Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 29:13 - Baiboly Katolika

13 hanatitra sorona dorana, sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia vantotr’ombalahy 13, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy telo amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema izy ireo;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Amin’ny andro voalohany, ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy 13 sy ondrilahy roa ary zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Amin’ny andro voalohany, ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy 13 sy ondrilahy roa ary zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy telo ambin’ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra ambin’ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy telo amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema izy ireo;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Nanao fetin’ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan’andro isan’andro, araka ny isany voadidin’ny lalàna hatao isan’andro.


Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.


«Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;


Ary izao no haterinareo ho sorona amin’ny afo, sorona dorana ho an’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,


Ary izao no haterinareo ho sorona dorana, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona;


Amin’ny andro faha 15n’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Hanao fety fankalazana an’i Iaveh mandritra ny hafitoana ianareo,


ary ny atao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, telo ampahafolony amin’ny ombalahy 13 tsirairay avy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy roa tsirairay avy,


Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;


Ho sorona dorana ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia manatera vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,


Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra