Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 2:55 - DIEM PROTESTANTA

55 ary ireo tarika mpanoratra nonina tao Jahebetsy, dia ny Tirehatita sy ny Simehatita mbamin’ny Sokatita. Ireo tarika mpanoratra ireo no Kenita nipoitra avy tamin’i Hamata izay razamben’ny fianakaviana Rekabita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

55 ary ny fokon’ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’i Hamata, rain’ny taranak’i Rekaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

55 ary ireo tarika mpanoratra nonina tao Jahebetsy, dia ny Tirehatita sy ny Simehatita mbamin’ny Sokatita. Ireo tarika mpanoratra ireo no Kenita nipoitra avy tamin’i Hamata izay razamben’ny fianakaviana Rekabita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

55 mbamin’ny fokon’ny mpanoratra monina any Jabesa, dia ny Tiratianina, ny Skomatianina, ary ny Sokatianina. Ireo no Kineanina avy amin’i Hamata, rain’ny fianakavian’i Rekaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

55 ary ny fokon’ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’i Hamata, rain’ny taranak’i Rekaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

55 ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

55 ary ny fokon’ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’i Hamata, rain’ny taranak’i Rekaba.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 2:55
11 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa niala teo i Jehò, dia nahita an’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba izay tamy nanatona azy. Ary noarahabain’i Jehò izy ka nitenenany hoe: –Mba mahitsy fo amiko tahaka ny tenako aminao koa ve ianao? Ary hoy ny navalin’i Jônadaba: –Eny. Dia hoy i Jehò: –Raha izany àry, dia aoka isika hifandray tanana. Dia nifandray tanana izy roa lahy. Ary nampiakarin’i Jehò teo amin’ny kalesiny i Jônadaba


Taranak’i Salmà: ny mponina tao Betlehema, ny Netôfatita, ny mponina tao Hatarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manahetîta, ny Tsôrehita,


Ireto no zanakalahy naterak’i Davida tao Hebrôna: ny lahimatoa dia i Amnôna, zanakalahin’i Ahinôhama avy any Jizrehela; ny faharoa dia i Daniela, zanakalahin’i Abigaîla avy any Karmela;


Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.


Noho izany, amin’ny fianakavian’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba, dia hisy hatrany olona hijoro hanompo eo anatrehako. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no milaza izany.»


Ianareo mihambo hoe: «Hendry izahay, sady ato aminay ny lalànan’ny TOMPO.» Ahoana no ahazoanareo mihambo toy izany, raha ireo mpanora-dalàna aza manao fanoratana diso ka mahatonga azy hivoana?


Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin’i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanàna be rofia. Niainga niaraka tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin’ny taniefitr’i Joda tao atsimon’i Harada ary niara-nonina tamin’ny Hamalekita.


Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.


Hoy izy tamin’ny Kenita: «Mandehana ianareo ka ilaozy ny Hamalekita, fandrao haringako miaraka aminy koa ianareo; fa mba nanisy soa ny Israelita ihany manko ianareo, raha niala tany Ejipta izy.» Dia nisaraka tamin’ny Hamalekita ny Kenita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra