Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 2:18 - DIEM PROTESTANTA

18 I Kaleba, zanakalahin’i Hetsirôna, niteraka tamin’i Hazobà vadiny: dia zanakavavy atao hoe Jerihôta, ary zanakalahy atao hoe Jesera sy Sôbaba ary Ardôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary i Kaleba, zanakalahin’i Hezrona, no niteraka tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota. Ireto no zanakalahin’i Azoba: I Jasera sy i Sobaba ary i Ardona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 I Kaleba, zanakalahin’i Hetsirôna, niteraka tamin’i Hazobà vadiny: dia zanakavavy atao hoe Jerihôta, ary zanakalahy atao hoe Jesera sy Sôbaba ary Ardôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 I Kaleba zanak’i Esrôna, niteraka tamin’i Azobà vadiny, sy tamin’i Jeriôta. Indreto ny zanany lahy naterak’i Azobà taminy: i Jazera, i Sôbata, sy i Ardôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary Kaleba, zanakalahin’i Hezrona, niteraka tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota. Izao no zanakalahin’i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary i Kaleba, zanakalahin’i Hezrona, no niteraka tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota. Ireto no zanakalahin’i Azoba: I Jasera sy i Sobaba ary i Ardona.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 2:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Abigaîla no reny niteraka an’i Hamasà, ka i Jetera izay Jismahelita no rainy.


Ary rehefa maty i Hazobà, dia i Efrata no nalain’i Kaleba ho vadiny; ary io no niterahany an’i Hora.


Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.


Ireo zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jerahimeela, dia i Mesà, lahimatoa sady rain’i Zifa, ary i Maresa rain’i Hebrôna.


I Hefà, vadikelin’i Kaleba, no reny niteraka an’i Haràna sy i Môtsà ary i Gazeza. I Haràna no ray niteraka an’i Jaheday;


Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirôna mbamin’i Karmỳ sy i Hora ary i Sôbala.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra