany.
Ary zava-dehibe ny fanambarana ny teny fikasany isan'andro ao an-trano, mba hamiramirana ny fahazavan’i Jesoa eo amin’ny rindrina efatry ny tranontsika sy eo amin’ny ankohonantsika.
"Koa ankehitriny, mifona aminao aho, mba hotahio ny tranon'ny mpanomponao, hijanona eo anatrehanao mandrakizay; fa Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, no efa niteny, ary amin'ny fitahianao no hitahiana ny tranon'ny mpanomponao mandrakizay." (2 Samoela 7:29)
Raha tsy NY TOMPO no manorina ny trano dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy NY TOMPO no miambina ny tanàna dia miari-tory foana ny mpiambina.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao, ary ampianaro tsara ny zanakao izany ka resaho aminy mandrakariva na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha; ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao, ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao.
Ary nambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: NY TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay nananany rehetra noho ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. Dia nandeha i Davida ka nampiakatra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma ho any an-Tanànan’i Davida.
Avy eo dia alao ny diloilo fanosorana ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, ary hamasino miaraka amin’ny fanaka rehetra momba azy ka ho masina izany.
Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Ny voninahitr’ity trano ity amin’ny ho avy dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay izy; ary ho tafaorina mandrakizay ny sezafiandrianany.
dia hoy Izy tamin’izy ireo: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay.
Koa amin’izany, na zovy na zovy no mandre ny teniko teo ka mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.
Koa tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny herinao manontolo. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao, ary ampianaro tsara ny zanakao izany ka resaho aminy mandrakariva na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha; ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao, ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao.
Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo NY TOMPO dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata na ny andriamanitry ny Amorita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo NY TOMPO izahay.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volo anareo dia Izaho ihany no hisahirana hitondra anareo; Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro; eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao; Eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Ny liona masiaka sy ny vipera dia hodiavinao, ny liona tanora sy ny menarana dia hohitsakitsahinao. Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy. Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko. Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra ka ho avy izay zava-tsoan’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Sambatra izay rehetra matahotra NY TOMPO, dia izay mandeha amin’ny lalany. Fa hohaninao tokoa ny vokatry ny asan’ny tananao; sambatra sady ambinina ianao. Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao; ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao. Indro, toy izany no hitahiana izay lehilahy matahotra NY TOMPO.
Ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
Koa tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato. naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany; ary Kristy Jesosy no vato fehizoro. Ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao Aminy koa ianareo no miaraka aorina ho fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy.
dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao mba haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa efa niteny izany Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy NY TOMPO, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny ho avy.
Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho amin’ny androko rehetra.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Handry amin’ny fiadanana aho ka hatory avy hatrany satria Ianao irery, TOMPO ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy.
fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran’ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko dia ho ao mandrakariva.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana ary eo an-kianjany amin’ny fiderana! Miderà Azy, misaora ny anarany!
Misy harena be ao an-tranon’ny marina, fa ny fitomboan’ny harenan’ny ratsy fanahy dia misy loza.
Ary raha vao miditra ao an-trano ianareo dia miarahabà ny olona ao. Koa raha mendrika ny olona ao an-trano dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.
Hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fehizay ny oloko, ao amin’ny toerana mahatoky sy ao amin’ny fialan-tsasatra milamina.
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Fahendrena no anaovana trano, ary halalinan-tsaina no mampaharitra azy. Nandalo ny sahan’ny kamo sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho; koa indro, feno songosongo izy sady voasaron’ny tsilo, ary nirodana ny fefy vatony. Dia nojereko ka noheveriko tsara; eny, hitako ka nahazoako anatra. Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tanana kely hatory; dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely ny fahantranao ary ny fahasahirananao ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana. Fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Koa tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny herinao manontolo. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao, ary ampianaro tsara ny zanakao izany ka resaho aminy mandrakariva na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha;
raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao;