Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 29:2 - Baiboly Katolika

2 Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:2
9 Rohy Ifampitohizana  

Hatramin’ny andro voalohan’ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy ireo; ny fototry ny tempolin’i Iaveh anefa dia mbola tsy nalatsaka.


Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.


Ary izao no haterinareo ho sorona amin’ny afo, sorona dorana ho an’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,


Ary izao no haterinareo ho sorona dorana, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona;


«Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.


ary ny fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo: telo ampahafolony amin’ny vantotr’ombalahy,


Hanatitra sorona dorana anankiray ianareo, sorona anankiray atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,


Ho sorona dorana ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia manatera vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra