Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 2:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Nony maty tany Kaleba-Efrata i Hezrona dia niteraka an’i Asora, rain’ny any Tekoa, taminy, i Abia vadin’i Hezrona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Efa maty tany Kaleba-Efrata, i Hesrôna, vao niteraka an’i Ashora rain’i Tekoa, tamin’i Abià vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’i Hezrona, dia niteraka an’i Asora, razamben’ny any Tekoa, taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Nony maty tany Kaleba-Efrata i Hezrona dia niteraka an’i Asora, rain’ny any Tekoa, taminy, i Abia vadin’i Hezrona.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 2:24
8 Rohy Ifampitohizana  

Nampiantso vehivavy fetsy iray avy any Tekôa i Jôaba ka nilazany hoe: –Manaova sari-misaona ianao ka mitafia akanjo fisaonana; aza mihosotra ilomanitra, fa manaova toy ny vehivavy efa ela nisaonana olona maty iray.


Fa nalain’ny Gesorita sy ny Sirianina ireo tanànan’i Jaîro miaraka amin’i Kenata renivohitra sy ny tanàna kely manodidina azy; tanàna enimpolo no fitambarany. Ny mponina rehetra tamin’ireo tanàna ireo dia taranak’i Makira, rain’i Gilehada.


Ireo zanakalahin’i Jerahimeela, lahimatoan’i Hetsirôna, dia i Rama lahimatoa sy i Bonà mbamin’i Ôrena sy i Ôtsema ary i Ahià.


Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba.


I Asehora, mpanorina an’i Tekôa, dia nanana vady roa: i Helà sy i Naharà.


Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.


Talohan’izao dia nanafika ny faritra atsimo amin’ny Keretita sy ny an’i Joda ary ny an’i Kalebita izahay. Ary nodoranay ny tanànan’i Tsiklaga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra