Fifaliana avy amin'ny Tompo no mameno hery ahy, ary mampiray antsika koa. Tsy fifaliana tokony hotazonina irery anaty ity fa fifaliana tokony hozaraina. Tahaka ny nandidiana ny Isiraelita mba hifaly sy hizara izay nananany, dia afaka mizara ny fifaliana avy amin'ny Tompo amin'ny olona rehetra fantatro koa aho.
Ity fifaliana avy amin'ny Tompo ity no mandrisika ahy ho tia ny mpiara-belona amiko sy hitondra ny filazantsara amin'ny olona maro kokoa. Rehefa feno fifaliana avy amin'Andriamanitra ny foko dia matanjaka aho ary manana hery hizara izany fifaliana izany amin'ny fiaraha-moniko.
Fifaliana maharitra avy amin'Andriamanitra izy ity, tsy misy afaka maka izany amiko. Salamo 98:4-6¹ no manao hoe: "Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Manaova feo fifaliana sy fihobiana ary fiderana. Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; Amin'ny lokanga sy feon-kira. Tsofy ny trompetra sy ny anjomara eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah." Betsaka ny andininy ao amin'ny Baiboly miresaka momba ny fifaliana avy amin'Andriamanitra.
¹Sal. 98:4-6Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ho fitahiana tokoa ianao.
Mivahinia eto amin’ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho. Fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto ka hotanako ny fianianana izay nataoko tamin’i Abrahama rainao.
Dia nitsodrano azy ireo izy tamin’io andro io ka niteny hoe: Ny anaranareo no hoentin’ny Israely hitsofana rano, hoe: Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy tahaka an’i Manase anie ianao! Koa i Efraima no nataony alohan’i Manase.
Ary nanandratra ny tanany manandrify ny olona i Arona ka nitsodrano azy; dia nidina izy rehefa avy nanolotra ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana.
Ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny menakao; hitahy ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao.
Amin’izany andro izany dia ho fahatelo aorianan’i Ejipta sy Asiria ny Israely, ho fitahiana eo amin’ny tany;
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola holazaina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
noho Andriamanitry ny rainao ka Izy no hamonjy anao; noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao, dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.
Ho fantatra any amin’ny Jentilisa ny taranany, ary any amin’ny firenena ny terany; izay rehetra mahita azy dia hahafantatra fa taranaka notahin’NY TOMPO izy.
Hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao. Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Tamin’ny nandidiako anao androany dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalànany mbamin’ny fitsipiny. Mba ho velona ianao sady hihamaro, ary mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.
Ary hatramin’izay nanendren’ny tompony azy ho mpikarakara ny tao an-tranony, mbamin’izay rehetra nananany, dia notahin’NY TOMPO ny tranon’ilay Ejiptiana noho ny amin’i Josefa; ny fitahian’NY TOMPO dia tamin’izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
Ampiononinareo, ampiononinareo ny oloko, hoy Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema ka ambarao aminy fa tapitra ny adiny sady voaonitra ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’NY TOMPO izy ho valin’ny fahotany rehetra.
Harovan’NY TOMPO amin’ny aretina koa ianao ka tsy hisy hamelezany anao ny aretin-dratsin’i Ejipta, izay fantatrao; nefa hataony amin’izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
Hatolotry NY TOMPO ho resy eo anoloanao ny fahavalonao izay mitsangana hiady aminao, koa lalana iray no handehanany hanatona anao fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitra, Andriamanitry ny Israely; Izy irery ihany no manao fahagagana!
Isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza! Ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny! Amena! Eny, Amena!
Indro firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho eo aminao noho ny amin’NY TOMPO Andriamanitrao, ny Iray Masin’ny Israely izay manome voninahitra anao.
Ary toy ny nahatonga anareo ho fanozonana tany amin’ny Jentilisa, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Israely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo ka ho tonga fitahiana kosa ianareo. Aza matahotra fa mahereza ianareo!
Izay matoky NY TOMPO dia tahaka ny tendrombohitra Ziona izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay.
Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema no anodidinan’NY TOMPO ny olony hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Ary satria hitan’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentilisa, dia nitory ny Filazantsara tamin’i Abrahama koa izy ka niteny hoe: «Aminao no hitahiana ny firenena rehetra» (Gen 12.3);
Eny, sitrapony izany sady tokony hataony aminy, fa raha ny Jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.
ka niteny taminy hoe: Mihazakazaha ka milazà amin’io zatovo io hoe: Hijanona ho tanàna tsy mimanda i Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
fa kely ny fanananao fony tsy mbola tonga aho, nefa nitombo be dia be izany; ary efa nitahy anao NY TOMPO tamin’ny diako rehetra. Koa ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko?
Ny taranakao dia ho tahaka ny vovoka amin’ny tany; hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao. Aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
Mahatsiaro antsika NY TOMPO ka mitahy; hitahy ny taranak’Israely Izy; hitahy ny taranak’i Arona Izy;
hotahiny izay matahotra NY TOMPO, na ny kely na ny lehibe.
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, dia aoka ny tanako havanana mba hanadino.
Raha tsy mahatsiaro anao aho dia aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko, raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ny fifaliako rehetra.
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fahavalonao sy izay mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
kanefa tsy dia hisy mahantra eo aminao, fa hitahy anao tokoa NY TOMPO eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao,
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hanandratra ny tanako any amin’ny Jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako any amin’ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakao vavy dia hoentiny eny an-tsorony.
Fony NY TOMPO nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany dia tahaka izay nanonofy isika.
Fahiny dia feno hehy ny vavantsika ary feno fihobiana ny lelantsika; tamin’izay dia izao no notenenin’ny Jentilisa: Zava-dehibe no nataon’NY TOMPO ho an’ireny.
Fa NY TOMPO efa nifidy an’i Ziona ary naniry azy ho fonenany.
Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; eto no honenako fa efa niriko ity.
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho no haka ny Zanak’Israely avy any amin’ny Jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka hoentiko any amin’ny taniny.
Hataoko firenena tokana any amin’ny tany izy, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
Hanompo anao anie ny firenena maro ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samihafa! Ho tompo amin’ny rahalahinao anie ianao ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao ary hohasoavina anie izay manisy soa anao!
Nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô; koa na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny. Eny, ianareo izay mpampahatsiaro NY TOMPO, aza mitsahatra!
Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an’i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin’ny tany.
Misy ony iray, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’Andriamanitra, fonena-masin’ny Avo Indrindra;
Halalaho ny itoeran’ny tranolainao ary aoka hohenjanina ny ambaindainao ka aza avela hisy hikentrona! Halavao ny kofehinao ary aoreno mafy ny tsatokan-dainao!
Fa hiitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia ianao ary hahazo firenena hafa ny taranakao ka hasiany mponina ny tanàna lao.
Fa halaiko avy any amin’ny Jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hoentiko any amin’ny taninareo.
Dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo sady hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato ka homeko fo nofo ianareo.
Ny naorin’NY TOMPO dia eo amin’ny tendrombohitra masina.
Ny vavahadin’i Ziona dia tian’NY TOMPO mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’i Jakoba.
Zava-malaza no nolazaina momba anao, ry tanànan’Andriamanitra. Fiatoana.
Mahatsiaro mandrakariva ny fanekeny Izy, dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby;
eny, ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka;
izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’Israely
Izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitahiana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ny fotoanany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
Hamoa ny hazo any an-tsaha sady hahavokatra ny tany, ary handry fehizay amin’ny tany izy; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, rehefa tapahiko ny ziogany, ary hafahako amin’ny tanan’izay nampanompo azy izy.
Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana sy ny fifonana ka hijery Ahy izay nolefoniny izy. Ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ny olona ny lahimatoany.
Hahamaro anareo anie NY TOMPO, dia ianareo mbamin’ny zanakareo.
Hitahy anareo anie NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hanandratra ny tanako any amin’ny Jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako any amin’ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakao vavy dia hoentiny eny an-tsorony.
Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO ka tsy hitsanga-menatra izay manantena Ahy.
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Jentilisa, ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany ka lazao hoe: Izay nampiely ny Israely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.
Aoka hitsangana Andriamanitra ka hiely ny fahavalony ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ny savoka eo anoloan’ny afo no aoka hahalevonan’ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa. Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia ho tafaorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana, ary ny firenena rehetra no hitanjozotra hankany.
Eny, olona marobe no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba! Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, sy handehanantsika amin’izay tokony haleha. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
Amin’izany dia hovonjena avokoa ny Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: «Hiainga avy any Ziona ny Mpanafaka ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy;
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
Ekeo ho an’Andriamanitra ny hery; ambonin’ny Israely ny voninahiny ary ny heriny dia eny amin’ny rahona.
Mahatahotra Ianao, Andriamanitra ô, ao amin’ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Israely no manome hery sy tanjaka ho an’ny firenena. Isaorana anie Andriamanitra.