Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 13 - Baiboly KatolikaAntiôkosy faha-5 sy i Lisiasy. Fampijaliana an’i Menelasa (Jereo 1Mak 6,18-47 ) 1 Tamin’ny taona faha-149, ren’i Jodasy sy ny namany fa tamy hamely an’i Jodea i Antiôkosy Eopatôra mitondra miaramila maro; 2 ary i Lisiasy mpiahy ama-mpandraharahany koa, nanaraka azy; izy roa lahy samy nitarika tafika grika, izay nisy miaramila an-tongotra 110.000, an-tsoavaly 5.300, elefanta 22, ary kalesy misy antsy lava 300. 3 Nikambana tamin’izy ireo koa i Menelasa sady namporisika an’i Antiôkosy tamim-pihatsarambelatsihy lozan-tany, tsy mba ho famonjena ny tanindrazany anefa, fa noho ny fanantenany haverina amin’ny voninahiny indray. 4 Kanjo kosa, nampirehetin’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, tamin’io tsy misoro-doza io, ny fahatezeran’i Antiôkosa, fa nasehon’i Lisiasy tamin’ny mpanjaka fa i Menelasa no fototr’izao loza rehetra izao, ka nasain’i Antiôkosy nentina any Berea izy io, dia hovonoina any araka ny fanao amin’izany fitoerana izany. 5 Fa nisy tilikambo anankiray tao, 50 hakiho ny haavony, feno lavenona voaisy milina mihodina eny an-tampony, ka hatrizay hatrizay, dia nampisisika ao anaty lavenona. 6 Ao no famarinan’ny vahoaka ao Berea ny olo-meloka nanao halatra sakrilezy, na diso tamin’ny heloka bevava sasany hafa koa. 7 Toy izany no nahafatesan’i Menelasa, ilay mpivadika ny lalàna, ary rariny loatra ny tsy nandevenana azy. 8 Fa nanota imbetsaka tamin’ny ôtely izy, izay madio ny afo aman-davenona, ka tao anaty lavenona izy no tojo ny fahafatesana. Vavaka sy fahombiazan’ny Jody nankany Modìna 9 Dia nandroso ny mpanjaka; feno hevitra barbarianina ny sainy, vonon-kamely mafy ny Jody mihoatra noho ny nataon-drainy izy. 10 Vao nahalala izany i Jodasa dia nandidy ny vahoaka hiantso ny Tompo andro aman’alina mba hovonjeny amin’izao indray koa ireto olona 11 efa hoesorina amin’ny lalàna, amin’ny tanindrazany, amin’ny tempoly masina; ary mba tsy havelany ho latsaka eo am-pelatanan’ny firenena mankahala ny fivavahana ity vahoaka vao teo no nahita hiainana. 12 Nony efa niara-nivavaka toy izany sy nitaraina tamin’ny Tompo mpamindra fo izy rehetra, nanao an-dranomaso sy nifady hanina, sady nandohalika tsy tapaka nandritra ny hateloana, dia namporisihin’i Jodasy izy ireo ary nasainy niomana mba ho vonona. 13 Ka niresaka manokana tamin’ny loholona izy aloha, dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry ny mpanjaka, hitondra ny tafiny hiditra an’i Jodea, sy hahafaka an’i Jerosalema, fa hiroso miaraka amin’izay sy hamita ny raharaha amin’ny fanampian’ny Tompo. 14 Koa nankininy tamin’ny Nahary an’izao tontolo izao, izay ho anjara fiafaran’ny Jody, dia namporisihiny ny namany hiady amin-kerim-po hatramin’ny fahafatesana, ho an’ny lalàna, ho an’ny tempoly, ho an’ny tanàna masina ary ho an’ny tanindrazana amam-pirenena, dia notarihiny ho eo amin’ny manodidina an’i Modìna ny tafiny. 15 Izao aloha no baiko nomeny: «Fandresena amin’ny alalan’Andriamanitra,» vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin’ireo zatovo mpiady izy, dia namely tamin’ny alina ny lain’ny mpanjaka, nahafaty 4.000 lahy izy tao an-toby; fanampin’ireo koa ny lehibe indrindra tamin’ny elefanta, mbamin’ny miaramila nentiny tao amin’ny tilikambo. 16 Hany ka nataony safotry ny fivadiham-po amam-pifanaritahana ny tao an-toby, vao nialany tamim-pahombiazana tanteraka. 17 Fa vita tomombana ny natao, vao nazava ratsy ny andro, noho ny fiarovana nomban’ny Tompo an’i Jodasy. I Antiôkosy mandrary fihavanana amin’ny Jody (Jereo 1Mak 6,48-63 ) 18 Nony nahatsapa ny herim-pon’ny Jody toy izany ny mpanjaka, dia izay hahazoana an-kafetsena ny tanàna indray no nandramany. 19 Niroso hamely an’i Betsora tanàna mimanda mafy an’ny Jody izy, kanjo voatosika, tsy nahomby, resy. 20 Nandefasan’i Jodasy izay nilainy ireo nafahirano tamin’izany. 21 I Radôkôsa isan’ny tafiky ny Jody kosa anefa nilaza ny zava-miafina tamin’ny fahavalo; natao ny famotorana dia azo izy, ka natao an-tranomaizina. 22 Nifandrindra fanindroany tamin’ireo nafahirano ny mpanjaka, ka nanolotra tanana azy ireo, sy nandray ny azy, dia nihataka; 23 namely ny mpiadin’i Jodasy izy fa resy. Nandre anefa izy fa nikomy any Antiôkia, i Filipo ilay navelan’i Epifana ho lohan’ny raharaha, ka niraviravy tanana izy; nomeny teny soa ny Jody, nekeny sy nianianany ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, nihavana sy nanatitra sorona izy, nohajainy ny tempoly, noraharahainy tamin-kalemem-panahy ny fitoerana masina, 24 ary noraisiny tsara i Makabeo sady napetrany ho governoran’ny miaramila hatrany Ptôlemaisa ka hatrany amin’ny Gerenianina. 25 Kanjo nony tonga tao Ptôlemaisa ny mpanjaka, nasehon’ny mponina tao ny fahasosorany noho ny fanekena, fa nahatezitra azy izany, sy tsy tiany akory ny hanatanteraka ny zavatra tapaka ao aminy. 26 Ka niakatra teo amin’ny fipetrahan’ny mpitsara i Lisiasy niaro ny fanekena araka izay azo atao, dia nitaona sy nandamina tsara ny fon’ny olona, vao niainga ho any Antiôkia. Toy izany no nalehan’ny famelezana sy fihatahan’ny mpanjaka. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society