Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:14 - Baiboly Katolika

14 Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ho voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin’ny andian’ondriny ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny anarako dia atahorana any amin’ny Jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ho voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin’ny andian’ondriny ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny anarako dia atahorana any amin’ny Jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:14
39 Rohy Ifampitohizana  

Angamba hitsapa ahy ikaky ka hoheveriny ho mpamazivazy azy aho, ary amin’izay, ozona fa tsy tso-drano no ho azoko.»


Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Areonà: «Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an’i Iaveh Andriamanitro aho.» Dia volafotsy 50 sikla no nividianan’i Davida ny famoloana sy ny omby.


Amin’izay dia hanaja ny Anaran’i Iaveh ny firenena, ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany


Mitehafa tanana ianareo rehetra, ry vahoaka isany, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana!


Fa avo indrindra i Iaveh sy tokony hatahorana, mpanjaka lehibe amin’ny tany rehetra.


Fa Mpanjakan’ny tany rehetra Andriamanitra; ka mihirà hira fiderana.


Lehibe i Iaveh, Izy no alehan’ny fiderana rehetra, ao an-tanànan’ny Andriamanitsika, amin’ny tendrombohitra masina.


Maneke ny fahefan’Andriamanitra! Ny fiandrianany ao amin’i Israely, ny fahefany eny amin’ny rahona.


Manaova voady ianareo, ka efao amin’i Iaveh Andriamanitra izany, aoka hitondra fanatitra ho an’Andriamanitra mahatahotra, izay rehetra manodidina azy.


Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra.


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.


Velona Aho, - teny marin’ny Mpanjaka, tompon’ny anarana hoe: Iavehn’ny tafika: Tahaka an’i Tabôra eo amin’ny tendrombohitra, tahaka an’i Karmela, eo ambonin’ny ranomasina, dia tamy izy.


Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


I Moaba efa rava; ny tanànany efa midona-tsetroka; ny zatovony voafantina, midina ho any am-pamonoana; - teny marin’ny mpanjaka. manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika. -


Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.


Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany.


Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.


Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin’ny governoranao e! Hahazo sitraka aminy va ianao; hahita fitia aminy ianao? hoy i Iavehn’ny tafika.


Koa ankehitriny, ry mpisorona, didy mihatra aminareo izao.


Voan’ny ozona ianareo, ary Izaho ambakainareo, dia ianareo, ny firenena manontolo.


ka horoahiny izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»


na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;


nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenana Ahy.


dia ho avy amin’ny ora tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.


Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.


Raha tsy tandremanao tsara ny fanarahana ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, izay voasoratra amin’ity boky ity, ka tsy atahoranao ity Anarana be voninahitra sy mahatahotra ity hoe Iaveh Andriamanitrao,


izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.


Fa ny Andriamanitsika dia afo mandevona.


Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»


Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra