1Tantara 2 - DIEM PROTESTANTANy taranak’i Joda, zanakalahin’i Jakôba 1 Ireto no zanakalahin’i Israely: i Reobena sy i Simehôna, i Levỳ sy i Joda, i Jisakara sy i Zebolòna, 2 i Dana sy i Jôsefa, i Benjamîna sy i Naftalỳ ary i Gada sy i Asera. 3 Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty. 4 I Tamàra vinantovavin’i Joda kosa niterahany an’i Peretsa sy i Zera; noho izany, dia dimy ny zanakalahin’i Joda rehetra. 5 Ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola. 6 Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimrỳ sy i Etàna, i Hemàna sy i Kalkôla ary i Darà: dimy izy rehetra. 7 Ny zanakalahin’i Karmỳ dia i Hakàna izay nampidi-doza an’i Israely tamin’ny nandikàny ny didy momba ny zavatra natokana ho an’Andriamanitra. 8 Ny zanakalahin’i Etàna dia i Hazarià. 9 Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba. 10 I Rama no ray niteraka an’i Haminadaba; i Haminadaba no ray niteraka an’i Nahasôna izay filohan’ny taranak’i Joda. 11 I Nahasôna no ray niteraka an’i Salmà; i Salmà no ray niteraka an’i Bôhaza. 12 I Bôhaza no ray niteraka an’i Hôbeda; i Hobeda no ray niteraka an’i Jesè; 13 ary i Jesè no ray niteraka azy fito mirahalahy ireto: dia i Eliaba sy i Abinadaba, i Simehà 14 sy i Natanaela, i Raday 15 sy i Ôtsema ary i Davida. 16 Ny anabavin’izy fito lahy dia i Tseroià sy i Abigaîla; telo no zanakalahin’i Tseroià: dia i Abisay sy i Jôaba ary i Hasahela. 17 Ary i Abigaîla no reny niteraka an’i Hamasà, ka i Jetera izay Jismahelita no rainy. 18 I Kaleba, zanakalahin’i Hetsirôna, niteraka tamin’i Hazobà vadiny: dia zanakavavy atao hoe Jerihôta, ary zanakalahy atao hoe Jesera sy Sôbaba ary Ardôna. 19 Ary rehefa maty i Hazobà, dia i Efrata no nalain’i Kaleba ho vadiny; ary io no niterahany an’i Hora. 20 I Hora no ray niteraka an’i Orỳ; ary i Orỳ no ray niteraka an’i Betsalela. 21 Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba. 22 I Segoba no ray niteraka an’i Jaîro izay nanana tanàna telo amby roapolo tao amin’ny tanin’i Gilehada. 23 Fa nalain’ny Gesorita sy ny Sirianina ireo tanànan’i Jaîro miaraka amin’i Kenata renivohitra sy ny tanàna kely manodidina azy; tanàna enimpolo no fitambarany. Ny mponina rehetra tamin’ireo tanàna ireo dia taranak’i Makira, rain’i Gilehada. 24 Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa. 25 Ireo zanakalahin’i Jerahimeela, lahimatoan’i Hetsirôna, dia i Rama lahimatoa sy i Bonà mbamin’i Ôrena sy i Ôtsema ary i Ahià. 26 Nanana vady hafa koa i Jerahimeela, i Hatarà no anarany, ary izy no renin’i Ônama. 27 Ny zanakalahin’i Rama, lahimatoan’i Jerahimeela, dia i Mahatsa sy i Jamina ary i Hekera. 28 Ny zanakalahin’i Ônama dia i Semay sy i Jadà; ny zanakalahin’i Samay kosa dia i Nadaba sy i Abisora. 29 Ny anaran’ny vadin’i Abisora dia i Abihaîla; izy no reny niteraka an’i Ahebàna sy i Môlida. 30 Ny zanakalahin’i Nadaba dia i Seleda sy i Apaîma; fa maty tsy niteraka i Seleda. 