1Tantara 2:17 - DIEM PROTESTANTA17 Ary i Abigaîla no reny niteraka an’i Hamasà, ka i Jetera izay Jismahelita no rainy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 ary i Abigaila no niteraka an’i Amasa; ary i Jitira ismaelita no rain’i Amasa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Ary i Abigaîla no reny niteraka an’i Hamasà, ka i Jetera izay Jismahelita no rainy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika17 I Abigaila niteraka an’i Amasà, ary ny rain’i Amasà dia i Jetera, Ismaelita. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 ary Abigaila niteraka an’i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’i Amasa. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache17 ary i Abigaila no niteraka an’i Amasa; ary i Jitira ismaelita no rain’i Amasa. Jereo ny toko |
Hataon’ny TOMPO manody an’i Jôaba anie izany, satria olona roa tsy manan-tsiny akory sady tsara fanahy noho izy no nasiany tamin’ny sabatra ka maty, dia i Abinera zanakalahin’i Nera sady filohan-tafik’i Israely sy i Hamasà zanakalahin’i Jetera sady filohan-tafik’i Joda, nefa i Davida raiko tsy mba nahafantatra izany.
Ankoatra izany, ianao koa mahalala ny ratsy rehetra nataon’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià tamiko sy tamin’ny filohan’ny tafik’i Israely roa lahy, dia i Abinera zanakalahin’i Nera sy i Hamasà zanakalahin’i Jetera izay samy novonoiny ho faty sady nalatsany ra toy ny amin’ny ady nefa tsy nisy ady akory; ka dia tompon’andraikitra feno izy ny amin’ny nafitsony.
Dia nivoaka hitsena azy i Davida ka nanao taminy hoe: –Raha fihavanana no ahatongavanareo atỳ amiko mba hanampy ahy, dia amin’ny foko tokoa no hikambanako aminareo; fa raha hamadika ahy kosa mba hanolotra ahy amin’ny fahavaloko, na tsy nanao an-keriny aza ny tanako, dia aoka ilay Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly anareo!