Andininy ao amin’ny Baiboly

dokam-barotra


Sokajy Kely

Andininy momba ny fisakaizana

Jesosy aza moa nanana namana maro nanodidina Azy, ary namela ohatra tsara dia tsara ho antsika momba ny fisakaizana. Ny namana dia olona manan-danja eo amin'ny fiainantsika. Milaza ny Baiboly fa tsara ny roa noho ny iray, satria raha lavo ny iray, dia eo ny iray hanarina azy. Tena fitahiana sy tombontsoa ny manana namana tsara sy marina tokoa.

Toy ny rahalahy na anabavy ao anatin'ny fahoriana ny tena namana. Manoro hevitra izy, mifaly amin'ny fahombiazanao, ary miaraka aminao amin'ny fotoan-tsarotra. Ny namana dia mirary soa anao foana, manampy anao handroso, ary mitarika anao hanatona an'Andriamanitra.

Eo amin'ny dingana samihafa eo amin'ny fiainana no ahitana fisakaizana. Lasa toy ny fianakaviana mihitsy aza ny namana, ka zava-dehibe ny mahafantatra fa manana namana tena marina isika. "Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany." (Jaona 15:13)


Nahoma 1:7

Tsara NY TOMPO, fialofana amin’ny andro fahoriana; mahalala izay mialoka aminy Izy.

Chapter    |  dikan
Jaona 16:33

Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:39

Ny famonjena ny marina dia avy amin’NY TOMPO; fiarovana mafy ho azy Izy amin’ny andro fahoriana.

Chapter    |  dikan
Filipiana 4:13

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.

Chapter    |  dikan
Deoteronomia 31:6

Mahereza sy matanjaha; aza matahotra azy na mangorohoro; fa NY TOMPO Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.

Chapter    |  dikan
Hebreo 4:16

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 37:5

Ankino amin’NY TOMPO ny lalanao ary matokia Azy fa Izy no hanatanteraka.

Chapter    |  dikan
Salamo 55:22

Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.

Chapter    |  dikan
Efesiana 6:10

Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny.

Chapter    |  dikan
Salamo 18:2

NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, Andriamanitro, vatolampy ialofako, ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 18:10

Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.

Chapter    |  dikan
Salamo 34:10

Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana; fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.

Chapter    |  dikan
Salamo 32:7-8

Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Fiatoana

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.

Chapter    |  dikan
Deoteronomia 31:8

NY TOMPO no mandeha eo alohanao; Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

Chapter    |  dikan
Salamo 34:17

Mitaraina ny marina ary mihaino azy NY TOMPO ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra;

Chapter    |  dikan
Filipiana 4:6

Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan
Salamo 34:4

Nitady NY TOMPO aho dia namaly ahy Izy ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.

Chapter    |  dikan
1Petera 5:7

ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).

Chapter    |  dikan
Salamo 34:18

akaiky an’izay manana fo mangorakoraka NY TOMPO ary mamonjy izay torotoro fanahy.

Chapter    |  dikan
Isaia 41:10

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.

Chapter    |  dikan
Jakoba 1:2-4

Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo,

satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.

Chapter    |  dikan
Matio 21:21

Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo hoe: Mifindrà ka mianjerà any anaty ranomasina, dia ho tonga izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 31:24

Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay miandry NY TOMPO.

Chapter    |  dikan
Matio 21:22

Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany.

Chapter    |  dikan
Salamo 46:1-3

Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.

Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,

na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Fiatoana

Chapter    |  dikan
Isaia 12:2

Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.

Chapter    |  dikan
Salamo 121:5-8

NY TOMPO no Mpiaro anao; NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao.

Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina.

Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy.

Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Chapter    |  dikan
Salamo 27:1

NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?

Chapter    |  dikan
Salamo 9:9-10

Koa aoka NY TOMPO no ho fiarovana avo ho an’ny voan’ny tsindry hazo lena, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana!

Aoka hatoky Anao izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba afoinao izay mitady Anao, TOMPO ô!

Chapter    |  dikan
Eksodosy 33:14

Dia hoy Izy: Ny tenako mihitsy no handeha ka hanome anao fitsaharana.

Chapter    |  dikan
2Korintiana 1:3-4

Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,

izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.

Chapter    |  dikan
Romana 8:28

Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.

Chapter    |  dikan
2Timoty 1:7

Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.

Chapter    |  dikan
Salamo 28:7

NY TOMPO no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko ka ny hirako no hiderako Azy.

Chapter    |  dikan
Salamo 46:1

Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.

Chapter    |  dikan
Jaona 14:27

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.

Chapter    |  dikan
Salamo 55:16-18

Raha izaho dia Andriamanitra no antsoiko ary NY TOMPO no hamonjy ahy.

Hariva sy maraina ary mitataovovonana no itarainako sy itolokoako dia hihaino ny feoko Izy

ka hanavotra ahy ho amin’ny fiadanana hahafahako amin’ny adin’ireny amiko, fa maro no miady amiko.

Chapter    |  dikan
Isaia 40:30-31

Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;

fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Chapter    |  dikan
Filipiana 4:6-7

Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan
Salamo 121:1-2

Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy?

Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Chapter    |  dikan
Habakoka 3:17-18

Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mandiso fanantenana aza ny oliva ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy omby ao am-pahitra,

izaho kosa dia mbola hiravoravo amin’NY TOMPO ihany sy hihoby amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:25-26

Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko; velomy aho araka ny teninao.

Nolazaiko Anao ny lalako dia namaly ahy Ianao; ampianaro ahy ny didinao.

Chapter    |  dikan
Filipiana 3:13-14

Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho; fa zavatra iray loha no ataoko: Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha;

eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.

Chapter    |  dikan
Romana 8:38-39

Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,

na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Chapter    |  dikan
Isaia 26:3-4

Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

Matokia NY TOMPO mandrakizay, fa NY TOMPO, NY TOMPO no Vatolampy mandrakizay.

Chapter    |  dikan
Matio 11:28-30

Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.

Chapter    |  dikan
Salamo 73:26

Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.

Chapter    |  dikan
Kolosiana 3:2

Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Chapter    |  dikan
Galatiana 6:9

Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.

Chapter    |  dikan
1Tesaloniana 5:16-18

Mifalia mandrakariva.

Mivavaha ka aza mitsahatra.

Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.

Chapter    |  dikan
Efesiana 3:20

Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,

Chapter    |  dikan
Matio 6:34

Ary amin’izany, aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro iray ny ratsy miseho ao aminy.

Chapter    |  dikan
Isaia 40:31

fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.

Chapter    |  dikan
Salamo 9:9

Koa aoka NY TOMPO no ho fiarovana avo ho an’ny voan’ny tsindry hazo lena, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana!

Chapter    |  dikan
Romana 15:13

Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!

Chapter    |  dikan
Salamo 138:3

Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.

Chapter    |  dikan
2Korintiana 4:16-18

Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny.

Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe.

Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

Chapter    |  dikan
Salamo 119:50

Izany no mampionona ahy amin’ny fahoriako; ny teninao no mamelona ahy.

Chapter    |  dikan
Salamo 56:3-4

Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.

Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?

Chapter    |  dikan
Salamo 119:76

Ny famindramponao anie no hampiononana ahy araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.

Chapter    |  dikan
Hebreo 10:23

aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;

Chapter    |  dikan
Romana 5:3-5

Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana;

ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana.

Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.

Chapter    |  dikan
Isaia 43:2

Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.

Chapter    |  dikan
Salamo 42:11

Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’Andriamanitra! Fa mbola hidera Azy ihany aho; Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.

Chapter    |  dikan
Ohabolana 17:22

Ny fo ravoravo dia mahasalama tsara, fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

Chapter    |  dikan

Vavaka amin’Andriamanitra

Andriamanitra ô, Anao anie ny voninahitra sy ny haja! Misaotra Anao fa Ianao no loharanon'ny zavatra rehetra, ary avy Aminao irery ihany no misy ny fitiavana sy ny fisakaizana marina sy madio. Mba tahio ny fiainan'ny namako, omeo hery azy ireo mba ho loha laharana foana ao am-pony ny fitiavana sy ny fisakaizana na inona na inona toe-javatra misy. Mba ampitomboinao isan'andro ny fatoram-pisakaizanay, tahaka ny an'i Davida sy i Jonatana. Hoy ny teninao: "Izay te-ho sakaiza dia tsy maintsy maneho fisakaizana." Tompo ô, tamin'ny fotoan-tsarotra sy ny fahoriana dia noporofoin'izy ireo fa tena namako marina tokoa izy ireo, rehefa niala ny maro dia nijanona teo anilako izy ireo. Ray ô, ampio aho ary omeo fahendrena mba hiarovako sy hankafizako ny fisakaizan'izy ireo. Mba hahafahanay miara-dia isan'andro eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina ka hiatrika amim-pahasahiana izay rehetra mitranga sy izay fitsapana rehetra, satria avy Aminao irery ihany no ahazoanay fandresena. Arovy ny foko, mba tsy hisy loto na hanimba ny fisakaizanay. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amena!