31 Ny zanakalahin’i Apaîma dia i Jisehỳ; ny zanakalahin’i Jisehỳ dia i Sesàna; ary ny zanakalahin’i Sesàna dia i Ahelay. 32 Ny zanakalahin’i Jadà, rahalahin’i Samay, dia i Jetera sy i Jônatàna; fa maty tsy niteraka i Jetera. 33 Ary ny zanakalahin’i Jônatàna dia i Peleta sy i Zazà. Ireo avy no taranak’i Jerehimeela. 34 Tsy nisy zazalahy ny zanak’i Sesàna fa zazavavy avokoa. I Sesàna kosa nanana mpanompo ejiptianina iray: i Jarehà no anarany. 35 Koa nomen’i Sesàna ho vadin’i Jarehà mpanompony ny zanany vavy anankiray ka niteraka an’i Hatahy. 36 Ary i Hatahy no ray niteraka an’i Natàna; i Natàna, ray niteraka an’i Zabada; 37 i Zabada, ray niteraka an’i Epelala; i Epelala, ray niteraka an’i Hôbeda; 38 i Hôbeda, ray niteraka an’i Jehò; i Jehò, ray niteraka an’i Hazarià; 39 i Hazarià, ray niteraka an’i Heletsa; i Heletsa, ray niteraka an’i Elehasà; 40 i Elehasà, ray niteraka an’i Sisemay; i Sisemay, ray niteraka an’i Saloma; 41 i Saloma, ray niteraka an’i Jekamià; ary i Jekamià no ray niteraka an’i Elisamà. 42 Ireo zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jerahimeela, dia i Mesà, lahimatoa sady rain’i Zifa, ary i Maresa rain’i Hebrôna. 43 Ny zanakalahin’i Hebrôna dia i Kora sy i Tapoa ary i Rekema sy i Sema. 44 I Sema no ray niteraka an’i Rahama izay rain’i Jôrkehama. I Rekama no ray niteraka an’i Samay; 45 ny zanakalahin’i Samay dia i Mahôna; ary i Mahôna no mpanorina an’i Bety-Tsoro. 46 I Hefà, vadikelin’i Kaleba, no reny niteraka an’i Haràna sy i Môtsà ary i Gazeza. I Haràna no ray niteraka an’i Jaheday; 47 ary ny zanakalahin’i Jaheday dia i Regema sy i Jôtama, i Gesàna sy i Peleta ary i Hefà sy i Sahafy. 48 I Mahekà, vadikelin’i Kaleba, no reny niteraka an’i Sebera sy i Tirehanà; 49 izy ihany koa no reny niteraka an’i Sahafy mpanorina an’i Madmenà sy niteraka an’i Sevà mpanorina an’i Makbenà sy i Gibehà; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Haksà. 50 Ireto koa mbola taranak’i Kaleba: ireo zanakalahin’i Hora, lahimatoan’i Efrata, dia i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma, 51 i Salmà mpanorina an’i Betlehema, ary i Harefa mpanorina an’i Bety-Gedera. 52 Taranak’i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma: ny mponina tao Harôe sy ny antsasaky ny Manahetita 53 ary ireo tarika tao Kiriata-Jeharîma, dia ny Jitrita sy ny Potita mbamin’ny Somatita sy ny Misrahita; avy tamin’ireo tarika ireo no nipoiran’ny Tsôrehatita sy ny Estaolita. 54 Taranak’i Salmà: ny mponina tao Betlehema, ny Netôfatita, ny mponina tao Hatarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manahetîta, ny Tsôrehita, 55 ary ireo tarika mpanoratra nonina tao Jahebetsy, dia ny Tirehatita sy ny Simehatita mbamin’ny Sokatita. Ireo tarika mpanoratra ireo no Kenita nipoitra avy tamin’i Hamata izay razamben’ny fianakaviana Rekabita. |
Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara © Malagasy Bible Society, 2004.
Malagasy Bible Society