Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 13:15 - Baiboly Katolika15 Izao aloha no baiko nomeny: «Fandresena amin’ny alalan’Andriamanitra,» vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin’ireo zatovo mpiady izy, dia namely tamin’ny alina ny lain’ny mpanjaka, nahafaty 4.000 lahy izy tao an-toby; fanampin’ireo koa ny lehibe indrindra tamin’ny elefanta, mbamin’ny miaramila nentiny tao amin’ny tilikambo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Nomeny ny teny haikan’ady hoe «Andriamanitra no fandresena» ireo miaramilany, vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin’ireo zatovo mpiady izy, dia namely tamin’ny alina ny faritra nisy ny lain’ny mpanjaka, ary nahafaty antokon-tafika roa tao an-tobim-pahavalo; fanampin’ireo koa dia voatrobaka ho faty ilay lehibe indrindra tamin’ny elefanta mbamin’ny mpitondra azy. Jereo ny toko |