12 Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; koa aza manao raharaha mavesatra fa mitandrema ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana.
12 «Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.

12 Ary amin’ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’i Jehovah.
12 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.
12 Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; koa aza manao raharaha mavesatra fa mitandrema ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana.
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro faha 15-n’ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Namakiana isan’andro ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy
«Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.