Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 13:23 - Baiboly Katolika23 namely ny mpiadin’i Jodasy izy fa resy. Nandre anefa izy fa nikomy any Antiôkia, i Filipo ilay navelan’i Epifana ho lohan’ny raharaha, ka niraviravy tanana izy; nomeny teny soa ny Jody, nekeny sy nianianany ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, nihavana sy nanatitra sorona izy, nohajainy ny tempoly, noraharahainy tamin-kalemem-panahy ny fitoerana masina, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 avy teo izy dia namely an’i Joda sy ny namany, kanjo resy. I Filipo no navelan’ny mpanjaka tao Antiôkia sady notendreny ho praiminisitra. Kanefa nandre ity mpanjaka fa nikomy io Filipo io, ka nivarahontsana izy. Dia nifampiraharaha tamin’ny Jiosy i Antiôkosa, nanaiky hilefitra, niainiana hitandro ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, ary nanao fihavanana taminy. Ho marik’izany no nanoloran’i Antiôkosa sorona, sy nanehoany fanajana ny tempoly tamin’ny fahalalahan-tanany ho an’io toerana io, Jereo ny toko |