Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 1:3 - Baiboly Katolika

Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha omby no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hoentiny; eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana azy eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha omby no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hoentiny; eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana no hanaterany azy mba hankasitrahana azy eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Levitikosy 1:3
79 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.


Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»


Hoy ny navalin’i Abrahama: «Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka.» Dia niara-nandeha izy mianaka.


Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.


Koa ny isan’ny sorona dorana naterin’ny fiangonana dia omby 70, ondralahy 100, ary zanak’ondry 200, sorona dorana iray ihany ho an’i Iaveh avokoa ireo rehetra ireo.


Natokany ny hatao sorona dorana, nozarainy amin’ny ankapobem-bahoaka araka ny fizaràm-pianakaviany avy, hanaterany izany ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy: torak’izany koa ny tamin’ny omby.


Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.


Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.


Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.


Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin’i Iaveh izy ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.


dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»


«Dia ampandrosoy i Aarôna sy ireo zanany ho eo amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy.


Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin’ny taona mifandimby ao amin’ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh, dia eo amin’izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao.


Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao.


dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.


Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.


Manokàna zavatra hatolotra ho an’i Iaveh amin’ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin’i Iaveh, dia volamena, volafotsy, varahina,


Noraisin’izy ireo teo anoloan’i Môizy ny fanatitra rehetra naterin’ny zanak’i Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitrapo teo amin’i Môizy.


Hazo akasià no nanaovana ny ôtely fanaovan-tsorona dorana; dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, fa mitovy ny lafiny efatra, ary telo hakiho ny haavony.


Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.


Fa any an-tendrombohitra masina, any an-tendrombohitra avon’i Israely - teny marin’ny Tompo Iaveh - hanompo Ahy avokoa ny taranak’i Israely rehetra, izay rehetra amin’ny tany. Any Aho no hankasitraka azy ireo; any no hilako ny fanatitrareo, mbamin’ny santatry ny fanomezanareo, amin’izay rehetra atokanareo ho Ahy.


Teo amin’ny efitra fidirana eo am-bavahady, nisy latabatra roa avy isan-dafiny roa, izay tsy maintsy namonoana ny zavatra hanaovana ny sorona dorana, sy sorona noho ny ota, ny sorona noho ny fahadisoana.


Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,


Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.


Raha efa izany, halainy ny osy lahy roa, ka hapetrany eo anatrehan’i Iaveh, eo amin’ny varavarana fidirana amin’ny trano lay fihaonana.


nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;


Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,


ka tsy mitondra ny sorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hatolotra ho sorona ho an’i Iaveh, dia hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.


Amin’ny andro hanevahevanareo ny amboaram-bary, dia manatera zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema, hatao sorona ho an’i Iaveh.


Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo amin’i Iaveh ho sorona dorana dia zanak’ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr’ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin’ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh izany.


«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Iaveh.


Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.


rehefa fantany ny fahotana nataony, dia osilahy tsy misy kilema no fanatitra hoentiny;


Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.


Raha zanak’ondry no entiny hatao sorona noho ny ota, dia izay vavy tsy misy kilema no hoentiny.


Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin’ny fanatitra masina fanao amin’i Iaveh, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin’ny andian’ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin’i Iaveh, hatao sorona fanonerana izany.


Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin’ny mpisorona hatao sorona fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany.


Omeo an’i Aarôna sy ny zanany izao didy izao, lazao azy hoe: Izao no lalàna momba ny sorona dorana: Hirehitra mandritra ny alina, mandra-pahamaraina, eo am-patan’ny ôtely ny sorona dorana; ary velomina eo mandrakariva ny afon’ny ôtely.


Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh.


Raha sorona aterina ho fanalam-boady na ho fanatitra an-tsitrapo dia hohanina amin’ny andro hanaterana azy ny sorona, ary izay sisa tavela dia hohanina ny ampitso;


Dia nasainy naroso ny ondralahy hatao sorona dorana, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy.


Nosasany tamin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon’i Môizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


ka hoy izy tamin’i Aarôna: «Makà ianao zanak’omby tanora hatao sorona noho ny ota, sy ondralahy iray hatao sorona dorana izay samy tsy manan-kilema, ka atolory eo anatrehan’i Iaveh.


Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.


Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.


ka hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, na sorona dorana, na sorona fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na amin’ny fetinareo, mba hisy hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh avy amin’ny omby na ondrinareo;


Raha ombalahy no hatolotrao ho sorona dorana, na ho sorona fanalam-boady na ho sorom-pihavanana, amin’i Iaveh,


«Izao no didin’ny lalàna nandidian’i Iaveh, nataony hoe: Ilazao ny zanak’i Israely hitondra omby vavy manja mena iray, tsy misy takaitra na kilemam-batana sady mbola tsy nitondra jioga.


Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?


Hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Andeha àry ianao hoentiko any amin’ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any.»


Hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Mitoera ianao eo anilan’ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko i Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao.» Dia lasa izy nankany amin’ny havoana anankiray mangadihady.


Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balaama; ary nanatitra ombalahy sy ondralahy iray avy isan’ôtely izy.


«Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;


Ary izao no haterinareo ho sorona amin’ny afo, sorona dorana ho an’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,


hanatitra sorona dorana, sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia vantotr’ombalahy 13, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema;


Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;


«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.


ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra.»


Koa hoy indray i Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry;


Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.


Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.


Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.


Satria aminy no fahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany.


ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.


dia atero eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, ny soronao dorana, ny nofony sy ny rany; ary amin’ny sorona hafa, ny ra dia haidina eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny nofony dia hohaninao.


Raha manan-kilema anefa izy, fa mandringa na jamba na misy kilema ratsy hafa na inona na inona, dia aza atolotra ho sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao,


Aza atao sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao ny omby na zanak’ondry manan-kilema na misy takaitra, satria fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.


Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;


mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!