Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 14:10 - Baiboly Katolika

10 Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary amin’ny andro fahavalo dia haka zanak’ondrilahy roa tsy misy kilema izy sy zanak’ondrivavy iray izay iray taona, tsy misy kilema, miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary diloilo iray loga.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 «Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 «Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary amin’ny andro fahavalo dia haka zanak’ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak’ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary doloilo iray loga.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary amin’ny andro fahavalo dia haka zanak’ondrilahy roa tsy misy kilema izy sy zanak’ondrivavy iray izay iray taona, tsy misy kilema, miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha* voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary diloilo iray loga*.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:10
26 Rohy Ifampitohizana  

Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.


Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,


Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.


Izay mpisorona manao ny fanadiovana hanolotra an’izay olona midio, mbamin’ireo zavatra rehetra ireo eo anatrehan’i Iaveh, anoloan’ny trano lay fihaonana.


Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.


Dia halain’ny mpisorona ny diloilo iray loga, ka haidiny amin’ny felatanany havia.


Raha mahantra izy, ka tsy ampy ny fananany, dia haka zanak’ondry iray monja ihany izy, hatolotra ho sorona fanonerana, fanatitra ahevaheva, hanaovana ny fanonerana ho azy. Haka lafarina tsara indrindra izy, ampahafolon’ny efah ihany voadity amin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga,


«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.


«Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.


Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»


Ny fanatitra hampombaina an’io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilo, ho fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina.


Raha zanak’ondry no entiny hatao sorona noho ny ota, dia izay vavy tsy misy kilema no hoentiny.


Nony mby amin’ny andro fahavalo, nampanalain’i Môizy i Aarôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely,


ary ny hatao fanatitra momba izany dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo telo ampahafolony, atao amin’ny ombalahy iray, roa ampahafolony amin’ny ondralahy iray,


ka hanatitra ny fanatiny ho an’i Iaveh, zanak’ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondry vavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondry lahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana;


izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;


Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»


nanao hoe: «Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.»


Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy; «fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, hoy Izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.»


Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.


satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra.»


Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra:


fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra