Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Romana 8 - Baiboly Protestanta Malagasy 2011


Ny fiainana araka ny Fanahin’Andriamanitra

1 Koa amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.

2 Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana.

3 Fa izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nanalemy azy, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo,

4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ny lalàna amintsika izay tsy mandeha araka ny nofo fa araka ny Fanahy.

5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy.

6 Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,

7 satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalànan’Andriamanitra izy sady tsy hainy akory izany.

8 Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra.

9 Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy.

10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana.

11 Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

12 Koa amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika, tsy amin’ny nofo anefa ka ho velona araka ny nofo.

13 Raha velona araka ny nofo ianareo dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy kosa no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo.

14 Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.

15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny fananganana anaka, izay ahazoantsika miantso hoe: Aba! Ray ô!

16 Izy Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.

17 Raha zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra isika no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.


Ny voninahitra ho avy

18 Eny, heveriko fa ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao dia tsy mendrika oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.

19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ny hampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

20 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho Izay nampanaiky azy, amin’ny fanantenana.

21 Izao zavatra ary rehetra izao koa dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana be voninahitra izay an’ireo zanak’Andriamanitra.

22 Fa fantatsika fa mandraka ankehitriny, izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka.

23 Tsy izany ihany, fa isika koa; eny, fa na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika koa dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganana anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.

24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita maso dia tsy mba fanantenana intsony; izay hita va mbola azo antenaina ihany?

25 Fa raha manantena izay tsy mbola hitantsika isika dia miandry amin’ny faharetana.

26 Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, satria tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika. Fa ny Fanahy no mangataka ho antsika amin’ny fitarainana tsy hay tononina.

27 Ary Ilay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.

28 Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.

29 Satria ireo izay fantany mialoha no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.

30 Izay notendreny mialoha no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.


Mpandresy ny fitiavan’Andriamanitra

31 Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

32 Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy fa nanolotra Azy hamonjy antsika rehetra, tsy homeny antsika miaraka Aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?

33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy!

34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty! Eny, mihoatra noho izany aza, nitsangana tamin’ny maty koa Izy ka mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.

35 Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa tebiteby, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

36 Araka ny voasoratra hoe: «Fa noho ny aminao no amonoana anay mandritra ny andro; toy ny ondry hovonoina no niheverana anay» (Sal 44.22).

37 Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.

38 Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,

39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Baiboly Protestanta Malagasy © Malagasy Bible Society, 2011.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra